Tahirim-pitaovana
Fizarana 18, Andro 2: Asan’ny Apostoly 8


Fizarana 18: Andro 2

Asan’ny Apostoly 8

Fampidirana

Niteraka ny fiparitahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana an’i Jodia sy i Samaria ny fanenjehana ny Fiangonana tao Jerosalema. Nanompo tao Samaria i Filipo, izay toerana naneken’ny olona maro ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ireo vao niova fo i Petera sy i Jaona dia nisy mpanao ody iray antsoina hoe Simona niezaka hividy ny fisoronana. Nitondra an’i Filipo ho any amin’ny tandapa Etiopiana iray Andriamanitra taorian’izay, izay nampianariny momba an’i Jesoa Kristy ka natao batisa.

Mandritra ity lesona ity dia zonao atao ny mijery ny sarintany 13 “Ny dia fitoriana nataon’ny Apostoly Paoly,” ka jereo ireo tanàna sy toerana isan-karazany izay vakinao.

Asan’ny Apostoly 8:1–25

Nanompo tao Samaria i Filipo, izay toerana niezahan’i Simona ilay mpanao ody hividy ny fisoronana

Raha mahazo vola be ianao, dia inona no zavatra mety hovidinao?

Ny olona sasany dia mihevitra fa voavidin’ny vola daholo ny zavatra rehetra. Kanefa ny sasany amin’ireo zavatra sarobidy indrindra eo amin’ny fiainana dia tsy azo vidina. Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 8 ianao dia mitadiava fanomezana iray avy amin’Andriamanitra izay tsy azo vidina.

Tao amin’ny Asan’ny Apostoly 7 ianao dia nianatra momba ny fahafatesan’i Stefana ilay mpianatra teo an-tanan’ireo mpanenjika. Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:1–5 hitadiavana ny zavatra nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana vokatry ny fanenjehana natao tamin’ny Fiangonana tao Jerosalema. Ny teny hoe nosarihany ao amin’ny andininy 3 dia midika hoe notarihiny an-keriny.

Jereo ilay anarana hoe Filipo ao amin’ny andininy 5. I Filipo dia iray tamin’ireo mpianatra fito izay notendrena hanampy ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny fitantanana ny zavatra nilain’ny mpikamban’i Fiangonana (jereo ny Asan’ny Apostoly 6:5).

Jereo ny fanehoana an-tsary ny “Topimaso mikasika ny Asan’ny Apostoly” ao amin’ny Fizarana 17: Andro 1, ary vakio ny asa nanendren’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôliny izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8. Araka ny Asan’ny Apostoly 8:5, dia ahoana no nanampian’ny Filipo tamin’ny fanatanterahana io asa nanendrena io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:6–8 hitadiavana ny fihetsika nasetrin’ireo Samaritana ny fitorian’i Filipo sy ireo fahagagana izay notanterahany.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:9–11, ary jereo ny fomba nanoritsoritana an’i Simona, izay lehilahy iray tao amin’izany tanàna izany.

Inona ny fiantraikan’ny zavatra nataon’i Simona teo amin’ny vahoaka?

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra ny fanaovana ody ho “fampiasana ny hery azo avy amin’ny fanampiana na fibaikon’ny fanahy ratsy” (Mormon Doctrine, ed. faha-2 [1966], 747).

 

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:12–13 hitadiavana ny fihetsik’i Simona nanoloana ny fitorian’i Filipo.

Araka ny andininy 13, dia niantraika tamin’i Simona tamin’ny fomba ahoana ny “famantarana sy ny asa lehibe” izay hitany?

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:14–16 isika dia mianatra fa nandeha tao Samaria i Petera sy i Jaona rehefa nahare fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny vahoaka tao. Nivavaka izy ireo mba handraisan’ireo Samaritana niova fo ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:17 hitadiavana ny zavatra nataon’i Petera sy i Jaona ho an’ireo mpikambanana vaovaon’ny Fiangonana tao an-tanànan’i Samaria.

Maneho izao fotopampianarana manaraka izao io tantara io: Ny fanomezana ny Fanahy Masina dia omena aorian’ny batisa, amin’ny alalan’ny fametrahan-tànan’ireo mpihazona ny Fisoronana nahazo lalana.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:18–19 hitadiavana ny tolotra izay nataon’i Simona tamin’i Petera.

Raha teo amin’ny toeran’i Petera ianao, dia inona no mety ho navalinao an’i Simona?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:20–24, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Petera an’i Simona momba ny fandraisana ny fisoronana.

vola madinika sy vola vaventy

Tsy azo vidiana ny fisoronana. Satria an’Andriamanitra ny fisoronana dia araka ny sitrapony ihany no ahafahana manome izany. Nametraka ny fomba mety hahazoana ny fisoronana Andriamanitra (jereo ny Fanekem-pinoana 1:5).

Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 8:21–23, dia nahoana i Simona no tsy mbola afaka nahazo ny fisoronana? Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no “tsy [n]ahitsy …[t]eo anatrehan’Andriamanitra” ny fon’i Simona (Asan’ny Apostoly 8:21)? Jereo ny Almà 41:11 mba hahazoana hevi-baovao mikasika ny dikan’ny hoe “amin’ny fangidian’afero” (Asan’ny Apostoly 8:23).

Mampianatra izao fahamarinana manaraka izao io tantara io: Ny fisoronana dia omena araka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fenitry ny fahamendrehana.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny fisoronana dia omena ny olona araka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fenitry ny fahamendrehana ihany?

    2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–42. Inona avy ireo fitsipika izay tsy maintsy hampiasana ny fisoronana? Inona no mitranga amin’ireo lehilahy izay manandrana mampiasa ny fisoronana miaraka amin’ny “ampahan’ny tsy fahamarinana” (F&F 121:37)?

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:25 isika dia mianatra fa nitory ny filazantsara tao amin’ny tanàna Samaritana maro i Petera sy i Jaona.

Asan’ny Apostoly 8:26–40

Nampianatra sy nanao batisa tandapa Etiopiana iray i Filipo

  1. sary famantarana ny diaryEritrereto ireo toe-javatra izay efa nilanao na mety hilanao olona iray mba hitarika anao. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo toe-javatra vitsivitsy izay mety haha-mpitarika olona hafa anao. (Mieritrereta toerana na lohahevitra izay hainao tsara na talenta izay nokolokoloinao.)

Rehefa mandalina ny ambin’ny Asan’ny Apostoly 8 ianao dia mitadiava fomba iray manan-danja izay ahafahanao ho mpitarika ny hafa.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:26 hitadiavana ny olona nanome toromarika an’i Filipo ho any Gaza. (Azonao tadiavina ao amin’ny Sarintany 11, “Ny tany masina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao” ny toerana misy an’i Gaza.)

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:27–28 hitadiavana ny olona izay nifanena tamin’i Filipo teny an-dalana.

Inona no natao’io tandapa Etiopiana io tao amin’ny kalesiny? 

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:29–35, hitadiavana ny zavatra niseho teo amin’i Filipo sy ilay tandapa Etiopiana.

Asio marika ao amin’ny andininy 29 ny hoe iza no naniraka an’i Filipo hankeny amin’ny kalesin’ilay tandapa Etiopiana. Azonao asiana marika ihany koa ao amin’ny andininy 31 ny zavatra izay nolazain’ilay Etiopiana fa nilainy mba hahafahany mahatakatra ny asa soratr’i Isaia. Soraty ao amin’ny soratra masinao ny Isaia 53:7–8 mba ho soratra masina mifandray eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 8:32–33.

Ampiasao ny teny hoe fitarihana sy bitsika ary fahafahana mba hamenoana izao fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Filipo manaraka izao: Rehefa manaraka ireo ____________________ avy amin’Andriamanitra isika dia afaka mahazo ____________________ hanampy amin’ny ____________________ ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

Loholona Jeffrey R. Holland

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fitondrana fanampiana amin’ny fitarihana ny hafa hanatona ny Mpamonjy: “Mba hahafahantsika tsirairay ‘[m]anatona an’i Kristy’ [F&F 20:59], dia ny mitandrina ny didiny sy manaraka ny ohatra nasehony amin’ny Ray no azo antoka fa tanjona ambony indrindra sy masina indrindra ananan’ny olombelona. Ny manampy ny hafa hanao izany ihany koa—mampianatra sy mandresy lahatra ary mitarika azy ireo ombam-bavaka handeha amin’izany lalan’ny fanavotana izany ihany koa—no azo antoka fa andraikitra faharoa manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Izany angamba no nahatonga ny Filoha David O. McKay nilaza indray mandeha hoe: ‘Tsy misy andraikitra lehibe hiantsorohan’ny lehilahy [na ny vehivavy] mihoatra ny mampianatra ireo zanak’Andriamanitra’ [ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1916, 57]” (“A Teacher Come from God,” Ensign, mey 1998, 25).

  1. sary famantarana ny diaryMisafidiana iray na maromaro amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

    Toe-javatra 1: Mpikamban’ny fiangonana Kristianina hafa ny zatovolahy iray izay namanao. Indray andro nandritra ny sakafo antoandro dia nahatsapa ho voataona hiresaka aminy momba ny Fiangonana ianao.

    Toe-javatra 2: Rehefa nandeha an-tongotra avy tany an-tsekoly ianao dia nahita zatovovavy iray nitomany. Fantatrao izy fa mpikambana ao amin’ny paroasy misy anao, izay efa tsy namonjy fivoriam-piangonana nandritra ny taona maro. Nahatsapa ho voataona hiresaka taminy ianao. Rehefa niezaka nankahery azy ianao dia nohazavainy ny olany ka nanontany izy hoe: “Fa nahoana aho no tsy afaka ny ho sambatra fotsiny amin’izao?”

    Toe-javatra 3: Vao maty vao haingana ny renin’ny zatovolahy iray namanao ao amin’ny tambazotra ifaneraserana iray. Mahatsapa ho voataona ianao hamaly izao zavatra nosoratany vao haingana izao: “Mahatsapa ho irery aho izao. Manantena aho fa mba misy olona mahatakatra izany.”

    Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mety holazainao sy hataonao mba hitarihana io olona io hanatona an’i Jesoa Kristy. Ao amin’ny fanazavanao dia ampidiro ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ny fahamarinana ao amin’i filazantsara izay mety hozarainao mba hitondrana fanampiana amin’ny fitarihana io olona io hanatona an’i Jesoa Kristy?

    2. Inona ny soratra masina iray izay mety asainao hohalalinin’io olona io?

    3. Inona no mety ho asainao hataon’io olona io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:36–40, hitadiavana ny zavatra nitranga vokatry ny fampianaran’i Filipo an’ilay tandapa Etiopiana mikasika an’i Jesoa.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na izy roa:

    1. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nitondranao fanampiana hitarika olona iray hanatona an’i Jesoa Kristy?

    2. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny olona iray fanampiana hitarika anao hanatona an’i Jesoa Kristy?

Rehefa manomboka ny andronao amin’ny vavaky ny tena manokana ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hibitsika aminao. Avy eo rehefa manao ny zavatra ataonao mandritra ny tontolo andro ianao dia henoy ireo bitsika avy amin’Andriamanitra izay hanampy anao hitarika ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 8 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: