Fizarana 13: Andro 4
Jaona 5-6
Fampidirana
Nanatrika andro firavoravoana iray (mety ny Paska angamba) tany Jerosalema ny Mpamonjy ka nanasitrana lehilahy iray izay efa osa teo amin’ny farihin’i Betesda. Namariparitra ireo vavolombelona hafa izay nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy koa Izy. Rehefa niverina tany Galilia Izy dia namahana tamim-pahagagana ny vahoaka maherin’ny 5 000 isa sy nampianatra fa Izy no Mofon’ny Fiainana.
Jaona 5:1-30
Nanasitrana lehilahy iray efa osa tamin’ny andro Sabata i Jesoa ary nampianatra mikasika ny fifandraisany amin’ny Ray
Eritrereto ny fotoana iray izay nanimbanao na ny olona iray fantatrao zavatra iray izay manan-danja na sarobidy.
Amin’ny maha-zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika dia manan-danja avokoa isika rehetra ary sarobidy tokoa. Kanefa, noho ny safidy ataontsika na ireo olana izay atrehantsika dia mety hahatsapa ho ketraka isika na tsy manan-danja indraindray.
Toy ny ahoana avy ireo fomba mety hahatsapan’ny olona iray fa ketraka ara-panahy, na ara-batana, na ara-pihetseham-po izy?
Eritrereto ireo fotoana izay nanananao fahatsapana toy izany. Rehefa mandalina ny Jaona 5:1-9 ianao dia mitadiava fahamarinana iray izay afaka mankahery anao na manome fanantenana ho anao rehefa mahatsiaro ho ketraka ianao.
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 5:1 fa rehefa avy nanompo tao Galilia i Jesoa Kristy dia nankany Jerosalema Izy mba hitandrina ny andro firavoravoan’ny Jiosy, izay azo antoka fa ny Paska izany. Raha mbola tao Jerosalema Izy dia nandeha teo amin’ny farihy iray akaikin’ny tempoly.
Vakio ny Jaona 5:2-4, ka tadiavo hoe iza no nivory manodidina ilay farihy ary inona no nandrasan’izy ireo.
Ireo teny hoe jamba, mandringa, ary maty-ila ao amin’ny andininy 3 dia mamaritra olona narary, na osa, na tsy afaka nihetsika. Mety nisy loharano izay nikoriana tsindraindray tao amin’ilay farihy ka nampandroandroatra ny tampon’ny rano (Jereo ny Bible Dictionary, “Bethesda”).
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Tsy isalasalana fa loharano mineraly ny farihin’i Betesda ary nanana toetra nanasitrana ny rano tao amin’izany. Fa izay mety ho filazana fa nisy anjely nidina nanetsika ny rano, mba ho sitrana avy hatrany ny olona voalohany izay niroboka tao, dia finoanoam-poana tsotra izao. Tsy avy amin’ny fomba toy izany no hiavian’ny fanasitranana amin’ny fomba mahagaga” Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 (1965–73), 1:188].)
Eritrereto hoe mety ho toy ny ahoana ny toe-javatra niseho teo amin’ilay farihy, izay feno olona maro nanantena ny ho sitrana raha izy no tafaroboka voalohany tao.
Vakio ny Jaona 5:5-7, ka tadiavo hoe iza no hitan’ny Mpamonjy nandry teo akaikin’ilay farihy.
Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ilay lehilahy izay hitan’ny Mpamonjy? Nahoana ilay lehilahy no tsy afaka niroboka voalohany tao amin’ilay rano na oviana na oviana?
Vakio ny Jaona 5:8–9, ka tadiavo ny fomba namalian’ny Mpamonjy an’ilay lehilahy.
Asio marika ilay andian-teny hoe “sitrana ilay lehilahy” (andininy 9). Nitranga teo amin’ny farihin’i Betesda izany fanasitranana izany. Ny teny hoe Betesda dia azo adika hoe “tranon’ny famindram-po” (Bible Dictionary, “Bethesda”). Ny famindram-po dia fangorahana na hatsaram-panahy. Ny asa feno famindram-po lehibe indrindra natao hatrizay dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Nahoana no anarana mety tsara hiantsoana io toerana io ny hoe Betesda indrindra fa taorian’ny nanasitranan’ny Mpamonjy io lehilahy io?
Amin’ny fomba ahoana no mety hitoviantsika rehetra amin’io lehilahy teo amoron’ny farihin’i Betesda io?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny fanasitranan’ny Mpamonjy ity lehilahy ity ny hoe afaka ny ho sitrana isika amin’ny alalan’ny hery sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy.
Mba hahatakarana bebe kokoa izany fahamarinana izany dia vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Merrill J. Bateman ao amin’ny Fitopololahy ity, ka tadiavo ireo fomba nolazainy fa ahafahan’ny Mpamonjy manasitrana anao: “Tahaka ny nilàn’ilay lehilahy nalemy teo akaikin’ny farihin’i Betesda olona iray matanjaka kokoa noho izy mba hahasitrana azy (jereo ny Jaona 5:1–9), no hianteherantsika koa amin’ireo fahagagana avy amin’ny sorompanavotan’i Kristy raha tiantsika ho sitrana amin’ny alahelo sy ny fahotana ny fanahintsika. … Amin’ny alalan’i Kristy dia sitrana ireo fo maratra ary misolo toerana ny fitaintainana sy ny alahelo ny fiadanana” (“The Power to Heal from Within,” Ensign, mey 1995, 13).
Manan-danja ny mahatsiaro fa hositranina isika na eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana manaraka, arakaraka ny fotoan’ny Tompo.
-
Saintsaino ireo fotoana izay nahitanao na nahatsapanao ny hery sy ny famindram-po ary ny fangorahan’i Jesoa Kristy izay nanampy anao na ny olona iray izay nahatsapa ho ketraka, na teo amin’ny ara-panahy na ara-batana na ara-pihetseham-po. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fehezanteny tsy feno manaraka ity dia fenoy izany avy eo: Fantatro fa be indrafo sy feno fangorahana ny Mpamonjy satria …
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 5:10–30 fa nahita ilay lehilahy tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy taoriana kelin’izay ka nanoro hevitra azy mba tsy hanota intsony. Rehefa fantatr’ireo mpitarika Jiosy fa nositranin’i Jesoa tamin’ny Sabata ilay lehilahy dia nanenjika sy niezaka ny hamono ny Mpamonjy izy ireo. Nampianarin’i Jesoa an’ireo mpitarika Jiosy fa nanao ny asan’ny Ray any An-danitra Izy rehefa nanasitrana ilay lehilahy. Nampianatra momba ny fifandraisany amin’ny Ray ny Mpamonjy avy eo. Nampianatra ihany koa Izy fa hampianarina tsy ho ela ny filazantsara ireo izay any amin’ny tontolon’ny fanahy.
Jaona 5:31–47
Nampianatra mikasika ireo vavolombelona maro izay mijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra Azy i Jesoa.
Saintsaino ny fotoana iray izay nilazan’ny olona iray taminao zavatra iray izay sarotra inoana.
Amin’ny fomba ahoana no hanamafisana ny fahamarinan’ny zavatra ambara iray na inona izany na inona amin’ny alalan’ny fananana vavolombelona mihoatra ny iray?
Vakio ny Jaona 5:31, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ny tenivavolombelony manokana mikasika ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra.
Ny Dikantenin’ i Joseph Smith dia manazava ny Jaona 5:31–32:
“Raha Izaho no manambara ny tenako, dia marina ihany ny fanambarako.
“Satria tsy irery Aho, misy iray hafa izay mijoro ho vavolombelona momba ahy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 5:32–33).
Nampianatra ireo Jiosy ny Mpamonjy fa nanana vavolombelona hafa izy ireo ankoatra ny tenany.
Vakio ireto andininy manaraka ireto, ary fantaro ireo vavolombelona hafa izay mijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa:
Jaona 5:32–35:
Jaona 5:36:
Jaona 5:37–38:
Jaona 5:39:
Jaona 5:45–47:
Tsy nino ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa ireo mpitarika jiosy na dia nanana vavolombelona maro momba an’i Jesoa Kristy aza. Jereo ao amin’ny Jaona 5:39 fa rehefa niresaka momba ny soratra masina i Jesoa dia nilaza Izy hoe: “Fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay.” “Maro ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa no nandalina ny soratra masina ka nino fa hahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’io fandalinana io izy ireo. … Niezaka nanitsy izany finoanoam-poana izany ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fampianarana fa ny soratra masina, izay noraisin’ny Jiosy ho ny fahefana faratampony, dia nijoro ho vavolombelona fa tsy hita ao amin’ny soratra masina ny fiainana mandrakizay fa ao amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Tsy takatr’ireo Jiosy ihany koa fa ny soratra masina dia tenin’i Kristy ary ny hitondra ny olona ho amin’i Kristy no tanjon’izy ireny, satria Izy no ilay loharano faratampony ahazoana ny fahamarinana sy ny fiainana” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra, 2014], [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 219–20).
Vakio ny Jaona 5:40, ka tadiavo izay nilain’ny Jiosy natao mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.
Na dia nandalina ny soratra masina aza ireo Jiosy dia inona no tsy neken’izy ireo hatao izay ho nanampy azy ireo hahazo ny fiainana mandrakizay?
Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao avy tao amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 5:39–40 izao fitsipika manaraka izao: Amin’ny alalan’ny fanatonana an’i ihany no ahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay.
Tsarovy fa tafiditra ao anatin’ny fiainana mandrakizay ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy ny fiainana eo anatrehany miaraka amin’ireo olona mendrika ao amin’ny fianakaviantsika. Mba hahazoana io fanomezana io dia tsy maintsy manatona an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana Azy, fibebahana amin’ireo fahotantsika, fahazoana ireo ôrdônansin’ny filazantsara, fanajana ireo fanekempihavanana nataontsika, ary fankatoavana ireo didin’ny Tompo.
Eritrereto ny antony ilàna ny fanatonana an’i Jesoa Kristy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.
-
Jereo ireo vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izay notanisainao tetsy ambony. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampian’ireo vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo anao (na ahafahan’ireo manampy anao) hanatona Azy.
Saintsaino ny zavatra izay ho ataonao mba hanatonana bebe kokoa ny Mpamonjy mba hahafahanao mahazo ny fiainana mandrakizay.
Jaona 6:1–59
Nampianatra i Jesoa fa Izy no Mofon’ny Fiainana
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 6:1–13 fa rehefa tafaverina tany Galilia i Jesoa dia namahana olona maherin’ny 5 000 isa tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny mofo dimy sy hazandrano kely roa Izy. (Nandalina izany zava-nitranga izany ianao tao amin’ireo lesona ao amin’ny Matio14 syMarka 6.)
Vakio ny Jaona 6:14-15, ka tadiavo ny zavatra tian’ny olona natao rehefa avy namahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga i Jesoa.
Ny fomban-drazana iray teo anivon’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa dia nilaza fa rehefa tonga ilay Mesia na Mpanjakan’ny Isiraely dia hamahana ny olona amin’ny mofo avy any an-danitra Izy.
Raketin’ny Jaona 6:16–21 fa naniraka ny mpianany hita ny Ranomasin’i Galilia ny Mpamonjy, ary taorian’izay rehefa maizina be ny andro, raha mbola sahirana mafy nivoy ny sambokely nanohitra ny onja sy ny rivotra ireo mpianatra, dia nandehandeha tambonin’ny ranomasina i Jesoa mba ho eny amin’izy ireo. ny fitantaran’i Jaona io zava-nitranga io dia manantitrantitra fa rehefa “vonona” ny handray an’i Jesoa ho ao an-tsambokelin’izy ireo ny mpianatra dia tonga “niaraka tamin’izay” (Jaona 6:21) tany amin’ny tany nandehanany izy ireo. Rehefa vonona ny handray ny Mpamonjy sy ny fampianarany isika dia afaka mitarika antsika soa aman-tsara mandritra ireo ady sarotra eo amin’ny fiainana an-tany Izy.
Raketin’ny Jaona 6:22–59 fa maro amin’ireo olona izay nofahanan’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga no nandeha nankany Kapernaomy, nitady Azy sy naniry ny hofahanany mofo bebe kokoa. Nimonomonona tamin’ny Mpamonjy ny olona sasany satria nampianatra Izy fa Izy no ilay mofo izay avy any an-danitra. Nampianatra i Jesoa fa Izy no Mofon’aina ary hahazo ny fiainana mandrakizay ny olona raha toa ka manatona Azy sy manaiky ireo fampianarany sy ny Sorompanavotany.
Jaona 6:60–71
Nijoro ho vavolombelona i Petera fa manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay i Jesoa
Tadidio ny fotoana iray izay tsy maintsy nisafidiananao na hanohy hanao zavatra sarotra iray na hitsoaka an-daharana.
Rehefa avy nampianatra i Jesoa fa Izy no Mofon’aina dia maro tamin’ireo mpianany no tsy maintsy nanapa-kevitra na hanohy hanaraka Azy na tsia. Vakio ny Jaona 6:60, 66, ka tadiavo izay nasetrin’ny maro tamin’ireo mpianatr’i Jesoa ny fampianarany.
Ilay andian-teny hoe “sarotra izany teny izany” ao amin’ny andininy 60 dia midika fa tsapan’izy ireo fa tena sarotra arahana ny fampianaran’i Jesoa.
Inona amin’ireo fampianaran’i Jesoa Kristy no mety ho sarotra ho an’ny olona sasany ny manaraka izany amin’izao androntsika izao? (Raha ilaina dia tadiavo ireo fampianarana ao amin’ny Ry Tanora, Mahereza izay mety ho sarotra ho an’ny tanora sasany.)
Vakio ny Jaona 6:67-69, ka tadiavo ny fanontaniana izay napetrak’i Jesoa tamin’ireo Apôstôliny sy ny valintenin’i Petera tamin’izany fanontaniana izany.
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’i Petera ny hoe ny tenivavolombelona mafy orina momba an’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hijanona ho mahatoky mandritra ireo fotoana izay mety hahatsapana fa sarotra ny manaraka ny Mpamonjy na sarotra ny miaina ireo fampianarany. Soraty ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Jaona 6:67–69 izany fahamarinana izany.
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampiana anao na ny olona iray fantatrao hijanona ho mahatoky tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny Mpamonjy, na dia tamin’ny fotoana izay toa nahasarotra ny fanarahana ny fampianaran’ny filazantsara aza.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jaona 5–6 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: