Fizarana 24: Andro 2
2 Korintiana 10–13
Fampidirana
Nampianatra momba ny ady ara-panahy izay irotsahan’ireo zanak’ Andriamanitra i Paoly Apôstôly. Niaro ny tenany amin’ireo izay nanohitra azy izy. Nitantara ny fomba nampiankarana azy ho any amin’ny lanitra fahatelo izy, ary ny nahatonga ny fahalemeny ho hita ho fitahiana ho azy. Talohan’ny namaranany ny epistiliny, dia nanentana ireo Olomasina tao Korinto i Paoly mba handinika ny tenan’izy ireo sy haneho ny fahatokiany.
2 Korintiana 10–11
Nanoratra momba ny ady ara-panahy sy ny famitahan’i Satana ary ny fijaliany manokana i Paoly
Inona no tonga ao an-tsaina rehefa mahita ny teny hoe ady ianao?
Mieritrereta fomba izay hirotsahantsika amin’ny ady manohitra an’i Satana. Inona no sasany amin’ny ady sarotra indrindra izay atrehantsika ao amin’io ady ara-panahy io?
Vakio ny 2 Korintiana 10:3-6 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly Apôstôly fa tokony hataontsika mba hahombiazana amin’io ady amin’i Satana io.
Ny torolalana mba “[h]amabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy” (2 Korintiana 10:5) dia midika hoe mifehy ny eritreritsika, anisan’izany ny miala amin’ny eritreritra tsy mendrika, ary mifantoka amin’ny zavatra tsara sy mankahery. Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny andininy 5 ny hoe rehefa mifehy ny eritreritsika amin’ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy isika, dia hahomby kokoa amin’ny ady atao amin’i Satana.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo zavatra sasantsasany azontsika atao mba hanampy antsika hifehy ny eritreritsika? (Jereo ny Almà 37:36; F&F 121:45; ary ny Préface de la Première Présidence, ao amin’ny Cantiques amin’ny teny frantsay [pejy vii-ix], mba hahitana hevitra mitondra fanampiana.)
-
Inona no fahasoavana azonao rehefa nifehy ny eritreritrao ianao mba ho fankatoavana ny Mpamonjy?
-
Diniho ny zavatra hataonao mba hifehezanao ny eritreritrao ho fankatoavana ny Mpamonjy. Mahita ny olona sasany fa manampy ny mivavaka, ny mamaky na mitadidy tsianjery soratra masina ary ny mihira fihirana.
Ianarantsika ao amin’ny 2 Korintiana 10:7–18 fa i Paoly dia nirehareha ny amin’ny Tompo ary nampianatra izy fa ny fahalemeny dia tsy tokony ampiasaina mba hanamarinana ny tsy fihainoana azy.
Vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 11 fa i Paoly dia nilaza fomba hafa hikatsahan’i Satana hanimbana ny eritreritsika sy hanalavirana antsika amin’i Jesoa Kristy, anisan’izany ny fampiasana Kristy sandoka sy Apôstôly sandoka. Niresaka momba ny fijaliana izay nanjo azy amin’ny maha-Apôstôly marin’ny Mpamonjy azy i Paoly.
2 Korintiana 12
Nitantara i Paoly fa nakarina tany an-danitra izy ary nampianatra ny fomba hahafahan’ny fanekentsika ny fahalementsika mitondra soa ho antsika izy
Eritrereto ny fotoana iray izay nanindronan’ny tsilo anao. Amin’ny fomba ahoana ny tsilo no manasarotra ny fiainana?
Nampiasa ny resaka tsilo i Paoly Apôstôly mba hanehoana ny fitsapana na ny fahalemena izay niainany.
Rehefa mamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao, dia diniho ny karazana fitsapana sy fahalemena izay niainanao: “Ny sasany dia namoy olon-tiana iray noho ny fahafatesana na mikarakara olona iray misy fahasembanana. Ny sasany dia voaratran’ny fisaraham-panambadiana. Ny hafa indray dia maniry fanambadiana mandrakizay. Ny sasany dia andevozin’ny zava-dratsy mampiankin-doha na ny fomba ratsy toa ny alikaola, na ny paraky na ny sigara, na ny zava-mahadomelina, na ny pôrnôgrafia. Ny hafa indray dia manana kilema ara-batana na ara-tsaina izay tena mandamaka. Ny sasany dia mitolona amin’ny olan’ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Ny sasany dia manana fahatsapana fahakiviana na tsy fahampian’ny fahaiza-manao mahatsiravina. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana dia maro no mavesatra entana” (“Manasitrana ny enta-mavesatra Izy,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 6).
Rehefa mandalina ny 2 Korintiana 12 ianao, dia tadiavo ny fahamarinana izay afaka manampy anao rehefa mandalo fitsapana sy mahatsapa fahalemena ianao.
Vakio ny 2 Korintiana 12:1–4 dia tadiavo ny fahitana izay hitan’i Paoly. (Olon-kafa no ilazan’i Paoly ny tenany ary ampiasainy ny hoe “olona anankiray.” Ao amin’ny andininy 2 ny filazana hoe “na tao amin’ny tena na tsy tao amin’ny tena, tsy fantatro: fa Andriamanitra no mahalala:” dia maneho fa nahita fahitana i Paoly.)
Vakio ny 2 Korintiana 12:5–6 dia tadiavo hoe inona no fihetsik’i Paoly manoloana ilay fahitana ny fanjakana selestialy.
Marihana fa na dia nahita io fahitana io aza i Paoly, dia tsy “nirehareha” (na nieboebo) ny amin’izany izy. Mety sahiran-tsaina izy hoe hametraka azy amin’ny toerana avo loatra ny hafa kanefa izy mbola manana olana tokony resena amin’ny maha-olona azy.
Vakio ny 2 Korintiana 12:7–9 dia tadiavo hoe ahoana no nanampian’ny Tompo an’i Paoly hijanona ho feno fanetrentena. (Ny hoe “mirehareha” [andininy 7] dia midika hoe lasa mieboebo.)
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana fa ny “tsilo amin’ny nofo” dia “tsy fahatomombanana ara-batana, izay toa mafy tokoa raha ny fahitana azy izay nianjady tsy tapaka na miverimberina matetika tamin’io Apôstôly io” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 2:448).
Jereo hoe impiry i Paoly no nivavaka mba hanesorana ny tsilo tamin’ny nofony.
Azonao atao ny manisy marika ny andian-teny ao amin’ny 2 Korintiana 12:9 izay manazava fa nisafidy ny tsy hanala ny tsilo tamin’ny nofon’i Paoly ny Tompo.
Avy amin’ireo andininy ireo isika dia mianatra fa mety hamela antsika hanana fahalemena sy handalo fitsapana ny Tompo mba hahafahantsika mianatra fanetrentena. Azonao atao ny manoratra na manisy marika io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 2 Korintiana 12:7–9.
Vakio ny 2 Korintiana 12:9–10 dia tadiavo ireo fahamarinana nianaran’i Paoly nanampy azy hiaritra ny fahalemeny. Eo am-pamakiana ianao, dia ataovy ao an-tsaina fa ny fahasoavana dia “fomba masina entina hanampiana na hanomezana hery, omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy izay mihavosa” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana,” scriptures.lds.org).
Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny 2 Korintiana 12:9–10 izay mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Ampy hampahatanjahana antsika amin’ny fahalementsika ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Tsy manala hatrany ny olantsika ny Tompo, kanefa hampahatanjaka antsika Izy rehefa maharitra azy ireny amim-pahatokiana isika.
Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Dallin H. Oaks hoe: “Ilay hery manasitran’i Jesoa Kristy Tompo—na manala ireo enta-mavesatsika izany na mampahatanjaka antsika hahafahantsika miaritra sy miaina miaraka amin’izy ireo tahaka an’i Paoly Apôstôly—dia azo ampiasaina ho an’ny fahoriana rehetra eo amin’ny fiainana an-tany” (“He Heals the Heavy Laden,” 8).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na izy rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Midika inona aminao ny hoe “ampy” ny fahasoavan’ny Mpamonjy (2 Korintiana 12:9) mba hampahatanjahana anao amin’ny fahalemenao?
-
Fomba ahoana no hanampian’ny 2 Korintiana 12:9–10 anao rehefa manana fahalemena sy mandalo fitsapana ianao?
-
Oviana ianao na ny olona fantatrao no nampahatanjahan’ny Mpamonjy mba hanampiana anao amin’ny fahalemenao na nandritra ny fitsapana nolalovanao?
-
2 Korintiana 13
Nanentana ireo Olomasina mba handinika ny tenan’izy ireo sy haneho ny fahatokiany i Paoly
Ny olona sasany ankehitriny dia mametra-panontaniana momba ny fampianarana sy ny fahefan’ireo izay antsoina mba hanompo ho mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Mitovitovy amin’izany ihany dia nisy mpampianatra sandoka teo anivon’ireo Olomasina Korintiana izay nametra-panontanina momba an’i Paoly sy ny fahefany amin’ny maha-Apôstôly azy.
Vakio ny 2 Korintiana 13:3 dia tadiavo ny zavatra nitadiavan’ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany tao Korinto porofo.
Vakio ny 2 Korintiana 13:5–6 dia tadiavo ny zavatra namporisihan’i Paoly ireo Olomasina Korintiana mba hataon’izy ireo, fa tsy hametra-panontaniana raha niteny tamin’ny alalany amin’ny maha-Apôstôly azy ny Tompo sa tsia. (Ny hoe olona nolavina dia olona ratsy toetra na ratsy fitondrantena.) Azonao atao ny manisy marika ny teny milaza asa atao ao amin’ny andininy 5 izay milaza ny zavatra tokony hataon’ireo Olomasina Korintiana.
Rehefa nanontany ny Olomasina Korintiana i Paoly raha toa ka “mitoetra amin’ny finoana” izy ireo [andininy 5], dia nasainy nandinika izy ireo raha toa ka mahatoky na tsia amin’ny Tompo sy ny Fiangonany. Ianarantsika avy amin’ny 2 Korintiana 13:5–6 fa ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony handinika ny fahatokiany fa tsy hitsikera ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.
Vakio ity teny manaraka ity izay nataon’ny Mpaminany Joseph Smith dia tadiavo ny zavatra nampianariny fa hitranga raha misafidy ny hitsikera ny mpitarika isika fa tsy handinika ny fahatokiantsika: “[Raha misy olona iray] mitsangana mba hanameloka ny hafa, sy mahita fahadisoana amin’ny Fiangonana, sy milaza fa diso lalana izy ireo, fa izy tenany no marina, dia fantaro tsy amim-pihambahambana, fa io olona io dia ao amin’ny lalan-dehibe mitondra mankany amin’ny fihemorana; ary raha tsy mibebaka izy, dia hihemotra, raha mbola velona koa Andriamanitra” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007],345).
-
Makà fotoana ary eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto. Avy eo manaova sonia ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hanehoana fa nahavita ity asa nampanaovina ity ianao.
-
Raha refesina eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (ka ny 10 no tsara indrindra), dia manao ahoana ny hatsaran’ny fanarahanao ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?
-
Inona ny fenitra iray nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly izay azonao arahina amim-pahatokiana kokoa?
-
Raha refesina eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (ka ny 10 no maneho ny fahafahana rehetra izay anananao manao izany), dia impiry ianao no maneho fankasitrahana amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, na mivantana amin’ilay olona na amin’ny vavaka?
-
Inona no azonao atao mba hanehoana fankasitrahana bebe kokoa ho an’ny fahafoizan-tena sy ny ezaka ataon’ireo mpitarika ho anao?
-
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo fitahiana mety ho azo amin’ny fanaovana fandinihan-tena ara-panahy matetika tahaka izany?
Vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 13:7–14 fa namporisika ireo Olomasina i Paoly mba hiala amin’ny ratsy sy hiezaka ny ho tanteraka.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny 2 Korintiana 10–13 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: