Tahirim-pitaovana
Fizarana 3, Andro 1: Matio 6–7


Fizarana 3: Andro 1

Matio 6–7

Fampidirana

Mitohy ao amin’ny Matio 6–7 ny Toriteny teo An-tendrombohitra nataon’i Jesoa. Mampianatra ireo zavatra atao entina ampisehoana ny fitandremanana ny fivavahana izay tokony hatao mba ho ankasitrahan’ny Ray any An-danitra Izy ato anatin’ity ampahan’ny toriteniny ity. Nampianatra ny mpianany koa Izy mba hikatsaka ny hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra aloha.

Matio 6:1–18

Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy mba hanao asan’ny fahamarinana

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Efa nanao zavatra tsara noho ny antony diso ve ianao? Raha izany no izy dia inona no nanentana anao hanao toy izany?

Vakio ny Matio 6:1–2, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa antony tsy araka ny tokony ho izy amin’ny fanaovana asan’ny fahamarinana.

Ny fiantrana dia asa entina ampisehoana ny fitandremana ny fivavahana, toy ny fanomezana fanampiana ho an’ny mahantra (jereo ny Matio 6:1, ). Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny antony hanaovan’ny olona fiantrana?

Mariho fa nantsoin’ny Mpamonjy hoe “mpihatsaravelatsihy” ireo olona ireo, izay milaza ireo mpandoka tena amin’ny teny Grika (jereo ny Matio 6:2, ).

Vakio ny Matio 6:3–4, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fomba tokony hanatanterahan’ireo mpianany ireo asan’ny fahamarinana. Azonao atao ny manisy marika ny fampanantenan’ny Mpamonjy ho an’ireo izay manao asan’ny fahamarinana amin’ny antony tsara.

Ny manompo mangingina dia maneho fa manatanteraka amim-pahanginana ny asa fanompoana ho an’ny hafa isika ka tsy misehoseho na mikatsaka karazana tombontsoa. Betsaka no azo ambara momba ireo asa fanompoana mangingina izay tsy ho fantatry ny olona na iza na iza ankoatra ilay notompoina sy ilay nanompo.

Fenoy izao fanambarana manaraka izao mba hamantarana fitsipika iray ianarantsika avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy: Rehefa manao zavatra entina ampisehoana ny fitandremantsika ny fivavahana isika mba ho ankasitrahan’ny Ray any An-danitra fa tsy mikatsaka ny fijerin’ny hafa, Izy dia .

Ny andian-teny hoe “hamaly anao” dia afaka midika fa hitahy antsika amin’ny ara-nofo sy ara-panahy izay mety ho hita na tsy ho hitan’ny hafa ny Ray any An-danitra kanefa ho fantatsika avy hatrany rehefa azontsika ilay fitahiana.

Vakio ny Matio 6:5–6 sy ny Matio 6:16–18, ka tadiavo ireo ohatra izay nampiasain’ny Mpamonjy mba hanehoana ilay fitsipika amin’ny fanatanterahana zavatra entina ampisehoana ny fitandremana ny fivavahana mba ho ankasitrahan’ny Ray any An-danitra. Ireo andian-teny hoe “malahelo tarehy” sy “mampisotisoty ny tavany” ao amin’ny andininy 16 dia milaza ireo olona tsirairay izay maneho ety ivelany fa mifady hanina izy ireo.

Tsy diso ny vavaka eny ampahibemaso, ary tsy ny vavaka rehetra no tsy maintsy atao mangingina. Azo atao ampahibemaso ny vavaka sy ireo fombafomba ara-pivavahana hafa raha toa ka atao amin’ny hitsim-po sy fanolorantena ary araka ireo fombafomba marina ao amin’ny Fiangonana izany.

  1. journal iconFariparito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nanatanterahanao asan’ny fahamarinana iray—toy ny fivavahana na fifadian-kanina—mba hahafaly an’Andriamanitra. Soraty ireo fomba tsapanao fa nitahiana anao noho ny fitsaohanao tamin-kitsim-po.

Nanolotra torolalana sy lamina iray momba ny fomba fivavaka araka ny tokony ho izy ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 6:7–15. Ny ohatra nasehony momba ny vavaka dia fantatra amin’ilay hoe ny Vavaky ny Tompo. Vakio ireo andinin-tsoratra masina ireo ka mitadiava fahamarinana fanampiny izay azonao ianarana momba ny vavaka avy amin’ny ohatra nasehon’ny Tompo.

Mitadiava toerana mangina sy mitokana mba hanaovana vavaka amin’ny feo mafy, ary manolora vavaka amin-kitsim-po amin’ny Ray any An-danitra ao. Inona ireo fahasamihafana tsikaritrareo eo amin’ny fanolorana vavaka amin’ny feo mafy sy ny vavaka mangina? Nifantoka bebe kokoa ve ny eritreritrao rehefa afaka nivavaka tamin’ny feo mafy ianao?

  1. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo hevi-baovao vitsivitsy avy amin’ny fandalinanao ny Matio 6:7–15 izay afaka manampy anao ho mahomby kokoa ao amin’ireo vavaka ataonao manokana.

Matio 6:19–24

Nampianatra ny mpianany i Jesoa Kristy mba hihary harena any an-danitra

Ny harena dia izay rehetra manana lanja lehibe.

vola madinika sy harona kely

Vakio ny Matio 6:19–21, ka tadiavo ireo karazana harena izay nampianaran’ny Mpamonjy ny mpianany mba hokatsahin’izy ireo.

Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa maha samy hafa ny harena hariana ety an-tany sy ny harena tehirizina any an-danitra?

Ato anatin’ity tabilao manaraka ity dia mitanisà ohatra amin’ny harena telo izay mety hokatsahin’ny olona mba hohariana ety an-tany sy ohatra amin’ny harena telo izay azontsika hariana any an-danitra.

Harena ety an-tany

Harena any an-danitra

Vakio ny Matio 6:22–24, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy izay afaka manampy antsika hitahiry harena any an-danitra.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 6:22 dia manampy antsika hahatakatra fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa mba hihary harena any an-danitra dia tsy maintsy manana maso “tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra isika” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:22 ]), izay midika hoe mampifanaraka ny fijerintsika amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ny fehezan-teny farany ao amin’ny Matio 6:24 izay afaka manampy antsika hahatsiaro ny hihary harena any an-danitra: Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna isika. Ny teny hoe mamôna dia milaza ireo harena na zavatra araka an’izao tontolo izao.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no tsy afaka manompo an’ Andriamanitra no sady manompo an’i mamôna isika?

Saintsaino ny fiainanao manokana, ary mieritrereta ohatra iray momba ny fomba ahafahan’ny fifantohana amin’ny fanirianao ny harenan’izao tontolo izao misarika ny saina tsy hanompo an’ Andriamanitra sy hihary harena any an-danitra.

Matio 6:25–34

Nampianatra ny mpianany ny Mpamonjy mba hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra aloha.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 6:25–34 dia nampianatra ny mpianany mba tsy hiahiahy momba ny fahazoana ireo zavatra fototra ilain’izy ireo ny Mpamonjy. Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 6:25–27 dia manampy antsika hahatakatra fa niresaka manokana tamin’ireo izay hiroso amin’ny fitoriana ny filazantsarany Izy (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:25–27 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]).

Vakio ny Matio 6:31–34, ka tadiavo ny fitsipika iray izay nampianarin’i Jesoa ny mpianany mba hokatsahin’izy ireo voalohany eo amin’ny fiainany. (Diniho ny teny nampiasaina ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Matio 6:33, )

Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny Matio 6:33?

“Ny fanjakan’ Andriamanitra” (Matio 6:33) dia maneho ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’izany sy amin’izao fotoana izao. Amin’izao androntsika izao, izany dia maneho ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay naverina tamin’ny laoniny mba hanomanana ny zanaky ny Ray any An-danitra amin’ny fanjakany any an-danitra—dia ny fanjakana selestialy.

Izao teny nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) manaraka izao dia afaka manampy anao hahatakatra izany fitsipika izany eo amin’ny fiainanao:

Filoha Ezra Taft Benson

“Tsy maintsy mametraka an’ Andriamanitra ho manan-danja kokoa noho ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika isika. Tsy maintsy voalohany Izy. …

“Rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika dia mipetrapetraka tsara ny zavatra hafa rehetra na miala tsy ho ao anatin’ny fiainantsika. Ny fitiavantsika ny Tompo no hitantana ireo zavatra tiantsika, ny zavatra ampiasantsika ny fotoantsika, ny zavatra safidiantsika ho atao, ary ny fahaizantsika mandahatra ny zavatra ataontsika araka ny laharam-pahamehana.

“Tokony apetratsika manoloana ny olona hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra” (“The Great Commandment—Love the Lord,” Ensign, mey 1988, 4).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no niaina ireo fitahian’ Andriamanitra rehefa nikatsaka ny hametraka Azy ho lohalaharana teo amin’ny fiainanao?

Matio 7:1–5

Nampianatra ny mpianany mikasika ny fitsarana araka any fahamarinana i Jesoa Kristy

Vakio ny Matio 7:1–2, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fitsarana.

Matetika no diso ny fahatakarana ny Matio 7:1 izay adika hoe tsy tokony hitsara na oviana na oviana isika. Mianatra anefa isika avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith fa nampianatra i Jesoa Kristy fa tokony “hitsara araka ny fitsarana marina” isika.

Inona aminao no dikan’ny hoe mitsara araka ny fahamarinana?

Vakio ny Matio 7:3-5 ary saintsaino ny fifanahafana nampiasan’ny Mpamonjy mba hampianarana antsika hisoroka ny fitsarana ny hafa tsy araka ny fahamarinana (jereo ihany koa ny Jaona 7:24).

Nanazava karazana fitsarana samy hafa ny Loholona Dallin H. Oaks:

Loholona Dallin H. Oaks

“Gaga aho hoe misy soratra masina sasany izay mandidy antsika mba tsy hitsara ary ny sasany dia mampianatra antsika fa tokony hitsara isika ary miteny amintsika ny fomba hanaovana izany mihitsy aza. Kanefa rehefa mandalina ireo andalan-tsoratra masina ireo aho dia nanjary resy lahatra fa ireo torolalana izay toa mifanohitra dia mifanaraka rehefa jerentsika amin’ny fomba fijery mandrakizay izany. “Ny vahaolana dia ny mahatakatra fa misy karazana fitsarana roa: ny fitsarana farany, izay tsy azontsika atao, ary ny fitsarana antenantenany, izay asaina ataontsika, kanefa araka ireo fitsipika marina izany. …

“Ankoatra ny famerana ny olombelona tsy hanao fitsarana farany, ny soratra masina dia mitaky ny olombelona mba hanao ilay hantsoiko hoe ‘fitsarana antenantenany.’ Ireny fitsarana ireny dia manan-danja amin’ny fampiasana ny fahafahana misafidy an’ny tena manokana. …

“Isika rehetra dia mitsara rehefa misafidy ireo namantsika, rehefa misafidy ny fomba andaniantsika ny fotoana sy ny volantsika, ary, mazava ho azy, rehefa misafidy ny vadintsika mandrakizay. …

“Amin’ireo fitsarana antenantenany izay tsy maintsy ataontsika dia tokony hataontsika izay hitsarana araka ny fahamarinana. Tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy isika rehefa mandray fanapahan-kevitra. Tokony ferantsika amin’ny fitantanan-draharahantsika ny fitsarana ataontsika. Raha mbola azo atao dia tokony ajanontsika ny fitsaratsarana mandrapahafantatsika marina ireo toe-javatra. Raha azo atao indrindra dia tokony hitsara ny toe-javatra mitranga fa tsy ny olona isika. Tokony hampihatra ireo fitsipika marina isika ao amin’ireo fitsarana rehetra ataontsika. Ary ao amin’izany rehetra izany dia tsy maintsy mahatsiaro ilay didy mba hamela heloka isika ” (“‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, aog. 1999, 7, 9, 13).

Nanao fanamarihana momba ny Matio 7:3–5 nyFiloha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ity tantara mikasika ny andry sy sombin-kazo ity dia misy ifandraisany akaiky amin’ny tsy fahaizantsika mahita mazava tsara ny tenantsika. Tsy azoko hoe ahoana no ahaizantsika mamantatra tsara ny olan’ny olona hafa sy manolotra vahaolana ho an’izany nefa matetika isika sahirana vao mahafantatra ny olan’ny tenantsika manokana.

“Nisy tantara iray tao anatin’ny fampahalalam-baovao taona maro lasa izay, mikasika ny lehilahy iray izay nino fa raha hosorany ranom-boasary makirana ny tarehiny dia tsy ho hitan’ireo caméras izy. Dia nasiany ranom-boasary makirana ny endriny iray manontolo, dia lasa nandeha izy, namaky banky roa. Tsy ela akory taorian’izay dia nalefa tamin’ny fampahalalam-baovao ny endriny ny hariva. Rehefa nasehon’ny pôlisy an’ilay lehilahy ireo horonan-tsary avy amin’ireo caméras de surveillance dia tsy nino ny zavatra hitany izy. Niozonozona izy hoe: ‘Nisy ranom-boasary makirana anie ny tarehiko e!’ [Jereo ny Errol Morris, ‘The Anosognosic’s Dilemma: Something’s Wrong but You’ll Never Know What It Is’ (Ampahany 1), New York Times, jona 20, 2010; opinionator.blogs.nytimes.com/2010/06/20/the-anosognosics-dilemma-1.]

“Rehefa henon’ny manam-pahaizana iray momba ny siansa tao Cornell University izany tantara izany, dia variana izy tamin’ny tsy fahatsapan’izany lehilahy izany tanteraka ny tsifahampiam-pahaizany manokana. Mba hamantarana raha toa ka olana iraisan’ny rehetra izany dia, nanasa mpianatra tany amin’ny oniversite ny mpanao fikarohana anankiroa mba handray anjara ao anatin’ny karazana fitsapam-pahaizana vitsivitsy mikasika ireo fahaiza-manao hiatrehana ny fiainana, ary nangatahana izy ireo avy eo mba hanome salanisa ny fahaizan’izy ireo. Ireo mpianatra izay tena nanana salanisa ambany no faran’izay tsy mahay manombantombana ny fahaizan’izy ireo manokana—misy ny sasany amin’izy ireo manome salanisa indimy heny amin’ilay salanisa tokony homena azy. [Jereo ny Justin Kruger and David Dunning, ‘Unskilled and Unaware of It: How Difficulties in Recognizing One’s Own Incompetence Lead to Inflated Self-Assessments,’ Journal of Personality and Social Psychology, des. 1999, 1121–34.]

“Naverimberina tamin’ny fomba maro dia maro io fikarohana io ary voamarina foana ilay zavatra voasintona avy tamin’izany hoe: maro amintsika no manana olana amin’ny famantarana hoe iza marina moa isika ary na ny olona nahita fahombiazana aza dia hita fa manambonimbony ny anjara biriky entiny ary manambanimbany ireo anjara biriky izay entin’ny hafa. [Jereo ny Marshall Goldsmith, What Got You Here Won’t Get You There (2007), toko faha-3.]

“Mety tsy dia manan-danja loatra ny manambonimbony ny fahaizantsika mamily fiara na ny fahaizantsika mikapoka lavitra ny baolina kely fanaovana golf. Kanefa rehefa isika izay no manomboka mino fa ny anjara biriky entintsika ao an-tokantrano sy any am-piasana ary ao am-piangonana dia lehibe kokoa mihoatra ny tena izy dia manakana ny tenantsika tsy hahazo fitahiana sy tsy hahita ireo fotoana tsara hahafahana mampivoatra ny tenantsika amin’ny fomba lalina sy manan-danja isika” (“Moa izaho va izany, Tompoko?” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 56–57).

Matio 7:6-14

Nampianatra mikasika ny fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana ny Mpamonjy

Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 7:6 dia manampy antsika hahatakatra fa niantso ny mpianany i Jesoa Kristy mba handeha hitory any amin’izao tontolo izao. Natao hitory fibebahana izy ireo kanefa hitazona ho azy ireo manokana kosa ireo misterin’ny fanjakana. Izany hoe tsy nahazo niresaka momba ireo zava-masina tamin’ny olona izay tsy vonona ny hahazo izany izy ireo. (Jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:9–11 [ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masina].)

Araka ny Dikantenin’i Joseph Smith, ny Matio 7:7 dia manomboka amin’ny hoe “Lazao amin’izy ireo hoe: Mangataha amin’ Andriamanitra.” Vakio ny andininy 7 ka atomboy amin’izany fehezan-teny izany, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Mpamonjy hampianarin’ireo mpianany.

Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’izany andinin-tsoratra masina izany: Rehefa mangataka sy mikatsaka ary mandondona isika ao amin’ny fitadiavantsika ny fahamarinana dia hamaly sy hitahy antsika amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Ray any An-danitra.

Inona no lazain’ireo teny hoe mangataha, katsaho ary dondony fa tsy maintsy ataontsika mba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana bebe kokoa?

Saintsaino ny fotoana iray izay nangatahanao sy nikatsahanao ary nandondonanao ka nanasa ny fanambarana ho an’ny tena manokana izany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 7:9–11 dia nampianatra ny Mpamonjy fa tahaka ny raim-pianakaviana be fitiavana izay tsy hanome vato na bibilava rehefa mangataka mofo na trondro ny zanany, dia tsy handà ny fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana amin’ny zanany izay mikatsaka sy mangataka zavatra tsara ny Ray any An-danitra.

Vakio ny Matio 7:12–14, ka mitadiava fahamarinana fanampiny izay nasain’ny Mpamonjy hampianarin’ny mpianany. Ny teny hoe ety ato anatin’ity andalan-tsoratra masina ity dia milaza ny vavahady tery .

Matio 7:15–27

Mampanantena famonjena ho an’ireo izay manao ny sitrapon’ny Ray ny Mpamonjy

Inona ireo foto-kevitra sasany izay eken’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny kanefa mifanohitra amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Mieritrereta momba ny antony maha-manan-danja ny fahafahana mahatakatra raha toa ka manindraindra foto-kevitra iray izay mifanohitra amin’ny drafitry ny Famonjena ny olona na vondrona iray.

Vakio ny Matio 7:15, ka tadiavo ny fampitandremana nataon’ny Tompo tamin’ireo mpianany.

Loholona M. Russell Ballard

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo dia nampitandrina momba “ireo mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra sandoka, na lehilahy na vehivavy, izay nametraka ny tenany ho mpanambara ireo fotopampianaran’ny Fiangonana” tahaka an’ireo “izay miresaka na mamoaka boky ho fanoherana ireo mpaminany marina sy miezaka mandresy lahatra ny hafa tsy hiraharaha ny maha-mandrakizay an’ireo olona izay reseny lahatra” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 63).

Vakio ny Matio 7:16–20, ka mitadiava fomba iray ahafahantsika mamantatra raha toa ka mpaminany sandoka na mpampianatra sandoka ny olona iray.

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Afaka mahafantatra azy ireo amin’ny voany isika. Mitovy amin’ny famantarana ireo kalitaon’ny voly iray amin’ny karazany sy ny kalitaon’ny voa omeny, dia afaka mamantatra ireo mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra sandoka isika amin’ny alalan’ireo fampianarana sy asa ary foto-kevitra asehony.

Inona araka ny eritreritrareo no voa sasany avy amin’ireo mpaminany sandoka?

Vakio ny Matio 7:21–27, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fiainana araka ireo fampianarany. Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manova ny teny voalaza ao amin’ny andininy 23 ka ny “tsy fantatro na oviana na oviana ianareo” dia lasa hoe “tsy nahafantatra ahy na oviana na oviana ianareo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:33 .

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hampiharanao eo amin’ny fiainanao ny fitsipika iray na maromaro izay hitanao tato anatin’ity lesona ity.

  2. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 6–7 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: