Fizarana 7: Andro 1
Matio 26:31–75
Fampidirana
Nanomboka mitondra teo Aminy ny fahotan’ny olona rehetra i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane ho ampahany amin’ny Sorompanavotany. Namadika an’i Jesoa tamin’ireo mpitarika Jiosy i Jodasy. Dia notsaraina tsy ara-dalàna teo anoloan’i Kaifasy, ilay mpisoronabe i Jesoa ka nanoherana Azy tao ireo fiampangana diso. Nandà in-telo ho tsy nahafantatra ny Mpamonjy tamin’ireo izay nilaza azy ho iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy i Petera nandritra izany fotoana izany.
Matio 26:31-46
Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy
Eritrereto izao zava-mitranga manaraka izao: Nampianarina hatramin’ny fahazazany ny zatovolahy iray fa andraikitra ao amin’ny fisoronana ny manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Mahatsapa izy amin’ny maha-mpitovo azy fa tokony hanao asa fitoriana, manana olona amin’ny fanolorantena handeha anefa izy. Liana kokoa amin’ireo fahafahana hafa izy ary manahy fa hanakana azy tsy hahazo ireo traikefa ireo ny asa fitoriana.
Amin’ny toe-javatra miseho hafa inona no mety tsy hitovy amin’ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataon’izy ireo ny faniriana ananan’ny zatovolahy sy ny zatovovavy?
Saintsaino ireo fotoana izay mety ho nahitanao fa sarotra ny mampanoa ny sitraponao amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Rehefa manohy mandalina ny ambin’ny Matio 26 ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manampy anao rehefa sahirana amin’ny fanaovana izay angatahin’ny Ray any An-danitra mba ho ataonao ianao.
Tsarovy fa ny Matio 26:1-30 dia miresaka momba ny fotoana izay nihinanan’ny Tompo ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny Apôstôliny ka nanorenany ny fanasan’ny Tompo. Vakio ny Matio 26:31-35, ka tadiavo izay naminanian’i Jesoa fa hitranga amin’ny Apôstôliny.
Ao amin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe tafintohina dia midika hoe hitodika na hanadino.
Diniho ny nasetrin’i Petera sy ireo Apôstôly hafa ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy:
Vakio ny Matio 26:36-38, ary tadiavo ny toerana nandehanan’i Jesoa sy ireo Apôstôliny taorian’ny sakafon’ny Paska.
Jereo ny sarin’ny Tendrombohitra Oliva sy ny Sahan’i Getsemany ao amin’ny sary ao amin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF lah. 11 sy lah. 12. Sahana hazo oliva izay teo na teo akaikin’ny Tendrombohitra Oliva, teo ivelan’ny rindrin’i Jerosalema i Getsemane. “Ny teny hoe getsemane dia midika hoe ‘famihazana oliva’” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Getsemane,” scriptures.lds.org).
Asio marika ireo andian-teny ao amin’ny Matio 26:36-38 izay mamaritra ny fahatsapan’i Jesoa rehefa niditra tao Getsemane Izy.
Vakio ny Matio 26:39-4, ary tadiavo ny zavatra nataon’i Jesoa rehefa avy “nandroso kelikely” tao amin’ilay saha Izy.
Ny kapoaka izay nolazain’ny Mpamonjy dia teny hilazana ny ngidin’ny fijaliana niainany ho ampahany amin’ny Sorompanavotana. Nanomboka nitondra teo Aminy ny fahotana sy ny fijalian’ny olona rehetra i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane ho ampahany amin’ny sorompanavotana lehibe nataony.
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny zavatra nangatahin’i Jesoa tamin’ny Ray rehefa nangataka Izy mba hanaisotra Aminy ilay kapoaka: “Niteny marina ny Tompo hoe: ‘Raha misy lalana hafa dia aleoko kokoa mandeha amin’izany. Raha toa ka misy fomba hafa—na inona na inona fomba hafa—dia hifikitra amin’izany amin-kafaliana Aho.’ … Tsy noesorina anefa ilay kapoaka tamin’ny farany” (“Teaching, Preaching, Healing,” Ensign, jan. 2003, 41).
Azonao atao ny manisy marika ilay andian-teny hoe: “nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao” (Matio 26:39; jereo ihany koa ny F&F 19:19).
Na dia nangataka fomba hafa mba hanatanterahana ny fikasan’ny Ray aza Izy dia nampanoa ny sitrapony tamin’ny sitrapon’ny Ray mba hanatanterahana ny Sorompanavotana i Jesoa Kristy.
Saintsaino ny zavatra azontsika ianarana momba an’i Jesoa avy amin’ny fahavononany hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra na dia nidika aza izany fa hiaritra fijaliana goavana sy fahatesana tsy ho ela Izy.
Fenoy araka izay nianaranao tao amin’ny Matio 26:39 izao teny natao manaraka izao: Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Isika rehefa .
-
Avereno jerena ilay zava-nitranga sy ny toe-javatra niseho izay notanisainao tany am-piandohan’ity lesona ity. Dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hahafahan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy manampy antsika ao anatin’ireo toe-javatra miseho ireo?
-
Eritrereto ireo fotoana izay naha-samy hafa ny fanirianao tamin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra kanefa nisafidy ny hanaraka ny sitrapony ianao tamin’ny farany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny iray amin’ireo zavatra niainanao raha toa ka tsy an’ny tena manokana izany, ary hazavao ny antony nanaovanao izany safidy izany sy ny fahatsapanao momba izany.
Fantaro ny fomba miavaka iray izay hanarahanao ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fampanoavana ny sitraponao amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Mametraha tanjona mba hampiharana izay zavatra hitanao.
Ivereno ny Matio 26:37-38, ka tadiavo ny toromarika nomen’ny Mpamonjy an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona tao Getsemane.
Ny toromarika hoe “miaraha miari-tory amiko” ao amin’ny andininy 38 dia midika ho mifoha, na mailo. Mba hahatakarana bebe kokoa ny antony mety nilàn’ny mpianatra ny toromariky ny Mpamonjy mba hiaraka hiari-tory Aminy dia mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy fanazavana fa rehefa tonga teo amin’ny saha ireo mpianatra dia “nanomboka ho very hevitra izaitsizy sy ho nitebiteby fatratra ary nitaraina tao am-pony, velom-panontaniana raha ity no ilay Mesia” (Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:36 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Rehefa nanome toromarika ny mpianany mba hiaraka hiari-tory Aminy i Jesoa dia nampitandrina azy ireo mba ho mailo satria hosedraina ny finoan’izy ireo Azy.
Vakio ny Matio 26:40, tadiavo izay hitan’i Jesoa fa nataon’i “Petera sy ireo zanakalahin’i Zebedio roa [Jakoba sy Jaona]” (Matio 26:37) raha nivavaka Izy.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Lioka 22:45 dia mampiseho fa natory izy ireo, “satria heniky ny alahelo izy ireo.”
Vakio ny Matio 26:41, ka tadiavo izay nasain’i Jesoa Kristy hataon’izy ireo.
Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ny toromarika nomen’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôly ireo izao manaraka izao: Raha toa ka miambina sy mivavaka tsy tapaka isika dia hanana tanjaka handresena ny fakam-panahy.
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ilay fehezan-teny hoe: “mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery” (Matio 26:41)
Mety hevitra iray ny hoe te hankatò ny Mpamonjy izy ireo saingy namela ny fanirian’ny nofo te hatory handresy ny fanirian’ny fanahy mba hiari-tory sy hivavaka. Saintsaino ny fomba hanampian’ny fahatakarana izany fehezan-teny izany antsika mba handresy ny fakam-panahy.
Rehefa avy nitanisa ny Matio 26:41 ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niteny hoe: “Ho antsika ihany koa ny fampitandreman’[ny Mpamonjy] ho an’i Petera. Azo antoka fa ilay amboadia izay hanomo ny ondry dia handratra ny mpiandry ondry. Koa tsy maintsy miambina ny tenantsika isika tahaka ny hafa ihany koa” (“Watch with Me,” Ensign, mey 2001, 39).
Tadidio fa ny hoe “miaraha miari-tory” dia midika hoe mifoha, na mailo. Mieritrereta momba ny fomba ahafahan’ny fiambenana ara-panahy sy fivavahana manampy antsika handresy ny fahalementsika ka haharitra ny fakam-panahy.
Saintsaino raha toa ka efa tratran’ny fakam-panahy ianao satria tsy nivavaka sy tsy mailo. Saintsaino ny fomba fiantraikan’izany safidy izany teo aminao. Manaraka dia saintsaino ny fotoana izay nandresenao ny fakam-panahy tamin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fiambenana. Inona no nanampy anao ho mailo ara-panahy sy hivavaka hatrany?
Soraty amin’ny taratasy iray mitokana ny zavatra iray izay hataonao mba ho mailo sy hivavaka tsy tapaka bebe kokoa. Ento miaraka aminao izany taratasy izany mba hampahatsiahy anao ny tanjonao.
Mariho fa ny Matio 26:42-46 dia mirakitra fa mivavaka in-telo i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Naneho ny fahavononany hankatò ny sitrapon’ny Rainy Izy isaky ny vavaka tsirairay.
Matio 26:47–75
Nosamborina sy notsaraina teo anoloan’i Kaifasy i Jesoa Kristy.
Nikononkonona ny hamono an’i Jesoa ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna. Ilay tsikombakomba ratsy dia nahitana an’i Jodasy mpanao kolikoly, izay nanolotra tenivavolombelona sandoka, nahatonga fahafaham-baraka, ary nampijaly an’i Jesoa mihitsy aza. Noterena hiatrika fitsarana roa ny Mpamonjy: Ny voalohany dia fitsarana Jiosy teo anolon’ny Synendriona tao Jerosalema—filankevitra nahitana mpikambana 71, ka anisan’izany ny Levita, ny mpanora-dalàna, ny Fariseo, ny Sadoseo, ary ireo vondrona hafa ara-politika, izay teo ambanin’ny fiahian’ny mpisoronabe avokoa, izay Kaifasy tamin’izay fotoana izay. Ny faharoa dia fitsarana teo anoloan’i Pilato. Noampangaina ho nanao fitenenan-dratsy (maniratsira, manimbazimba, na manozona an’ Andriamanitra) i Jesoa nandritra ilay fitsarana Jiosy satria niantso ny tenany ho zanak’ Andriamanitra (jereo ny Matio 26:64–65). Satria raharahan’ny Jiosy anefa ny fitenenan-dratsy ary tsy nisy nidiran’ny Romana izany, dia nanova ny fiampangana ho fikomiana ireo mpitarika Jiosy rehefa nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilato. Niezaka nandresy lahatra ny Romana ireo mpitarika Jiosy fa niezaka ny hampakatra ny tenany ho mpanjaka Izy, ka nanantena ny Romana hampamono Azy amin’ny hoe mpamadika an’i Kaisara. Tsy nahita fahadisoana tamin’i Jesoa anefa i Pilato nandritra ilay fitsarana Romana. Kanefa dia nanome lalana ny famonoana an’i Jesoa ihany i Pilato tamin’ny farany mba hampitoniana ireo mpitarika Jiosy.
Vakio ity teny manaraka ity izay nataon’ny Gerald N. Lund, izay lasa mpikambana tao amin’ny Fitopololahy taty aoriana: “Alaivo sary an-tsaina [i Jesoa Kristy] ilay Olona izay mampilamina ny tontolo ny heriny, ny fahazavany, ny voninahiny, ilay Olona izay miteny ka manjary misy ny système solaire; ny galaxies ary ny kintana—izay mijoro eo anoloan’ny olon-dratsy ka tsarain’izy ireo ho tsy misy lanjany!” (“Knowest Thou the Condescension of God?” ao amin’ny Doctrines of the Book of Mormon: The 1991 Sperry Symposium, ed. Bruce A. Van Orden sy Brent L. Top [1992], 86).
Na dia nanana ny fahefana handrava ny olona izay nikapoka sy nandrora Azy aza i Jesoa Kristy dia nijaly sy niaritra izany tamin-tsitrapo Izy. Tsy fantatry ny mpitarika sy ireo miaramila Romana ny hery tsy misy fetra afaka nianteheran’i Jesoa raha toa sitrapon’ny Ray ny nanaovany izany.
Zahao ny Matio 26:47–68, ka tadiavo ny fomba nanohizan’i Jesoa Kristy nampihatra fifehezana ka nanoa ny sitrapon’ny Rainy na dia rehefa notevatevaina sy notsarain’ireo olon-dratsy aza Izy (jereo ihany koa ny 1 Nefia 19:9). Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra manaitra anao momba ny fahavononan’ny Mpamonjy hanao ny sitrapon’ny Ray any An-danitra na inona na inona zava-nitranga. Soraty ihany koa ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ny amin’ny fankatoavana.
Diniho ao amin’ny Matio 26:56 fa ilay faminanian’ny Mpamonjy fa handao Azy ireo Apôstôliny dia tanteraka. Tsy naharitra ela anefa izany fandaozana izany.
Ny Matio 26:69–75 dia mirakitra fa nandà ho tsy nahafantatra Azy in-telo i Petera rehefa notsaraina i Jesoa taorian’ny fisamborana Azy. (Fanamarihana: Hovoaboasana bebe kokoa ny fandavan’i Petera ao anatin’ny lesona momba ny Lioka 22.)
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 26:31–75 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: