Fizarana 13: Andro 3
Jaona 4
Fampidirana
Raha nandeha tany Galilia i Jesoa dia namaky an’i Samaria ka nampianatra vehivavy iray teo am-pantsakana. Nijoro ho vavolombelona tamin’ny hafa ilay vehivavy fa i Jesoa no Kristy. Taty aoriana dia nanasitrana ny zanakalahin’ny tandapa iray i Jesoa.
Jaona 4:1–42
Mampianatra vehivavy iray avy tao Samaria i Jesoa Kristy
Eritrereto izao fanontaniana manaraka izao: Inona no loharanon-karena voajanahary sarobidy indrindra eto ambonin’ny tany? Rehefa mieritreritra izay mety ho valinteninao ianao dia saintsaino ireo loharano voajanahary toy ny tany, ny vy, ny arina, ny solitany, ny volamena, ary ny diamondra.
Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Mety hieritreritra isika amin’ny voalohany fa ny volamena, na ny solitany, na ny diamondra no sarobidy indrindra. Saingy ny sarobidy indrindra amin’ireo mineraly, metaly, vatosoa, ary singa mpandevona hita eto ambonin’ny tany sy ao anatin’ny tany dia ny rano.
“Ny rano no loharanon’ny aina. Manohana ny aina ny rano. Ny rano no tena takina mba hanatanterahana ireo karazana asa mifandray amin’ny endri-piainana rehetra izay fantatra. Rano no mandrafitra ny eo ho eo amin’ny roa ampahatelon’ny vatantsika. Na dia afaka miaina tsy misy sakafo mandritra ny andro na herinandro maro aza ny olona iray dia matetika no maty ao anatin’ny telo na efatra andro ny olona iray raha tsy misy rano. Ny ankamaroan’ireo toerana feno vahoaka indrindra eto amin’izao tontolo izao dia hita eo akaikin’ireo loharanon’ny rano madio. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia tsy afaka misy ny fiainana raha tsy misy sy tsy afaka mahazo tahirin-drano madio araka ny tokony ho izy” [“A Reservoir of Living Water” (Takariva amorom-patana ho an’ny tanora nataon’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 4 Feb 2007), 1, lds.org/broadcasts].
Rehefa mandalina ny Jaona 4 ianao dia tadiavo ilay karazana rano izay ilain’ny fanahinao sy ny toerana ahafahanao mahita izany loharano sarobidy izany.
Mianatra isika ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 4:1-4 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) fa samy nanao batisa i Jesoa sy ireo mpianany.
Niala tao Jodia i Jesoa ka nankany Galilia. Vakio ny Jaona 4:4, ka tadiavo ny toerana izay nandalovany raha nankany Galilia Izy.
Jereo ny Sarintany sy sary mikasikany Baiboly, lah. 11, “Ny tany masina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao,” ary jereo ny toerana misy an’i Jodia sy i Samaria ary i Galilia.
Nanodidina an’i Samaria ny Jiosy tamin’ny ankapobeny fa tsy nandalo izany noho ny fifankahalana izay nisy teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritana (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Samaritana”). Nisafidy ny handalo an’i Samaria i Jesoa fa tsy nandeha nihodidina izany.
Vakio ny Jaona 4:5-9, ka tadiavo ny zavatra nitranga rehefa nijanona teo amin’ny fantsakana iray teo akaikin’ny tanànan’i Sykara tao Samaria i Jesoa. (Ilay andian-teny hoe “tokony ho tamin’ny ora fahenina” ao amin’ny andininy 6 dia midika fa manodidina ny mitataovovonana izany.) Jereo fa gaga ilay vehivavy rehefa nangataka rano hosotroina taminy i Jesoa.
Vakio ny Jaona 4:10-12, ka tadiavo ny valintenin’i Jesoa tamin’ny fanontanian’ilay vehivavy.
Inona no natolony ho an’ilay vehivavy?
Rehefa nampiasa ny andian-teny hoe “fanomezan’ Andriamanitra” ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 10 dia nanambara ny Tenany amin’ny maha-Mpamonjy izao tontolo izao sy loharanon’ny rano velona Azy Izy.
Vakio ny Jaona 4:13-14, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa momba ilay rano nomeny.
Mba hahatakarana bebe kokoa momba ny asehon’ilay rano velona dia vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Bednar: “Ny rano velona izay resahina ato amin’ity fizarana ity dia fanehoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany. Tahaka ny ilàna ny rano mba hanohanana ny aina ao amin’ny vatana no ilàna ny Mpamonjy, ireo fotopampianarany, ireo fitsipiny ary ireo ôrdônansiny mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Mila ny rano velona avy Aminy isan’andro sy manana tahiry ampy tsara amin’izany izaho sy ianao mba hanohanana ny fivoarana sy ny fitomboan’ny fanahintsika izay mitohy hatrany” (“A Reservoir of Living Water,” 2).
-
Manaova sarina kaopy misy rano ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ary omeo anarana izany manao hoe: Ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany. Aorian’izay dia soraty ny antony maha-tandindona sahaza tsara ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ny rano.
Vakio indray ny Jaona 4:14 sady eritrereto izany tandindona izany, ary saintsaino ny fitsipika izay azontsika ianarana momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.
Fahamarinana iray mety ho hitantsika avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity ny hoe raha manatona an’i Jesoa Kristy sy mandray amim-pahamatorana ny filazantsarany isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Soraty eny amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao izany fitsipika izany.
Vakio ny Jaona 4:15-18, ka tadiavo izay nangatahan’ilay vehivavy tamin’i Jesoa sy ny fomba namalian’ny Mpamonjy izany. Eritrereto hoe nanao ahoana ny filàn’ity vehivavy ity ilay rano izay natolotry ny Mpamonjy.
Ny valintenin’i Jesoa dia naneho fa fantany ny toe-javatra niainan’ity vehivavy ity.
Inona ireo eritreritra na fahatsapana izay mety ho nananan’ity vehivavy ity rehefa nambaran’i Jesoa taminy ny antsipirian-javatra mikasika azy izay tsy ho fantatry ny olona iray tsy fantany mihitsy?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny hoe mahafantatra ireo fahotantsika i Jesoa Kristy ary manome antsika ny filazantsarany Izy mba hanampiana antsika handresy azy ireo. Nahoana no manan-danja ny mahafantatra sy mahatakatra izany fahamarinana izany?
Vakio ny Jaona 4:19-20, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ilay vehivavy tamin’i Jesoa izay nampiseho fa niova ny fomba fijeriny Azy.
Misy tendrombohitra iray antsoina hoe Tendrombohitr’i Gerizima any Samaria. Taonjato maro talohan’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany dia nanangana tempoly teo ny Samaritana mba hatao toeram-pivavahana. Tsy nitovy tamin’ny Jiosy anefa ny Samaritana ka tsy nanana ny fahefan’ny fisoronana izy ireo mba hanatanterahana ireo ôrdônansy ary nandà ny maro tamin’ireo fampianaran’ireo mpaminanin’ Andriamanitra izy ireo.
Vakio ny Jaona 4:21-24 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 4:26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ), ka tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jesoa an’ilay vehivavy momba ny fiderana an’ Andriamanitra.
Araka ny Dikantenin’i Joseph Smith dia inona no fitahiana izay tonga rehefa mitsaoka an’ Andriamanitra amin’ny “fanahy sy amin’ny fahamarinana” isika?
Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa raha toa ka midera ny Ray amin’ny fanahy sy amin’ny fahamarinana isika dia hanome antsika ny Fanahiny Izy.
Eo am-pamakianao izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia tadiavo sy asio marika ny dikan’ny hoe midera ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana:
“Ny tanjontsika dia ny hidera ilay Andriamanitra marina sady velona ary hanao izany amin’ny herin’ny Fanahy sy amin’ny fomba izay notendreny hanaovana izany. Ilay fiderana nahazoana fankatoavana mba hiderana ilay Andriamanitra marina dia mitarika ho amin’ny famonjena. Tsy mitondra antoka lehibe toy izay ny fanolorantena atao amin’ireo andriamanitra sandoka sy tsy mifototra amin’ny fahamarinana mandrakizay.
“Ilaina amin’ny fiderana marina ny fahalalana ny fahamarinana. …
“… Ny fiderana marina sy lavorary dia ny fanarahana ny dian’ilay Zanak’ Andriamanitra. Izany dia ny fitandremana ny didy sy ny fankatoavana ny sitrapon’ny Ray araka izay ilaina mba hahafahantsika mandroso avy amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana mandra-pahatonga antsika hasandratra ao amin’i Kristy tahaka Azy ao amin’ny Ray. Mihoatra lavitra noho ny vavaka sy ny toriteny ary ny hira izany. Miaina sy manao ary mankatò izany. Fakana tahaka ny fiainan’ilay Ohatra lehibe [Jesoa Kristy) izany” (“How to Worship,” Ensign, Des. 1971, 129–30).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana no nanasa ny Fanahy mba hanampy anao teo amin’ny fiainanao ny fiderana ny Ray any An-danitra?
-
Araka ny tenin’ny Loholona McConkie dia inona no azonao atao mba hiderana tsara kokoa ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana? (Manorata tanjona iray momba ny zavatra iray izay azonao atao tsaratsara kokoa amin’ny fomba voafaritra tsara.)
-
Vakio ny Jaona 4:25-26, ka tadiavo izay nampahafantarin’i Jesoa an’ilay vehivavy momba ny Tenany.
Vakio ny Jaona 4:27-30, ka tadiavo izay nataon’ilay vehivavy rehefa avy niresaka tamin’ny Mpamonjy.
Inona no nolazainy ka naneho fa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy?
Mianatra isika avy amin’izany tantara izany fa rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy isika dia heniky ny faniriana hizara izany amin’ny hafa.
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 4:31–37 fa niverina niaraka tamin’ny sakafo ireo mpianatr’i Jesoa. Rehefa nangataka Azy hisakafo izy ireo dia nampianatra azy ireo Izy fa tsy amin’ny alalan’ny fihinanan-kanina no hahavelomany fa amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray. Taorian’izay izy dia nanasa azy ireo mba hahita fa maro tokoa ireo fahafahana hitory ny filazantsara.
Vakio ny Jaona 4:39–42 ka tadiavo ny fitaomanana nananan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ilay vehivavy teo amin’ny olona tao amin’ny tanànany.
Araka ny Jaona 4:42, dia inona no nolazain’ny olona tamin’ilay vehivavy?
Jaona 4:43–54
Nanasitrana ny zanakalahin’ny tandapa iray i Jesoa
Raketin’ny Jaona 4:43–45 fa nandao an’i Samaria i Jesoa ka niditra tao Galilia. Vakio ny Jaona 4:46-54, ka tadiavo hoe iza no nihaona tamin’i Jesoa ary inona no fitahiana nokatsahin’izany olona izany avy tamin’i Jesoa.
Raha miainga avy amin’ny zavatra nolazain’i Jesoa tao amin’ny andininy 48, dia nahoana no nampiandrasany ny fanomezana ilay fitahiana izay nokatsahin’io lehilahy io? Ahoana no nanehoan’io lehilahy io fa tsy nila famantarana izy mba hinoany?
Mianatra isika avy amin’izany tantara izany fa rehefa mino an’i Jesoa Kristy tsy mila famantarana isika dia hanamafy ny finoantsika ny Tompo.
Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanasitranana ny zanakalahin’ilay tandapa ny Loholona Bruce R. McConkie: “Io no fanasitranana voalohany tamin’ny fomba mahagaga izay nolazaina tamin’ny antsipiriany ao amin’ireo Filazantsara. Tsy nofariparitana na nohazavaina ireo izay notanterahina tamin’ny Lanonan’ny Paska sy nanerana an’i Jodia iray manontolo. Ity fahagagana ity—ny fahagagana faharoa natao tao Kana—dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa mikasika ny asa fanasitranana nataon’i Jesoa izay tsy mbola hitantsika hatreto. Raha ny marina dia fahagagana roa izany: fahagagana iray izay nanasitrana ny vatan’ilay zanakalahy tsy teo an-toerana ary fahagagana iray izay nitsabo ny tsy finoana ka namboly finoana tao am-pon’ilay raim-pianakaviana izay nanatrika teo” (The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, boky miisa 4 [1979–81], 2:12).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no zava-dehibe ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy kanefa tsy mitady famantarana?
-
Ahoana no hanamafisan’ny Tompo ny finoantsika rehefa mino amim-pahatokiana Azy isika?
-
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jaona 4 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: