Fizarana 27: Andro 2
Titosy
Fampidirana
Ato amin’ity epistily ity i Paoly Apôstôly dia manainga an’i Titosy, izay misiônera ihany koa nitory tany Kreta tamin’izany fotoana izany, mba hampiasa fotopampianarana madio rehefa mampianatra sy manitsy ny hafa. I Paoly dia nanoro hevitra an’i Titosy ihany koa mba hampianatra ireo Olomasina ho ohatra feno fahamarinana, hanana fanantenana ny fanavotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary mba hanohy ny fanaovana ireo asa tsara.
Titosy 1
Manainga an’i Titosy mba hampiasa fotopampianarana madio rehefa mampianatra sy manitsy ireo Olomasina sy ny hafa tany Kreta i Paoly
Tadiavo ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly” ny nosy Kreta. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany dia nanoratra taratasy ho an’i Titosy, izay mpitarika ny Fiangonana tao Kreta i Paoly. I Paoly no nampiova fo an’i Titosy, taona maromaro lasa talohan’izay, ary taorian’ny batisany dia niara-nanompo tamin’i Paoly tamin’ny andraikitra samihafa izy. Tao amin’ny epistiliny dia nankahery an’i Titosy sy nanoro hevitra azy momba ny antsony i Paoly.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Titosy 1:1–6 dia nijoro ho vavolombelona momba ny fanantenany ny fiainana mandrakizay, izay efa nampanantenain’ Andriamanitra hatry ny fony fahagola i Paoly (jereo ny Titosy 1:2). Nanazava izy fa nandefa an’i Titosy mba handamina ny Fiangonana tany Kreta sy mba hiantso lehilahy ho lasa eveka.
Vakio ny Titosy 1:7–8 dia tadiavo ireo toe-panahy izay tokony hananan’ny eveka sy ireo toe-panahy izay tokony hialan’ny eveka. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.
Ao amin’ny Titosy 1:7 ny teny hoe mitompo teny fatratra dia midika hoe be kirina na mieboebo ary ny andian-teny hoe “harena maloto” dia milaza ny vola izay azo tamin’ny fomba maloto na tsy tamim-pahamarinana.
Nahoana araka ny eritreritrao no ilain’ny eveka hananana na hialana ireo toe-panahy izay notanisain’i Paoly?
Vakio ny Titosy 1:9 dia tadiavo ny toe-panahy iray hafa tokony hananan’ireo eveka. Ny “fampianarana tsy misy kilema” dia midika hoe fotopampianarana marina.
Ao amin’ny Titosy 1:9 dia mianatra isika fa zava-dehibe ny hifikiran’ireo eveka amin’ny tenin’ Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo mampiasa fotopampianarana marina amin’ny fankaherezana ny hafa amin’ny fiainana ny filazantsara ary mba “[handresena] lahatra ny mpanohitra.” Ny mpanohitra dia olona iray izay tsy manaiky na mandà ny fotokevitra iray (ny fahamarinan’ny filazantsara no resahina eto). Mety ho tsy mpikamban’ny Fiangonana na mpikambana ato amin’ny Fiangonana ny mpanohitra.
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Paoly momba ireo eveka ny hoe rehefa mifikitra amin’ny tenin’ Andriamanitra isika dia afaka ny hampiasa fotopampianarana marina amin’ny fankaherezana ny hafa mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary amin’ny fanadisoana ireo izay manohitra izany.
Eritrereto ny zavatra nolazain’i Boyd K. Packer Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny herin’ny fotopampianarana marina amin’ny fanampiana ny olona mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy:
“Ny fotopampianarana marina rehefa takatra dia manova ny toetra sy ny fitondrantena.
“Hanatsara haingana kokoa ny fitondrantena, mihoatra noho ny fandalinana ny momba ny fitondrantena mba ho entina hanatsarana ny fitondrantena, ny fandalinana ny fotopampianaran’ ny filazantsara. Afaka mitondra amin’ny fitondrantena tsy mendrika ny fisaintsainana fitondrantena tsy mendrika. Izay no antony hanantitranterantsika mafy ny fandalinana ireo fotopampianaran’ny filazantsara” (“Little Children,” Ensign, nôv. 1986, 17).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no azonao atao mba ho vonona hampianatra fotopampianarana marina ka afaka mankahery ny hafa amin’ny fiainana ny filazantsara? (Jereo ny F&F 11:21.)
-
Inona avy ireo ohatra sasany avy amin’ny soratra masina ahitana olona nampianatra fotopampianarana marina tamina olona hafa izay nisalasala na nanohitra ny Fiangonana na ny fotopampianarana ao aminy? (Asio ohatra iray farafahakeliny mikasika ny fotoana iray izay nampibebaka olona iray noho ny nampianarana fotopampianarana marina azy.)
-
Eritrereto ny fotoana iray izay nanampian’ny fianarana fotopampianarana marina tamin’ny fankaherezana na fandresena lahatra anao na ny olona iray fantatrao mba hiaina tanteraka kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Na dia afaka manampy antsika amin’ny fankareherezana ny hafa hiaina ny filazantsara sy hiresaka amim-pinoana sy amin’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ireo izay manohitra ny Fiangonana aza ny fotopampianarana marina dia tsy voatery hitarika ny olona iray hanaiky ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy izany. Satria manana ny fahafahana misafidy avokoa ny olon-drehetra dia afaka misafidy ny hanaiky na handà ny fotopampianarana marina izy ireo.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
-
Mitanisà andalan-tsoratra masina fehezina telo farafahakeliny izay nianaranao tamin’ity taona ity ka afaka hanampy anao manokana amin’ny fankaherezana ny hafa mba hiaina ny filazantsara. Hazavao ny fomba hanampian’ny andalan-tsoratra masina tsirairay anao.
-
Mitanisà andalan-tsoratra masina fehezina miisa telo farafahakeliny izay azonao ampiasaina mba hiresahana amin’ireo izay manohitra fampianarana na fomba fanao iray ato amin’ny Fiangonana. Hazavao ny fomba hahafahan’ny andalan-tsoratra masina tsirairay manampy amin’ny fampianarana fotopampianarana marina ho famaliana ny fanoheran’izy ireo.
-
Tohizo ny fifehezana ireo andalan-tsoratra masina manan-danja mba hahafahanao ho vonona hampianatra fotopampianarana marina amin’ny hafa.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Titosy 1:10–16 dia nampianatra an’i Titosy i Paoly fa nila niantehitra tamin’ny fotopampianarana marina ireo Olomasina tany Kreta noho ny fisian’ny mpamitaka sy mpampianatra sandoka maro teo anivon’izy ireo. Nanoro hevitra an’i Titosy izy mba hanitsy ireo mpampianatra sandoka mba hahafahan’izy ireo miala amin’ny zavatra diso ataon’izy ireo sy mba “hatanjaka amin’ny finoana” (Titosy 1:13). Nanazava ihany koa i Paoly fa ny olona dia maneho ny maha-akaiky azy ireo amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny zavatra ataon’izy ireo.
Titosy 2
Nanoro hevitra an’i Timoty mba hampianatra fotopampianarana marina an’ireo Olomasina tany Kreta i Paoly
Vakio ny Titosy 2:1 dia jereo ny zavatra hafa natoron’i Paoly Apôstôly an’i Titosy momba ny fotopampianarana marina.
Vakio ny Titosy 2:3–5 ary jereo ny torohevitr’i Paoly momba ny tokony ho fomba fiainan’ireo vaviantitra sy ny zavatra tokony hampianarin’izy ireo an’ny vehivavy tanora kokoa. Rehefa izany dia vakio ny Titosy 2:2, 6–8 mba hahafatantarana ny torohevitr’i Paoly momba ny tokony ho fomba fiainan’ireo zokiolona sy lehilahy tanora kokoa. Ao amin’ny andininy 2, ny hoe hanonon-tena dia midika hoe tony na matotra ary ny hoe hendry dia midika hoe mahafehy tena. Ao amin’ny andininy 7, ny hoe mampiseho fahamaotinana dia midika hoe fanajana. Ilay andian-teny hoe “amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara” ao amin’ny Titosy 2:7 dia midika hoe ohatra tsara amin’ny fiainana ny filazantsara. Azonao atao ny manisy marika na fanamarihana ny torohevitr’i Paoly izay azonao hampiharina manokana.
Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ny torohevitr’i Paoly ho an’i Titosy ny hoe ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tokony ho ohatra tsara ho an’ny hafa.
-
Eritrereto ny mpikambana zokiolona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy anao izay ohatra tsara amin’ny fiainana ny filazantsara sy ny fanolorantenany amin’izany. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampian’ny ohatr’io olona io anao.
Misafidiana fitondrantena anankiray voatanisa ao amin’ny Titosy 2:2–8 ary mametraha tanjona amin’ny fampiharana izany tsaratsara kokoa amin’ny fiainanao mba hahafahan’ny ohatra tsara asehonao ho fitahiana ho an’ny hafa.
Ny Titosy 2:9–10 dia mirakitra fa i Paoly dia nanoro hevitra an’i Titosy mba hampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana izay niasa tamin’ny maha-mpanompo mba ho marin-toetra sy mora ifanekena amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny tompon’izy ireo. Ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo, rehefa marin-toetra sy mora ifanekena, dia hanome haja ny Tompo sy hampiseho ohatra tsara amin’ny mpampiasa azy ireo.
Vakio ny Titosy 2:11–15 dia tadiavo ny zavatra ataon’ny filazantsara ho an’ny Olomasina ary inona ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika rehetra. Azonao marihina ny hoe mitarika ny olona hiandrandra inona ny filazantsara. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Titosy 2:11 dia mivaky toy izao, “Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay mitondra famonjena ho an’ny olona rehetra” .
Avy amin’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Titosy 2:14 dia mianatra isika fa i Jesoa Kristy dia nanolotra ny tenany ho antsika mba hahafahany manavotra antsika sy manadio antsika. Ilay andian-teny hoe “olona ho an’ny tenany” ao amin’ny andininy 14 dia milaza ireo vahoakan’ny Tompo izay sarobidy Aminy sy navotany (jereo ny 1 Petera 1:18–19; 2:9) ary nanao fanekempihavanana mba hitandrina ny didiny (jereo ny Eksodosy 19:5–6).
Titosy 3
Nolazain’i Paoly an’i Titosy ny zavatra tsy maintsy nataon’ireo Olomasina tany Kreta taorian’ny nahavitan’ny batisan’izy ireo
Araka ny voarakitra ao amin’ny Titosy 3:1–2 dia nanoro hevitra an’i Titosy i Paoly mba hampianatra ireo Olomasina tany Kreta ny fanoavana ny lalàn’ny tany sy mba ho ohatra tsara amin’ny alalan’ny fandeferana sy ny tsy fitenenana ratsy ny hafa. Vakio ny Titosy 3:3–8 ary jereo ny zavatra nolazain’i Paoly momba ny nanovan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy azy, ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Kreta, ary ny Olomasina rehetra.
Mariho ao amin’ny Titosy 3:3 ny famariparitan’i Paoly ny tenany sy ireo mpikamban’ny Fiangonana talohan’ny nahafantaran’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny Titosy 3:4–6 ny zavatra nanova ny olona. Ilay andian-teny hoe “fanasan’ny fiterahana indray” ao amin’ny Titosy 3:5 dia midika hoe vita batisa.
Diniho ny fiovana nitranga taminao noho ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy.
-
Mariho fa ao amin’ny Titosy 3:8 i Paoly dia nanoro hevitra ireo Olomasina mba “hotandreman’[izy ireo] ny hanao asa tsara.” Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny momba ny asa tsara ataonao sy ny zavatra ho tohizinao hatrany mba hanehoana ny finoanao an’ Andriamanitra.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Titosy 3:9–15 dia nandrisika ireo Olomasina mba handositra ny fifandirana, na ny fiadiana kevitra amin’ny tsy mpino i Paoly. Nilaza tamin’i Titosy ihany koa izy fa handefa mpitarika ny Fiangonana hafa hamangy an’i Kreta.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Titosy ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: