Fizarana 17: Andro 1
Asan’ny Apostoly 1:1–8
Fampidirana
Nanao asa fanompoana ho an’ireo Apôstôliny nandritra ny 40 andro taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Nanomana azy ireo ho vavolombelony manerana ny tany Izy.
Asan’ny Apostoly 1:1–8
Nanao asa fanompoana ho an’ireo mpianany nandritra ny 40 andro i Jesoa
Alaivo sary an-tsaina hoe nanatona anao ny namana iray avy amin’ny finoana hafa izay nanana faniriana hahafantatra bebe kokoa momba ny Fiangonanao ka manontany hoe: “Iza no mitarika ny Fiangonanareo?” Inona no havalinao?
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 1:1–8 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hamaly izany fanontaniana izany sy hahatakatra fa ireo Apôstôly izay nitarika ny Fiangonana tany aloha dia vavolombelon’i Jesoa Kristy ary nanana andraikitra hizara izany fijoroana ho vavolombelona izany manerana izao tontolo izao. Manana fitahiana sy andraikitra mitovy amin’izany ireo Apôstôly izay mitarika ny Fiangonana ankehitriny.
Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manamarika fiovana manan-danja ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona dia manome fitantarana ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany sy ny Sorompanavotany. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly kosa etsy an-kilan’izay dia miresaka ny asa fanompoana nataon’ireo Apôstôly taorian’ny niakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:1–2, hitadiavana ny hoe ho an’iza no nanoratana io boky io.
I Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, ary ilay “boky voalohany” resahina ao amin’ny andininy 1 dia ny Filazantsaran’i Lioka, izay nosoratana ihany koa ho an’ny olona iray izay tsy fantatra antsoina hoe Teofilo. Ny tanjon’ny Lioka tamin’ny nanoratany dia ny hanampy an’i Teofilo hahazo fijoroana ho vavolombelona azy manokana momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Lioka 1:1–4).
Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:2, hitadiavana ny fomba nanohizan’i Jesoa nitarika ny Fiangonany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.
Araka ny andininy 2 dia tamin’ny fomba ahoana no nitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany hatramin’ny nialany teto an-tany?
Mianatra isika ao amin’ny Asa’ny Apostoly 1:2 fa mitarika ny Fiangonany amin’ny fanambarana ny sitrapony amin’ireo Apôstôliny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.
Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa mbola nanohy nitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty:
“Manomboka amin’ny andininy voalohany amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly … dia nambara fa mbola hitohy hotarihin’Andriamanitra ny Fiangonana, fa tsy hotarihin’olombelona. … Raha ny marina dia lohateny feno kokoa azo nomena ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sady mety tsara aminy ny hoe ‘Ny Asan’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty amin’ny alalan’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainana sy ny fanompoana nataon’ireo Apôstôliny voatendry.’ …
“Nitovy tamin’izany hatrany ny fitarihana ny Fiangonana. Ny toerana misy ny Mpamonjy no niova, fa ny fitarihana ny Fiangonana dia nitovy tanteraka” (“Teaching, Preaching, Healing,” Ensign, jan. 2003, 37).
Eritrereto ny antony maha-zava-dehibe ny mahafantatra fa mbola manohy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana i Jesoa Kristy ankehitriny.
-
Saintsaino ireo zavatra niainanao izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo zavatra niainanao. Raha toa ianao ka tsy mahatsapa hoe efa niaina zavatra toy izany dia mangataha mpikamban’ny Fiangonana mahatoky iray mba hizara aminao ny fomba ahafantarany fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana ny Tompo. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay zavatra nianaranao tamin’ny resaka nifanaovanareo.
Nandany 40 andro i Jesoa Kristy nanome toromarika manokana an’ireo Apôstpôly talohan’ny Fiakarany tany an-danitra ka nanomboka nitarika ny Fiangonana teto an-tany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo Apôstôly. Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:3 hitadiavana ny zavatra niain’ireo Apôstôly sy ny zavatra nianarany nandritra ireo 40 andro ireo.
Ao amin’ny andininy 3, ny teny hoe fijaliany dia milaza ny sorona nataon’ny Mpamonjy hanavotana antsika sy ny fahoriany. Ilay teny hoe “famantarana” dia entina milaza ny porofo tsy azo lavina izay nasehon’i Jesoa fa nitsangana tamin’ny maty Izy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:4–5 hitadiavana ny zavatra nandidian’i Jesoa an’ireo Apôstôly mba ho ataon’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Nandidy ny Apôstôly i Jesoa mba hijanona tao Jerosalema mandrapahavita batisa azy ireo amin’ny Fanahy Masina. Izany dia manondro ny fandraisan’izy ireo ny Fanahy Masina ho namana lalandava, izay tsy nilain’ireo Apôstôly raha mbola niaraka tamin’izy ireo mivantana ny Tompo.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:8 hitadiavana ny zavatra nasaina nataon’ireo Apôstôly rehefa avy nandray ny Fanahy Masina izy ireo.
Avy amin’ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 8 dia mianatra isika fa ny Apôstôly dia vavolombelon’i Jesoa Kristy ary mijoro ho vavolombelona momba Azy manerana ny tany.
Nampianatra momba ny andraikitry ny Apôstôly ankehitriny amin’ny maha-vavolombelon’i Jesoa Kristy azy ny Filoha Gordon B. Hinckley: “Amin’izao androntsika izao ny Tompo dia niantso vavolombelona manokana miisa 15 mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy eo anatrehan’izao tontolo izao. Tsy manan-tsahala ny antson’izy ireo. Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo, izay nofinidiny sy nirahiny. Nodidiana izy ireo ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahavelomany amin’ny alalan’ny hery sy ny fahefana amin’ny andraikitra masina maha-Apôstôly hazonin’izy ireo” (ao amin’ny “Special Witnesses of Christ,” Ensign, apr. 2001, 4).
Vakio ny tahirin-kevitra “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” izay miaraka amin’ity lesona ity. Asio marika ireo tenivavolombelon’ny Apôstôly izay tena manan-danja aminao.
Misy horonantsarin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny tenany manokana azo jerena ao amin’ny “Special Witnesses of Christ” amin’ny LDS.org. Mety hisafidy hijery horanantsary roa na telo amin’izany ianao.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no fiantraikan’ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly amin’izao andro izao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananao manokana momba an’i Jesoa Kristy?
Na dia manondro manokana ny andraikitry ny Apôstôly amin’ny maha vavolombelona manokan’ny Mpamonjy azy aza ny Asan’ny Apostoly 1:8 dia mampianatra antsika mikasika ny zavatra afaka manampy antsika ho vavolombelon’i Jesoa Kristy manerana an’izao tontolo izao ihany koa izany.
Raha miainga avy amin’ny fampanantenana nomen’i Tompo ireo Apôstôly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 dia mianatra isika fa amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no ahafahantsika ho tonga vavolombelon’i Jesoa Kristy.
Amin’ny fomba ahoana ny herin’ny Fanahy Masina no manampy antsika ho tonga vavolombelon’ny Mpamonjy?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy rehefa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny olona hafa?
-
Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nanampy anao nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa?
-
Mitadiava fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny hafa dia matokia fa ho hamafisin’ny Fanahy Masina aminy ny fahamarinan’ny zavatra izay ijoroanao ho vavolombelona amin’izy ireo.
Asan’ny Apostoly–Apokalypsy: Topimaso mikasika ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao
Ny Asan’ny Apostoly 1:8 dia tsy mampianatra ireo fahamarinana momba ny andraikitry ny Apôstôly fotsiny ihany, fa manome topimaso ihany koa mikasika ny tapany farany amin’ny Testamenta Vaovao. Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 1:8, dia aiza ny toerana nolazain’ny Tompo tamin’ny alalan’ny faminaniana fa hijoroan’ireo mpianany ho vavolombelona momba Azy?
Ampiasao ireo sarintany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina hijerena ireo toerana voalaza ao amin’ny soratra masina mba hanampiana anao hahita sary an-tsaina ny dian’ireo Apôstôly sy ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Mpamonjy.
Ny Asan’ny Apostoly 1–5 dia mirakitra ny asa fanompoana nataon’ireo Apôstôly tao Jerosalema, ny Asan’ny Apostoly 6–9 dia mirakitra ny asa fanompoana nataon’ireo Apôstôly eran’i Jodia sy i Samaria ary ny Asan’ny Apostoly 10–28 dia mirakitra ny asa fanompoana nataon’ireo Apôstôly manerana ny Fanjakana Romana, na amin’ny “faran’ny tany” (Asan’ny Apostoly 1:8). Azonao atao ny manoratra io famintinana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly io eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 1:8.
Sokafy ny ao amin’ny fanoroam-pejin’ny Baibolinao. Jereo ireo boky ao amin’ny Testamenta Vaovao manarakaraka ny Asan’ny Apostoly. Ny bokin’ny 1 Korintiana ka hatramin’ny Hebreo dia epistily (taratasy) nosoratan’i Paoly Apôstôly. Hianatra momba ny fiovampo sy ny asa fanompoana nataon’i Paoly ianao rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 9, 13–28.
Jereo ny sarintany “Topimaso mikasika ny Asan’ny Apostoly” izay mampiseho ireo tanàna na faritra mifandray amin’ny ankamaroan’ireo epistilin’i Paoly. Maro amin’ireo epistilin’i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao no nosoratana ho an’ny vondron’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny tanàna maro samihafa mba hiresahana momba ny flàn’izy ireo manokana. Ohatra, ny Tesaloniana dia ireo olona nipetraka tao amin’ny tanànan’ny Tesalonika, ary ny bokin’ny 1 Tesaloniana dia inoan’ny olona fa hoe epistily voalohany indrindra nosoratan’i Paoly. Ankoatra ny fanoratana ho an’ireo vondron’ny Olomasina dia nanoratra ho an’olon-tokana ihany koa i Paoly, tahaka an’i Timoty sy i Titosy ary i Filemona.
Jereo ao amin’ny fanoroam-pejy ny epistily manaraka ny Hebreo. Ankoatra an’i Paoly, dia nisy Apôstôly sy mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana nanoratra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ny sasany amin’ireo epistily ireo dia ny bokin’i Jakoba, Petera, Jaona ary Joda. Ny bokin’ny Apokalypsy dia mirakitra ny fahitana nomena an’i Jaona Apôstôly.
Rehefa manohy mandalina ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao ianao dia mivavaha tsara mba hanazavan’ny Fanahy Masina anao sy hanampiany anao hahazo fahatakarana bebe kokoa avy amin’ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 1:1–8 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: