Fampahafantarana ny Jakoba
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ny Epistilin’i Jakoba amin’ny ankapobeny dia fantatry ny mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsara noho ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny Jakoba 1:5 izay nitarika an’i Joseph Smith kely hikatsaka ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. Antitranterin’i Jakoba manerana ny epistiliny fa isika dia tokony “ho mpankatò ny teny, fa [tsy] mpihaino fotsiny” (Jakoba 1:22). Ny fandalinana ity boky ity dia afaka manampy mba hahatakarana ny lanjan’ny fanehoanao ny finoanao amin’ny alalan’ny “asa[nao]” na ny zavatra ataonao (jereo ny Jakoba 2:14–26), ary hanentana ny fanahinao mba hikatsaka “ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy” (Jakoba 1:12).
Iza no nanoratra ity boky ity?
Ilay epistily dia milaza fa nosoratan’i “Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo” (Jakoba 1:1) izany.
Ny lovan-tsofina Kristianina dia nilaza fa io Jakoba io, tahaka an’i Joda, dia iray tamin’ireo zanakalahin’i Josefa sy i Maria, ka noho izany dia rahalahin’i Jesoa Kristy hafa ray aminy izy (jereo ny Matio 13:55; Marka 6:3; Galatiana 1:19). Ny fanononana voalohany ny anaran’i Jakoba ao amin’ny lisitry ny anaran’ireo rahalahin’i Jesoa ao amin’ny Matio 13:55 dia mety milaza fa izy no zokiny indrindra amin’ireo rahalahy hafa ray amin’i Jesoa. Tahaka ireo rahalahin’i Jesoa hafa izay hafa ray aminy dia tsy lasa mpianatr’i Jesoa i Jakoba tany am-boalohany (jereo ny Jaona 7:3–5). Kanefa taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia i Jakoba no iray tamin’ireo olona izay nisehoany amin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty Azy (jereo ny 1 Korintiana 15:7).
Taty aoriana i Jakoba dia lasa Apôstôly ary, araka ny nolazain’ireo Kristianina mpanoratra tany aloha tany dia eveka voalohany tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:17; 21:18; Galatiana 1:18–19; 2:9). Amin’ny maha-mpitarika azy tao amin’ny Fiangonana dia nanana anjara asa tena nanan-danja tao amin’ny filankevitra natao tao Jerosalema izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:13). Ny herin’ny fahefany tao amin’ny Fiangonana dia tsy isalasalana fa nohamafisin’ny maha-havan’i Jesoa azy, kanefa i Jakoba dia naneho fanentren-tena tamin’ny fampahafantarany ny tenany, tsy tamin’ny naha- rahalahin’ i Jesoa azy fa tamin’ny naha- mpanompon’ ny Tompo azy (jereo ny Jakoba 1:1).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Tsy fantatra ny fotoana nanoratan’i Jakoba ity taratasy ity. Noho izy nonina tao Jerosalema sy niahy ny raharahan’ny Fiangonana tao dia azo heverina tsara fa tao amin’io faritra io no nanoratany ity taratasy ity.
Ny tsy nilazan’i Jakoba ilay fivoriambe tany Jerosalema tany ho any amin’ny taona 50 taorian’i J.K. (jereo ny Asan’ny Apostoly 15) dia mety maneho fa nosoratra talohan’ny nanaovana izany fivoriambe izany ity taratasy ity. Raha nosoratrana talohan’ilay fivoriambe tao Jerosalema tokoa ity taratasy ity dia iray amin’ireo epistily nosoratana voalohany indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao izany.
Nosoratana ho an’iza ity boky ity ary inona ny antony nanoratana azy?
Ny taratasiny dia nosoratan’i Jakoba ho an’“ny firenena roa ambin’ny folo monina any am-pielezana” (Jakoba 1:1), izay midika hoe ny mpianakavin’i Isiraely rehetra. Nanasa azy ireo izy mba “handray ny filazantsara … [dia] hiditra ao amin’ny valan’ondrin’i Kristy” (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:243). Nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana izy mba hiaina ny fiainany ho fanehoana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ny Epistilin’i Jakoba amin’ny ankapobeny dia nosokajiana indraindray ho toy ny literatioran’ny fahendrena izay mitovy amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny lahatsoratra ao amin’ilay taratasy dia ahitana fanazavana fohy maromaro ireo fitsipika mba hananana fiainana Kristianina. Ankoatra izay, dia misy fitoviana eo amin’ny toriteny nataon’i Mpamonjy teo an-tendrombohitra izay voarakitra ao amin’ny Matio 5–7 sy ny tenin’i Jakoba. Ny lohahevitra mitovy sasany dia ahitana ny fiaretana fanenjehana (jereo ny Jakoba 1:2–3, 12; Matio 5:10–12); ny fahatongavana ho “tanteraka,” na matotra ara-panahy (jereo ny Jakoba 1:4; 2:22; Matio 5:48); ny fangatahana amin’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 1:5; Matio 7:7–8); ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Jakoba 1:22; Matio 7:21–25); ny fitiavana ny hafa (jereo ny Jakoba 2:8; Matio 5:43–44; 7:12); ny fahafantarana ny tsara sy ny ratsy amin’ny alalan’ny voany (jereo Jakoba 3:11–12; Matio 7:15–20); ny fijoroana ho mpampihavana (jereo ny Jakoba 3:18; Matio 5:9); ary tsy mianiana (jereo ny Jakoba 5:12; Matio 5:34–37).
Topimaso
Jakoba 1–2. Niarahaba ny mpamaky ny asasorany i Jakoba ary nampahafantatra ireo lohahevitra lehibe sasantsasany amin’ny epistiliny, ka anisan’izany ny fiaretana fitsapana, ny fikatsahana fahendrena, ary ny fiainana araka ny finoan’ny tena. Ireo mpihaino ny tenin’ Andriamanitra ihany koa dia mpankatò ny teny. I Jakoba dia namaritra ny “fivavahana madio” ho toy ny fikarakarana “ny kamboty sy ny mpitondratena” ary ny fikatsahana ny hiaina tsy misy fahotana (Jakoba 1:27). Ny Olomasina dia tokony hitia ny namany sy haneho ny finoany amin’ny alalan’ny asany.
Jakoba 3–4. Nampiseho ny toetra manimban’ny fiteny tsy voafehy i Jakoba ary nampitaha izany tamin’ny vokatry ny fahamarinan’ireo izay mampihavana. Nampitandrina ireo mpamaky ny asa sorany izy mba tsy hisakaiza amin’izao tontolo izao fa hanohitra ny ratsy ary hanatona an’ Andriamanitra bebe kokoa.
Jakoba 5. Nampitandrina ireo mpanan-karena ratsy fanahy i Jakoba. Nofaranany tamin’ny torohevitra fohy vitsivisty mikasika ny andraikitr’ireo Olomasina amin’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana ny epistiliny. Nanoro hevitra ny Olomasina izy mba hiaritra amim-paharetana mandra-pahatongan’ny Tompo ary ho marina amin’ny resaka rehetra hifanaovan’izy ireo. Namporisika ny marary hampaka ny loholona izy mba hanosotra diloilo azy ireo.