Tahirim-pitaovana
Fizarana 4, Andro 3: Matio 15


Fizarana 4: Andro 3

Matio 15

Fampidirana

Raha tao Galilia i Jesoa dia nanazava tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ny antony tsy nanarahan’ireo mpianany ny fombafomba amin’ny fanadiovana ny tenan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanasana ny tanany mialoha ny nisakafoany. Nandeha tany amin’ny faritany Mediteraneana Izy avy eo, izay nanasitranany ny zanakavavin’ny vehivavy Jentilisa iray. Dia niverina tany Galilia i Jesoa avy eo, izay toerana nanasitranany olona maro sy namahanany tamim-pahagagana olona maherin’ny 4 000.

Matio 15:1–20

Nanontanian’ny Fariseo ny antony tsy nanasan’ireo mpianatr’i Jesoa ny tanan’izy ireo mialoha ny nisakafoany.

Vakio ireto trangan-javatra manaraka ireto ka tadiavo ny zavatra itovian’izy ireo.

  • Namporisihin’ireo namany mba hanao akanjo tsy maotina hoentina amin’ny fandihizan’ny mpianatra ny zatovovavy iray. Fantatr’ilay zatovovavy fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny fahamaotinana araka ny Tompo izany akanjo izany, na dia ekena ao amin’ny kolontsaina misy azy aza ny fanaovana akanjo tahaka izany amin’ny ankapobeny.

  • Ao anatin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany iray izay tia ireo hetsika ara-panatanjahatena ny zatovolahy iray. Rehefa aseho amin’ny fahitalavitra ireo hetsika ara-panatanjahatena malaza dia zatra manemotra ny vavaky ny mpianakavy, ny fandalinana ny soratra masina, ny takarivam-pianakaviana, ary ireo fivoriana any am-piangonana mandritra ny Alahady izy ireo mba hahafahana mijery ireo hetsika ireo.

  • Miomana amin’ny fanambadiana ny tanora roa. Mipetraka ao amin’ny toerana izay eken’ny maro ny fanaovana firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana izy ireo. Nilaza tamin’ireto tanora ireto ny olona sasany fa tsy maharaka ny toetr’andro izy ireo ary hafahafa izany miandry ny fanambadiana izany vao miditra amin’ny firaisana ara-nofo.

Mety tsikaritrao fa ahitana fifanoherana eo amin’ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra sy ny fanaovana araka ireo fomba amam-panao ny trangan-javatra tsirairay. Ireo fomba amam-panao dia ahitana ireo finoana sy fombafomban’ny kolontsaina na ny fiarahamonina na ny vondron’ny mpinamana iray.

  1. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba amam-panao iray na maromaro izay mety manakana anao amin’ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra. Rehefa mandalina ny Matio 15 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao rehefa tsy maintsy misafidy na ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra na ny fandraisana anjara amin’ireo fomba amam-panao ianao.

Vakio ny Matio 15:1–2, ka tadiavo ireo fombafomba izay nanontanian’ireo mpanora-dalana sy Fariseo an’i Jesoa. Inona ny fombafomba izay tsy narahan’ireo mpianatr’i Jesoa?

manasa tanana

Ny fanasana tanana izay voalazan’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna dia milaza ny fombafomba fanasana tanana ho an’ny fombafomba fanadiovana fa tsy milaza ny fanasana tanana eo amin’ny lafiny ara-pahadiovana.

Vakio ny Matio 15:3, ary tadiavo ny valim-panontaniana nomen’i Jesoa ho azy ireo. Azonao atao ny manisy marika ao anatin’ny soratra masinao ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa nataon’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo rehefa nandray anjara tamin’ireo fombafombany izy ireo.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 15:4–6, dia nilaza ohatra iray i Jesoa amin’ny fomba fandikan’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ny didin’ Andriamanitra iray rehefa mandray anjara amin’ireo fombafombany izy ireo. Niala tamin’ny fanatanterahana ny adidin’izy ireo mba hikarakara ireo ray aman-dreniny antitra izy ireo amin’ny fanambarana fa natokana ho fanomezana ho an’ Andriamanitra ny volan’izy ireo, na Korbana (jereo ny Marka 7:10–12 Rehefa nanao izany izy ireo dia nandika ny didy mba hanaja ny ray aman-dreny.

Vakio ny Matio 15:7-9, ka tadiavo ny zavatra izay nitarihan’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ny vahoaka mba hataony tamin’ny fampiasana ny fombafomban’izy ireo ho fialan-tsiny amin’ny tsy fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra.

Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Raha toa ka maniry ny hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra isika dia tsy maintsy mametraka ny didiny eo ambonin’ireo fomba amam-panao rehetra izay mety ataontsika.

Avereno vakiana ireo trangan-javatra tany am-piandohan’ny lesona. Diniho ireto fanontaniana roa manaraka ireto ho an’ny trangan-javatra tsirairay:

  • Inona no azon’ireo olona tsirairay ao anatin’ireo trangan-javatra ireo atao mba hankatoavana ny didin’ Andriamanitra?

  • Hanampy ireo olona tsirairay ireo hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny fanaovana izany?

  1. journal iconEritrereto ireo fomba amam-panao izay nosoratanao tao amin’ny asa ampanaovina 1 ato amin’ity lesona ity. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nisafidiananao hankatò ny didin’ Andriamanitra fa tsy handray anjara kosa amin’ireo fomba amam-panao izay eken’ny besinimaro. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no tsy maintsy nataonao mba hametrahana ny didin’ Andriamanitra eo ambonin’ireo fomba amam-panao hafa ka nahafahanao nanatona bebe kokoa Azy?

    2. Ahoana no nanampian’izany anao hanatona bebe kokoa ny Ray any An-danitra?

Tsarovy fa ny mpanora-dalana sy ny Fariseo dia nino fa ny fisakafoana kanefa tsy nanatanteraka ny fombafomba fanasana tanana dia mahaloto ny olona iray na hahatonga izany olona izany ho maloto ara-panahy. Vakio ny Matio 15:10–11, ka tadiavo izay nampianarin’ny Mpamonjy fa tena mahaloto antsika? Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Nilaza ny Mpamonjy hoe “izay mivoaka avy amin’ny vava … no mahaloto ny olona” (Matio 15:11). Avy eo dia nanazava bebe kokoa momba izay tena mahaloto antsika Izy rehefa avy nilaza tamin’ny mpianany mba tsy hifanditra tamin’ny Fariseo, izay tafintohina tamin’ny teniny (jereo ny Matio15:12–16).

Vakio ny Matio 15:17–20, ka tadiavo izay nolazain’ny Mpamonjy fa mahaloto antsika.

Matetika ny fo no maneho ny eritreritsika sy ny faniriantsika ao amin’ny soratra masina. Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa tena mahaloto antsika?

Fenoy izao fitsipika manaraka izao araka ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 15:19–20: Raha toa ka misafidy ny hikolokolo eritreritra sy fanirian-dratsy isika dia .

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fomba iray na roa izay mahatonga antsika ho maloto, na maloto ara-panahy, raha toa ka misafidy ny hikolokolo eritreritra sy fanirian-dratsy isika.

Matio 15:21–28

Nanasitrana ny zanakavavin’ny vehivavy Jentilisa iray ny Mpamonjy

Tanisao eto amin’ity toerana malalaka manaraka ity ny iray na ny maromaro amin’ireo faniriana tsara anananao:

Rehefa manohy mandalina ny Matio 15 ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manampy anao hahatakatra izay tokony hataonao mba hahazoanao ireo fanirianao tsara.

Raha misy ao amin’ny soratra masinao dia jereo ny sarintanin’ny “Ny tany masina tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao.” Tadiavo ny tanànan’i Tyro sy Sidona ao amin’ilay sarintany. Rehefa nandeha avy tany Galilia nankany amin’ireo tanànan’i Tyro sy Sidona any amin’ny faritany i Jesoa dia nihaona tamina vehivavy Kananita iray. Tahaka ireo olona maro tao amin’izany faritra izany, ity vehivavy ity dia Jentilisa—izay midika fa tsy Jiosy izy. Ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jiosy ihany fa tsy mbola tamin’ny Jentilisa no asa nanirahana ny Mpamonjy tamin’izay fotoana izay (jereo ny Matio 10:5–6).

Vakio ny Matio 15:21–27, ka tadiavo ireo valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no faniriana tsara nananan’ilay vehivavy Kananita?

  • Inona no nataon’ilay vehivavy sy nolazainy ka nampiseho ny finoany an’i Jesoa Kristy?

Diniho fa ny fifanahafana nataon’ny Mpamonjy izay nampitaha ny Jentilisa tamin’ny amboakely dia nisedra ny finoan’ity vehivavy ity. Ahoana no maneho bebe kokoa ny finoany an’i Jesoa Kristy ny valinteny nataon’ilay vehivavy tamin’izany fifanahafana izany?

Vakio ny Matio 15:28, ka tadiavo izay nataon’ny Mpamonjy ho an’ity vehivavy ity?

Nahoana no nanao izany Izy?

Mianatra isika avy amin’izany tantara izany fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo ireo fitahiana araka ireo faniriana tsara ananantsika.

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Ankoatra ny fangatahana tsy tapaka amin’ny Ray any An-danitra mba hitahy antsika araka ireo faniriantsika tsara dia inona koa no azontsika atao mba hampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Dallin H. Oaks

“Rehefa manana finoanany Tompo Jesoa Kristy isika dia tsy maintsy manana fahatokisana aminy. Tsy maintsy matoky tanteraka azy isika ka ampy antsika ny manaiky ny sitrapony, sady mahafantatra fa fantany izay zavatra tsara indrindra ho antsika. …

“… Ny finoana, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny tanjany, dia tsy afaka mitondra vokatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Ilay tompon’io hery io. Ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo dia manaraka mandrakariva ny lamin’ny lanitra, ny fahatsaran’ny Tompo sy ny sitrapony ary ny fahendreny sy ny fotoany. Izay no antony tsy ahafahantsika manana finoana tena marina ny Tompo raha tsy matoky tanteraka ihany koa ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo” (“Faith in the Lord Jesus Christ,” Ensign, mey 1994, 99–100).

Afaka manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fanazavan’ny Loholona Oaks ny dikan’ny hoe mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy rehefa tsy mitahy antsika avy hatrany araka ireo faniriana tsara ananantsika ny Tompo?

  1. journal iconAvereno jerena ireo faniriana tsara nosoratanao teo aloha. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra azonao atao mba hampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny hahazo ireo faniriana ireo ianao. Manorata ihany koa momba ny zavatra izay niainanao rehefa nahazo ny iray tamin’ireo fanirianao tsara ianao (araka ny sitrapo sy ny fotoan’ny Tompo) rehefa nampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy ianao, na soraty ny zavatra niainan’ny olona iray izay fantatrao. (Tadidio ny tsy hanoratra momba ireo traikefa izay masina tokoa na an’ny tena manokana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.)

Matio 3:29-39

Namahana ny mpanaradia Azy maherin’ny 4 000 avy tamin’ny mofo fito sy hazandrano vitsivitsy i Jesoa

Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 15:29–39 dia niverina tany Galilia i Jesoa. Nivondrona teo Aminy ny olona marobe raha tao Izy. Raketin’ny soratra masina fa tao dia nisy “efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy” (Matio 15:38), ka anisan’izany ireo olona izay nijaly noho ny tsy fahatomombanana sy ny kilema samihafa. Nanasitra azy ireo ny Mpamonjy, ary rehefa niaraka Taminy nandritra ny telo andro izy ireo dia nanatanteraka fahagagana iray hafa Izy tamin’ny famahanana azy rehetra tamin’ny mofo fito sy hazandrano vitsivitsy monja.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 15 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: