Fizarana 26: Andro 4
1 Timoty
Fampidirana
Nanoratra tamin’i Timoty, izay mpitarika tao amin’ny fisoronana tany Efesosy i Paoly Apôstôly, ary nanoro hevitra azy izy mba hahazoana antoka fa fotopampianarana marina no ampianarina. Nanome ireo fepetra takina amin’ny eveka sy diakona izy ary nanoro hevitra an’i Timoty mba ho fianarana ho an’ny mpino. Nanainga ireo Olomasina mba hikarakara ny mahantra sy ny mpitondrantena i Paoly. Namarana ny epistiliny izy tamin’ny fampianarana fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Timoty 6:10).
1 Timoty 1–3
Nanome torolalana an’i Timoty mikasika ny andraikiny amin’ny fiahiana ny Fiangonana i Paoly
Vakio ity tantara manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity: “Tsaroko ny fotoana iray, taona maro lasa izay, nandritra ny fotoana naha-eveka ahy. Nandritra ny fotoam-panokafana fivorian’ny fisoronana indray alahady maraina, dia niomana handroso ny zatovolahy iray amin’ny anjara fanompoan’ny mpisorona izahay. Namangy ny paroasinay io andro io ny mpikambana iray tao amin’ny filankevitra avo izay efa niasa tao amin’ny tempoly ihany koa. Rehefa nampiomana ilay zatovolahy mba hipetraka hiatrika ny daholobe mba hahafahana manatontosa ny fandrosoana amin’ny fisoronana ny tenako dia hoy ilay mpikamban’ny filankevitra avo tamiko hoe, ‘Ry Eveka, rehefa manatanteraka ny fandrosoana ny olona iray dia asaiko mitodika mankany amin’ny tempoly foana io olona io.’ Novainy ny fitodik’ilay seza mba hahafahan’ilay zatovolahy mitodika mankany amin’ny tempoly. Tonga dia nahatsikaritra fomba fanao tsy nahazoana lalana aho” (“Opening Remarks” [fivoriana maneran-tany fampiofanana ireo mpitarika, nôv. 2010], lds.org/broadcasts).
Amin’ny maha-eveka azy dia nahazo lalana hiahy ny asan’ny Tompo tao amin’ny paroasiny ny Filoha Monson, fa tsy ilay mpikamban’ny filankevitra avo. Inona araka ny eritreritrao no tokony hataon’ny eveka manoloana izany toe-javatra izany? (Ny tohin’ny tantaran’ny Filoha Monson dia ho fantatra any aoriana any ato anatin’ity lesona ity.)
Nanoratra epistily iray ho an’i Timoty, izay tanora mpitarika tao amin’ny fisoronana tany Efesosy i Paoly Apôstôly. Tao amin’ilay sampan’ny Fiangonana niahiany dia niatrika olana mitovy amin’izay nianjady tamin’ny Filoha Monson tao amin’ilay tantara vao novakianao teo i Timoty.
Vakio ny 1 Timoty 1:3–7 dia tadiavo ny andraikitra nomen’i Paoly an’i Timoty.
Ilay teny hoe anganongano (andininy 4) dia milaza fampianarana diso; ny fihainoana “tantaram-pirazanana tsy hita lany” (andininy 4) dia manambara ilay finoana nenti-paharazana diso fa ny famonjena dia natokana ho an’ireo taranak’i Abrahama voafidy ihany, izay fantatra matetika tamin’ny fananany tetiarana lavabe na tsy hita lany; ary ny “taria foana” (andininy 6) dia milaza resadresaka tsy misy tanjona (jereo ny 1 Timoty 1:6).
Araka ny 1 Timoty 1:6–7, dia nahoana no zava-dehibe tamin’i Timoty ny nanatanteraka ny andraikitra nomen’i Paoly azy?
Mianatra avy amin’ny fampianaran’i Paoly isika fa ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia manana ny andraikitra mba haka antoka fa fotopampianarana marina sy fomba fanao ara-dalana no ampianarina.
Vakio ny tohin’ny tantaran’ny Filoha Monson, ary jereo izay nasetriny ny zavatra nataon’ilay mpikambana tao amin’ny filankevitra avo: “Hitako fa izany zavatra izany [ny mampitodika ilay olona mankany amin’ny tempoly] dia mety ho lasa fomba fanao ataon’ny maro. Na dia tanora lavitra noho ilay mpikamban’ny filankevitra avo aza ny tenako dia fantatro izay tokony natao. Navadiko mba hitodika any amin’ny daholobe indray ny seza ary nilaza taminy aho hoe, ‘Ato amin’ny paroasinay dia miatrika ny daholobe ny olona haroso’” (“Opening Remarks,” lds.org/broadcasts).
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny amin’ny hoe mitahy ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fomba ahoana ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay maka antoka fa fotopampianarana marina sy fomba fanao ara-dalana no ampianarina ato amin’ny Fiangonana.
Ao amin’ny 1 Timoty 1:8–11 dia mianatra isika fa i Paoly dia nampitandrina ny amin’ireo izay naniry ho mpampianatra ny lalàn’ Andriamanitra nefa tsy nahatakatra tsara ny lalàna. Vakio ny 1 Timoty 1:12–16 dia jereo ny antony nanehoan’i Paoly fankasitrahana an’i Jesoa Kristy.
Araka ny andininy 15–16 dia amin’ny fomba ahoana i Paoly no “fianarana” ho an’ireo rehetra izay mino an’i Jesoa Kristy?
Ao amin’ny 1 Timoty 1:17–2:15 dia manoro hevitra an’i Timoty mba hifikitra amin’ny finoany i Paoly, ary nampianatra izy fa i Jesoa Kristy no Mpanelanelana antsika amin’ Andriamanitra. Nanainga ireo vehivavy mba ho maotina fiakanjo ihany koa i Paoly. Ao amin’ny 1 Timoty 3 dia mamaky ny fampianaran’i Paoly momba ireo fepetra takina amin’ny eveka sy ny diakona isika. Mariho fa ireo diakona tamin’ny Fiangonana fahiny ireo dia tsy zatovolahy 12 na 13 taona, tahaka ny amin’izao fotoana izao.
1 Timoty 4–5
Mamariparitra ireo toetra tokony hananan’ny mpanompo mahatokin’i Jesoa Kristy i Paoly
Ao amin’ny 1 Timoty 4:1–11 dia mamaky ny faminanian’i Paoly Apôstôly isika fa amin’ny “andro aoriana” (andininy 1) dia hiala amin’ny finoana ary hanaraka fampianarana sy fomba fanao diso, toy ny fandrarana ny fanambadiana ny mpikamban’ny Fiangonana sasany. Nanainga an’i Timoty mba hampianatra fotopampianarana marina ireo Olomasina i Paoly.
Vakio ny 1 Timoty 4:12 dia jereo ny torohevitra nomen’i Paoly fa tokony ho toetran’i Timoty.
Aminao, midika inona ny hoe “fianarana ho an’ny mpino”?
Amin’ny lafiny inona i Paoly no nanoro hevitra an’i Timoty mba ho fianarana ho an’ny mpino?
-
Diniho ireo lafiny tokony haha-fianarana ho an’ny mpino an’i Timoty araka ny torohevitr’i Paoly (jereo ny 1 Timoty 4:12). Misafidiana anakintelo amin’ireo lafiny ireo, dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hahafahan’ny olona iray ho fianarana ho an’ny mpino amin’ireo lafiny tsirairay ireo.
Vakio ny 1 Timoty 4:13–16 sady karohy ny torohevitra fanampiny nomen’i Paoly an’i Timoty izay hanampy azy ho lasa fianarana ho an’ny mpino.
Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Timoty 5 dia nanoro hevitra an’i Timoty ny amin’ny tokony hikarakaran’ireo Olomasina ny sahirana i Paoly, tafiditra amin’izany ireo vehivavy mpitondratena.
1 Timoty 6
Nanainga an’i Timoty mba hanampy ny hafa hikatsaka harena mandrakizay i Paoly
Mieritreritra ve ianao fa ny fananana vola be dia mitondra amin’ny faharatsiana kokoa sa amin’ny tsara kokoa? Nahoana?
Mamaky ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty momba ny vola isika ao amin’ny 1 Timoty 6. Vakio ny 1 Timoty 6:6–10 dia jereo ny zavatra nampianarin’i Paoly sy ny fampitandremany mikasika ny harembe.
Inona araka ny hevitrao no tiana holazaina amin’ilay andian-teny hoe “ny fitiavam-bola no fototry ny faharatsiana rehetra” (1 Timoty 6:10)?
Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ny fampianaran’i Paoly ny hoe ny fitiavam-bola dia mitondra amin’ny tsy fahamarinana sy ny apôstazia.
Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny fitiavam-bola fa tsy ny vola akory no mitarika amin’ny tsy fahamarinana. Diniho fa ny fampitandreman’i Paoly dia natokana ho an’ny olon-drehetra—na ny mahantra na ny mpanan-karena.
-
Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe amin’ny fomba ahoana ny fitiavam-bola (fa tsy ny vola) no mitondra amin’ny tsy fahamarinana.
Vakio ity teny nambara manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Tsy hoe ratsy akory ny vola. Ilay Samaritana Tsara fanahy dia nampiasa ilay karazana vola nitovy tamin’ilay nampiasain’i Jodasy mba hamadihana ny Mpamonjy. Fa ‘ny fitiavam-bola [no] fototry ny faharatsiana rehetra.’(1 Tim. 6:10; nampiana soramandry.) Ny fahasamihafana tena manan-danja dia ny halalin’ny lafiny ara-panahy heverintsika rehefa mijery sy mandanjalanja, ary mitantana ireo zavatr’izao tontolo izao sy ny fampiasantsika izany isika.
“Raha toa avelantsika ho zavatra indraindraina na ho laharam-pahamehana ny vola dia mety hahatonga antsika ho tia tena sy hieboebo, ho ‘mizihitra ao amin’ny zava-poanan’izao tontolo izao’ izany. (Almà 5:37.) Raha zavatra hafa kosa no hampiasantsika azy, dia ny hanatanterahantsika ireo adidy araka ny lalàna, sy handoavantsika ireo fahafolonkarena sy fanatitra, dia afaka maneho fahamarinan-toetra sy mikolokolo tsy fitiavan-tena ny vola. Ny fampiasana ny vola araka ny fahazavana ara-panahy dia afaka manampy antsika hiomana amin’ny lalàna avoavon’ny voninahitra selestialy” (“Spirituality,” Ensign, nôv. 1985, 63).
Vakio ny 1 Timoty 6:11–12, 17–19 dia jereo ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty sy an’ireo mpanan-karena.
Diniho ny fomba hahafahan’ny torohevitr’i Paoly manampy antsika mba hanana ny toe-tsaina tokony ho izy mikasika ny fikatsahana harena sy ny fampiasana ny vola na ny endrika harena azo tsapain-tanana hafa.
Raha mahatoky an’Andriamanitra sy manan-karena amin’ny asa tsara ireo Olomasina dia inona no azon’izy ireo “[hazonina]”, raha ny nambaran’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 6:19?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny torohevitr’i Paoly ny hoe raha matoky ilay Andriamanitra velona sy manan-karena amin’ny asa tsara isika dia afaka hihazona ny fiainana mandrakizay.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Raha ny fahatokisana an’ Andriamanitra sy ny fanarahana ny fahamarinana no laharam-pahamehantsika voalohany indrindra dia ahoana no mety ho fiantraikan’izany amin’ny fomba fijerintsika sy ny fikatsahantsika ary ny fampiasantsika ny vola?
Rehefa matoky an’Andriamanitra sy manao ny fanarahana ny fahamarinana ho laharam-pahamehana ianao dia afaka mahazo ireo harenan’ny fiainana mandrakizay tena izy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny 1 Timoty aho ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: