Fampahafantarana ny 2 Korintiana
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny epistily nosoratan’i Paoly Apôstôly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto dia miavaka amin’ireo lohahevitra mitondra fampiononana eo anivon’ny fijaliana, mitondra hery eo anivon’ny fahalemena (araka ny ohatra nasehon’i Paoly mihitsy), ary ny fanavahana ny mpampianatra marina amin’ny mpampianatra sandoka. Ny ohatra nasehon’i Paoly sy ny fampianarany izay voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana dia afaka manentana anao hijanona ho marina sy mahatoky amin’ny fanekempihavanana mandrakizay izay nataonao tamin’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, na inona na inona zava-misy sy izay mety ho vokany.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Paoly no nanoratra ity epistily ity ho an’ ireo Olomasina Korintiana(jereo ny 2 Korintiana 1:1).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Fotoana fohy taorian’ny nanoratan’i Paoly ilay epistily ananantsika antsoina hoe 1 Korintiana, dia nisy tabataba tany Efesosy hanoherana ireo fampianarany (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:23–41), ka nandeha nankany Makedonia izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 20:1; 2 Korintiana 2:13; 7:5). Toa nandritra ny fotoana naha-tany Makedonia azy no nanoratany ny 2 Korintiana, tokony ho teo amin’ny manodidina ny 55–57 taorian’ny nahaterahan’i J.K. teo (jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org).
Ho an’iza no nanoratana azy ary nahoana?
Ny epistily izay ananantsika ao amin’ny 2 Korintiana dia nosoratana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto. Fony tany Makedonia i Paoly nandritra ny taona fahatelo nanaovany ny dia fitoriany ny filazantsara, dia nampita vaovao taminy avy tany Korinto i Titosy hoe norasin’ireo Olomasina tsara ny taratasy nalefany teo aloha (jereo ny 2 Korintiana 7:6–13). Nivoatra ilay sampana Korintiana an’ny Fiangonana, kanefa nandre ihany koa i Paoly fa nisy mpampianatra sandoka tany izay nanova ny fotopampianarana madion’i Kristy. Kelikely taorian’ny fitsidihana voalohany nataon’i Paoly tany Korinto ary mety hoe fitsidihana faharoa (jereo ny 2 Korintiana 1:15–16), tamin’ny fotoana toa nananarany ny sasany tamin’ireo Olomasina (jereo ny 2 Korintiana 2:1; 12:21), dia nisy mpitory avy tamin’ny faritr’i Jerosalema tonga tao Korinto ary nanomboka nampianatra an’ireo Olomasina izy ireo hoe tokony hanao ny fombafomban’ny Jiosy, izay mifanohitra amin’ny fampianaran’i Paoly. Ny ankamaroan’i 2 Korintiana dia miresaka momba ny olana izay naterak’ireo mpampianatra sandoka ireo.
Ny taratasin’i Paoly dia sady natao ho an’ireo izay naniry ny hahazo ny teniny bebe kokoa (jereo ny 2 Korintiana 1–9) no ho an’ireo izay nalaina ny hanaiky ny fampianarany (jereo ny 2 Korintiana 10–13). Amin’ny ankapobeny, ny lahatsoratra ao amin’ny 2 Korintiana dia maneho tanjona isan-karazany ho an’ilay taratasy:
-
Mba hanehoana fankasitrahana sy hampahatanjahana ireo Olomasina izay nandray tsara ny taratasiny teo aloha
-
Mba hampitandremana amin’ny mpampianatra sandoka izay nanova ny fotopampianarana madion’i Kristy
-
Mba hiarovana ny toetrany sy ny fahefany manokana amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy azy (jereo ny 2 Korintiana 10–13)
-
Mba hamporisihana ireo Olomasina Korintiana mba hanome fanohanana ara-bola amim-palalahan-tanana ho an’ireo Olomasina mahantra any Jerosalema (jereo ny 2 Korintiana 8–9)
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Raha toa ka mifantoka amin’ny fotopampianarana ny ankamaroan’ireo taratasin’i Paoly, dia maro amin’ity taratasy ity no manantitrantitra ny fifandraisany amin’ireo Olomasina Korintiana sy ny fitiavany ary ny fiahiahiany azy ireo. Na dia hentitra aza i Paoly amin’ny fanoherany ny fitsikerana, dia hita manerana ny 2 Korintiana fa mpihazona ny fisoronana malemy fanahy izy izay miraharaha ny fahasambaran’ireo Olomasina sy izay mahasoa azy ireo. Nizara antsipiriany amin’ny tantaram-piainany ihany koa izy ary nanoratra momba ny “tsilo amin’ny nofony” (2 Korintiana 12:7).
Ao amin’ny traikefa masina iray izay voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 12:2–4, i Paoly dia nilazalaza ny tenany ho “olona anankiray ao amin’i Kristy” izay “nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo,” ary tany no nahitany sy nandrenesany zavatra tsy hay lazaina. Io fahitana io, ampiarahana amin’ny filazany fotopampianarana teo aloha mikasika ny fahasamihafan’ny voninahitry ny vatana nitsanga tamin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15:35–44), dia azo raisina ho fahitana ao amin’ny baiboly izay mitovy amin’ny fahitana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76.
Topimaso ankapobeny
2 Korintiana 1–5. Nijoro ho vavolombelona i Paoly fa mampionona ireo zanany amin’ny fotoan-tsarotra rehetra lalovan’izy ireo Andriamanitra. Namporisika ny Olomasina tao Korinto mba hifankatia sy hifamela heloka izy. Ny filazantsara sy ny fiasan’ny Fanahin’ny Tompo dia be voninahitra kokoa noho izay voalaza ara-bakiteny ao amin’ny lalàn’i Mosesy. Nankahery ireo mpamaky ny epistiliny amin’ny fotoan-tsarotra lalovan’izy ireo i Paoly ary mampahatsiahy azy ireo fa mandrakizay ny fitiavana sy ny voninahitr’ Andriamanitra. Nanampy ireo mpamaky i Paoly mba hahatakatra fa mila mihavana amin’ Andriamanitra izy ireo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
2 Korintiana 6–13. Rehefa niatrika fitsikerana sy fanoherana avy amin’ireo mpampianatra sandoka i Paoly, dia niaro ny hitsimpony amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo azy izy ary nanasa ireo mpamaky mba hisaraka amin’izao tontolo izao. Nampianatra momba ny “alahelo araka an’ Andriamanitra” izy (jereo ny 2 Korintiana 7:10). Nisaotra ireo Olomasina Korintiana i Paoly noho ny fitondran’izy ireo ny anjara birikiny ho an’ireo mahantra tany Jerosalema ary namporisika azy ireo izy mba hanohy hanome amim-palalahan-tanana. Niteny mafy izy hanoherana ireo “apôstôly sandoka” (2 Korintiana 11:13). Nirehareha ny amin’ny Tompo izy ary nizara ny antsipirian’ny tantaram-piainany momba ny fotoan-tsarotra nolalovany sy ny finoana an’i Jesoa Kristy. Nanoratra momba ny fahitany ny lanitra fahatelo izy, ary nanasa ireo Olomasina mba handinika ny tenan’izy ireo sy haneho ny fahatokiany.