Tahirim-pitaovana
Fizarana 32, Andro 1: Apokalypsy 12–13


Fizarana 32: Andro 1

Apokalypsy 12–13

Fampidirana

Ny Apokalypsy 12–14 dia mirakitra fahatapahana teo amin’ny nandraisan’i Jaona Apôstôly fahitana araka ny fizotry ny fotoana. Hitan’i Jaona tao anaty fahitana iray ny dragona iray izay nampitahotra vehivavy iray sy ny zanany. Nanoratra momba ny ady tany an-danitra sy momba ny fanjakan’ny tany izay hiady amin’ireo mpanara-dia an’ Andriamanitra izy.

Apokalypsy 12

Naseho an’i Jaona fa i Satana sy ny anjeliny dia efa niady tamin’ny Tompo sy ny Fiangonany hatramin’izay

Manaova tsipika mampifandray ny fandrahonana tsirairay voatanisa ao amin’ny tsanganana havia sy ireo fomba hiadiana amin’izany, izay voatanisa ao amin’ny tsanganana havanana.

Fandrahonana

Fomba hiadiana amin’ireo fandrahonana

Main’ny masoandro

Fibebehana sy fahatokisana an’i Jesoa Kristy

Miaramila fahavalo

Fanafody na fitsaharana

Aretina

Menaka hiarovana amin’ny masoandro na fitafiana

Fahotana sy fahamelohana

Ireo fahamarinana ao amin’ny Apokalypsy 12

Ireo fitaoman’i Satana

Fitaovam-piadiana

Iza amin’ireo fandrahonana ireo no niadianao tato ho ato? Araka ny hevitrao dia iza amin’ireo no tena mampidi-doza indrindra? Nahoana?

Eo am-pandalinanao ny Apokalypsy 12, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hiady amin’ny fitaoman’i Satana. Ny Apokalypsy 12–14 dia mirakitra fahatapahana eo amin’ny famariparitan’i Jaona ny fahitany momba ireo zava-mitranga ao amin’ny tombo-kase fahafito. Miaraka amin’io fiatoana io, ny Tompo dia mety nanampy an’i Jaona hahatakatra ny dikan’ireo andian-teny hoe: “ny fanjakana amin’izao tontolo izao” sy ny “fanjakan’ny Tompontsika” (Apokalypsy 11:15). Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Apokalypsy 12 iray manontolo dia hita ao amin’ny Bible appendix sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Jereo ity sary manaraka ity, ary saintsaino ny mety hasehon’ireo tandindona.

dragona, vehivavy miaraka amin’ny zaza

Vakio ny Apokalypsy 12:1–2, 5 dia tadiavo ny zava-nitranga tamin’ilay vehivavy. (Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mametraka ny andininy 5 mivantana aorian’ny andininy 2.)

Mariho fa ny zanak’ilay vehivavy dia “hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by” (Apokalypsy 12:5).

Vakio ny Apokalypsy 12:3–4 dia tadiavo ny zavatra izay nandrahona ilay vehivavy sy ny zanany.

Inona araka ny hevitrao no mety asehon’ilay tandindona voafariparitra ao amin’ny andininy 1–4 ?

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:7–8 (ao Torolalana ho an’ny soratra masina; scriptures.lds.org) dia tadiavo hoe mety maneho inona ilay dragona, ilay vehivavy, ary ilay zaza. Azonao atao ny manoratra ny dikan’ny tandindona tsirairay eo akaikin’ny Apokalypsy 12:1–5.

Ilay dragona dia maneho an’i Satana (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:8), ilay vehivavy dia maneho ny “fiangonan’ Andriamanitra,” ary ilay zaza dia maneho ny “ny fanjakan’ Andriamanitsika sy ny Kristiny” (Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:7). Io fanjakana io dia ahitana ireo mpikambana mahatoky ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. (Ho fanazavana fanampiny momba ireo tandindona ao amin’ireo andian-tsoratra masina ireo, dia jereo ny Testamenta Vaovao: Boky fandalinana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 550–52).

Araka ny voalazan’ny Apokalypsy 12:4, inona ny tanjon’ilay dragona?

Nahoana araka ny eritreritrao no miezaka mafy manimba ny fanjakan’ Andriamanitra sy Kristy i Satana?

Vakio ny Apokalypsy 12:6 dia tadiavo ny zavatra izay nataon’ilay vehivavy noho ny fandrahonan’ilay dragona.

Ilay vehivavy nandositra tany amin’ny tany foana dia maneho ny Fiangonana izay niditra tao anatin’ny Apostazia Lehibe ary ny fisoronana izay nalaina tety ambonin’ny tany taorian’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny.

Taorian’ny nahitan’i Jaona ny fandrahonana nataon’ilay dragona an’ilay vehivavy sy ny zanany, dia naseho taminy ny zava-nisy tany amin’ny fiainantsika talohan’izao fiainana izao–izay fotoana niadian’i Satana sy ireo mpanara-dia azy tamin’ireo Olomasin’ Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena.

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:6–11 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina; scriptures.lds.org) dia tadiavo ny zava-nitranga tamin’i Satana nandritra ny Ady tany an-danitra ary ahoana no nandresen’ireo Olomasin’ Andriamanitra an’i Satana sy ireo mpanara-dia azy. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.

Ny Apokalypsy 12:4 dia milaza fa ny rambon’ilay dragona dia “manala ny ampahatelon’ny kintana amin’ny lanitra.” Izany dia tandindon’ny isa maroben’ireo zanaka ara-panahin’ny Ray any An-danitra izay nisafidy ny hanaraka an’i Satana. I “Mikaely sy ny anjeliny” (Apokalypsy 12:7) dia i Adama sy ireo zanak’ Andriamanitra ara-panahy izay marina.

Araka ny Apokalypsy 12:11, tamin’ny fomba ahoana no nandresen’ireo tafika marin’ny lanitra (anisan’izany ianao) an’i Satana?

Araka ny Apokalypsy 12:8–9, taiza no nandefasana an’i Satana sy ireo mpanara-dia azy taorian’ny fikomian’izy ireo?

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Fanambarana 12:12, 17 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina, scriptures.lds.org) dia tadiavo hoe tamin’iza no niady i Satana rehefa noroahina avy tany an-danitra.

Ny fahafantarana ny fomba nandresentsika an’i Satana tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba handresena ny fitaomany sy ny fanafihany ety an-tany. Avy amin’ireo andininy ao amin’ny Apokalypsy 12 ireo dia afaka mamantatra izao fitsipika manaraka izao isika: afaka mandresy ny fitaoman’i Satana isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary amin’ny fijanonana ho marina amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay ananantsika momba ny filazantsara. Azonao soratana na asiana marika ao anatin’ny soratra masinao izany fitsipika izany.

Nampianatra ny fomba fanafian’i Satana ny taranatsika ny Loholona James J.Hamula ao amin’ny Fitopololahy:

Loholona James J. Hamula

“Notehirizina mba hivoaka amin’izao andro farany izao sy hiasa ho an’ny Raintsika sy ny Zanany ny sasany amin’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ny Raintsika maherifo sy tsara indrindra. Ny herimpon’izy ireo sy ny maha-ambony azy dia nampisehoana tao amin’ny ady tamin’i Satana talohan’ny nahaterahana. …

“Miaraka amin’ny fanjakan’ Andriamanitra naverina amin’ny laoniny sy ny fidiranao tety an-tany, dia mahafantatra i Satana fa ‘kely sisa ny androny’ [Apokalypsy 12:12]. Noho izany, i Satana dia mampiasa ny loharano rehetra eo am-pelatanany mba hisarihana anao mba handika lalàna. Fantany fa raha afaka misarika anao amin’ny fandikan-dalàna izy, dia mety hisakana anao tsy hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, tsy hanambady any amin’ny tempoly, ary tsy hiaro ny zanakao any aoriana ao amin’ny finoana izy, izany rehetra izany dia mampahalemy tsy anao irery ihany fa ny Fiangonana ihany koa. Fantany fa tsy misy na inona na inona afaka mamongotra ny fanjakan’ Andriamanitra ‘afa-tsy ny fandikan-dalàn’ny olo[ny]’ [Môsià 27:13]. Aza diso hevitra momba azy io—ny ifantohan’ny ady izay ataony izao dia ianao” (“Winning the War against Evil,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 50–51).

Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’i Satana sy ireo mpanara-dia azy miezaka ny hampalemy antsika?

Saintsaino hoe ahoana ny fomba famakian’i Satana ady aminao manokana.

  1. journal iconTanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba sasantsasany izay ahafahanao mampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba Azy.

  2. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Manorata momba ny zavatra niainanao iray ka nanampy anao handresy ny fitaoman’i Satana ny fijroana ho vavolombelona anananao sy ny finoanao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

    2. Soraty ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary hazavao hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Sorompanavotana manampy antsika ao amin’ny ady ataontsika amin’i Satana sy ireo mpanara-dia azy.

Misafidiana hevitra iray na maromaro amin’ireo izay notanisainao, ary ampiharo amin’ireo ady izay ataonao amin’i Satana sy ireo mpanara-dia azy izany. Azonao atao ny manoratra ireo tanjonao amin’ny taratasy iray manokana ary mametraka ilay taratasy eo amin’ny toerana ahafahanao mahita izany matetika. Rehefa miantehitra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ianao dia hanampy anao amin’ny ady ataonao amin’i Satana ny Tompo.

Apokalypsy 13

Nanoratra momba ireo fanjakana eto an-tany izay hahazo hery avy amin’i Satana i Jaona

Mamaky isika ao amin’ny Apokalypsy 13 fa i Jaona dia nahita tao anatin’ny fahitana iray ireo bibi-dia izay maneho ny fanjakana ratsy fanahy eto an-tany izay fehezin’i Satana. Hitan’i Jaona koa fa amin’ny alalan’ireo fanjakana ireo, i Satana dia hanao zava-mahatalanjona sy fahagagana sandoka mba hamitahana ny mponin’ny tany.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 12–13 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: