Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Titosy


Fampahafantarana ny Titosy

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy, tahaka ireo taratasiny ho an’i Timoty, dia mirakitra torohevitra tsy miovaova avy tamin’i Paoly Apôstôly ho an’ny mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana teo an-toerana. Nanoratra i Paoly fa ny “fanantenana ny fiainana mandrakizay” dia nampanantenain’Andriamanitra voalohany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana “hatry ny fony fahagola” (Titosy 1:2). Nampianatra izy fa ny Olomasina dia tokony hiandrandra izany “fanantenana mahafinaritra” momba ny fisandratana sy ny Fiaviana Fanindroany izany (Titosy 2:13). Nanoratra tamin’i Titosy ihany koa i Paoly momba ny “fanasan’ny fiterahana indray” sy ny “fanavaozan’ny Fanahy Masina,” (Titosy 3:5) izay milaza ny ôrdônansin’ny batisa sy ny vokatra manadion’ny fahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay samy fiomanana ho amin’ny fahatongavana ho “mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay” (Titosy 3:7). Amin’ny alalan’ny fandalinana ny torohevitra feno fanentanam-panahy nomen’i Paoly ho an’i Titosy, ianao dia afaka mampitombo ny finoanao fa mitondra fanantenana ny fiainana mandrakizay ireo fotopampianarana sy ôrdônansin’ny filazantsara.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nosoratan’i Paoly ny bokin’i Titosy (jereo ny Titosy 1:1)

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Mety ho nanoratra ny epistily ho an’i Titosy i Paoly teo anelanelan’ny fanoratany ny 1 sy 2 Timoty, manodidina ny 64–65 taorian’i J.K. (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org). Nosoratan’i Paoly ny Epistily ho an’i Titosy taorian’ny nigadrany voalohany tany Roma. Tsy nolazain’i Paoly ny toerana nisy azy rehefa nanoratra ity epistily ity izy.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ity epistily ity dia nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy, izay nambaran’i Paoly ho “tena zanako araka ny finoana iombonantsika” (Titosy 1:4). Grika i Titosy (jereo ny Galatiana 2:3) ary i Paoly mihitsy no nitarika azy hiova fo ho amin’ny filazantsara (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF, “Titus”). Taorian’ny fiovampony dia niara-niasa tamin’i Paoly i Titosy mba hanaparitaka ny filazantsara sy handrafitra ny Fiangonana (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF, “Titus”). Nanampy tamin’ny fanangonana ireo fanomezana ho an’ny mahantra tao Jerosalema izy (jereo ny 2 Korintiana 8:6, 16–23) ary niaraka tamin’i Paoly nankany amin’ny filankevitra tao Jerosalema ihany koa (jereo ny Galatiana 2:1). Nankinin’i Paoly tamin’i Titosy ny hitondra ho any Korinto ny epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ireo Olomasina nonina tao (jereo ny 2 Korintiana 7:5–15). Nanoratra tamin’i Titosy i Paoly mba hankaherezana azy tamin’ny asa nampanaovina azy mba hitarika sy hikarakara ny sampan’ny Fiangonana tany Kreta na dia teo aza ny fanoherana (jereo ny Titosy 1:5, 10–11; 2:15; 3:10).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ity taratasy ity dia anisan’ireo epistily ho an’ireo mpitarika (ho an’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana), miaraka amin’ny 1 sy 2 Timoty (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF, “Pauline Epistles”). Ny epistily ho an’i Titosy dia manolotra ny porofo voalohany indrindra fa naorina tao Kreta, izay nosy Grika tao amin’ny Ranomasina Mediteraneana ny Fiangonana (jereo ny Titosy 1:5). Nanana andraikitra hiantso eveka vaovao teo amin’ilay nosy i Titosy. Notanisain’i Paoly ireo toe-panahy sasany takina amin’ireo eveka (jereo ny Titosy 1:6–9). Ankoatra izany dia manome torohevitra miavaka ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny mpanompo momba ny fitondrantenan’ny Olomasina i Paoly (jereo ny Titosy 2:2–10).

Topimaso

Titosy 1. Nanoro lalana an’i Titosy mba hanendry mpitarika ny Fiangonana i Paoly ary nitanisa ireo zavatra takina sasany amin’ny eveka. Nanoro lalana an’i Titosy izy mba hanitsy ireo fampianaran-diso sy hibedy ireo mpampianatra sandoka izay “manaiky fa mahalala an’Andriamanitra; nefa mandà Azy amin’ny asany” (Titosy 1:16).

Titosy 2. Namporisika an’i Titosy mba hampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana efa zokiolona hametraka ohatra tsara ho an’ireo Olomasina tanora kokoa i Paoly. Nangatahiny ihany koa i Titosy mba hampianatra ireo mpanompo hanoa ny tompon’izy ireo. Nohazavain’i Paoly ny fomba tokony hiainan’ireo mpianatra rehefa miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo izy ireo. Nofariparitany ny fanavotana izay tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Titosy 3. Nampianatra i Paoly fa ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tokony ho olom-pirenena vanona sy mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy. Amin’ny alalan’ny batisa dia afaka hahazo ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny famindrampon’ny Tompo.