Tahirim-pitaovana
Fizarana 21, Andro 2: Romana 12–16


Fizarana 21: Andro 2

Romana 12–16

Fampidirana

Nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Roma i Paoly Apôstôly mba hanolotra ny tenan’izy ireo ho fanatitra velona ho an’ Andriamanitra sy hankatò ireo didin’ Andriamanitra. Nampianariny ny Olomasina ihany koa ny fomba hialana amin’ny fifandirana sy hikatsahana fihavanana rehefa misy tsy fifankahazoana noho ny zavatra mahafinaritra ny tena manokana. Rehefa namarana ity epistily ity i Paoly dia nampitandrina ireo izay nitady hamitaka izy.

Romana 12–13

Nanoro hevitra ireo Olomasina i Paoly mba hanolotra ny tenan’izy ireo ho fanatitra velona ho an’ Andriamanitra sy hankatò ireo didin’ Andriamanitra

Vera fisotroana anankitelo samy hafa endrika

Jereo ny endriky ny rano ao amin’ilay vera fisotroana voalohany. Ahoana no hampiova ny endriky ny rano raha toa ararakao avy ao amin’ilay vera voalohany izy hankao amin’ilay vera faharoa? Ahoana no hampiova ny endriny raha toa ararakao ao amin’ilay vera fahatelo izy io?

Ataovy sary an-tsaina hoe maneho olona iray ny rano ary ny fasiana azy kosa maneho ny finoana sy fombafomba samihafan’izao tontolo izao. Inona ireo loza ateraky ny fanarahana hatrany ireo finoana sy fombafomban’izao tontolo izao?

Vakio ny Romana 12:1–2 hitadiavana ny zavatra nasain’i Paoly hataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Roma.

Tamin’i Paoly nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba “hanolotra ny tenan’[izy ireo] ho fanatitra velona … ho an’ Andriamanitra” (Romana 12:1), dia nanao fampitahana amin’ny fomba tamin’ny Testamenta Taloha izy momba ny fitondrana biby eo amin’ny alitaran’ny tempoly mba hatao fanatitra. Ireny biby ireny dia natokana ho fanatitra ho an’ Andriamanitra. Noho izany, dia nampianatra i Paoly hoe ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hanokana ny fiainan’izy ireo—ny vatatenan’izy ireo sy ny faniriany sy ny safidiny sy ny asany sy ny fananany ary ny fotoany—mba ho an’ Andriamanitra. Ny fandaozana ny faniriana feno fahotana sy ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra no hanatanterahana izany.

Ianarantsika avy amin’ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Romana 12:1–2, ny hoe manantena Andriamanitra fa isika dia hanokana ny fiainantsika ho Azy sy hifehy tena tsy hanaraka izao tontolo izao. Soraty ao anatin’ny soratra masinao izany fahamarinana izany.

  1. journal iconAo amin’ny Romana 12–13, ny mpikamban’ny Fiangonana dia nampianarin’i Paoly fitsipika maro izay hanampy azy ireo hanokana ny fiainan’izy ireo ho an’ Andriamanitra sy hifehy tena tsy hanaraka izao tontolo izao. Mba hijerena ny sasany amin’ireo fitsipika ireo, dia manaova tabilao misy tsanganana telo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty ho lohatenin’ny tsanganana tsirairay ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Romana 12:9–16; Romana 12:17–21; Romana 13:8–13. Aorian’izay dia ataovy ireto asa ampanaovina manaraka ireto:

    1. Vakio ny andininy tsirairay, ary avy eo soraty ao amin’ny tsanganana mifanaraka aminy ny fampianarana iray na mihoatra avy amin’ilay andininy.

    2. Lazalazao hoe afaka manampy anao hanokana ny fiainanao ho an’ Andriamanitra sy hifehy tena tsy hanaraka izao tontolo izao amin’ny fomba ahoana ny fiainana ny iray amin’ireo fampianarana hitanao.

Vakio ny Romana 13:14 dia tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly mba hataon’ ireo Olomasina.

Ilay andian-teny hoe “itafio Jesoa Kristy” dia midika hoe lasa mitovy amin’ny Mpamonjy amin’ny toetra sy ny asa atao. Eritrereto hoe afaka hanampy anao ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ireo fampianarana izay nohalalininao hatreto ao amin’ny Romana 12–13.

Romana 13:14 dia manampy antsika hahatakatra fa raha manokana ny fiainantsika ho an’Anandriamanitra isika sy mifehy tena tsy hanaraka izao tontolo izao, dia afaka ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

  1. journal iconNy Mpamonjy dia ohatra iray maneho ny fanokanana ny fiainana ho an’ Andriamanitra sy ny fifehezan-tena tsy hanaraka izao tontolo izao. Mieritrereta olona iray hafa fantatrao izay miezaka ny hanao izany. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ilay olona neriteretinao sy ny zavatra ataony mba hahatonga azy ho ohatra amin’ny fanoloran-tena ho an’ Andriamanitra sy amin’ny fifehezan-tena tsy hanaraka izao tontolo izao. Hazavao hoe fomba ahoana no nahatonga io olona io ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa vokatr’izany.

Soraty amin’ny taratasy iray hafa ny fomba izay ahafahanao manokana ny fiainanao bebe kokoa ho an’ Andriamanitra sy hifehy tena tsy hanaraka izao tontolo izao. Apetraho amin’ny toerana izay mety hampahatsiahy anao ny tanjonao io taratasy io.

Romana 14:1–15:3

Mampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana i Paoly mba hiala amin’ny fifandirana mikasika ny zavatra tian’ny tena manokana

Azo ekena ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ve ny (1) mifady hena? (2) mihinana sôkôlà? (3) manao pataloha fohy eny imasom-bahoaka? (4) mampiasa teknôlôjia amin’ny andro sabata? (5) mandray anjara amin’ny fankalazana fety izay mifototra amin’ny finoana na fombafomba hafa?

Eny no valiny ho an’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo. Raha toa takiana na raràn’ny didy avy amin’ny Tompo mazava tsara ny fihetsika sasany, ny sasany kosa dia avela araka izay fitiavana sy fahaiza-misafidin’ny mpikambana manokana. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny safidy amin’ny sehatra toy ny fialamboly, ny fitafy, ny sakafo hohanina, ny fomba hanajana ny Sabata ary ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreny amin’ny zanaka. Nanome didy sy fenitra ny Tompo mba hitarika ny safidintsika amin’ny sasany amin’ireo zavatra ireo, toy ny hoe manao pataloha fohy izay maotina, fa misy fanapahan-kevitra sasany izay avela ho amin’ny fahaizantsika misafidy. Indraindray ny mpikambana dia mety mandray ny fanapahan-keviny momba ireo sehatra ireo arakaraky ny fanetanam-panahy ho amin’ny toe-javatra misy azy manokana na ny zavatra ilainy manokana.

Rehefa mandalina ny Romana 14:1–15:3 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ny fomba tokony hamahantsika ny olana mikasika ny zavatra mahafinaritra ny tena manokana ao amin’ny Fiangonana.

Ianarantsika ao amin’ny Romana 14:1–5 fa ny olana iray natrehan’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Paoly mikasika ny zavatra mahafinaritra ny tena manokana dia ny sakafo hohanin’ny olona iray. Ny olona sasany tsy misy sakafo fadiana. Ny hafa kosa nifady hena ary tsy nihinana afa-tsy zava-maniry (jereo ny Romana 14 ). Ankoatra izany, ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia nisafidy ny hanaraka ny fomba sy fanao ary fety Jiosy.

Inona araka ny eritreritrao ireo olana mety ho nitranga tao amin’ny Fiangonana rehefa nandray fanapahan-kevitra samy hafa momba ireo zavatra ireo ny mpikambana?

Vakio ny Romana 14:3 dia tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly ny mpikamban’ny Fiangonana izay samy manana ny zavatra mahafinaritra azy.

Nahoana araka ny eritreritrao no misy mpikamban’ny Fiangonana sasany mety manao tsinontsinona, na mandrabiraby, na mitsara ny mpikambana hafa izay manana safidy tsy mitovy amin’ny azy?

Vakio ny Romana 14:10–13, 15, 21 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly mba tsy hataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’io olana mikasika ny zavatra mahafinaritra mahafinaritra ny tena manokana io.

Ny fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny toromarik’i Paoly ao amin’ny Romana 14:13 dia ny hoe amin’ny zavatra izay tsy voalazan’ny didy iray manokana, dia mila mifehy tena tsy hitsara ny safidin’ny hafa isika.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana izany no olana rehefa manambanimbany na manameloka ny mpikamban’ny Fiangonana hafa izay manana safidy hafa mikasika ny zavatra izay tsy misy didy mitaky na mandrara ny fihetsika sasantsasany ny mpikamban’ny Fiangonana?

Jereo ilay andian-teny hoe “hanisy fandavoana na fanafintohinana” ao amin’ny Romana 14:13. Izy io dia entina milaza ny fitaomana ny olona iray ho tafintohina na ho lavo ara-panahy amin’ny ezaka ataony mba hino an’i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany. Mariho koa fa mivaky toy izao ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 14:15: “Fa raha mampalahelo anao ny fihinanan’ny rahalahinao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony hianao raha mihinana. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.”

Nanoro hevitra ny mpikamban’ny Fiangonana i Paoly mba hieritreritra ny vokatry ny zavatra ataony eo amin’ny hafa sy mba ho vonona ny tsy hanao na inona na inona izay mety hitaona ny hafa ho tafintohina ara-panahy. Azontsika ianarana ihany koa avy amin’ny toromarik’i Paoly ny hoe amin’ny zavatra izay tsy voalazan’ny didy iray manokana, dia mila eritreretintsika ny fomba fiantraikan’ny safidintsika amin’ny hafa.

Tsarovy ilay olana momba ny zavatra mahafinaritra ny tena manolana izay voalaza tany amin’ny fiandohan’ity ampahan’ny lesona ity. Saintsaino hoe inona no afaka hataon’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao androntsika izao mba hanarahana ny torohevitr’i Paoly amin’ny zavatra toy izany. Ahoana no mety hahatonga izany safidy izany ho “momba ny fiadanana” eo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Romana 14:19)?

Romana 15:4-16:27

Mamarana ny Epistiliny ho an’ny Romana i Paoly

Rehefa mbỳ hamarana ny Epistiliny ho an’ny Romana i Paoly, dia nampianatra fahamarinana iray momba ny soratra masina izy. Vakio ny Romana 15:4 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny antony nanoratana ny soratra masina.

Fenoy, avy amin’izay novakianao izao fahamarinana manaraka izao: Ny soratra masina dia nosoratana mba .

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nahatsapanao fa nanome anao fampianarana na fiononana na fanantenana ny fandalinanao ny soratra masina.

Nasehon’i Paoly ny fomba ahafahan’ny soratra masina mampianatra antsika sy manome antsika fanantenana amin’ny findramany soratra masina vitsivitsy ao amin’ny Testamenta Taloha mba hanomezana toky ny Olomasina fa mifanaraka amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fitoriana ny filazantsara eo anivon’ny Jentilisa (jereo ny Romana 15:9–12).

Ny sisa ambiny amin’ny Romana 15–16 dia ahitana famporisihana sy torohevitra fanampiny ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Roma. Izany dia ahitana fampitandremana mikasika ireo izay mitondra fisaraham-bazana, sy mampianatra fotopampianaran-diso ary mikatsaka ny hamitaka ny hafa (jereo Romana 16:17–18).

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Romana 12–16 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: