Tahirim-pitaovana
Fizarana 25, Andro 4: Filipiana 4


Fizarana 25: Andro 4

Filipiana 4

Fampidirana

Namporisika ireo Olomasina tany Filipy mba hivavaka mandrakariva sy mba hikatsaka izay rehetra marina i Paoly Apôstôly. Nilaza ny fahatokiany ny hery manampin’i Jesoa Kristy ihany koa izy. Namarana ny epistiliny tamin’ny fanehoana fankasitrahana indray ireo Olomasina Filipiana noho ny fanohanan’izy ireo azy nandritra ny fotoana naha-sahirana azy i Paoly.

Filipiana 4:1–14

Nampianatra ireo Olomasina tany Filipy mba hivavaka mandrakariva sy mba hikatsaka izay rehetra marina i Paoly

Hiatrika olana na toe-javatra izay mety hahatonga antsika ho sahiran-tsaina isika mandritra ny fianantsika. Ohatra:

  • “Sahiran-tsaina amin’ny fiatrehana fitsapana iray ho avy aho.”

  • “Sahiran-tsaina momba ny olona iray ao amin’ny fianakaviako iray izay marary aho.”

  • “Sahiran-tsaina amin’ny fijoroana amin’ny zavatra inoako aho.”

  • “Sahiran-tsaina ny amin’ny fahafahako ho lasa misiônera mahomby aho.”

Inona avy ireo tahotra na ahiahy sasantsasany atrehanao eo amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao?

Eo am-pandalinanao ny Filipiana 4, dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka manampy antsika rehefa hiatrika toe-javatra izay mety hahatonga antsika ho sahiran-tsaina.

Mamaky isika ao amin’ny Filipiana 4:1–5 fa i Paoly dia nanoro hevitra ireo Olomasina mba ho mafy orina amin’ny fahatokiana ny Tompo, mba hifaly ao amin’ny Tompo ary mba hahafantaran’ny olona rehetra ny fandeferan’izy ireo, na ny hatsaram-panahin’izy ireo (jereo ny Filipiana 4:5).

Vakio ny andian-teny voalohany ao amin’ny Filipiana 4:6, ary tadiavo ilay torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina.

Ilay andian-teny hoe “aza manahy na inona na inona” ao amin’ny andininy 6 dia midika hoe tsy miahiahy be loatra momba ny zavatra iray (jereo ny Filipiana 4:6).

Vakio ny ambin’ny Filipiana 4:6, dia tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina mba hataon’izy ireo ho solon’ny fiahiahiana. (Ny fifonana dia milaza fangatahana atao amim-panetrentena sy amim-kitsimpo.)

Vakio ny Filipiana 4:7, dia jereo ny fitahiana nampanantenain’i Paoly izay avy amin’ny fivavahana amim-panetrentena sy amim-kitsimpo arahin’ny fisaorana. Mariho fa ny teny hoe hiaro ao amin’io andininy io dia midika hoe hitandrina (jereo ny Filipiana 4:7).

Fitsipika iray azontsika hianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe amin’ny maha-mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy antsika, raha manao vavaka arahin’ny fitalahoana sy fisaorana isika dia afaka hahazo ny fiadanan’Andriamanitra avy eo. Ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly mba hitondra ny zava-drehetra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka sy fitalahoana arahin’ny fisaorana dia afaka manampy antsika handanjalanja hatrany ny fiainantsika, fa tsy hiahiahy be loatra amin’ny antsipirian’ny zava-mitranga rehetra izao sy ny vokatr’izany kosa.

Loholona Richard G. Scott

Ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fomba hanampian’ny fisafidianana ny hiaina izany fitsipika izany antsika: “Satria manaja ny fahafahanareo misafidy ny Ray any An-danitra, dia tsy hanery anareo na oviana na oviana Izy hivavaka Aminy. Kanefa rehefa mampiasa io fahafahana misafidy io ianareo ka mampiditra Azy ao anatin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanareo andavanandro, dia hanomboka ho feno fiadanana, fiadanana mahafinaritra ny fonareo. Io fiadanana io no hahafahanareo hijery ireo olanareo amin’ny fomba fijery mandrakizay. Hanampy anareo hitantana ireny olana ireny amin’ny fomba fijery mandralizay izany” (“Ataovy voalohany amin’ny laharam-pahamehanareo ny fampiasana finoana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 93).

  1. journal iconMariho ao amin’ny Filipiana 4:6 fa i Paoly dia nandroso hevitra ny amin’ny tokony hanolorantsika ny vavaka sy fangatahana ataontsika amim-pisaorana. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Afaka mitondra ny fiadanan’Andriamanitra eo amintsika amin’ny fomba ahoana ny fanehoana fisaorana, araka ny eritreritrao?

    2. Raha ny voalazan’ny Loholona Scott, dia ahoana no ahafahan’ny fiadanan’Andriamanitra manampy antsika manoloana ireo olana mitranga amintsika?

Diniho ireo tahotra na ahiahy neritreretinao teo am-piandohan’ity lesona ity. Safidio ny hampihatra ilay fitsipika nampianarin’i Paoly amin’ny fivavahana amin’ny fitalahoan’ny fo sy mbamin’ny fisaorana ho solon’ny fiahiahiana. Rehefa mahatsikaritra ireo tahotra ananan’ny hafa manodidina anao ianao dia azonao atao ny mizara ny tenin’i Paoly sy ity fitsipika ity amin’izy ireo.

Mandritra ny 30 segaondra manaraka dia ampitfantohy amin’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho anao ny eritreritrao.

Inona no fiantraikan’ny fifantohana amin’izany eritreritra izany teo aminao?

Vakio ny Filipiana 4:8–9, ary tadiavo ny zavatra nafaran’i Paoly fa tokony hoeritreretin’ireo Olomasina sy hataon’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika na fanamarihana ny karazan-javatra tsirairay nampianarin’i Paoly fa tokony hifantohan’ny eritreritr’izy ireo. Ilay andian-teny hoe “hevero” ao amin’ny andininy 8 dia midika hoe eritrereto tsara ary eritrereto foana.

Ao amin’ny andininy 9, inona no torohevitra nomen’i Paoly mba hataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana? Inona no fitahiana nampanantenainy an’ireo Olomasina raha toa mifantoka amin’ny fahamarinana sy manaraka ny fampianarany sy ny ohatra napetrany izy ireo?

Fitsipika iray azontsika hianarana avy amin’ny fampianaran’i Paoly ny hoe raha mampifantoka ny eritreriny amin’izay zavatra marina ireo Olomasina mahatoky, ary raha manaraka ireo apôstôly sy mpaminany izy ireo dia hitoetra amin’izy ireo ny fiadanan’ Andriamanitra.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny fampifantohana ny eritreritsika amin’izay zavatra marina mitaona ny faniriantsika sy ny fitondrantenantsika.

Vakio ny Fanekem-pinoana 1:13 (ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy), ary jereo izay hitovian’izany amin’ny Filipiana 4:8.

Rehefa nilaza ity “fananaran’i Paoly” avy amin’ny Filipiana 4:8 ity tao amin’ny fanekem-pinoana faha-telo ambin’ny folo ny Mpaminany Joseph Smith dia nanova ny hoe “hevero izany” mba hilaza fanaovan-javatra kokoa amin’ny alalan’ny hoe “mikatsaka ireny zavatra ireny” izy. Diniho ny antony maha-manan-danja ho antsika ny mikatsaka ireo zavatra izay marina, manan-kaja, mahitsy, madio, maha-te-ho-tia, ahitana hatsaram-panahy, ary tsara laza na misy dera.

  1. journal iconVakio ny torohevitra mikasika ny iray amin’ireto lohahevitra manaraka ireto ao amin’ilay kiboky Jeunes, soyez forts : “Fampiarahana,” “Fiakanjo sy endrika ivelany,” “Fianarana,” “Fialam-boly sy serasera,” “Namana,” “Fomba fiteny,” na “Mozika sy dihy.” Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lohahevitra izay nosafidianao. Avy eo dia soraty izay valinteny omenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hahafahantsika mampiasa ny torolalan’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny Filipiana 4:8–9 mba hitarika ireo safidy ataontsika mikasika io lohahevitra io?

    2. Rehefa miezaka manaraka ny torolalan’i Paoly isika dia inona avy ireo olana izay mety ho hitantsika mikasika io lohahevitra io?

    3. Nahoana no mendrika hanaovana ezaka amin’ny fikatsahana ireo zavatra tsara sy ny fanarahana ireo apôstôly sy ireo mpaminany ny fananana “ny Andriamanitry ny fiadanana … ho [amintsika]” (Filipiana 4:9)?

Ahoana no ahafahanao manatsara ny ezaka ataonao amin’ny fampifantohana ny eritreritrao amin’ny zavatra tsara? Diniho ireo fitahiana izay efa tonga taminao rehefa nanaraka ny fampianaran’ny apôstôly sy ny mpaminany. Tohizo hatrany ny fampiharana io fitsipika io mba hahafahan’ny Tompo manohy ny fiarahany aminao sy ny fanomezany ny fiadanany ho eo amin’ny fiainanao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Filipiana 4:10 dia nisaotra ireo Olomasina Filipiana noho ny fanohanana sy ny fikarakaran’izy ireo azy nandritra ny fotoam-pitsapana nianjady taminy i Paoly. Vakio ny Filipiana 4:11–12, dia jereo ny zavatra nolazain’i Paoly tamin’ireo Olomasina fa nianarany.

Inona ny zavatra nianaran’i Paoly fa tokony hatao amin’ny toe-javatra rehetra?

Vakio ny Filipiana 4:13–14, dia tadiavo ny loharanon’ny tanjak’i Paoly. (Ny Filipiana 4:13 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika na manisy fanamarihana izany amin’ny fomba miavaka mba hahitanao izany amin’ny manaraka.)

Ny teny nambaran’i Paoly ao amin’ny andininy 13 dia mahakasika ny fahafahany manao ny zava-drehetra izay sitrak’Andriamanitra na takin’ Andriamanitra aminy amin’ny alalan’ny tanjaka avy amin’i Jesoa Kristy, anisan’izany ny fahafahana mionona amin’ny toe-javatra rehetra. Tahaka an’i Paoly ihany koa, dia mahay ny zavatra rehetra isika ao amin’ Ilay mampahery antsika.

Inona no azonao atao mba handraisana ilay tanjaka izay omen’i Jesoa Kristy?

Filoha Dieter F. Uchtdorf

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra momba ny zavatra azontsika atao amin’ny alalan’ny tanjaky ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra: “Singa iray hafa ao amin’ny famindrampon’Andriamanitra ny fanokafana ny varavaran’ny lanitra, izay ahafahan’ Andriamanitra mandrotsaka ireo fitahian’ny hery sy tanjaka, ka ahafahantsika manatontosa zavatra izay ho lavitra tsy azontsika takarina raha tsy izany. Amin’ny alalan’ny famindrampo mahagaga an’ Andriamanitra no ahafahan’ireo zanany manohitra ireo fakam-panahy mampidi-doza sy miafin’ilay mpamitaka, ary tsy manota intsony ka ‘ho tanteraka ao amin’i Kristy’ [Môrônia 10:32]” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 108).

Anisan’ny fomba sasany mety hiainantsika izany tanjaka izany ny fitomboan’ny fahafahantsika miarina haingana, ny fiorenantsika, ny herimpontsika, ny faharetantsika, ny fikirizantsika, ary koa ny fitomboan’ny herintsika sy ny tanjatsika ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nahazoanao tanjaka hanao zavatra tsara noho ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—Filipiana 4:13

  1. journal iconNy fitadidiana ny Filipiana 4:13 dia hanampy anao hieritreritra an’io fitsipika io rehefa mila tsy hananana tanjaka mba handresy ireo fotoan-tsarotra sy hiaina amim-pahamarinana ianao na ny olona manodidina anao. Averimbereno vakiana ny Filipiana 4:13 mba hahafahanao mahatadidy izany. Tonony amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao iray izany ary asao io olona io hizara ny zavatra niainany iray izay nahazoany tanjaka hanao zavatra tsara noho ny finoany an’i Jesoa Kristy. Dia manaova sonia ao amin’ny diary fandalinanao soratra avy eo.

Filipiana 4:15–23

Mamarana ny epistiliny ho an’ny Filipiana amin’ny fanehoana fisaorana io Paoly

Mamaky isika ao amin’ny Filipiana 4:15–23 fa nisaotra indray ireo Olomasina Filipiana noho ny fanohanan’izy ireo azy nandritra ny fotoana naha-sahirana azy i Paoly. Ny fanomezana avy amin’ireo Olomasina dia fanatitra nankasitrahan’ Andriamanitra, ary nampanantena i Paoly fa Andriamanitra dia hanampy azy ireo ihany koa amin’izay zavatra ilain’izy ireo.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Filipiana 4 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: