Fizarana 19: Andro 1
Asan’ny Apostoly 13–14
Fampidirana
Nirotsaka ho amin’ny dia fitoriana ny filazantsara voalohany nataony i Paoly (izay nantsoina hoe Saoly teo aloha) niaraka tamin’i Barnabasy ho namana mpiara-mitory. Nitory ny filazantsara izy ireo ary nanangana sampan’ny Fiangonana maro tao anatin’ny fanenjehana tsy tapaka. Rehefa nandà ny handray ny tenin’Andriamanitra ireo Jiosy dia nifantoka tamin’ny fitoriana teo anivon’ny Jentilisa i Paoly sy i Barnabasy.
Asan’ny Apostoly 13:1–13
Nirotsaka ho amin’ny dia fitoriana ny filazantsara i Paoly sy i Barnabasy ary niteny mafy ny mpaminany sandoka iray
Ity maridrefy manaraka ity dia mampiseho ny habetsahan’ny fanoherana mety ho tojo ny olona iray rehefa miezaka miaina ny filazantsara izy. Ny sisiny iray amin’ilay maridrefy dia mampiseho hoe tsisy fifanoherana ary ny sisiny iray hafa dia mampiseho fifanoherana tsisy fitsaharana.
Soraty eo amin’ny toerana iray izay eritreretinao fa maneho ny habetsahan’ny fanoherana natrehin’i Mosesy ny anarana hoe Mosesy. Ataovy toy izany koa ny an’i Joseph Smith sy i Nefia. Raha mifototra amin’ny fanoherana azonao rehefa niezaka niaina ny filazantsara ianao dia aiza no hametrahanao ny anaranao eo amin’io maridrefy io?
Samy ho tojo fanoherana amin’ny fotoana samihafa sy amin’ny hamafiny samihafa avokoa ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra. Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 13–14 ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manampy amin’ny fitarihana anao rehefa tojo fanoherana ianao amin’ny fiezahanao hiaina amim-pahamarinana.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:1–2 isika dia mianatra fa rehefa nivory tao Antiokia ny mpaminany sy ny mpampianatra sasany dia nahazo toromarika avy tamin’ny Fanahy Masina izy ireo fa tokony ho antsoina hiara-mitory ny filazantsara i Saoly sy i Barnabasy.
Talohan’io antso hanao asa fitoriana io dia nandany ny fotoany tamin’ny fandalinana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Paoly hatramin’ny niovany fo (jereo ny Galatiana 1:17–18) ary avy eo dia nampianatra sy nitory ny filazantsara tao Damaskosy, Jerosalema, Tarsosy, Syria, Kilikia ary Antiokia (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy an’ny OAF, “Paul”). I Barnabasy dia Jiosy avy any Kyprosy izay niova fo tamin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:36)
Mianatra isika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:3–6 fa rehefa avy natokana ho amin’ny asa fitoriany i Saoly sy i Barnabasy dia nandeha avy tao Antiokia izy ireo ka nankany Kyprosy dia nitory tao amin’ny Synagoga tao an-tanànan’i Salamisy. Avy tao izy ireo dia nandeha tany amin’ny lafiny ilan’ilay nosy tamin’ny tanànan’i Pafo.
Dia fitoriana ny filazantsara voalohany nataon’i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 13–14).
Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:6–8 hitadiavana ny zavatra nitranga rehefa tonga tao Pafo i Saoly sy i Barnabasy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:19–12 hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’i Elyma (antsoina hoe Barjesosy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:6), ilay mpanao ody sady mpaminany sandoka. Azonao asiana marika ao amin’ny andininy 12 ny fiantraikan’ny fahitana maso ny herin’Andriamanitra teo amin’i Sergio Paolo, izay governora Romana iray.
Fitsipika iray azontsika ianarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:9–12 ny hoe lehibe lavitra noho ny herin’ny devoly ny herin’Andriamanitra. Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andininy ireo io fitsipika io.
-
Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto manaraka ireto:
-
Hazavao ny hoe afaka manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa lehibe lavitra noho ny herin’ny devoly ny herin’Andriamanitra rehefa miatrika fanoherana ianao amin’ny fiainanao.
-
Mitanisà toe-javatra roa na telo izay mety hahafahan’ny fahatsiarovana io fitsipika io manampy anao.
-
Jereo fa ny Asan’ny Apostoly 13:9 dia mampiseho ny fiovana tamin’ny niantsoana an’i Saoly ho lasa Paoly ao amin’ny soratra masina (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:13).
Asan’ny Apostoly 13:14–43
Nitantara ny tantaran’ny Isiraelita i Paoly ary nijoro ho vavolombelona fa efa tonga i Jesoa Kristy ho fanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra
Eritrereto ny fahadisoana iray izay nataonao ka nirinao ny hahafahanao miverina mba hamafa izany. Indraindray ny fanoherana atrehintsika dia mitranga noho ny safidy feno fahotana ataontsika ihany. Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 13:14–43 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao handresy io karazana fanoherana io.
Ny Asan’ny Apostoly 13:14–37 dia mitantara fa niala tao Kyprosy i Paoly sy i Barnabasy dia niondrana an-tsambo ho any Pamfylia, izay teo amin’ny moron-tsiraka atsimon’ilay firenena fantatsika ankehitriny amin’ny hoe Turquie. Noho ny antony tsy voafaritra dia nanapa-kevitra ny handao azy i Jaona Marka, iray tamin’ireo mpiara-dia taminy, ka nody. Tamin’ny Sabata i Paoly dia nijoro teo anoloan’ireo lehilahy tao amin’ny Synagoga tao an-tanànan’i Antiokia tao Pisidia ary nitantara ny tantaran’ny Isiraelita, anisan’izany ny fanandevozana tany Egypta, ny fahazoana ny tany nampanantenaina, ny niantsoan’Andriamanitra an’i Davida Mpanjaka, ary ny fiavian’ny Mpamonjy iray avy amin’ny taranak’i Davida. Avy eo i Paoly dia nampianatra mikasika ny fiainana sy ny asa nanirahina an’i Jesoa Kristy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:32–33 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy. Azonao marihina ao amin’ny soratra masinao ny zavatra nampianariny momba ny Mpamonjy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:38–39 hitadiavana ny fitahiana izay nampianarin’i Paoly fa afaka ny ho azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Avy amin’ny Asan’ny Apostoly 13:38–39 isika dia mianatra izao fitsipika manaraka izao: Afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika sy hamarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika.
Ny teny hoe anamarinana araka izay ampiasaina ao amin’ny andininy 39 dia midika hoe “[anafahana na amelana] amin’ny famaizana noho ny ota ka ambara ho tsy manan-tsiny” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Manamarina,” scriptures.lds.org). Rehefa amarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona iray dia miverina indray ny fifandraisany amin’Andriamanitra.
Rehefa mamaky ny zavatra nampianarin’ny Loholona Todd Chirstofferson ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny dikan’ny hoe amarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao dia asio marika ireo fitahiana izay nolazainy fa tonga amin’ny alalan’ny fibebahana: “Nijaly sy nanolotra ny ainy i Jesoa hanonerana ny fahotantsika. Afaka mamafa ny vokatry ny fahotana izay ao amintsika ny herin’ny Sorompanavotany. Rehefa mibebaka isika dia manamarina sy manadio antsika ilay sorona feno famindrampo nataony (jereo ny 3 Nefia 27:16–20). Toy ny hoe tsy resin’ny fakam-panahy isika ary toy ny hoe tsy nanaiky ho voasarik’izany” (“That They May Be One in Us,” Ensign na Liahona, nôv. 2002, 71).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho voavela amin’ny fahotantsika sy hamarinina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
-
Iza avy ireo olona sasany ao amin’ny soratra masina izay voavela tamin’ny fahotana ary nohamarinina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
-
Raha manana fihirana an’ny Fiangonana ianao dia vakio na hirao ny andiny telo voalohany amin’ny “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, pejy 44). Rehefa mamaky ianao na mihira dia tadiavo ny fomba nanehoan’ny mpanoratra ilay hira ny fankasitrahany noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy noho ny famelany heloka.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no fahatsapana anananao manoloana an’i Jesoa Kristy rehefa mieritreritra ny fomba hahafahan’ny Sorompanavotany mamela ny fahotanao ianao?
Mba araho izay fahatsapana mety azonao avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao handray ny famelana ny fahotana sy ny fanamarinana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Ny Asan’ny Apostoly 13:40–43 dia manazava fa taorian’ny toritenin’i Paoly dia maro ireo Jentilisa nangataka azy mba hampianatra indray ny Sabata manaraka.
Asan’ny Apostoly 13:44–52
Nitory tamim-pahasahiana i Paoly sy i Barnabasy na dia teo aza ny fanenjehana tsy nitsaha-nitombo
Tamin’ny andro Sabata manaraka dia efa ho ny iray tanàna no tonga hihaino an’i Paoly sy i Barnabasy nampianatra ny tenin’Andriamanitra.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:44–52 hampitahana ny fihetsika sy ny zavatra nataon’ireo Jiosy amin’ny fihetsika sy ny zavatra nataon’ireo Jentilisa rehefa tonga izy ireo mba hihaino an’i Paoly sy i Barnabasy niteny. Ilay “vehivavy manan-kaja” voaresaka ao amin’ny andininy 50 dia ireo izay nohajaina fatratra tao amin’ny fiaraha-monina nisy azy ireo.
Jereo fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Asan’ny Apostoly 13:48 dia manazava fa “izay nino rehetra dia voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay” (Dikantenin’i Joseph Smith, Asan’ny Apostoly 13:48 ). Ny teny hoe voalahatra ao amin’io andininy io dia mety hidika fa niova fo izy ireo ary efa nanao ireo dingana nilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Ireo dingana ireo dia ahitana ny batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fankatoavana, ary ny faharetana amim-pinoana hatramin’ny farany.
Asan’ny Apostoly 14
Nanatanteraka fahagagana maro i Paoly sy i Barnabasy rehefa nitory ny filazantsara tao anatin’ny fanenjehana tsisy fitsaharana
Nahoana araka ny eritreritrao ny Tompo no mamela ny olona tsara hiaina fitsapana sarotra?
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 14 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao hahatakatra ny fomba hamaliana io fanontaniana io.
Ny Asan’ny Apostoly 14:1–21 dia manoritsoritra ny sasany amin’ireo fahoriana izay niaretan’i Paoly sy i Barnabasy rehefa nanohy nitory ny filazantsara izy ireo. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto hitadiavana ireo fijaliana natrehin’ireo misiônera, ary asio marika ao amin’ny soratra masinao izany:
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no eritreritra mety ho nanananao raha toa ka niaraka tamin’i Paoly sy i Barnabasy ianao nandritra ireo fitsapana ireo?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:22 hitadiavana ny zavatra nampianarin’ny Paoly mikasika ny fahoriana.
Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’io andininy io: Rehefa miaritra am-pinoana ny fahoriana isika dia ho vonona ny hiditra ny fanjakana selestialy.
Saintsaino ireo fitahiana izay efa tonga taminao na tamin’ny olona fantatrao rehefa naharitra fahoriana tamim-pinoana ianao na izy ireo. Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no afaka manomana antsika ho ao amin’ny fanjakana selestialy ny fiaretana am-pinoana ny fitsapana?
Raha afaka mampiasa Internet ianao dia jereo ilay horonantsary misy Hafatra Môrmôna “The Refiner’s Fire” (5:02), izay azo jerena ao amin’ny LDS.org. Eo am-pijerenao izany dia tadiavo ireo karazana fitahiana izay mety ho tonga amin’ny alalan’ny fiaretana am-pinoana ny fahoriana.

Misafidiana fitsipika iray izay nianaranao rehefa nandalina ny Asan’ny Apostoly 13–14 ianao, izay tena hanampy anao tokoa mandritra ny fotoana fitsapana. Soraty amin’ny karatra kely na taratasy iray ny fitsipika izay nofidinao. Apetraho amin’ny toerana izay hahitanao azy matetika izany (fitaratra na toerana fasiana akanjo any an-tsekoly na ireo toerana hafa sasany izay jerenao matetika) mba hanome hery sy fankaherezana rehefa miatrika fahoriana ianao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 13–14 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: