Tahirim-pitaovana
Fizarana 9, Andro 1: Marka 10-16


Fizarana 9: Andro 1

Marka 10-16

Fampidirana

Tamin’ny faramparan’ny fanompoany teto an-tany, ny Mpamonjy dia nandao an’i Galilia namakivaky an’i Peria, izay faritra atsinanan’ny ranon’i Jordana, raha hizotra ho any Jerosalema Izy. Raha mbola tany Peria Izy, dia nanasa ireo zaza hanatona Azy sy nananatra ilay zatovolahy mpanapaka mpanankarena ny hivarotra ny fananany rehetra ary hanaraka Azy. Tao Jerosalema ny Mpamonjy dia nahatsikaritra mpitondrantena malahelo iray izay nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly. Taty aoriana, raha nisakafo hariva tao Betania, dia nanosotra diloilo an’i Jesoa i Maria alohan’ny nandevenana Azy. Nijaly tao Getsemane ny Mpamonjy, ary taty aoriana dia notsaraina Izy ary nomelohina ho faty. Taorian’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin’ny maty dia niseho tamin’ny Apôostôliny ny Tompo ka naniraka azy ireo hitondra ny filazantsara any amin’izao tontolo izao.

Marka 10:1-16

Nampianatra ny fotopampianaran’ny fanambadiana i Jesoa ary nanasa ireo zaza hanatona Azy

Zazakely milalao
Zazakely manodidina ny mpampianatra
Zazakely milalao ny tantaran’ny fahaterahan’ny Mpamonjy

Mieritrereta momba ireo zazakely fantatrao.

Inona ireo toetra tsara na toetoetra mahafinaritra anao amin’ny ny zazakely?

Eo am-pandalinanao ny Marka 10:1-6, dia tadiavo ireo fahamarinana izay mampianatra hoe nahoana isika no tokony hitovy amin’ny zazakely.

Ao amin’ny 10:1–12 dia hitantsika hoe inona ny nampianarin’ny Mpamonjy ny vahoaka mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana. Ho fampahalalana fanampiny mikasika ny fampianaran’ny Mpamonjy, dia azonao atao ny mijery indray ireo lesona ho an’ny Matio 19:1–12.

Mikasika ny fampianaran’i Jesoa Kristy momba ny fanambadiana sy ny fisaoram-bady ao amin’ny Matio 19:1–12 sy Marka 10:1-12, Ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Loholona Bruce R. McConkie

“Araka ny voarakitra eto, ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny fanambadiana sy ny fisaoram-bady dia sombintsombiny fotsiny sady tsy feno tsara. Izy ireo dia tsy takatra raha tsy rehefa dinihina ka ampifandraisina amin’ny lalàn’ny fanambadiana selestialy tahaka izay nampahafantarana izany indray amin’izao vaninandro izao. Ireo fitsipika amin’ny ankapobeny ireo ihany izay mifehy ny fanambadiana mandrakizay dia fantatra sy takatr’ireo mpianatra tamin’ny andron’i Jesoa ihany koa, ary ny Fariseo dia nahafantatra sy nahatakatra ny ampahany ihany farafaharatsiny. Fa ity tantara eto ity izay notehirizin’i Matio sy i Marka momba ny resaka nataon’ny Mpampianatra mikasika ny fanambadiana sy ny fisaoram-bady dia nofintinina sy nafohezina tokoa ka tsy nanazava tsara ilay olana. …

“… Ny fisaoram-bady dia tsy ao anatin’ny drafitry ny filazantsara na inona na inona karazam-panambadiana tafiditra ao anatin’izany. Fa noho ny tsy fiainan’ny olona mandrakariva, araka ny zavatra tena misy, mifanaraka amin’ireo fenitry ny filazantsara, dia mamela ny hanaovana fisaraham-panambadiana ny Tompo noho ny antony samihafa,izay miankina amin’ny fahamafisana orina ara-panahin’ireo olona voakasik’izany. … Amin’izao fotoana izao dia azo atao araka ny lalàna sivily ny fisaraham-panambadiana, ary ny olona izay nisara-bady dia avelan’ny Fiangonana manambady indray raha tsy voaloton’ny fahalotoam-pitondrantena, ka izany fanambadiana izany dia mety ho azo ravana amin’ny fisaraham-panambadiana toy izany eo ambanin’ny rafitra masina kokoa” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:546–47).

Vakio ny Marka 10:13–14 mba hitadiavana ny zava-nitranga rehefa nisy olona vitsivitsy nitondra zaza madinika teo amin’i Jesoa.

Vakio ny Marka 10:15–16, mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo mpianany rehefa nanasa ny zaza madinika hanatona Azy Izy. Ny andian-teny hoe “handray ny fanjakan’ Andriamanitra ” ao amin’ny andininy 15 dia milaza ny fandraisana ny filazantsara ka lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonany.

Raha mifototra amin’ireo andininy ireo dia inona ny zavatra hitranga rehefa mandray ny filazantsara tahaka ny zaza madinika isika? Valio amin’ny alalan’ny famenoana ity fitsipika manaraka ity ilay fanontaniana: Rehefa mandray ny filazantsara tahaka ny zaza madinika isika, dia ho voaomana amin’ny .

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mandray ny filazantsara ”tahaka ny zaza madinika” (Marka 10:15)?

    2. Raha misy olona iray mandray ny filazantsara tahaka ny zaza ,dia ahoana araka ny eritreritrao no hamakiany ny soratra masina, hivavahany, ary hiderany any am-piangonana?

Marka 10:17-45

Nananatra ilay zatovolahy mpanankarena sady mpanapaka ny Mpamonjy mba hivarotra ny fananany rehetra ary hanaraka Azy, ary nanoro hevitra ireo mpianany Izy ny hifanompoan’izy samy izy

Vakio ny Marka 10:17–20 mba hikarohana hoe inona ny zava-nitranga rehefa avy nitso-drano ireo zaza madinika Izy. Asio marika ny zavatra nanontanian’ilay lehilahy ny Mpamonjy sy ny fomba namalian’ny Mpamonjy izany.

Ahoana no hamaritanao ilay lehilahy izay nanatona an’i Jesoa?

Ny Matio 19 ihany koa dia mirakitra ny tantaran’ity lehilahy izay nanatona ny Mpamonjy ity. Vakio ny Matio 19:20 mba hitadiavana ny fomba namalian’ilay lehilahy ny fananaran’ny Mpamonjy mba hitandrina ny didy. Azonao atao ny manisy marika ny fanontaniana fanampiny izay napetrak’ilay zatovolahy taminy.

  1. sary famantarana ny diarySoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no mbola tsy ananako? Hamaly fanontaniana fanampiny mifandray amin’ity fanontaniana ity ianao ao aoriana kely ao mandritra ny lesona.

Vakio ny Marka 10:21 mba hitadiavana ny fomba namalian’ny Mpamonjy ilay zatovolahy.

Jereo ny ilay andianteny hoe “ary i Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy” ao amin’ny andininy 21. Araka ny eritreritrao dia nahoana no manan-danja ny mahalala fa i Jesoa dia tia io zatovolahy io talohan’ny nilazany taminy ny zavatra tsy mbola nananany?

Azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo fa ny Tompo dia hanampy antsika hahafantatra ny zavatra tsy mbola ananantsika amin’ny ezaka ataontsika mba hanaraka Azy, satria tia antsika Izy, ary raha manontany ny Tompo isika, dia hampianatra antsika ny zavatra ilaintsika atao Izy mba handovantsika ny fiainana mandrakizay.

Vakio ny Marka 10:22 mba hitadiavana ny fihetsika nasehon’ilay zatovolahy rehefa nanoro hevitra azy ny Mpamonjy ny hivarotany izay nananany rehetra. Araka ny voalazan’ny andininy 22, dia nahoana izy no nanao fihetsika toy izany?

Na dia tsy angatahina hamela harem-be aza isika mba hanaraka ny Tompo, dia nangataka antsika Izy ny hanaovantsika fanatitra hafa mba hanompoana Azy sy hankatoavantsika ireo didiny.

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ilay fanontaniana hoe “inona no tsy mbola ananako?” ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fanatitra izay angatahin’ny Tompo amintsika izay mety ho sarotra atao?

    2. Manorata mikasika ny fahafoizantena iray izay nangatahin’ny Tompo (na angatahiny) aminao izay mety ho sarotra atao.

Saintsaino ombam-bavaka ny fanontaniana hoe “inona no tsy mbola ananako?”ka ankatoavy izay mety ho bitsika azonao mikasika ireo fahafoizantena asain’ny Tompo ataonao.

Vakio ny Marka 10:23-27 Ity ampahany nalaina tao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 10:26 ity dia manazava ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 10:27: “Raha amin’ny olona izay mitoky amin’ny harena, dia tsy azo tanterahina izany [ny famonjena]; fa azo tanterahina kosa izany ho an’ny olona izay mahatoky an’Andriamanitra ka mahafoy ny zavatra rehetra noho ny Amiko, satria azo tanterahina avokoa ireo zavatra ireo ho an’ny olona tahaka izany.”.

Araka ny hevitrao dia nahoana no sarotra ho an’ireo izay mitoky amin’ny harena na ireo zavatr’izao tontolo izao hafa ny hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra ? Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe ny zavatra rehetra dia azo tanterahina ho an’ireo izany mahatoky an’Andriamanitra?

Vakio ny Marka 10:28-31 mba hitadiavana ny zavatra nampanantenain’i Jesoa an’ireo izay vonona ny handao ny zavatra rehetra mba hanaraka Azy. Ity ampahany avy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 10:30–31 ity dia manazava ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 10:31: “Nefa maro ny hanao izay haha-voalohany ny tenany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. Izay no nolazainy rehefa niteny mafy an’i Petera.”

Mianatra ity fitsipika manaraka ity isika avy amin’ireo andininy ireo hoe: Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy vonona ny hamela izay rehetra takian’ny Tompo amintsika isika.

Nahoana no mendrika izay fahafoizantena angatahina ho ataontsika ny fiainana mandrakizay?

Ao amin’ny Marka 10: 35-45 dia mianatra isika fa i Jakoba sy Jaona dia nanontany an’i Jesoa raha afaka mipetraka eo amin’ny toera-manankaja eo amin’ny havanana sy haviany izy ireo ao amin’ny fanjakana mandrakizay. Avy eo ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Apôstôly Roambinifololahy fa tsy tokony hitovy mihitsy amin’ireo mpitarika Jentilisa izay manararao-pahefana amin’ny hafa izy ireo. Izay lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia ho mpanompon’ny rehetra.

Marka 11-13

Ny Mpamonjy dia nampianatra tao amin’ny tempoly ka nahatsikaritra mpitondratena iray nandrotsaka farantsakely tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly

Ao amin’ny tsirairay amin’ireto tranga manaraka ireto dia misy olona roa manome fanatitra ho an’ny Tompo. Eritrereto hoe inona ireo fahasamihafana eo amin’ireo fanatitra ao amin’ny tranga tsirairay.

  • Nanome vola be ny evekany ny vehivavy iray mba ho fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Nanome vola kely dia kely ny evekany mba ho fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny vehivavy iray hafa ao amin’io paroasy io ihany.

  • Filohan’ny tsatoka ny lehilahy iray. Mpampianatra ao amin’ny kilonga ny lehilahy iray hafa ao amin’io tsatòka io.

Inona no mety ho tsapan’ny olona iray raha ohatra ka toy ny hoe kely raha oharina amin’ny fanatitra ataon’ny hafa ny fanatitra omeny ny Tompo?

Eo am-pandalinanao ny Marka 11–13, dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao hahafantatra ny fahitan’ny Tompo ireo fanatitra omenao Azy.

Ilay fidirana ny tanàna tamim-pihobiana

Mianatra isika ao amin’ny Marka 11:1–12:40 fa rehefa nadiva hifarana ny fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany, dia niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema Izy ka nandroaka ireo mpanakalo vola tao amin’ny tempoly ary nampianatra ny olona tao.

Raha mbola tao amin’ny tempoly i Jesoa dia nahita olona izay nitondra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly mba ho fanatitra ho an’ Andriamanitra. Vakio ny Marka 12:41–44 mba hitadiavana ny zavatra hitan’ny Mpamonjy tao amin’ny fandatsahan-drakitra.

Inona no nolazain’ny Mpamonjy mikasika ny fanatitr’ilay mpitondratena raha ampitahaina amin’ny fanatitry ny hafa?

Eritrereto ny vola vy ambany sanda indrindra ao amin’ny firenenao. Ny farantsakely no “vola varahina kely indrindra nampiasain’ireo Jiosy” (Bible Dictionary , “Vola”).

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no noraisin’ny Mpamonjy ho betsaka noho ny fanatitry ny hafa ny fanatitr’ilay mpitondratena?

Raha miainga avy amin’ny zavatra nolazain’ny Tompo mikasika ilay mpitondratena, dia afaka mianatra ity fitsipika manaraka ity isika: Raha vonona ny hanome izay rehetra ananantsika ho an’ny Tompo isika dia hanaiky ny fanatitra ataontsika Izy na dia toy ny kely aza izany raha ampitahaina amin’ny an’ny hafa.

Mila finoana ny fanomezana izay ananantsika rehetra ho an’ny Tompo. Io fitsipiky ny fahafoizan-tena io dia ampianarina ao amin’ny Lectures on Faith: “Homarihitsika eto fa ny fivavahana izay tsy mitaky fahafoizana ny zava-drehetra dia tsy manana hery ampy velively hiteraka ny finoana ilaina ho amin’ny fiainana sy ny famonjena” (Lectures on Faith [1985], 69).

Mianatra isika ao amin’ny Mark 13 fa ny Mpamonjy dia nampianatra ny Apôstôliny mikasika ny Fiaviany Fanindroany. Nianatra mikasika izany ianao tao amin’ny Joseph Smih—Matio (jereo ny lesona ho an’ny fizarana 6: Andro 2.

Marka 14:1–9

Nanosotra diloilo ny Tompo i Maria

Taorian’ny nampianaran’ny Mpamonjy ireo mpianany mikasika ireo famantarana ny Fiaviany Fanindroany dia nandao an’i Jerosalema izy ka nandeha tany Betania ho any an-tranon’ny lehilahy iray antsoina hoe Simona, izay voan’ny habokana teo aloha. Nandritra ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy.dia nivezivezy avy any Betania nankany Jerosalema im-betsaka Izy.

Vakio ny Marka 14:3 sy ny Jaona 12:3 mba hikarohana hoe inona ny asan’ny finoana sy fitiavana nataon’i Maria ho an’i Jesoa.

Loholona James E. Talmage

Hoy ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny fanosorana ny lohan’ny vahiny iray amin’ny diloilo tsotra dia fanajana azy; ny fanosorana ny tongony ihany koa dia natao mba hanehoana fanajana tsy mahazatra [miavaka]; fa ny fanosorana ny loha sy ny tongotra amin’ny narda , sady betsaka toy izany, dia fihetsika fanajana fanomezam-boninahitra izay mahalana no atao na dia ho an’ny mpanjaka aza. Ny fihetsika nataon’i Maria dia fanehoana fiderana. Izany dia hanitra nitosaka avy amin’ny fo feno fiderana sy fitiavana” (Jesus le Christ, ed faha 3. [1916], 512).

Vakio ny Marka 14:4–9, mba hitadiavana ny fihetsika nasehon’ireo olona tao amin’ilay firaha-misakafo nanoloana ny zavatra nataon’i Maria.

Ahoana no namalian’ny Mpamonjy ireo izay nitsikera an’i Maria?

Ny andian-teny hoe “asa soa no nataony tamiko” ao amin’ny andininy 6 dia milaza fa ny Mpamonjy dia faly tamin’ny zavatra nataon’i Maria. Ny andian-teny hoe “nanao izay azony natao izy” ao amin’ny andininy 8 dia midika fa nanome izay tsara indrindra vitany ho an’ny Tompo izy.

Mianatra avy amin’ireo andininy ireo isika fa faly ny Mpamonjy rehefa omentsika Azy ny ezaka tsara indrindra vitantsika.

  1. sary famantarana ny diaryDiniho ity fitsipika ity sy ilay fitsipika teo aloha izay hitantsika avy tamin’ny tantaran’ny farantsan’ilay mpitondratena, ary fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa ampanaovina manaraka ireto :

    1. Hazavao ny fomba mety hanampian’ny finoana ireo fahamarinana ireo an’ireo izay mahatsapa fa tsy manana zavatra betsaka omena ny Tompo izy ireo.

    2. Tantarao ny fotoana iray nahitanao olona iray izay nanao izay tsara indrindra vitany ho an’ny Tompo.

Eritrereto raha toa ianao ka efa manome ny izay tsara indrindra vitanao ho an’ny Tompo amin’izao fotoana izao. Misafidiana lafiny iray eo amin’ny fiainanao izay azonao hatsaraina sy hametrahana tanjona izay hanampy anao hanome izay tsara indrindra vitanao ho an’ny Tompo.

Marka 14:10-16:20

Nanomboka ny Sorompanavotany i Jesoa rehefa nijaly tao Getsemane. Namadika Azy i Jodasy Iskariota ary nentina teo anoloan’ireo mpitarika Jiosy Izy

Mianatra isika ao amin’ny Marka 14:10-16:20 fa i Jesoa sy ny Apôstôly dia nankalaza ny Paska ary i Jesoa dia nampahafantatraireo tandindona famantarana ny fanasan’ny Tompo. Nankao amin’ny Sahan’i Getsemane izy ireo avy eo ary tao no nijalian’i Jesoa noho ny otantsika. Namadika Azy i Jodasy Iskariota taorian’izay, notsarain’ny Sinedriona tsy ara-drariny Izy ary nohelohina ho faty. Taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin’ny maty dia niseho tamin’ny Apôstôliny Izy ary niteny azy ireo hitondra ny filazantsara amin’ny tany manontolo ka nampanantena azy ireo fa hanaraka ireo izay mino ny famantarana. (Nianatra izany ianao tao amin’ny lesona Matio 26–28.)

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Marka 10–16 ary nahavia io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: