Tahirim-pitaovana
Fizarana 22, Andro 1: 1 Korintiana 7–8


Fizarana 22: Andro 1

1 Korintiana 7–8

Fampidirana

Nanome torolalana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana na manambady na tsia tao Korinto i Paoly Apôstôly momba ny fanambadiana sy ny asa fitoriana. Raha namaly fanontaniana iray momba ny fihinanana ny hena atao fanatitra ho an’ny sampy izy, dia nampianatra ireo Olomasina mba hieritreritra ny vokatry ny zavatra ataon’izy ireo manokana eo amin’ny hafa sy mba ho vonona ny tsy hanao na inona na inona izay mety hitaona ny hafa ho tafintohina ara-panahy.

1 Korintiana 7

Nanome torohevitra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana na manambady na tsia momba ny fanambadiana i Paoly

  1. journal iconAtaovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanehoana an-tsary manaraka ity. Ho fenoinao izy io eo am-pandalinanao ny 1 Korintiana 7.

    fanehoana an-tsary ny fanambadiana

Tahaka antsika, ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto dia niaina tao anaty fiarahamonina izay nanana hevitra manahiran-tsaina sy misy fifanoherana momba ny fanambadiana sy ny firaisana na fiarahana ara-nofo. Amin’ity ary ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara hafa, dia zava-dehibe ny fahafahana manavaka ny finoana marina sy diso.

Ao amin’ny 1 Korintiana 5–6 ianao dia mamaky momba ny finoana diso sasantsasany mikasika ny firaisana ara-nofo izay nibahana tao Korinto. Iray amin’ireo finoana diso ireo ity manaraka ity: Azo ekena ny manao firaisana ara-nofo na amin’iza na amin’iza. Soraty eo ambanin’ny lohateny hoe “Finoana diso:” eo amin’ny lafiny havanan’ilay fanehoana an-tsary ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izany filazana izany. Diniho hoe nahoana io filazana io no diso.

Nanoratra ho an’i Paoly Apôstôly ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto mba hangataka fitarihana mikasika ny fenitry ny Tompo amin’ny fahadiovana ara-pitondrantena. Vakio ny 1 Korintiana 7:1 dia tadiavo ny zavatra nanontanian’ny Olomasina Korintiana an’i Paoly.

Ny andian-teny hoe “tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory” ao amin’ny andininy 1 dia milaza fa ny Olomasina Korintiana dia nanana fanontaniana mikasika ny fotoana maha-mety ny firaisana ara-nofo sy ny hoe mety ve izany. Ankoatra izany dia mety nisy nametra-panontaniana mihitsy aza ny sasany raha toa ka tokony hanao firaisana ara-nofo ny mpivady na tsia. Soraty eo ambanin’ny lohateny hoe “Finoana diso:” eo amin’ny lafiny havian’ilay fanehoana an-tsary ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao. Tsy azo ekena ny manao firaisana ara-nofo, eny fa na ao anatin’ny fanambadiana aza.

Samy maneho fomba fijery mihizingizina izay miova amin’ny fenitr’ Andriamanitra ho an’ny firaisana ara-nofo ireo finoana diso izay voasoratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Vakio ny 1 Korintiana 7:2–3 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly ireo Olomasina Korintiana momba ny firaisana ara-nofo. Ny teny hoe fijangajangana ao amin’ny andininy 2 dia milaza ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana, ary ny andian-teny hoe “izay mety hatao” ao amin’ny andininy 3 dia milaza ny fitiavana sy ny fifandraisana akaiky izay ifanehoan’ny mpivady.

Ianarantsika ao amin’ny Jeunes Soyez Forts fa “Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia zavatra tena kanto sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady. Nandidy Andriamanitra fa ny firaisana ara-nofo dia natokana ho an’ny fanambadiana” ([bokikely, 2011], 35).

Soraty eo ambanin’ny lohateny hoe “Fahamarinana:” ao anaty diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao: Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia tendrin’ Andriamanitra.

Hoy ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Filoha Boyd K. Packer

“Mbola tsy nofoanana mihitsy ny didy hihabetsaka sy hameno ny tany. Zava-dehibe ho an’ny drafitry ny fanavotana izany ary loharanon’ny fahasambaran’ny olombelona. Afaka ny ho akaikin’ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fampiasàna amim-pahamarinana io fahefana io ary hahatsapa ny fahafenoan’ny fifaliana, dia ho lasa andriamanitra mihitsy aza. Tsy famenon’ny drafitry ny fahasambarana fotsiny ny hery ahafahana miteraka fa drafitry ny fahasambarana izany. Fanalahidy hahazoana ny fahasambarana izany.

“Ny faniriana hitady olona hiarahana dia misy foana ao anatin’ny olombelona ary tena mahery vaika izany. Miankina amin’ny fihetsitsika manoloana izany faniriana ara-batana tsy tapaka sy mandresy lahatra izany ny fahasambarantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ny fifaliantsika ary ny fisandratantsika” (“Ny drafitry ny fahasambarana,” Ensign na Liahona, mey 2015, 26).

Nahoana ny fananahana—ilay fahafahana mamorona fiainana mety maty— no manan-danja lehibe tokoa ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena ireo zanany?

Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 7:1–24, i Paoly dia nampianatra hoe tokony tsy hihazona ny fanehoam-pitiavana eo amin’ny izy samy izy ny mpivady raha tsy hoe amin’ny toe-javatra miavaka izay mandalo fotsiny; sy ny hoe mahazo manambady indray ireo mpikamban’ny Fiangonana maty vady sy nisara-bady raha izay no safidiny; ary ny hoe ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tokony “hitoetra amin’ Andriamanitra” (1 Korintiana 7:24) na inona na inona toe-javatra misy azy. Namporisika ny tsy hanaovana fisaraham-panambadiana ihany koa i Paoly.

Nisy mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto no tsy Kristiana ny vadiny. Diniho ny sasany amin’ireo olana mety atrehan’ny mpivady samy hafa finoana.

Vakio ny 1 Korintiana 7:12–17 dia tadiavo hoe inona ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly izay afaka manampy ireo fianakaviana tafasaraka ankehitriny.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io ity manaraka ity: Ireo mpanara-dia mahatokin’i Jesoa Kristy dia mitondra fahamasinana ho an’ny fianakaviany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo ohatra efa hitanao izay maneho fa ny mpikamban’ny Fiangonana iray dia nitondra voka-tsoa ho an’ny fianakaviany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana na tsy mazoto ao amin’ny Fiangonana?

Ao amin’ny 1 Korintiana 7:25–40 i Paoly dia niresaka momba ny tombontsoa sy ny faty antoka ho an’ny olona tokan-tena na manam-bady rehefa “voantso ho amin’ny asa fanompoana” (Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 7:29 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.lds.org]), na nantsoina hanao asa fitoriana. Nampianatra izy fa ho an’ny misiônera tsy manambady na tokan-tena dia ho vitsy kokoa ny zavatra hivilian’ny sainy rehefa manompo noho ny olona izay manambady sy sahiran-tsaina amin’ny zavatra ara-batana mikasika ny fanomezana izay ilain’ny fianakaviany. Na izany aza dia tsy nandrara azy ireo tsy hanambady izy na koa hoe tsy hanao asa fitoriana rehefa olona manambady . Ohatra vitsivitsy maneho mpivady mandray anjara amin’ny fanompoana amin’ny fotoana feno ao amin’ny Fiangonana ankehitriny ireo misiônera mpivady zokiolona, ireo filohan’ny misiôna, ireo filohan’ny tempoly ary ireo Manampahefana Ambony ao amin’ny Fiangonana.

1 Korintiana 8

Namaly fanontaniana iray momba ny fihinanana ny hena atao fanatitra ho an’ny sampy i Paoly

Ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity traikefa manaraka ity:

Loholona L. Tom Perry

“Nahita aho fa raha toa ianao miaina amin’ny fomba tokony hiainanao, dia ho tsikaritry ny olona sy ho latsaka ao am-pon’izy ireo ny finoanao ka ho afaka hampiova ny fiainan’ny hafa ianao.

“Tamin’ny sehatry ny fivarotana amin’ny magazay lehibe no asa nataoko hatrizay. Noho izaho anisan’ny mpandraharaha ambony, dia zava-dehibe tamiko ny mifandray amin’ireo orinasa teo an-toerana. Ny fivoriana miaraka amin’ny ankamaroan’ireo orinasa ireo dia manomboka foana amin’ny cocktail mandritra ny adiny iray [fotoana izay raha ny mahazatra dia handrosoana zava-pisotro misy alikaola]. Izany dia fotoana natao hifangaroana amin’ny olona sy hifankahalalana amin’ireo lehilahy izay niasa tao amin’ilay orinasa. Tsy nahazo aina hatrany aho mandritra ireny ora hifaneraserana ireny. Tamin’ny voalohany dia natomboko tamin’ny fangatahana soda miharo voasarimakirana. Tsy ela dia hitako fa ny soda miharo voasary makirana dia miendrika toy ny maro amin’ireo zava-pisotro hafa. Tsy afaka naneho aho hoe tsy misotro alikaola miaraka amin’ilay soda tsy misy loko teny an-tanako” (“The Tradition of a Balanced, Righteous Life,” Ensign, Aôg. 2011, 48–49).

Inona no mety ho nitranga raha toa ka nanohy nisotro zavatra tsy misy alikaola izay mitovy endrika amin’ny zava-pisotro misy alikaola nandritra ireo fotoana fifaneraserana tamin’olona ireo ny Loholona Perry?

Inona ireo toe-javatra vitsivitsy izay mety hitondran’ny ohatra asehonao voka-dratsy ho an’ny hafa na dia tsy manao ratsy aza ianao?

Nanontany tena ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto hoe azo ekena ve ny fihinanan’izy ireo sakafo izay natao fanatitra ho an’ny sampy, na andriamani-kafa. Ho valin’izany, dia nanaiky i Paoly hoe mety hieritreritra ny mpikamban’ny Fiangonana fa azo ekena izany satria fantatr’izy ireo fa tsy tena misy ny sampy (jereo ny 1 Korintiana 8:4–6).

Vakio ny 1 Korintiana 8:1 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly ireo Olomasina Korintiana.

Jereo ao amin’ny andininy 1 hoe inona no vokatry ny fahalalana ary inona no vokatry ny fitiavana. Nanome hevitra i Paoly hoe ny fiantrana (“ilay fitiavana madion’i Kristy” [Môrônia 7:47], ny fananana fitiavana feno fahafoizan-tena ho an’ny hafa) dia manan-danja kokoa noho ny fanehoana fahalalana ny lalàna manokana momba ny sakafo.

Vakio ny 1 Korintiana 8:7–11 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fihinanana ny sakafo izay mety efa natao fanatitra ho an’ny sampy. Ny teny hoe malemy ao amin’ireo andininy ireo dia entina ilazana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay malemy amin’ny finoany. Ny teny hoe hena ao amin’ny Baiboly dia matetika midika hoe “sakafo.” Ny teny hoe fahafahana ao amin’ny andininy 9 dia milaza ny tsy fisian’ny didy manokana izay mandrara ny fihinanana sakafo voafaritra.

Jereo ao amin’ny 1 Korintiana 8:9 fa nanome antony iray mandresy lahatra i Paoly izay tokony hisafidianan’ny Olomasina tsy hihinana ny hena naterina amin’ny sampy. Inona no ohatra nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 8:10–11 izay mikasika ny fomba iray izay mety hahatonga ny fihinanana hena naterina amin’ny sampy ho lasa mahatafintohina?

Vakio ny 1 Korintiana 8:12–13 dia tadiavo ny fomba namaranan’i Paoly ny fampitandremany mikasika ny fanaovana zavatra izay mety hahatafintohina ny hafa. Ny andian-teny hoe “mahatafintohina ny rahalahiko” ao amin’ny andininy 13 dia azo adika ihany koa hoe “mahatonga ny rahalahiko hianjera na hangozohozo”

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’i Paoly ity manaraka ity: Afaka maneho fiantrana ho an’ny hafa isika amin’ny fialana amin’ny fanaovana zavatra izay mety hahatafintohina azy ireo ara-panahy. (Mety hahatadidy avy amin’ny fandalinanao ny Romana 14 ianao hoe nampianarin’i Paoly fitsipika mitovy amin’izany ireo Olomasina tany Roma.)

Vakio ny ambin’ny tantaran’ny Loholona Perry momba ny safidiny nandritra ilay ora nanaovana cocktail. Jereo ny fomba nampiharany io fitsipika io.

Loholona L. Tom Perry

“Nanapa-kevitra aho hoe mila misotro zavatra izay mampiseho mazava fa tsy misotro zava-pisotro misy alikaola aho. Nankeo amin’ny mpizara zava-pisotro aho ka nangataka ronono iray vera. Tsy mbola nisy nangataka zavatra toy izany teo amin’ilay mpizara zava-pisotro. Nankany an-dakozia izy ary nahita ronono iray vera ho ahy. Tena samihafa amin’ny zava-pisotro misy alikaola izay nosotroin’ny hafa ny zavatra nosotroiko. Tampoka teo dia nifantoka tany amiko daholo ny olona. Maro ny vazivazy natao momba ny zavatra nosotroiko. Votoanton-dresaka ny ronono nosotroiko. …

“Lasa ronono no zava-pisotro fidiako rehefa amin’ny cocktail. Tsy ela dia lasa fantatry ny rehetra hoe Môrmôna aho. Nanaitra ahy ny fanajana natao tamiko, toy izany koa ny zavatra iray mahaliana izay nanomboka nitranga. Tsy ela dia nisy hafa koa nanaraka ahy nisotro ronono rehefa amin’ny cocktail!

“Sahia miavaka. Araho ireo fenitra izay ampianarina antsika ao amin’ny filazantsara” (“The Tradition of a Balanced, Righteous Life,” 49).

ronono iray vera
  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo ohatra vitsivitsy momba ny fomba ahafahanao maneho fiantrana amin’ny hafa amin’ny tsy fanaovana zavatra izay mety hahatafintohina azy ireny ara-panahy.

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 1 Korintiana 7–8 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: