Fizarana 27: Andro 3
Filemona
Fampidirana
Ato amin’ity episily ity i Paoly Apôstôly dia midera an’i Filemona noho ny finoany sy ny fitiavany ny Mpamonjy sy ireo mpiray fiangonana aminy. Nanoro hevitra an’i Filemona izy mba handray indray an’i Onesimosy, izay andevony nandositra, ho toy ny rahalahy ao amin’ny filazantsara.
Filemona
Nanoro hevitra an’i Filemona i Paoly mba handray indray an’i Onesimosy, izay andevony nandositra, ho toy ny rahalahy ao amin’ny filazantsara
-
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia matetika isika no mifankahalala amin’ny olona vaovao. Alaivo sary an-tsaina anie hoe misy olona vaovao lasa mpikamban’ny parosy na sampana misy anao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny olana eo amin’ny lafiny ara-pifandraisana izay mety hiainan’ny olona iray rehefa lasa mpikamban’ny Fiangonana na rehefa miova paroasy na sampana izy. Raha toa ianao lasa mpikamban’ny Fiangonana na niova paroasy vao tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, dia tantarao izay mety ho olana ara-pifandraisana niainanao.
Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no hitondranao ireo mpikambana vaovao ao amin’ny parosy na sampana misy anao? Ahoana no hitondranao ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manana fitondrantena miavaka, na manana ny zavatra mahaliana azy miavaka, na tsy mitovy ambaratonga sosialy aminao?
Eo am-pandalinanao ny epistilini Paoly Apôstôly ho an’i Filemona dia karohy ny fahamarinana iray izay afaka mitarika anao amin’ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miangona aminao.
Nandritra ny fotoana nigadrany voalohany tany Roma, izay nahavoafonja azy an-trano, dia nanoratra ho an’i Filemona, izay mety ho Grika niova fo tamin’ny Fiangonana i Paoly. Araka ny voarakitra ao amin’ny Filemona 1:1–3, i Paoly dia nanomboka ny epistiliny tamin’ny fiarahabana an’i Filemona sy ny olona hafa, anisan’izany ny mpiangona izay nivory tany an-tranon’i Filemona.
Vakio ny Filemona 1:4–7 dia fantaro ny antony nideran’i Paoly an’i Filemona. Ato amin’ity sahan-kevitra ity ilay teny hoe fiombonana dia midika hoe fandraisana anjara na firaisana (jereo ny Filemona 1:6) ary ilay andian-teny hoe “hiasa mafy” dia midika hoe lasa tsy malaindaina na mampihatra (jereo ny Filemona 1:6).
Mety manampy ny mahafantatra fa rehefa niteny i Paoly hoe “efa novelombelomi[na] ny fon’ny olona masina” (Filemona 1:7), dia ny fon’izy ireo efa nampifalifalian’i Filemona no tiany nambara.
Ny tanjon’i Paoly voalohany indrindra tamin’ny nanoratany an’i Filemona dia ny firesahana ny zava-nitranga momba an’i Filemona sy ny mpanompony na andevony iray, izay nantsoina hoe Onesimosy. I Onesimosy dia nandositra ary mety nangalatra ny fananan’i Filemona ihany koa (jereo ny Filemona 1:18). Ny fanandevozana dia tsy noheverina ho ratsy tao anatin’ny kolontsaina Jiosy sy Kristianina tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha ary notohanan’ny lalàna Romana izany. Tafiditra tao anatin’ny sazy nihatra tamin’ireo andevo nandositra ny fampijaliana ara-batana, ny fanisiana marika ny handrina, ary ny famonoana ho faty mihitsy. Rehefa nandositra i Onesimosy dia nihaona tamin’i Paoly Apôstôly.
Vakio ny Filemona 1:8–12, dia tadiavo izay zavatra niangavian’i Paoly mafy, na nangatahiny tamim-kitsimpo. Mariho fa ao amin’ny andininy 8 ny teny hoe handidy dia midika hoe mibaiko ary ny hoe mendrika dia midika hoe araka ny tokony ho izy.
Raha toa ka teo amin’ny toeran’i Filemona ianao dia inona no mety ho eritreritrao na tsapanao rehefa nahare ny fangatahan’i Paoly ianao?
Jereo ilay andian-teny hoe “izay naterako teto amin’ny fifatorako” (Filemona 1:10). Ny fomba iray azo andikana ny matoanteny hoe miteraka dia hoe manome aina olona iray. Nandritra ny fotoana nigadran’i Paoly dia nanampy an’i Onesimosy hanomboka fiainam-baovao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izy.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Filemona 1:13–14, i Paoly dia naniry ny hijanonan’i Onesimosy niaraka taminy mba hahafahan’ity farany manampy azy, nefa tsy naniry hanao izany i Paoly raha tsy sitrapon’i Onesimosy izany.
Vakio ny Filemona 1:15–16, ary jereo ny nandrisihan’i Paoly an’i Filemona ny tokony ho fifandraisany amin’i Onesimosy, mpiova fo vaovao. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ny zavatra hitanao.
Nahoana no mety ho sarotra tamin’i Filemona ny mandray an’i Onesimosy ho toy ny “rahalahy malala” (Filemona 1:16)?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny andininy 16 ny hoe mpiray tampo avokoa isika ao amin’ny filazantsara.
Fanahy zanaky ny Ray any An-danitra isika rehetra (jereo ny Hebreo 12:9) ary noho izany dia mpiray tampo avokoa. Ankoatra izany, amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanamafisana ho mpikamban’ny Fiangonana, ny fampiasana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana tsy tapaka, dia nateraka ara-panahy indray isika. Amin’alalan’izany no hahatongavantsika ho zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy (jereo ny Môsià 5:7) ary noho izany, mpiray tampo ao amin’ny fanekempihavanana ao amin’ny fianakaviany. Na lahy isika na vavy, na inona na inona kolontsaina, taona, fiaviana na toerana misy antsika eo amin’ny fiaraha-monina dia lasa mitovy lenta ao anatin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika.
Eo am-pamakianao ity teny nambaran’ny Filoha Spencer W. Kimball ity, dia tadiavo ny fomba hahafahan’ilay fahamarinana hoe mpiray tampo ao amin’ny filazantsara isika miantefa amin’ny fomba hifandraisantsika, indrindra ny fomba handraisana ireo mpikamban’ny Fiangonana vaovao:
“Mahatsiaro hankaherezina foana aho rehefa mamaky ilay epistily fohy nosoratan’i Paoly ho an’i Filemona; mampianatra antsika fitsipika iray sy ny fanahin’ny firahalahina ao amin’ny filazantsara izany. …
“Manentana ny fanahy sy mahafaly ny fo ny mahita ny fampiharana izany fanahy izany ato amin’ny Fiangonana, ny mahita ireo Olomasina manaiky sy manampy ary mivavaka ho an’ireo izay miditra ao amin’ny fanjakan’ny Tompontsika isan’andro. Tohizo ny fifanatonana—sy ny fanatonana ireo maro hafa izay hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Raiso tsara izy ireny, dia tiavo sy alaivo ho namana.
“Mampalahelo anefa fa misy ihany tsindraindray ny sasany amintsika izay tsy manao toy izany, ireo olona sasany izay tsy manaiky ireo izay neken’ny Tompo tamin’ny alalan’ny batisa. Raha tsy ‘nahamenatra [ny Tompo ny] hanao ireo hoe “rahalahy”’ (Heb. 2:11), dia aoka isika noho izany, … handray ny tanan’ireo anadahintsika na rahalahintsika sy anabavintsika na rahavavintsika ary handray azy ireo ho anisan’ireo izay raharahintsika sy tiantsika” (“Always a Convert Church: Some Lessons to Learn and Apply This Year,” Ensign, sept. 1975, 4).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja ny mahatakatra fa mpiray tampo ao amin’ny filazantsara isika?
-
Oviana ianao no nahita olona iray nandray ny hafa ho mpiray tampo aminy ao amin’ny filazantsara? Inona ireo vokatra tsara nisy noho izany fahatsaram-panahy sy fitiavana izany?
-
-
Manorata taratasy iray ho an’ny olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy anao izay mila hanehoana fitiavana sy fanekena azy. Azonao atao ny mankasitra io olona io noho ireo zavatra natolony sy ny fandraisany anjara ary maneho ny fandraisanao azy ho mpiray tampo ao amin’ny filazantsara. Rehefa avy nanoratra ilay taratasy ianao dia raketo ny famintinana izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Mba hanomanana anao hamantatra fahamarinana iray fanampiny hita ao amin’ny epistilin’i Paoly ho an’i Filemona dia eritrereto ny fotoana iray izay nanafintohinan’ny olona iray na nanaovany ratsy anao.
Vakio ny Filemona 1:17 dia jereo ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Filemona momba ny tokony hataony mikasika an’i Onesimosy, andevon’i Onesimosy nandositra.
Nangataka an’i Filemona i Paoly mba handray an’i Onesimosy indray ao an-tranony ka tsy hanome fanasaziana mahery vaika izay mazàna omena ireo andevo nandositra. Araka ny hita ao amin’ny torohevitr’i Paoly ho an’i Filemona dia mianatra isika fa ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia manolotra famindram-po sy famelan-keloka ho an’ny hafa.
Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny manolotra famindram-po sy famelan-keloka ho an’ny hafa?
Mariho fa ny fanolorana famindram-po sy famelan-keloka ho an’ireo izay nanao ratsy tamintsika dia tsy midika famelana azy ireo hiala amin’ny vokatry ny zavatra nataony, na koa famerenana ny fahatokisantsika azy ireo avy hatrany. Midika kosa izany fa maneho fangoraham-po azy ireo isika ary manadino izay mety ho lolom-po, fahatezerana, na fanaintainana nahazo antsika. Rehefa tonga ny fotoana mahamety azy dia afaka mamela ireo izay nanao ratsy tamintsika hanao izay hahatokisantsika azy indray isika.
Vakio ny Filemona 1:18–21, ary jereo ny zavatra natolotr’i Paoly mba hataony eo amin’ny toeran’i Onesimosy.
Tahaka ny nanolon’i Paoly toerana an’i Onesimosy no hanoloan’i Jesoa Kristy toerana antsika sy hisoloany vava antsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra (jereo ny F&F 45:3–5). Efa nanefa ny saran’ny trosantsika ara-panahy izay misy noho ny fahotantsika ihany koa i Jesoa Kristy.
Afaka manampy antsika amin’ny fanolorana famindram-po sy famelan-keloka ho an’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny toerantsika?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maro amin’ireto andiam-panontaniana ireto (alaivo antoka ny tsy hanoratanao zavatra mahakasika ny tenanao manokana na tsiambaratelo):
-
Oviana ianao no nila nanolotra famindram-po sy famelan-keloka tahaka an’i Filemona ho an’ny olona iray hafa? Tamin’ny fomba ahoana no nahafahanao nanolotra famindram-po sy namela heloka an’io olona io? Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny nanaovanao izany?
-
Oviana ianao no nanantena famindram-po sy famelan-keloka avy amin’ny olona iray hafa, tahaka an’i Onesimosy? Tamin’ny fomba ahoana no nikatsahanao ny famindram-po sy ny famelan-keloka avy amin’io olona io? Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny nanaovanao izany?
-
Oviana ianao ny nanelanelana tahaka an’i Paoly olona iray izay nikatsaka famelan-keloka sy olona iray hafa izay nila nanolotra famelan-keloka sy famindram-po? Tamin’ny fomba ahoana no nahafahanao nanampy ilay nanao ny tsy mety mba hahazo famelan-keloka ary nanampy ilay olona niharan’ny tsy mety mba hamela ilay olona nanao ny tsy mety?
-
Diniho ny zavatra azonao atao mba hanolorana famindram-po sy famelan-keloka ho an’ny hafa. Eo am-pikatsahanao ny handray sy hanaiky ary hanolotra famelan-keloka ho an’ny hafa dia hanampy anao amin’ny ezaka ataonao ny Tompo.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Filemona ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: