Fizarana 20: Andro 4
Romana 4–7
Fampidirana
Nohazavain’i Paoly ny fomba nanamarinana an’i Abrahama tamin’ny alalan’ny fahasoavana. Avy eo izy dia nilazalaza momba ireo fitahiana izay tonga amin’ireo izay nohamarinina ary nampianatra fa ny batisa dia tandindon’ny hoe maty ny amin’ny ota sy velona ao amin’i Kristy.
Romana 4–5
Nohazavain’i Paoly ny fomba nanamarinana an’i Abrahama tamin’ny alalan’ny fahasoavana
Ataovy sary an-tsaina hoe matin’ny hetaheta ianao any an-tany foana ka misy tavoahangy misy rano eny an-tampon’ny tendrombohitra iray tsy lavitra anao. Iza amin’ireto safidy manaraka ireto no hanavotra anao?
-
Ny finoanao fa afaka manavotra anao ilay rano.
-
Ny ezaka ataonao mba hahatongavana eny amin’ilay rano ka hisotro izany.
-
Ilay rano.
Io fanehoana trangan-javatra io dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Romana 4–7 mikasika ny hoe ahoana no ifandraisan’ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana amin’ny fotopampianaran’ny fanamarinana.
Mianatra isika ao amin’ny Romana 1–3 fa ny hoe nohamarinina dia midika hoe voavela amin’ny fanasazian’ny ota ary natao ho marina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny F&F 76:69).
Ny Olomasina Jiosy sasany tao Roma dia nanantitrantitra be loatra ny maha-zava-dehibe ny ezak’izy ireo manokana sy ny lalàn’i Mosesy amin’ny fanamarinana azy ireo. Amin’ny fomba ahoan ny olona sasany ankehitriny no mety tsy hanana fahatakarana ny fanamarinana toy izany?
Iza amin’ireo safidy ao amin’ilay fanehoana trangan-javatra no mety maneho ilay fiheverana fa afaka ny ho voavonjy isika amin’ny asa ataontsika? ____
Niezaka ny nanitsy izany tsy fahatakarana izany i Paoly tamin’ny fampahatsiahivany ireo Jiosy ny momba an’i Abrahama patriarika taloha, izay nohamarinina no fahitan’ny Jiosy maro azy.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Romana 4:2–5 dia manazava ny antony nanamarinana an’i Abrahama sy nitsarana azy hoe marina: “Fa raha ny lalàn’ny asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin’ Andriamanitra. Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany. Ary ho an’izay nohamarinina amin’ny lalàn’ny asa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. Fa ho an’izay mitady ny tsy hohamarinina amin’ny lalàn’ny asa kosa, fa mino Izay tsy manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.”
Inona no tsy nanamarinana an’i Abrahama?
Tsarovy fa, i Paoly dia nampianatra fa “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23). Na dia ohatra aza hoe mankatò tanteraka ireo didy isika amin’ny farany, dia mbola hisakana antsika tsy hohamarinina amin’ny lalàn’ny asa ihany ireo fahotana sy fandikan-dalàna vitantsika taloha. Izany hoe ny hamarinina amin’ny lalàn’ny asa dia mitaky antsika tsy hanota mihitsy na dia mandika tsy nahy ny lalàn’ Andriamanitra iray aza.
Hitantsika ao amin’ny Romana 4:6–15 fa ny firazanana sy ny fankatoavana ny lalàn’i Mosesy dia tsy manana ny hery hanadiovana amin’ny fahotana.
Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ka mitadiava fanazavana bebe kokoa momba ny fomba hanamarinana antsika.
Ny fotopampianarana iray azontsika ianarana avy amin’ny Romana 4:16 dia hoe hamarinina amin’ny finoana sy ny asa isika amin’ny alalan’ny fahasoavana. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Romana 4:16.)
Tsarovy fa ny fahasoavana dia entina milaza ireo fitahiana, famindrampo, fanampiana sy hery izay afaka azontsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ivereno ilay fanehoana trangan-javatra tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Iza amin’ireo safidy telo no mety maneho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavan’ Andriamanitra? ____
Iza amin’ireo safidy ireo no mety maneho ny finoantsika Azy? ____
Raha tao amin’io toe-javatra io ianao, moa ve afaka ny hovonjena noho ny finoana sy ny ezaka ataonao ianao raha tsy nisy rano teo an-tampon’ilay tendrombohitra? Inona no itovizan’ilay rano ao amin’io tantara io amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fahasoavan’ Andriamanitra?
Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Tsy azo vidina amin’ny fankatoavana ny famonjena fa tsy maintsy efaina amin’ny ran’ilay Zanak’ Andriamanitra [jereo ny Asan’ny Apôstôly 20:28]. …
“Fanomezan’ Andriamanitra ny fahasoavana ary ny faniriantsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra tsirairay no mampiseho an’ Andriamanitra fa te handray an’io fanomezana masina avy amin’ny Ray any An-danitra io isika” (“Ny Fanomezam-pahasoavan’ny Famindrampo,” Ensign na Liahona, mey 2015, 109–10).
Mariho fa na dia manampy antsika hahatakatra ny fomba handraisan’ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana anjara amin’ny fanamarinana aza ilay tantara momba ny filana rano any an-tany foana, dia tsy maneho kosa ireo fomba rehetra izay ahafahantsika mandray ny fahasoavan’ny Mpamonjy izany. Tsy vitan’ny hoe manome ilay rano manavotra aina, izay maneho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay manamarina antsika sy manasa antsika amin’ny fahotana fotsiny i Jesoa Kristy; fa manome hery antsika mba hananantsika ny finoana sy ny tanjaka izay ilaintsika mba hahazoantsika ilay rano, na hahazoana ny fahasoavan’ Andriamanitra ihany koa izy. Afaka ny hahazo io fahasoavana io isika mialoha sy mandritra ary aorian’ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy sy hanatanterahantsika asa tsara.
Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny herin’ny Sorompanavotana no mahatonga ny fibebahana ho azo tanterahina ary mampitony ilay fahakiviana ateraky ny fahotana. Io ihany koa no mampatanjaka antsika mba hahafahantsika mahita ny tsara ary ho tonga tsara amin’ny fomba izay tsy ho azontsika fantarina na tanterahina mihitsy noho ny maha-olombelona antsika” (“Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony,” Ensign na Liahona, mey 2015, 47).
Manampy antsika hino an’i Jesoa Kristy sy hanao asa tsara amin’ny fomba ahoana ny Sorompanavotana sy ny fahasoavan’ Andriamanitra?
Anisan’ny asa tokony hataontsika mba hanehoana ny finoantsika an’i Kristy sy hohamarinina amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ny fibebahana amin’ny fahotantsika sy ny fankatoavana ireo didy ary ny fandraisana ireo ôrdônansy manavotry ny filazantsara (jereo ny Môrônia 10:32–33).
-
Ataovy sary an-tsaina hoe misy namanao roa miady hevitra momba ny fomba ahafahantsika ho “voavonjy.” Ny namana iray milaza fa ny hany tokony hataontsika mba ho voavonjy dia ny maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Ilay namana iray hafa kosa tsy manaiky fa milaza hoe ny fankatoavana ny didy no mamonjy antsika. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanazavanao ny fifandraisan’ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana amin’ireo namanao ireo.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Romana 5, dia nampianatra momba ny fiadanana izay tonga amin’ireo izay mahazo ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy i Paoly (jereo ny andininy 1–2). Nanazava misimisy kokoa izy fa tena ampy mba handresena ireo vokatry ny Fahalavoana ny fahasoavana izay afaka azontsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Romana 6–7
Mampianatra ny fomba hahatongavana ho afaka amin’ny ota sy handraisana ny fiainana mandrakizay i Paoly
Ataovy sary an-tsaina hoe any aoriana dia mikasa ny hanao asa fitoriana ny namanao iray kanefa ankehitriny izy dia manao safidy mifanohitra amin’ny fenitry ny Tompo. Rehefa milaza ny adin-tsainao momba ny fitondran-tenan’io namanao io ianao dia hoy izy hoe: “Tsy dia olana izany. Noho ny Sorompanavotana dia afaka mibebaka foana aho alohan’ny handehanako manao asa fitoriana.”
Saintsaino hoe ahoana no hamalianao ilay namanao? Eo am-pandalinanao ny Romana 6, dia tadiavo hoe nahoana ny fihetsiny no maneho tsy fahatakarana velively ny fotopampianaran’ny fahasoavana.
Vakio ny Romana 6:1–6, 11–12 dia tadiavo hoe ahoana no ahafahan’ny fampianaran’i Paoly manitsy ny eritreritr’ilay namanao.
Hazavao amin’ny fombanao manokana hoe fomba ahoana no ahafahan’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo manampy ilay namanao:
Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “maty ny amin’ny ota” (Romana 6:2) sy ny hoe “niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana” (Romana 6:4)?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe ny batisa asitrika dia afaka manamarika ny fahafatesantsika ny amin’ny ota sy ny fanavaozana amin’ny fiainana ara-panahy.
Ny fiainana ara-panahy vaovao izay atombontsika rehefa atao batisa isika dia ahitana ny fandraisana ny famelana ny fahotantsika sy ny fanolorantena hankatò ireo didin’ Andriamanitra. Ireo izay mandika ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa amin’ny fanaovana fahotana amin’ny nahimpo ka mikasa ny hibebaka any aoriana dia manamaivana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary mametraka ny tenany ho ao amin’ny antambo ara-panahy.
Iza no mandoa ny karaman’ny mpiasa iray? Nahoana ny mpampiasa no tsy mandoa ny karaman’ny mpiasan’olon-kafa?
Vakio ny Romana 6:13 dia tadiavo ireo “mpampiasa” na tompo izay mety hanoloran’ny olona iray sy tompoiny. Ao amin’io andininy io ny teny hoe manolotra dia midika hoe manao fanatitra na manome ny tenanao, ary ny hoe ny momba ny tena dia entina milaza ireo ampahany amin’ny vatana sy ny saina.
Vakio ny Romana 6:14–23 dia tadiavo ny “tamby” (Romana 6:23), na ny vokatry ny ota sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra. Tanisao eo amin’ity tabilao manaraka ity izay zavatra hitanao.
|
Tambin’ny fahotana |
Fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra |
|---|---|
Ny fahafatesana amin’ny maha-tambin’ny ota azy dia entina milaza ny “fisarahana amin’ Andriamanitra sy ny fitaomany” ary midika hoe “maty raha ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahafatesana ara-panahy,” scriptures.lds.org).
Ianarantsika avy amin’ny Romana 6:16 fa raha manolotra ny tenantsika ho an’ny ota isika, dia ho lasa mpanompon’ny ota. Soraty ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Romana 6:16 izany fitsipika izany.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hahatonga antsika ho mpanompon’ny ota rehefa manolotra ny tenantsika ho an’ny ota?
Mieritrereta ohatra izay nahatonga ny fanoloran’ny olona iray ny tenany ho an’ny ota hitarika amin’ny fahaverezan’ny fahalalahana.
Jereo ilay lisitra nosoratanao teo ambanin’ny hoe “fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra” ao amin’ilay tabilao teo. Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fanompoana ny fahamarinana fa tsy ny fahotana?
-
Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika manaraka ity: Raha manolotra ny tenantsika ho an’ Andriamanitra isika, dia afaka ny ho lasa afaka amin’ny fahotana ka hahazo ny fiainana mandrakizay. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no hahafahantsika manolotra ny tenantsika ho an’ Andriamanitra?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahafaka anao tamin’ny ota tamin’ny alalan’ny fanoloranao ny tenanao ho an’ Andriamanitra?
-
-
Manorata tanjona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny fomba hanoloranao bebe kokoa ny tenanao ho an’ Andriamanitra mba hahafahanao mandray ny fahasoavany eo amin’ny fiainanao.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Romana 7, dia nampiasa ny fanoharana momba ny fanambadiana i Paoly mba hampianarana fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia nafahana tamin’ny lalàn’i Mosesy ka nampiraisina tamin’i Kristy. Nanoratra momba ny ady ifanoheran’ny “nofo” (Romana 7:18), na ny faniriana ara-nofo sy “ny toetra anaty” (Romana 7:22) na ny toetra ara-panahy ihany koa izy.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 7:24–25 dia manome hevi-baovao fanampiny ho an’ny tenivavolombelona mahery vaikan’i Paoly rehefa nijoro ho vavolombelona izy fa azo resena ny nofo:
“Ary raha tsy mifehy ny fahotana izay ato amiko aho fa manompo ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo; indrisy olona fadiranovana aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity tenan’ny fahafatesana ity?
“Koa misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa amin’ny saina no anompoan’ny tenako ny lalàn’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Romana 7:26–27 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]).
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Romana 4–7 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: