Fizarana 22: Andro 4
1 Korintiana 12–14
Fampidirana
Nanoratra mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy maro i Paoly Apôstôly: Nampitaha ny Fiangonana amin’ny vatana izy ary nanazava fa tahaka ny vatana izay mila ny rantsana rehetra mba ahafahany mandeha araka ny tokony ho izy, dia ilain’ny Fiangonana ny mpikambana tsirairay mba hampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba handraisany anjara sy hampahatanjahana azy. Nanoro hevitra ireo Olomasina mba hikatsaka ny fiantrana sy ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny faminaniana i Paoly.
1 Korintiana 12
Nampianatra momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy i Paoly
Vakio ity teny nambara manaraka ity, ary asio faribolana manodidina izay eritreretinao hoe marina kokoa:
-
Azo avy amin’ny ezaka natao ny fijoroana ho vavolombelona.
-
Fanomezam-pahasoavana ny fijoroana ho vavolombelona.
Hazavao ny valinteninao:
Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 12 ianao, dia tadiavo ny fitsipika izay hanampy anao hahafantatra ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ho an’ny tenanao manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 12:1–2 fa naniry ny hampianatra ny mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy i Paoly Apôstôly.
Vakio ny 1 Korintiana 12:3 dia tadiavo hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mahafantatra ho an’ny tenantsika manokana fa i Jesoa no Tompo sy Mpamonjy. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa ny teny hoe manaiky ao amin’ny 1 Korintiana 12:3 dia tokony ho raisina hoe mahafantatra (jereo ny History of the Church, 4:602–3).
Ampiasao ny zavatra nianaranao tao amin’ny 1 Korintiana 12:3, mba hamenoana ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny alalan’ny irery ihany no ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika.
Nampianatra ny amin’ny ilantsika mandray fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Ny fijoroana ho vavolombelona no fananana sarobidy indrindra satria tsy azo avy amin’ny fandaharan-kevitra sy fandanjalanjana fotsiny izy io, tsy azo vidina amin’ny haren’ny tany, ary tsy azo atolotra ho fanomezana na lovaina avy amin’ny razantsika. Tsy afaka miantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona hafa isika. Mila mahafantatra amin’ny tenantsika manokana isika. Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: ‘Ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay dia manana andraikitra hahafantatra ho an’ny tenany manokana amin’ny fomba azo antoka tsy amin’ahiahy fa i Jesoa no ilay Zanakalahin’ Andriamanitra velona sy nitsangana tamin’ny maty’ (‘Fear Not to Do Good,’ Ensign, mey 1983, 80). …
“Handray izany fijoroana ho vavolombelona izany isika rehefa miresaka amin’ny fanahy ao anatintsika ny Fanahy Masina. Handray fahalalana azo antoka izay tony sy tsy mihozongozona isika izay ho loharanon’ny fijoroana ho vavolombelona sy hevitra tanana mafy ananantsika” (“The Power of a Personal Testimony,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 38).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia tsy azo afa-tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?
-
Inona no azontsika atao mba hanasana ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fiainantsika sy hahazoana izany fijoroana ho vavolombelona izany?
-
Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 12:4–31, dia nampianarin’i Paoly ireo Olomasina tany Korinto fa nomena ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy maro mba ho tombontsoan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra sy hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hifanompoan’izy ireo. Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia fitahiana na fahaiza-manao izay omena amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ary farafahakeliny dia omen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay (jereo ny F&F 46:11). Nampitahan’i Paoly tamin’ny vatana ny Fiangonana. Tahaka ny vatana izay mila ny rantsana rehetra mba ahafahany mandeha araka ny tokony ho izy, dia afaka mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananany ny mpikambana tsirairay mba handraisany anjara sy hampahatanjahana ny Fiangonana. Mba hanaovana izany, dia nanoro hevitra ireo Olomasina i Paoly mba “[h]aniry [na hikatsaka] fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra” (1 Korintiana 12:31).
1 Korintiana 13
Nampianatra momba ny maha zava-dehibe ny fananana fiantrana i Paoly
Vakio ireto trangan-javatra mety hiseho manaraka ireto, ary diniho hoe inona no voka-dratsy mety ho azo avy amin’ireo fihetsika sy fitondran-tena ireo.
-
Sorena sy kizitina matetika ianao noho ny fihetsiky ny iray tam-po aminao anankiray.
-
Ratsy fanahy aminao ny mpiara-mianatra iray, noho izany dia tsapanao fa voamarina ianao amin’ny fanaovana ratsy fanahy aminy koa.
-
Mahatsapa fialonana noho ny talenta sy ny fahombiazan’ny namana iray ianao.
-
Indraindray dia hitanao hoe mora ny mifosa sy miresaka zavatra ratsy momba ny hafa ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana misy anao na ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy misy anao.
Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 13 ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiala amin’ny fihetsika sy fitondran-tena izay mety hanimba ny fahasambaran’ny tenanao manokana sy ny fifandraisana tsara anananao amin’ny hafa.
Vakio ny 1 Korintiana 13:1–3 dia tadiavo ny toetra sy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay noderain’i Paoly fatratra.
Ny Fiantrana dia “ny avo indrindra, ny ambony indrindra, ny mahery indrindra amin’ny karazam-pitiavana fa tsy fankamamiana fotsiny ihany” (Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Fiantrana”).
Jereo ao amin’ireo andiny ireo ny fomba nanoritsoritan’i Paoly ny olona izay manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy hafa kanefa tsy manana ny fiantrana (jereo koa ny F&F 88:125).
Ny andian-teny hoe “varahina maneno” sy “kipantsona mikarantsana” ao amin’ny andininy 1 dia entina milaza zava-maneno izay mamoaka feo mafy. Ao amin’ny sahankevitry ny 1 Korintiana 13:1, ireo andian-teny ireo dia afaka midika hoe milaza teny izay foana na tsy misy heviny rehefa tsy entanin’ny fiantrana ilay olona miteny.
Nilazalaza ny toetra sy ny mombamomba ny fiantrana i Paoly mba hanampiana ireo Olomasina Korintiana hahatakatra bebe kokoa io fanomezam-pahasoavana io. Vakio ny 1 Korintiana 13:4–8 dia tadiavo ny filazalazan’i Paoly ny hoe fiantrana. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Diniho ireto fanazavana manaraka ireto ho an’ireo andian-teny izay mety ho sarotra takarina: Ny andian-teny hoe “mahari-po” (andininy 4) dia milaza olona izay maharitra rehefa misy fitsapana. Ny “tsy mialona” (andininy 4) dia milaza olona izay tsy be fialonana ny hafa. Ny “tsy mirehareha” (andininy 4) dia milaza olona izay tsy tia deradera. Ny “tsy mieboebo” (andininy 4) dia milaza ny toetran’izay manetry tena. Ny “tsy manao izay tsy mahamendrika” (andininy 5) dia milaza olona izay tsy mivatravatra na olona mieritreritra. Ny “tsy mitady ny azy” (andininy 5) dia mamaritra ny toetra izay mametraka an’ Andriamanitra sy ny hafa ho eo alohan’ny tena. Ny “tsy mora sosotra” (andininy 5) dia milaza olona izay tsy tezitra mora foana. Ny “mino ny zavatra rehetra” (andininy 7) dia mamaritra ny olona iray izay manaiky ny fahamarinana rehetra.
Ny fiainan’iza no ohatra izay mampiseho ireo toetra rehetra izay nofaritan’i Paoly ireo?
Vakiantsika ao amin’ny Môrônia 7:47 fa i Môrmôna mpaminany dia nampianatra hoe “ny fiantrana dia fitiavana madion’i Kristy.” Azonao atao ny manoratra izany famaritana sy soratra masina izany eo akaikin’ny 1 Korintiana 13:4–8.
-
Misafidiana famariparitana roa na telo ny hoe fiantrana ao amin’ny 1 Korintiana 13:4–8. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hanoritsoritan’izany an’i Jesoa Kristy, ary manomeza ohatra avy amin’ny fiainany hanehoana ny famariparitana tsirairay izay nofidianao.
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 13:4–8 ny hoe rehefa mikatsaka ny hahazo ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fiantrana isika, dia lasa tahaka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika bebe kokoa.
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” ao amin’ny andininy 8 ?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilazalaza fomba iray izay tsy hahalevona mandrakizay ny fiantrana: “Misy tahotra sy tsy fahombiazana amin’ny fiainana. Indraindray dia tsy mety ny zavatra atao. Indraindray dia mamitaka antsika ny olona, na tsy manampy antsika ny fiharian-karena na ny raharaham-barotra na ny governemanta. Kanefa ny zavatra iray mandritra izao fiainana izao na mandrakizay izay tsy mamitaka antsika dia—ny fitiavana madion’i Kristy” (Christ and the New Covenant [1997], 337).
Hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 13:9–12 ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ny antony hahafoana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny fahalalana sy faminaniana any am-parany. Nolazain’i Paoly fa ny fahalalana mety ho azo amin’ity fiainana ity dia tsy feno ary hahazo fahalalana tanteraka isika any amin’ny mandrakizay.
Vakio ny 1 Korintiana 13:13, ka mitadiava fanomezam-pahasoavana telo izay nampianarin’i Paoly fa hoe mitoetra, izay midika hoe maharitra na tsy miova.
Fenoy avy amin’izay ao amin’ny 1 Korintiana 13:13 ity fahamarinana manaraka ity: ____________________ no lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy.
Nahoana araka ny eritreritrao ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?
Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 14:1, dia nanoro hevitra ireo Olomasina i Paoly mba “[hiezaka hitady] ny fitiavana.” Vakio ny Môrônia 7:48 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Môrmôna ny vahoakany mba hataon’izy ireo mba hahazoany ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana.
Ahoana no hahazoantsika izany fanomezam-pahasoavana ara-panahy izany sy ireo hafa? Araka an’i Môrmôna, amin’iza no androtsahan’ny Ray any An-danitra ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Manatsara ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviana sy ny namana ary ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fananana fiantrana?
-
Oviana no nahitanao fiantrana tao amin’ny fomba nitondran’ny olona iray ny hafa?
-
Inona amin’ireo toetry ny fiantrana voatanisa ao amin’ny 1 Korintiana 13:4–7 no tsapanao hoe sarotra indrindra aminao ny manana azy? Nahoana? Manorata tanjona iray mikasika ny zavatra izay hataonao mba hitadiavanao ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana sy hahazoanao azy.
-
1 Korintiana 14
Nampianatra i Paoly fa ny fanomezam-pahasoavan’ ny faminaniana dia lehibe kokoa noho ny fanomezam-pahasoavana amin’ ny fiteny
Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 14:1–3, i Paoly dia nanoro hevitra ireo Olomasina mba hikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana. Nolazainy fa ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana dia mankahery, na mampianatra ny hafa mihoatra noho izay ataon’ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny.
“Ny faminaniana dia teny na soratra avy amin’ Andriamanitra, izay raisin’ny olona amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny filazana an’i Jesoa dia ny fanahin’ny faminaniana (Apôk. 19:10). … Rehefa maminany ny olona iray dia miresaka na manoratra mikasika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantany izy mba ho tombontsoany manokana na ho tombontsoan’ny hafa” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faminaniana, Faminaniana,” scriptures.lds.org).
Ianarantsika avy amin’ny 1 Korintiana 14:1–3 fa rehefa mampianatra sy mijoro ho vavolombelona amin’ny fitaomam-panahy isika, dia afaka manampy amin’ny fankaherezana sy fampiononana ny hafa. Ny fomba iray ahafahantsika mamporisika ny hafa (jereo ny andininy 3) dia ny mankahery azy ireny.
Diniho hoe oviana ny fampianara na fijoroana ho vavolombelon’ny olona iray no nampianatra na namporisika na nampionona anao.
Ao amin’ny 1 Korintiana 14:4–40, i Paoly dia nampitandrina ireo Olomasina Korintiana momba ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny. Nampitandrina izy fa raha ampiasaina amin’ny tsy tokony ho izy ny fanomezam-pahasoavana amin’ny teny, dia tsy hankahery ny Fiangonana izany fa hanary dia ireo mpikambana amin’ny fikatsahan’izy ireo fanomezam-pahasoavana tsara kokoa. Nampianatra ihany koa i Paoly fa “Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana” (1 Korintiana 14:33) ary ny zavatra rehetra ao amin’ny Fiangonana dia tokony hatao amin’ny filaminana araka ny tokony ho izy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny 1 Korintiana12–14 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty)
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: