Tahirim-pitaovana
Fizarana 8, Andro 2: Marka 6-8


Fizarana 8: Andro 2

Marka 6-8

Fampidirana

Nolavina tao Nazareta izay tanàna naha lehibe azy i Jesoa. Naniraka ireo Apôstôly Roambinifolo Izy mba hitory ny filazantsara. I Jaona Mpanao Batisa dia novonoina tamin’ny alalan’ny baikon’i Heroda Antipasy. I Jesoa dia namahana vahoaka mihoatra ny dimy arivo olona tamin’ny fahagagana, nandeha tambony rano, nampitsahatra tafiotra, ary nanasitrana ireo marary. Avy eo izy dia feno fangorahana ilay zaza nitoeran’ny devoly ka nanasitrana azy, toy izany koa ilay lehilahy izay narenina sady niraiki-dela. Namahana vahoaka 4000 Izy teo amoron’ny ranomasin’ny Galilia ary nandeha nankany Betsaida, ary tany no nanasitranany tsikelikely ny lehilahy jamba iray .

Marka 6:1–44

Nolavina tao Nazareta i Jesoa ary naniraka ireo Apôstôly Roambinifolo; Nalaza ny fahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa; namahana vahoaka mihoatra ny 5000 olona tamin’ny fahagagana i Jesoa

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto: Sahiran-tsaina ny misionera iray lahy na vavy izay vao nantsoina mikasika ny fandaozana ny fonenany mba handeha hanao asa fanompoana. Io olona io dia manana olana amin’ny fanaovana lahateny sy ny fifandraisana ara-piaraha-monina.

Inona no ho tianao lazaina amin’ilay zatovolahy na zatovovavy?

Eo am-pandalinana ny Marka 6, dia tadiavo ny fitsipika iray izay mety hanampy io misionera tanora io, sy isika rehetra koa, rehefa mahatsapa isika fa tsy mendrika ny hanao ny zavatra nangatahin’ny Tompo tamintsika.

Ny Marka 6:1-13 dia milaza hoe ahoana ny nandàvana an’i Jesoa tao Nazareta izay tanàna nahalehibe Azy. (Voalaza amin’ny antsipiriany bebe kokoa izany rehefa mandalina ny Lioka 4:14–30 ianao.) Raha mbola tany Izy, dia naniraka ny Apôstôly Roambinifolo handeha tsiroaroa mba hitory ny filazantsara. Nandritra ny fitorian’izy ireo ny filazantsara, dia nandroaka demonia koa izy ireo ka nanasitrana ny marary. I Marka koa dia nilaza fa ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy dia nanosotra diloilo ny marary.

lehilahy hametrahan-tanana eo amin’ny lohany

Rehefa nahare ireo fahagagana maro nataon’i Jesoa i Heroda Antipasy, dia natahotra izy hoe initsangana tamin’ny maty i Jaona Mpanao Batisa ka nanao ireo fahagagana ireo (jereo ny Marka 6:14). (Mianatra isika ao amin’ny Marka 6:17–29 fa i Heroda dia vao avy nampanapaka ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa mba hanomezana fahafaham-po ny vadin’i Heroda.)

Ny Marka 6:30-33 dia mitantara fa ireo Apôstôly Roambinifolo dia niverina avy nitory ny filazantsara, ary i Jesoa sy ny Apôstôly dia niondrana an-tsambokely ho any amin’ny toerana izay ahafahan’izy ireo hitokana sy hiala sasatra. Na izany aza, ny olona avy amin’ny tanàna maro akaiky teo dia nandeha nankeny amin’ny toerana izay handehanan’i Jesoa ka niandry Azy rehefa tonga Izy.

Vakio ny Marka 6:34 mba hikarohana hoe ahoana ny namalian’ny Mpamonjy ny vahoaka na dia nikatsaka ny hitokana sy hiala sasatra aza Izy sy ny mpianany.

Saintsaino ny zavatra niainana iray izay nahitanao ohatra amin’izao fotoana izao izay nahitana olona iray nahafoy ny fotoanany manokana mba hanompoana ny hafa toy ny nataon’i Jesoa.

Rehefa avy nampianatra ny vahoaka nandritra ny tontolo andro ny Mpamonjy dia nanatanteraka fahagagana iray lehibe Izy. Vakio ny Marka 6:35–44 sy Matio14:18, ary asio laharana araka ny fotoana nitrangany ireto zava-nitranga manaraka ireto. (Ireo valiny dia ho hita any amin’ny faran’ity lesona ity.)

  • Nampitomboin’ny Mpamonjy ny zavatra nentin’ireo mpianatra ka nanome izay nilaina sy nihoatra izany aza.

  • Ireo mpianatra dia nilaza fa manana mofo dimy sy hazandrano roa.

  • Ireo mpianatra dia nandroso hevitra ny handefasana ny olona mba hividy hanina.

  • Nanontany ny zavatra izay azon’ny mpianatra omena ny Mpamonjy.

  • Niteny tamin’ny mpianatra mba hanome sakafo ireo olona ny Mpamonjy.

  • Tsy nisy nohanina ireo vahoaka maro.

  • Nangataka ny mpianany hanome Azy izay nananany ny Mpamonjy.

Ny lahatsoratra Grika mikasika ny Marka 6:44 dia manazava tsara fa ny teny hoe “ dimy arivo lahy” dia midika hoe vatan-dehilahy dimy arivo. Noho izany, ny isan’ireo izay nofahanana dia mbola betsaka kokoa satria nisy vehivavy sy ankizy koa teo (jereo ny Matio 14:21).

Jereo fa talohan’ny nanaovany io fahagagana io ny Mpamonjy dia nangataka ny mpianany mba hanolotra ny mofo dimy sy ny hazandrano roa—sy izay rehetra nananan’izy ireo—ho eo Aminy. Nampitomboin’ny Mpamonjy io sakafo io mba hamahanana ireo vahoaka maro.

vahoaka maro teo amin’ny sisin’ny tendrombohitra.

Ny fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’io tantara io dia hoe rehefa manolotra izay rehetra ananantsika amin’ny Mpamonjy isika,dia afaka ampitomboiny ny fanati-tsika mba hanatanterahany ny tanjony.

Na dia tsy nangataka antsika hitondra eo Aminy ny sakafo rehetra ananantsika aza ny Mpamonjy dia manasa ireo izay mikatsaka ny hanatanteraka ny tanjony kosa Izy ny hanome Azy ny faniriany rehetra, ny fahafahany rehetra, ny talentany rehetra, ny fahaizany rehetra, ny tanjany rehetra, ny fanomezany rehetra, ary ny ezaka ataony rehetra (jereo ny 2 Nefia 25:29; Omnia 1:26).

  1. sary famantarana ny diaryAvereno dinihina ny toerana nisy ilay misionera sahiran-tsaina vao avy nantsoina, izay voalaza tany aloha, ary valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha miainga avy amin’ny fitsipika etsy ambony dia inona no heverinao fa afaka ataon’io misionera io mba hanomezany izay rehetra hananana ho an’ny Mpamonjy? Inona araka ny eritretreritrao no mety hataon’ny Tompo?

    2. Inona ireo toe-javatra sasantsasany hafa izay mety hatrehin’ny tanora mpikamban’ny Fiangonana iray rehefa mahalala izy fa tena manampy ao anatin’izany io fitsipika io?

    3. Ahoana ny nampitomboan’ny Tompo ny ezaka ataontsika mba Hanatanterahany ny Tanjony?

Marka 6:45-56

I Jesoa dia nandeha teny ambony rano ary nanasitrana marary

Ny Marka 6:45–56 dia milaza fa rehefa avy namahana olona 5.000 i Jesoa dia nanome torolalana ny mpianany hiondrana an-tsambo kely hankeny ampitan’ny ranomasin’i Galilia. Nandefa ny vahoaka hody Izy avy eo ary nandeha tany an-tendrombohitra hivavaka. Nandritra ny alina dia nisy tafiotra, ary ny Mpamonjy dia nitazana avy eny an-tendrombohitra ireo mpianany izay sahirana nanohitra ny rivotra. Koa nandeha tambony rano Izy nanatona azy ireo ka nampitsahatra ny tafi-drivotra. Ny hevitra ao anatin’ireo andininy ireo dia efa noresahina tamin’ny antsipiriany bebe kokoa teo aloha nandritra ny nandalinanao ny Matio 14.

Marka 7:1–8:21

Nibedy ireo Fariseo i Jesoa, nanasitrana ireo ory, ary namahana olona 4.000.

Eo am-pandalinanao ny Marka 7–8, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mba hataontsika rehefa mahatsikaritra olona iray mila fanampiana isika.

Ao amin’ny Marka 7:1-23 dia hitantsika fa nibedy ny Fariseo i Jesoa noho ny fanarahan’izy ireo fomba tsy marina, ary nampianatra azy ireo sy ny mpianany Izy hoe “fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony” (Marka 7:21) no hiatombohan’ny saina sy ny fihetsika ratsy ka vokatr’izany dia mandoto olona iray.

Ny loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny “fomban-drazana narahan’ireo loholona” (Marka 7:5):

Loholona Bruce R. McConkie

“Ireo ôrdônansy sy fanazavana nataon’ny Raby dia nampidirin’ny mpanora-dalàna sy ireo mpampianatra tao amin’ny lalàn’i Mosesy tao anatin’ireo taona maro nifandimby. Ireo fombafomba ireo dia noraisina marina sy tamin’ny fomba ôfisialy ho manan-danja kokoa sy manana hery mamatotra bebe kokoa noho ilay lalàna mihitsy. Anisan’izany, izay voalaza fa fisorohana ny fombafomba tsy madio, ny fisasana izay tsy noraharahian’i Jesoa sy ny mpianany.

“Io fanovana ny fahamarinana ho lasa fomba io ihany—ny fanovana ny lalàn’ Andriamanitra ho lasa ‘fotopampianarana sy didin’olombelona’ [Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 7:7], tamin’ny alalan’ny fanazavana sy fanampiana zavatra avy amin’ireo mpampianatra tsy nentanim-panahy—no nitranga marina tamin’ny Apôstazia lehibe teo amin’ny vanimpotoan’ny Kristianina. Ireo fotopampianaran’i Kristy izay madio sy tsotra dia nampian’ireo mpanora-dalàna sy ireo mpisorona tamin’ny faha-kristianina teo aloha zavatra toy ny: fivarotana famelan-keloka, izay manafaka ny olon-dratsy tamin’ny fahotana teo aloha ary nanome lalana azy ireo hanao heloka tsy misy fanasaziana tamin’ny ho avy; famelana ny fahotana (izay mody natao) tamin’ny alalan’ny fibebahana miverimberina sy tsy tena izy [tsy vokatry ny fo]; fivavahana tamin’ny … olomasina, ho solon’ny fivavahana tamin’ny Tompo; fitsaohana sary; … fanakanana ireo mpisorona sy mpitarika ny fiangonana tsy hanambady; … ny fanaovan’ireo mpisorona sy ireo mpitarika ny fiangonana lamba sy akanjo lafo vidy; … ny fampiasana anaram-boninahitra teo amin’ny fanaovana asa fanompoana. Fampitomboana [fampiakarana] ny fananan’ny fiangonana amin’ny filokana; sy ny sisa maro hafa.

“Izany rehetra izany, sy ny maro hafa mitovy amin’ireo fombafomba, dia nisain’ny sasany ho manan-danja bebe kokoa noho ny lalàn’ Andriamanitra izay nomen’ilay Mpampianatra tany am-piandohana. Marina tokoa fa ireo izay antsoina hoe Fiangonana kristianina ankehitriny dia miorina amin’ireo fomban-drazana nataon’ireo ‘loholona’ amin’ny ankapobeny fa tsy amin’ireo fanambarana avy any an-danitra”(Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965-73], 1:366-67).

Mamaky isika ao amin’ny Marka 7:24-30 fa i Jesoa dia nanasitrana zanakavavin’ny vehivavy Grika iray, izay nitoeran’ny devoly iray. Tadidio fa tamin’izany fotoana izany, ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy dia teo amin’ny mpianakavin’i Isiraely ihany, fa tsy tany amin’ny Jentilisa, kanefa dia tamin’ny fo feno fangorahana no nanampianyio vehivavy Jentilisa io izay nila fanampiana sy nino Azy.

Tadiavo ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly laharana 11, hoe “Ny Tany Masina tamin’ny andron’nyTestamenta Vaovao” ny tanànan’i Tiro sy i Sidona ary ny Ranomasin’i Galilia. Rehefa nandao an’i Tiro sy i Sidona ny Mpamonjy, dia nandeha nankany amin’ny faritra atsinanan’ny ranomasin’ny Galilia Izy ka nankany amin’ny faritr’i Dekapolisy, izay toerana feno Jentilisa.

Vakio ny Marka 7:31-37 mba hikarohana hoe ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy fangorahana an’ilay lehilahy izay narenina no sady niraiki-dela.

Vakio ny Marka 8:1–3 mba hikarohana ny filàna izay tsikaritr’i Jesoa.

jereo ny ao amin’ny andininy 2 ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy ho an’ireo vahoaka.

Vakio ny Marka 8:4-9 mba hikarohana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy na dia tsy nangatahina hanao izany aza Izy.

Ianarantsika avy amin’ny zavatra fangorahana sy ny asa nataon’ny Mpamonjy tamin’ilay vahoaka noana fa afaka manaraka ny ohatra nataon’i Mpamonjy isika amin’ny fahatongavantsika saina amin’ny filàn’ny hafa ary avy eo dia mitondra fanampiana mba hanatanterahana ireo filàna ireo.

Ny rahavavy Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nampianatra fa mba hanarahantsika ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanompoana ny zanak’ Andriamanitra dia ilaintsika ny “Mijery aloha, avy eo dia manompo” (“Mijere aloha, avy eo dia manompoa,” Ensign na Liahona, Nôv. 2012, 78). Soraty ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Marka 8:4-9 io andian-teny io.

Ny fivavahana sy ny fangatahana ny fanampian’ny Ray any An-danitra ary ny fihazonana ny eritreritritsika hifantoka amin’ny hafa fa tsy amin’ny tenantsika manokana dia afaka hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny filàn’ny hafa kahanatanteraka izany. Tsarovy fa ny sasany amin’ireo filàna ireo dia mety tsy ho hita avy hatrany.

Inona no mety hanampy ny fahaiza-manaontsika mba hahafahana mahatsikaritra ny filàn’ny hafa sy hanampy amin’ny hanatanteraka izany?

Vakio ny ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Filoha Thomas S. Monson

“Impiry no tohina ny fonareo rehefa nanatri-maso ireo filàn’ny hafa? Impiry ianao no nikasa ho ilay mpanampy ny hafa? Kanefa impiry impiry no nanakanan’ny fiainana andavanandro izany, ka navelanao ho ataon’ny hafa izany, ka nahatonga anao nieritreritra hoe ‘eisy! tsy maintsy hisy olona hanampy amin’izany.’

“Lasa variana loatra amin’ny zava-manahirana eo amin’ny fiainantsika isika. Raha toa isika ka maka fotoana kely hisainana, ary hanao jery todika ny zavatra ataontsika dia ho hitantsika fa mandroboka ny tenantsika amin’ny ‘zavatra tsy manan-danja loatra’ isika. Ny tiako holazaina dia matetika isika no mandany andro manao zavatra tsy dia manan-danja loatra eo amin’ny drafitry ny fiainana, ka manadino ireo foto-kevitra manan-danja kokoa” (“Inona no zavatra nataoko ho an’ny hafa androany?” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 85).

  1. sary famantarana ny diarySoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nahatongavanao saina momba ny filàn’ny hafa ka nijanona mba hanampy olona iray. Manorata ihany koa momba ny fotoana iray izay nahitan’ny olona iray ny filànao ka nanampiany anao nanatanteraka izany.

Mivavaha sy mitadiava fotoana ahafahana manome izay ilain’ny hafa anio sy amin’ny ho avy.

Mamaky isika ao amin’ny Marka 8:10-21 fa taorian’ny famahanana olona 4.000 tamin’ny fomba mahagaga,dia niondrana an-tsambokely nankany amin’ny tanàna antsoina hoe Dalmanota i Jesoa sy ny mpianany . Tao no nangatahan’ireo Fariseo Azy mba haneho famantarana amin’izy ireo. Nolavin’i Jesoa ny haneho famantarana ho azy ireo ary araka izay nianarantsika tao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, dia nampianatra azy ireo Izy fa “ tsy homena famantarana akory ity taranaka ity, ankoatra ny famantaran’ny mpaminany Jona; fa i Jona dia tao ankibon’ny hazandrano vaventy nandritra ny telo andro sy telo alina, toy izany ny Zanak’olona izay ho alevina any ankibon’ny tany” (Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 8:12).

Marka 8:22–38

Nampahiratra tsikelikely Lehilahy Jamba Iray i Jesoa

Tany Betsaida, dia nentina teo amin’ny Mpamonjy ilay lehilahy jamba mba hositranina. Vakio ny Marka 8:22–26 mba hikarohana hoe ahoana no nanasitranan’ny Mpamonjy ilay lehilahy.

jereo ny ao amin’ny andininy 24 fa taorian’ny fotoana voalohany nametrahan’ny Mpamonjy ny tanany teo amin’ilay lehilahy jamba, dia efa afaka nahita izy, fa tsy mbola nahita nazava tsara.

Nametraka ny tanany teo amin’ny mason’ilay lehilahy i Jesoa

Ao amin’ny Marka 8:25, taorian’ny nametrahan’ny Mpamonjy ny tanany fanindroany, dia hitantsika fa niverina tamin’ny laoniny ny fahitan’ilay lehilahy.

Nahoana no manan-danja ny mahatakatra fa ny fitahiana sasany, toy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona amin’ny filazantsara na fandraisana fanasitranana ara-nofo na ara-panahy, dia tonga tsikelikely amin’ny ambaratongany, fa tsy avy hatrany na eo no ho eo?

Vakintsika ao amin’ny Marka 8:27–38 ny fanambaran’i Petera fa i Jesoa no Kristy. Niteny ny mpianany i Jesoa mba tsy hampahafantatra amin’ny vahoaka ny maha-ilay Kristy Azy, na ny Mesia aloha. Nanomboka nampianatra koa Izy mikasika ny fijaliany izay ho avy sy ny fahafatesany any Jerosalema.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Marka 6-8 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

  • Ireo filaharan’ny valiny marina tamin’ny asa tamin’ity lesona ity: 7, 5, 2, 4, 3, 1, 6. (Ity dia namboarina avy amin’ny New Testament Teacher Manual [Church Educational System manual, 2014], 68.)