Tahirim-pitaovana
Fizarana 5, Andro 1: Matio 18–20


Fizarana 5: Andro 1

Matio 18–20

Fampidirana

Nampianatra ny mpianany ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hitarika ny Fiangonana aorian’ny Fiakarany any an-danitra i Jesoa Kristy. Nanome ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo ihany koa Izy ho valin’ny fanontanian’i Petera mikasika ny famelan-keloka, ary nampianatra momba ny maha-masina ny fanambadiana Izy. Nohamafisin’ny Mpamonjy ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana ny fiainana mandrakizay miohatra ny haren’izao tontolo izao, ary nanome ny fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanim-boaloboka Izy.

Matio 18

Nampianatra ny mpianany ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hitarika ny Fiangonana i Jesoa Kristy, ary nanome ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo Izy

Filoha Thomas S. Monson

Izao tantara manaraka izao, izay notantarain’ny Filoha Thomas S. Monson, dia miresaka momba ny fianakaviana iray izay nodimandry ny zazakelin’izy ireo vao roa volana: “Mpanao fanaka sarobidy ilay raim-pianakaviana ka nanamboatra vatam-paty tsara tarehy ho an’ny vatan’ilay zanany sarobidy. Nanjombona ilay andron’ny fandevenana izay nahitana taratra ny alahelo tsapan’izy ireo noho ny namoizany ny zanany. Rehefa nandeha ho ao amin’ny trano fiangonana ilay fianakaviana, ary nitondra ilay vatam-paty kely ilay raim-pianakaviana dia tafavory teo ny namana vitsivitsy. Nihidy anefa ny varavaran’ny trano fiangonana. Adinon’ilay eveka be adidy ilay fandevenana. Zava-poana ireo ezaka natao mba hahazoana azy. Noho izy tsy nahalala izay tokony hatao dia nosakelehin’ilay raim-pianakaviana ilay vata ary nentiny nody tany an-trano ilay izy niaraka tamin’ny fianakaviany teo anilany; ary nandeha tongotra tao anatin’ny orana nandena izy ireo” (“Hidden Wedges,” Ensign, mey 2002, 19).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha toa ianao ka mpikambana tao amin’izany fianakaviana izany dia inona no mety ho tsapanao rehefa tsy nipoitra tany amin’ny fandevenana ilay eveka?

    2. Inona no antony mety hahasarotra ny famelana ny helok’ilay eveka?

Mamaky isika ao amin’ny Matio 18:1-20 fa nampianatra ny mpianany tao Galilia mba hanetry ny tenan’izy ireo sy ho tonga tahaka ny zaza madinika i Jesoa. Nanazava ihany koa Izy fa ireo izay “manafintohina” ireo mpanaradia Azy tonga tahaka ny zazakely, na mitondra azy ireo amin’ny lalan-diso, dia hijaly (jereo ny andininy 6–7).

Azo ampitahaina amin’ny fanetrentenan’ireo mpikambana vaovao ato amin’ny Fiangonana ny fanetrentenan’ny ankizy. Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ireo mpikambana vaovao? Ahoana no fomba ahafahantsika mikolokolo miaraka ny ankizy sy ireo mpikambana vaovao ato amin’ny Fiangonana?

Nanoro-hevitra ny mpianany ny Mpamonjy avy eo mba hanaisotra ao amin’ny fiainan’izy ireo ireny zavatra izay mety hanafintohina azy ireo ireny, na hahatonga azy ireo ho tafintohina (jereo ny andininy 9). Nampianatra ny Apôstôly ihany koa Izy fa raha misy olona nandika lalàna na nanota tamin’izy ireo dia tokony hikatsaka ny hamaha ilay olana amin’ilay olona manokana aloha izy ireo. Raha toa ka mandà ny hibebaka ilay olona dia azony entina eo anoloan’ireo manampahefana ato amin’ny Fiangonana izy. (Fanamarihana: Ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Matio 18:1–14 dia horesahina lalindalina kokoa ao amin’ireo lesona momba ny Marka 9 sy Lioka 15.)

Rehefa nanaraka ny toromariky ny Tompo i Petera dia nametraka fanontaniana momba ny famelan-keloka tamin’ny Tompo. Vakio ny Matio 18:21, ka tadiavo ny fanontanian’i Petera.

Ny mpitarika fivavahana sasany tamin’ny andron’i Petera dia nampianatra fa ny olona tsirairay dia tsy mila manolotra famelan-keloka ho an’ny olona iray hafa mihoatra ny in-telo. Rehefa nanontany ny Tompo raha toa ka tokony hamela heloka im-pito i Petera dia nihevitra angamba izy fa tena be famindram-po (jereo ny Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, boky miisa 4 [1979–81], 3:91). Vakio ny Matio 18:22, ka tadiavo ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’i Petera.

Ny “im-pito amby fitopolo” dia fomba iray hilazana fa tsy tokony hanisy fetra amin’ny isan’ny fotoana hamelantsika ny heloky ny hafa isika. Ny valintenin’ny Mpamonjy ho an’i Petera dia mampianatra ilay fahamarinana fa nandidy antsika hamela heloka an’ireo izay nanafintohina na nanota tamintsika ny Tompo.

Ny mamela ny hafa dia mitondra izany olona izany amim-pitiavana ka tsy manana otri-po amin’ireo izay efa nanafintohina azy (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Mamela,” scriptures.lds.org; F&F 64:9–11). Ny famelan-keloka dia tsy midika hoe manohy mamela ny hafa hanao ratsy aminao ianao na tokony tsy hazonina ho tompon’andraikitra amin’ireo zava-bitany ilay nanafintohina, na ara-dalàna na amin’ny fomba hafa.

Rehefa namaly ny fanontanin’i Petera ny Mpamonjy dia nampianatra fanoharana iray tamin’ny mpianany Izy izay afaka manampy antsika hahatakatra ny antony tokony hifamelantsika heloka.

Vakio ny Matio 18:23–30, ka tadiavo hoe ohatrinona ny vola trosan’ilay mpanompo sy ilay mpanompo namany.

Ohatrinona no trosan’ilay mpanompo tamin’ny mpanjaka?

Ohatrinona no trosan’ilay mpanompo namany tamin’ilay mpanompo?

Ampiasao izao fampahalalana manaraka izao mba hanampiana anao hanao kajikajy hoe hafiriana vao mety ho vitan’ilay ananana trosa ny mandoa izany:

Tamin’ny andron’i Jesoa dia “notombantombanana ho mitovy amin’ny denaria 100 000 000 [vola Romana] ny talenta 10 000. Ny denaria iray no karama iray andro ho an’ny mpiasa tsotra” (Jay A. Parry sy Donald W. Parry, Understanding the Parables of Jesus Christ [2006], 95). Kajikajio hoe hafiriana vao ho vitan’ity mpanompo ity ny mandoa ny trosany amin’ny fizarana ny denaria 100 000 000 amin’ny 365 andro.

Raha toa ka nomeny avokoa ny karamany rehetra dia firy andro vao ho vitan’ilay mpanompo ny fandoavana ny trosany?

Raha ampitahaina, ny denaria 100 dia mitovy amin’ny venty 100. (Tsarovy fa ny ankamaroan’ny mpiasa dia nahazo denaria iray isan’andro.) Kajikajio hoe hafiriana vao ho vitan’ilay mpanompo namany ny fandoavana ny trosany.

Raha toa ka nomena avokoa ny karamany dia firy andro vao ho vitan’ilay mpanompo namany ny fandoavana ny trosany?

Vakio ny Matio 18:31–35, ary tadiavo ny nasetrin’ny mpanjaka rehefa fantany ny zavatra nataon’ilay mpanompo tamin’ny mpanompo namany.

Nahoana araka ny eritreritrao no nilaza tamin’ilay mpanompo ny mpanjaka fa ratsy fanahy izy tamin’ny tsy fahafoizana ny trosan’ny mpanompo namany?

Soraty avy amin’ny famakianao ny andininy 35, hoe maneho an’iza araka ny eritreritrao ny tsirairay amin’ireo olona telo ao amin’ilay fanoharana:

Mpanjaka = 

Mpanompo = 

Mpanompo namana = 

Ampiasao ny zavatra nianaranao avy tao amin’izany fanoharana izany ka fenoy izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka tiantsika hamela heloka antsika Andriamanitra dia . Hevero ny hanoratra eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 18:24–35 izany fitsipika izany.)

Inona no zavatra azon’ny olona iray atao raha toa ka manana olana amin’ny famelana ny heloky ny olona iray izy?

Nampianatra ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Filoha James E. Faust

“Mila mahafantatra sy manaiky ireo fahatezerana isika. Mila fanetrentena ny fanaovana izany, kanefa raha toa ka mandohalika isika sy mangataka fahatsapana famelan-keloka amin’ny Ray any an-danitra dia hanampy antsika Izy. Mitaky antsika ‘hamela ny olon-drehetra’ ny Tompo [F&F 64:10] ho tombontsoantsika satria ‘mampitaredretra ny fivoarana ara-panahy ny fankahalana’ [Orson F. Whitney, Gospel Themes (1914), 144]. Rehefa manaisotra amin’ny tenantsika ny fankahalana sy ny lonilony ihany isika vao afaka manisy fiadanana ao am-pontsika ny Tompo. …

“… Rehefa mamely ny antambo dia tsy tokony hamaly amin’ny alalan’ny fikatsahana valifaty manokana isika fa hamela ny fahamarinana hanohy ny diany ary hanadino izany. Tsy mora ny manadino sy manafoana ao am-pontsika ny otri-po mitera-nana. Efa nanolotra fiadanana sarobidy ho antsika rehetra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, kanefa tsy tonga izany raha tsy vonona ny hanary ireo fahatsapana ratsin’ny hatezerana na lolompo na valifaty isika. Ho antsika rehetra izay mamela ‘ireo izay meloka tamin[tsika]’ [Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:13], eny na dia ireo izay nahavita heloka goavana aza, dia hitondra fatram-piadanana sy fiononana ny Sorompanavotana” (“The Healing Power of Forgiveness,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 69).

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nanampian’ny Tompo anao hamela ny heloky ny olona iray izay nanao ratsy na nanafintohina anao.

Filoha Thomas S. Monson

Izao manaraka izao no namaranan’ny Filoha Monson ilay tantara izay nozaraina tany am-piandohan’ity lesona ity: “Raha tsy nanana toetra tsara ilay fianakaviana dia mety nanome tsiny ilay eveka ary nitazona lolompo. Rehefa fantatr’ilay eveka ilay loza dia nitsidika ilay fianakaviana izy ary niala tsiny. Mbola hita teny amin’ny endrik’ilay raim-pianakaviana ny fanaintainany, kanefa nanaiky ilay fialan-tsiny tamin-dranomaso izy, ary nifamihina tao anatin’ny toe-tsaina mahatakatra ny fahasahiranan’ny tsirairay ny roa tonta” (“Hidden Wedges,” 19).

Saintsaino ireo olona izay tsy mbola navelanao heloka teo amin’ny fiainanao. Angataho ny faniriana hamela heloka sy ny fahafahana manadino ny fanaintainana sy ny hatezerana mba hahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao hahatsapa fiadanana sy fiononana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Matio 19:1–12

Nampianatra mikasika ny fahamasinan’ny fanambadiana ny Mpamonjy

mpivady vao eo an-tokontanin’ny tempoly

Tsy mitovy amin’ny finoan’izao tontolo izao ny fotopampianaran’ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana.

Inona no sasany amin’ireo finoan’izao tontolo izao mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana?

Rehefa mandalina ny Matio 19:1–12 ianao dia tadiavo ireo fampianaran’ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ary eritrereto ny maha-zava-dehibe ireo fampianarana ireo ho anao.

Vakio ny Matio 19:1-3, ka tadiavo ny fanontaniana napetraky ny Fariseo tamin’i Jesoa.

Ilay andian-teny hoe “misaotra ny vadiny noho izay rehetra entiny iampangana azy” (Matio 19:3) dia milaza ny lehilahy iray izay misara-panambadiana amin’ny vadiny na inona na inona antony, na dia tsy misy dikany na feno fitiavan-tena aza izany.

Vakio ny Matio 19:4–6, ka tadiavo izay nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana.

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampianatra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia fifandraisana masina natao sy naorin’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Matio 19:6 izany fotopampianarana izany. Nohamafisin’ny Tompo tao anatin’ny fanambarana maoderina fa “ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (fanambadiana any amin’ny tempoly) dia manan-danja amin’ny fisandratana (jereo ny F&F 131:1–4).

Vakio ny Matio 19:7, ka tadiavo ny fanontaniana iray hafa napetraky ny Fariseo tamin’i Jesoa.

Ny Matio 19:8–9 dia mirakitra fa nilaza tamin’ny Fariseo ny Mpamonjy fa namela ny fisaraham-panambadiana mba hitranga tamin’ny androny i Mosesy noho ny hamafin’ny fon’ny olona. Ny andian-teny hoe “misao-bady” ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia afaka midika koa hoe misaraka na mandao.

Loholona Dallin H. Oaks

Manampy amin’ny fanazavana ny fomba ifandraisan’izany fampianarana izany amin’izao androntsika izao ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ilay karazana fanambadiana takina hahazoana ny fisandratana—mandrakizay raha ny faharetany ary araka an’ Andriamanitra raha ny toetrany—dia tsy mieritreritra momba ny fisaraham-panambadiana. Any amin’ny tempolin’ny Tompo no atao mariazy mandrakizay ny mpivady. Saingy ny fanambadiana sasany dia tsy mivoatra mankany amin’izany tanjona izany. Noho ny ‘hamafin’ny fon[tsika]’ [Matio 19:8], dia tsy manamafy ireo vokatry ny fitsipika selestialy ny Tompo amin’izao fotoana izao. Avelany manambady indray ny olona izay nisara-panambadiana ka tsy voapentimpetin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena izay voalaza ao amin’ny lalàna ambonimbony kokoa izy” (“Salvation and Exaltation,” Ensign na Liahona, mey 2007, 70).

  1. journal iconTanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo fomba hiomananao amin’ ilay “karazana fanambadiana takina hahazoana ny fisandratana” izay nofariparitan’ny Loholona Oaks. Inona no azonao atao mba hidirana ao anatin’ny fanambadiana mandrakizay miaraka amin’ny fanolorantena mafy mba hiaritra ireo fahasamihafana ka tsy hisara-panambadiana?

Matio 19:13–20:34

Nampianatra momba ny fanambadiana mandrakizay i Jesoa ary nanome ny fanoharana momba ireo mpiasa tao amin’ny tanim-boaloboka Izy

Ny Matio 19:13–30 dia mirakitra fa namporisihan’i Jesoa ireo mpanara-dia Azy mba hikatsaka ny fiainana mandrakizay fa tsy ny haren’izao tontolo izao. Nanontanian’i Petera izay ho azon’izy ireo satria nahafoy ny fananany eto amin’izao tontolo izao izy ireo mba hanarahana ny Mpamonjy. (Fanamarihana: Ireo zava-nitranga tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia horesahina amin’ny antsipiriany bebe kokoa ao amin’ireo lesona momba ny Marka 10.)

ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka

Mamaky isika ao amin’ny Matio 20:1-16 fa nampianatra fanoharana iray tamin’ny mpianany ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fanirian’ny Ray any An-danitra hanome ny fahafahana handray ny fiainana mandrakizay ho an’ny zanany rehetra. Ato anatin’ity fanoharana ity dia nampiditra mpiasa tamin’ny fotoana samy hafa nandritra ny andro mba hiasa ao amin’ny tanimboalobony ny lehilahy iray, ary nomeny karama mitovy izy rehetra tamin’ny fiafaran’ilay andro.

Ny Matio 20:17–34 dia mirakitra fa nilaza mialoha i Jesoa Kristy fa hofitahiana sy hohelohina ho faty Izy rehefa miverina any Jerosalema. Nampianatra ny mpianany Izy fa tokony hanaraka ny ohatra nasehony ka hanompo ny hafa izy ireo fa tsy hiezaka hahazo toerana sy fahefana kosa.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 18–20 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: