Tahirim-pitaovana
Fizarana 14, Andro 1: Jaona 7


Fizarana 14: Andro 1

Jaona 7

Fampidirana

Namonjy ny Andro Firavoravoana Tabernakely tao Jerosalema i Jesoa ary nampianatra ny olona tao amin’ny tempoly ny fomba hahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona fa avy amin’ Andriamanitra Ray ny fampianarany. Koa satria niady hevitra mikasika ny hoe iza moa i Jesoa ny olona dia nampiasa sarin-teny toy ny rano sy ny hazavana Izy mba hijoroana ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy. Nampianatra azy ireo mikasika ny Fanahy Masina koa Izy.

Jaona 7:1–13

Namonjy ny Andro firavoravoana Tabernakely i Jesoa

Efa nanontany tena ve ianao raha toa ka nanana iray tampo i Jesoa?

Araka ny soratra masina dia nanana zanaka izay teraka taorian’ny nahaterahan’i Jesoa i Josefa sy i Maria ary notezaina tao amin’ny tokantrano nisy Azy izy ireo. Kanefa, noho i Jesoa Kristy izay zanak’i Maria sy Andriamanitra Ray ara-bakiteny, fa tsy zanak’i Josefa, dia rahalahy sy anabavin’i Jesoa samy hafa Ray Aminy ireo olona ireo (jereo ny Matio 13:55–56; Marka 6:3).

Saintsaino hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe lehibe tao amin’ny tokantrano nipetrahan’i Jesoa izany.

Mieritreritra ve ianao fa ho mora kokoa ny mino Azy raha toa ka niara-lehibe Taminy ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Ianarantsika ao amin’ny Jaona 7 ny fahitan’ny sasany tamin’ireo “rahalahin’” i Jesoa Azy. Ny teny hoe rahalahiny eto dia mety tena nentina nilazana ireo rahalahin’i Jesoa izay samy hafa Ray Taminy, na dia mety tafiditra tao anatin’izany koa aza ireo havana akaiky sasany.

Vakio ny Jaona 7:1-5, ka tadiavo izay nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ireo rahalahiny.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Bruce R. McConkie

“Tsy omena fotsiny amin’izao noho ny maha-mpihavana ny fijoroana ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra an’i Kristy sy ny hery manavotry ny filazantsarany. Amin’ny alalan’ny fankatoavan’ny tena manokana ireo lalàna mandrakizay izay milaza fa amin’ny alalan’izany no hahazoana izany ihany no hahatongavan’izany. …

“Matetika ireo zanakalahin’i Josefa sy i Maria no nantsoiana manokana hoe ‘rahalahin’i’ Jesoa. … Na dia notezaina tao amin’ny tokantrano iray aza izy ireo ary voakolokolo tamin’ny fitaomana tsara avy amin’i Josefa sy i Maria, na dia nahafantatra ireo fampianarana sy asa fanompoana ary fahagagana nataon’i Jesoa Izy Tenany aza izy ireo, dia tsy mbola nanaiky Azy ho ny Mesia ireo havana akaiky ireo” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:437).

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no nahatonga ny olona sasany tao amin’ny fianakavian’i Jesoa ho tsy mbola nino Azy, na dia nahafantatra momba ireo fampianarany sy ireo fahagagana nataony aza izy ireo?

Rehefa avy nilaza ny Loholona McConkie fa tamin’ny fotoan’ireo zava-niseho voarakitra ao amin’ny Jaona 7 dia tsy “nanaiky azy ho ny Mesia” ireo rahalahin’i Jesoa, dia nanazava izy hoe: “Na izany aza anefa dia hita niharihary fa niova fo izy rehetra taty aoriana ( Asan’ny Apostoly 1:14); ny iray tamin’izy ireo, izay nantsoin’i Paoly hoe ‘Jakoba, rahalahin’ny Tompo’ (Gal. 1:19), dia nanompo tao amin’ny vondron’ny apôstôly; sy ny iray hafa koa, i Jodasy, izay niantso ny tenany hoe ‘Joda, … rahalahin’i Jakoba’ (Joda 1), izay nanoratra ny epistilin’i Joda” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:437).

Ny Jaona 7 dia mirakitra ireo zava-nitranga izay niseho tamin’ny fotoana nanaovana ny Andro firavoravoana Tabernakely tao Jerosalema (jereo ny Jaona 7:2). Nandritra ity firavoravoana ity, “izay noheverin[’ny Jiosy] ho ny lehibe indrindra sy ny mahafinaritra indrindra amin’ny rehetra” (Bible Dictionary, “Feasts”), dia Jiosy maro be no nandeha nankany Jerosalema mba hankalaza ireo fitahiana izay nomen’ Andriamanitra ny zanak’Isiraely rehefa nandeha tany an-tany foana izy ireo taorian’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fanandevozana tao Egypta (jereo ny Levitikosy 23:39–43). Nankalaza ny andro firavoravoana amin’ny fiotazana voankazo sy fijinjana voa sy naneho fisaorana noho izany ihany koa izy ireo (jereo ny Eksodosy 23:16). Naharitra nandritra ny valo andro izany firavoravoana izany.

Jereo ao amin’ny Jaona 7:3–4 fa ireo rahalahin’i Jesoa dia naniry ny handehanany tany amin’ny Firavoravoana Tabernakely tany Jerosalema, izay toa milaza fa raha toa ka Izy tokoa no Mesia dia tokony handeha any Jerosalema Izy ka hanambara izany amin’ny olona rehetra any.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 7:6–10, dia nanapa-kevitra ny hanemotra ny fotoana nankanesany tany amin’ilay firavoravoana i Jesoa, kanefa namporisika ireo rahalahiny Izy ny ho any. Andro maro no lasana taorian’ny nanombohan’ilay firavoravoana dia tonga tany mangingina Izy—satria fantany fa nikasa ny hamono Azy ny sasany tamin’ireo mpitarika Jiosy, kanefa tsy mbola tonga ny fotoana tokony hahafatesany.

Vakio ny Jaona 7:11-13, ka tadiavo izay nolazain’ny olona tao Jerosalema mikasika an’i Jesoa.

Tahaka ny tamin’ny andron’i Jesoa ihany dia maro ireo fomba fiheverana samihafa mikasika an’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao. Ny olona sasany dia mahafantatra sy mijoro ho vavolombelona fa Izy no Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy ny olona rehetra. Ny hafa dia nino fa Izy no ilay mpampianatra na mpaminany lehibe. Nandà ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinan’ireo fampianarany anefa ny olona sasany, na natahotra ny hanaraka Azy amin-kalalahana. Rehefa manohy mandalina ny Jaona 7 ianao dia tadiavo ny fomba ahafahanao mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy anao ary marina ireo fampianarany.

Jaona 7:14–36

Nampianatra ny Jiosy tao amin’ ny tempoly i Jesoa Kristy

Ny tempoly no toerana nifantohan’ireo fankalazana izay nitranga nandritra ireo Andro Firavoravoana Tabernakely. Vakio ny Jaona 7:14–15, ka tadiavo izay nataon’i Jesoa teto. Asio marika ao anatin’ny soratra masinao ny fihetsika nasetrin’ny vahoaka.

Gaga ireo Jiosy fa afaka nampianatra tamin’ny fomba lalina sy feno fahendrena i Jesoa kanefa tsy nanana “taratasy,” na nofanin’ireo raby Jiosy na koa nandeha tany amin’ny sekolin’izy ireo. Vakio ny Jaona 7:16–18, ka tadiavo izay nolazain’i Jesoa fa azon’ny olona atao mba hahafantarana raha toa ka marina na tsia ny fotopampianarany. Ampisongadino hoe iza no nanome an’i Jesoa ny fotopampianarana izay nampianariny.

  1. journal iconValio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray mahafantatra fa tena avy amin’ Andriamanitra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy?

    2. Mianatra isika avy amin’ireo fampianaran’ny Tompo tao amin’ny tempoly fa raha manao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra isika dia hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fotopampianarany. Hazavao ny antony hieritreretanao fa marina io fitsipika io.

Filoha James E. Faust

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niteny hoe: “Mahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fitsipiky ny filazantsara isika amin’ny alalan’ny fiezahana miaina azy ireo amim-pankatoavana. Nilaza ny Mpamonjy hoe: ‘Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy’ [Jaona 7:17]. Ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahombiazan’ny vavaka dia azo avy amin’ny vavaka atao amim-panetrentena sy amin-kitsimpo. Ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahafolonkarena dia azo avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena” (“Lord, I Believe; Help Thou Mine Unbelief,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 22).

Inona no nampianarin’ny Filoha Faust fa tsy maintsy ataontsika mba hahazoantsika fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fitsipiky ny filazantsara?

Tsarovy fa tsy mbola nino ny sasany tamin’ireo rahalahin’i Jesoa fa Izy no ilay Mesia nampanantenaina, saingy nahazo fijoroana ho vavolombelona izy ireo taty aoriana ka dia niova fo. Mety ho tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ilay fitsipika hita etsy ambony an’ireo olona tao amin’ny fianakaviany ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany?

Bonnie L. Oscarson

Rehefa avy nitanisa ny Jaona 7:17, ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia nampianatra hoe: “Indraindray dia miezaka ny manao izany avy any amin’ny farany mankany aloha isika. Toy izao ohatra no fomba mety hanaovantsika izany: Ho faly aho hiaina ny lalàn’ny fahafolonkarena kanefa mila mahafantatra aho aloha hoe marina izany. Angamba aza isika mivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny lalàn’ny fahafolonkarena ary manantena fa hanome antsika izany fijoroana ho vavolombelona izany ny Tompo na dia mbola tsy nameno akory taratasy fandoavana fahafolonkarena aza isika. Tsy izany mihitsy no fizotrany. Miandry antsika hampihatra finoana ny Tompo. Mila mandoa fahafolonkarena feno sy marina tsy tapaka isika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahafolonkarena. Io lamina io dia mihatra amin’ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra na ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izany, na ny fitsipiky ny fahamaotinana, na ny Tenin’ny Fahendrena, na ny lalàn’ny fifadian-kanina” (“Aoka hianareo hiova fo,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 77).

Na ho an’ny iray na ireo asa ampanaovina roa manaraka, raha toa ka natokana ho an’ny tena manokana izay zavatra hitaoman’ny fanahy anao mba hosoratana, dia azonao atao ny manoratra ny valinteninao ao anatin’ny diarinao manokana na amin’ny taratasy hafa ka soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe vitanao ilay asa nampanaovina.

  1. journal iconFenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao teny nambara manaraka izao amin’ny alalan’ny fanoratana momba ny didy na fitsipiky ny filazantsara izay lasa fantatrao fa marina tamin’ny alalan’ireo ezaka nataonao mba hiaina izany: Fantatro fa marina satria rehefa niaina izany aho dia . Zarao amin’ny olona iray izay eritreretinao fa afaka hivoatra amin’ny alalan’ny fandrenesana ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny zavatra nosoratanao.

  2. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahamarinana momba ny filazantsara, na ny didy, na ny fampianarana iray izay tianao hahazoana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa. Dia soraty izay zavatra hataonao mba hahazoanao fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa mikasika io fahamarinana, na didy, na fampianarana io amin’ny alalan’ny fampiharana ilay fitsipika izay nianaranao tao amin’ny Jaona 7:17.

Ny Jaona 7:19–36 dia manazava fa niteny mafy ireo mpitarika Jiosy i Jesoa noho ny fandavan’izy ireo ny fampianarany sy ireo fahagagana ary noho izy ireo nikatsaka ny hamono Azy. Mitantara ihany koa ireo andinin-tsoratra masina ireo fa maro ireo olona nanontany tena raha Izy no Mesia, ka dia naniraka mpiandry raharaha ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo mba hisambotra Azy.

Jaona 7:37–53

Mampianatra mikasika ny fanomezana ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy

Mieritrereta fotoana iray izay nampangetaheta anao. Alaivo sary an-tsaina hoe nitazona kaopy iray tsy misy na inona na inona ianao. Hanala ny hetahetanao ve ilay kaopy iray tsy misy na inona na inona? Mila inona koa ianao?

Makà fotoana kely dia misotroa rano. Rehefa manao izany ianao dia saintsaino ny maha-zava-dehibe ny rano eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ny manao vavaka feno fankasitrahana amin’ny Ray any An-danitra noho ny fanomezany rano ho anao sy ny fianakavianao.

Tsy nanana tahirin-drano fisotro madio betsaka hanomezana fahafaham-po ny filàn’ny vahoaka ny tanin’ny Isiraely. Tamin’ny alalan’ny ranon’orana izay nameno ny tahirin-dranon’izy ireo ihany no afaka nanohana ny aina. Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nanazava ny maha-ampahany “tamin’ny iray tamin’ireo fotoana manan-danja sy nampihetsi-po indrindra tamin’ny fitsaohan’ny Jiosy” ny rano nandritra ny fankalazana izay niseho:

Loholona Bruce R. McConkie

“Nandritra ny tsirairay tamin’ireo andro valo tamin’ny Andro firavoravoana Tabernakely … dia fombafomba fanao tamin’izany, ho an’ny mpisorona tao anatin’ny asa fanompoana nataony tao amin’ny tempoly, ny naka rano tamin’ny zinga lava taho volamena avy tao amin’ny ranon’i Siloama, izay nikoriana teo ambanin’ny tendrombohitra nisy ny tempoly, ka nandraraka ilay rano teo amin’ny alitara. Nohiraina ireo tenin’i Isaia avy eo: ‘Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanao rano ao amin’ ny loharanom-pamonjena.’ (Isa. 12:3.) Ary tamin’izany fotoan-dehibe ara-pivavahana izany indrindra no nirosoan’i Jesoa ka nanolorany ny zava-pisotro mampahazo aina izay hampitony ireo filendalendana ara-panahy lalina indrindra an’ny fanahy mangetaheta” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:446).

Vakio ny Jaona 7:37–39, ka tadiavo izay natolotry ny Mpamonjy ny vahoaka.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 7:39 dia milaza fa “ny Fanahy Masina dia nampanantenaina ireo izay mino, aorian’ny hanomezana voninahitra an’i Jesoa” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 7:39) .

Ilay andian-teny hoe “avy ao an-kibony” (Jaona 7:38) dia milaza fa ho ao anatin’ilay mpino sy hitosaka avy ao anatiny ilay rano velona fa tsy hivoaka avy amin’ny loharano any ivelany. Asio marika ao amin’ny Jaona 7:39 ny zavatra asehon’ilay rano velona.

Ny Bible Dictionary dia manazava fa “noho ny antony sasantsasany izay tsy nohazavaina feno ao amin’ny soratra masina dia tsy niasa tamin’ny fahafenoany teo anivon’ny Jiosy ny Fanahy Masina nandritra ireo taona izay niainan’i Jesoa teto an-tany (Jaona 7:39; 16:7). Ireo teny natao ny amin’ny hoe tsy tonga ny Fanahy Masina raha tsy taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia tsy maintsy ho nilaza izany fotoampitantanana manokana izany ihany, satria tena mazava tokoa fa niasa ny Fanahy Masina tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha. Ankoatra izany, dia milaza fotsiny ihany ny fanomezana ny Fanahy Masina izay tsy teo izany, satria ny herin’ ny Fanahy Masina dia niasa nandritra ny asa fanompoana nataon’i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesoa; fa raha tsy izany dia tsy nisy olona afaka nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nampianarin’ireo lehilahy ireo (Mat. 16:16–17; jereo ihany koa ny 1 Kor. 12:3)” (Bible Dictionary, “Holy Ghost”).

Araka ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 7:37–39, dia mianatra isika fa raha manatona an’i Jesoa Kristy isika ka mino Azy dia ho heniky ny Fanahy Masina. Ireo izay heniky ny Fanahy Masina dia afaka mitaona ny hafa hanao ny tsara.

  1. journal iconFariparito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nitaoman’ny Fanahy Masina anao (na nahatsapanao ho heniky ny Fanahy Masina), ka vokatr’izany, dia afaka nitaona olona hafa hanao ny tsara ianao.

Mamaky isika ao amin’ny Jaona 7:40-53 fa naniry ny hisamborana an’i Jesoa indray ireo Fariseo. Naheno an’i Jesoa nitory teny ireo mpiandry raharaha izay nirahina haka Azy. Niverina ka tsy nisambotra Azy izy ireo ary nilaza tamin’ny Fariseo fa tsy mbola naheno olona nitory teny tahaka ny nataon’ny Mpamonjy izy ireo, ka nampahatezitra ny Fariseo izany. I Nikodemosy, ilay fariseo izay nankany amin’ny Mpamonjy tamin’ny alina (jereo ny Jaona 3:1–2) dia nampahatsiahy ireo Fariseo sy lohan’ny mpisorona namany fa tsy mamela ny olona iray ho voaheloka ny lalàn’izy ireo raha tsy efa nohenoina ny zavatra tian’izany olona izany holazaina.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 7 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: