Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Filemona


Fampahafantarana ny Filemona

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny epistily ho an’i Filemona dia mirakitra torohevitra manokana avy amin’i Paoly mikasika ny toe-javatra niseho teo amin’i Onesimosy andevon’i Filemona. Rehefa mandalina ity episitly ity ianao dia afaka hianatra fa rehefa miditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny olona dia lasa mpiray tampo ao amin’ny filazantsara (jereo ny Filemona 1:16). Ianao ihany koa dia afaka ny hahatsapa ny maha-manan-danja ny adidy izay ananan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy mba hanolotra famindrampo sy famelan-keloka ho an’ny hafa (jereo ny Filemona 1:16–17).

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Paoly no nanoratra ny epistily ho an’i Filemona (jereo ny Filemona 1:1).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Nomanin’i Paoly ny Epistily ho an’i Filemona fony nigadra voalohany tany Roma ny Apôstôly, manodidina ny 60–62 taorian’i J.K. (Jereo ny Filemona 1:1, 9; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

“Ity epistily ity dia taratasy manokana momba an’i Onesimosy, andevo izay nandroba an’i Filemona tompony ary nandositra tany Roma” (Bible Dictionary ao amin’ny baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF, “Pauline Epistles”). Mety ho Grika niova fo i Filemona ary nonina tao Kolosia (jereo ny Kolosiana 4:9). Namela ny vondrona mpiangon’ny Fiangonana hivory tao an-tranony izy (jereo ny Filemona 1:2, 5). Taorian’ny nandosirany dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Onesimosy ka lasa “rahalahy malala … ao amin’ny Tompo” (Filemona 1:16; jereo ny Filemona 1:10–12).

Nanoratra ho an’i Filemona i Paoly mba hamporisika azy handray indray an’i Onesimosy ho toy ny rahalahy iray ao amin’ny filazantsara ka tsy hanome fanasaziana mahery vaika izay mazàna omena ireo andevo nandositra (jereo ny Filemona 1:17). Nanolotra ny hanonitra izay mety ho fatiantoka ara-bola nentin’i Onesimosy tamin’i Filemona mihitsy aza i Paoly (jereo ny Filemona 1:18–19).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny Filemona no epistily fohy indrindra ary angamba an’ny tena manokana indrindra tamin’ireo epistily nosoratan’i Paoly. Taratasy natokana ho an’ny olona iray manokana izany; ary noho izany dia tsy ahitana votoatin-kevitra ara-potopampianarana firy. Na eo aza izany, ny fiangavian’i Paoly an’i Filemona mba hihavana amin’i Onesimosy andevo dia maneho ny fomba hiharan’ireo fotopampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro—teto amin’ity tranga ity dia nampiseho fa ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy dia mitondra antsika ho amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy amin’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy hafa rehetra ary mampisongadina ny lanjan’ny famindrampo sy ny famelan-keloka.

Topimaso

Filemona 1. Nidera an’i Filemona tamin’ny fitiavana nasehony tamin’ny Olomasina i Paoly. Nanazava izy fa niova fo ho an’ny filazantsara i Onesimosy, ilay andevon’i Filemona nandositra. Nangataka an’i Filemona mba handray an’i Onesimosy indray ho toy ny rahalahy ao amin’ny Tompo i Paoly. Nanolotra ny hanonitra ny fatiantoka ara-bola nentin’i Onesimosy tamin’i Filemona i Paoly.