Fampahafantarana ny Jaona
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Nirakitra ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Mpamonjy ny Apôstôly Jaona nandritra ny fotoan’ny fanenjehana tsy nitsaha-nitombo ny Kristiana, sy ny apôstazia tsy nitsaha-nitombo, ary ny fifanjihirana momba ny teotran’i Jesoa Kristy. Ny fandalinana ny Filazantsaran’i Jaona dia afaka manampy anao hahafantatra ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny Zanany Lahy, dia i Jesoa Kristy. Ny fitantaran’i Jaona dia mampianatra fa ireo izay miaina araka ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia afaka mahazo fitahiana lehibe, ka anisan’izany ny fiainana mandrakizay.
Iza no nanoratra ity boky ity?
Ny Apôstôly Jaona no nanoratra ity boky ity. Niantso ny tenany ho ilay “mpianatra izay tian’i Jesoa” izy manerana ilay boky (jereo ny Jaona 13:23; 19:26; 20:2; 21:7, 20).
Mpanarato i Jaona sy i Jakoba rahalahiny (jereo ny Matio 4:21). Hita mazava tsara fa mpanaradia an’i Jaona Mpanao Batisa izy nialoha ny nahatongavany ho mpianatra sy Apôstôlin’i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 1:35–40; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Jaona, zanak’i Zebedio,” scriptures.lds.org).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Tsy fantatsika mazava tsara ny fotoana nanoratan’i Jaona ity boky ity. Ny daty natolotra ho nanoratana izany dia eo anelanelan’ny 60 Taorian’i J.K. ka hatramin’ny 100 Taorian’i J.K. . Ireo mpanoratra Kristianina tany am-boalohany tamin’ny taon-jato faharoa Taorian’i J.K. dia nandroso hevitra fa nanoratra ity boky ity tao Efesosy tany Asie Mineur (Turquie amin’izao fotoana izao) i Jaona.
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
Na dia natao ho an’ny olon-drehetra aza ny asasoratr’i Jaona dia manana mpihaino voafaritra bebe kokoa ihany koa ny hafany. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoratra hoe: “Ary ny filazantsaran’i Jaona dia fitantarana natao ho an’ny olomasina; izy voalohany indrindra no filazantsara ho an’ny Fiangonana” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:65). Nilaza i Jaona fa ny tanjony tamin’ny fanoratana ity boky ity dia ny handresy lahatra ny hafa mba “hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany” (Jaona 20:31). “Ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesoa izay nofariparitan’i [Jaona] dia nofantenina tamim-pitandremana sy narindra araka izany tanjona izany” (Bible Dictionary, “John, Gospel of”).
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ny 92 isan-jaton’ny zavatra voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona dia tsy hita ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara hafa. Izany angamba dia satria ny mpihaino izay nokendren’i Jaona—ny mpikamban’ny Fiangonana izay efa nanana fahatakarana momba an’i Jesoa Kristy—dia samy hafa tanteraka tamin’ny mpihaino nokendren’i Matio sy i Marka ary i Lioka. Amin’ireo fahagagana fito izay nataon’i Jaona tatitra dia tsy voarakitra ao amin’ny Filazantsara hafa rehetra ny dimy amin’ireo. Raha toa ka nanolotra fampahalalana betsaka momba ny asa fanompoan’i Jesoa tany Galilia i Matio sy i Marka ary i Lioka dia nirakitra zava-nitranga marobe izay niseho tany Jodia i Jaona. Feno fotopampianarana ny Filazantsaran’i Jaona, ka ny lohahevitra lehibe ao amin’izany dia ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy, ny Sorompanavotan’i Kristy, ny fiainana mandrakizay, ny Fanahy Masina, ny antony ilàna ny ho ateraka indray, ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ny hafa, ary ny maha-manan-danja ny finoana ny Mpamonjy.
Nohamafisin’i Jaona ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa amin’ny maha- Zanak’ Andriamanitra Azy. I Jaona dia nirakitra ny firesahan’i Jesoa momba ny Rainy mihoatra ny 100, ka filazana mihoatra ny 20 no tsy hita afa-tsy ao amin’ny Jaona 14 irery ihany. Anisan’ireo fandraisana anjara lehibe nataon’i Jaona ny fampidirany ireo fampianarana nataon’ny Mpamonjy tamin’ny mpianany tamin’ireo ora mialoha ny fisamborana Azy, ka anisan’izany ny Vavaka Fanalalanana lehibe, izay natao ny alina nijaliany tao Getsemane. Ity ampahany amin’ny fitantaran’i Jaona ity (Jaona 13–17) dia maneho mihoatra ny 18 isan-jaton’ny pejy ao amin’ny Jaona, ka manome fahatakarana lehibe kokoa ho antsika momba ny fotopampianaran’ny Mpamonjy sy izay antenainy avy amin’ireo mpianany.
Topimaso
Jaona 1 Nijoro ho vavolombelona momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny asa nanirahany Azy mba hanolotra famonjena ho an’ny olona rehetra i Jaona. Noraketin’i Jaona an-tsoratra ny batisan’i Jesoa sy ny fiantsoana ny sasany tamin’ireo mpianany.
Jaona 2–4 Nanova ny rano ho divay i Jesoa. Nampianatra an’i Nikodemosy momba ny fahaterahana ara-panahy indray Izy ary nijoro ho vavolombelona tamin’ilay vehivavy teo am-patsankana fa Izy no ilay Kristy. Nanasitrana ny zanakalahin’ny tandapa iray Izy.
Jaona 5–7 Nanasitrana lehilahy malemy iray teo amin’ny farihin’i Betesda ny Mpamonjy ary nanambara ny hery sy ny fahefana masina nananany. Namahana olona mihoatra ny 5.000 Izy ho fanomanana ny toriteniny momba ny Mofon’ny Fiainana, nanambara fa Izy no Mesia, ary nanambara tamin’ireo Andro Firavoravoana Tabernakely fa ireo izay mandray Azy ihany no afaka mahazo ny fiainana mandrakizay.
Jaona 8–10 Nampianatra momba ny famindram-po sy ny fibebahana i Jesoa tamin’ny alalan’ny zavatra niainan’ilay vehivavy tratra nijangajanga. Nanambara ny Tenany ho i Jehovah, ilay Izy Aho lehibe Izy. Nanasitrana lehilahy iray izay teraka jamba Izy ary namariparitra ny Tenany ho ilay Mpiandry Tsara, izay tia sy mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.
Jaona 11–13. Nanangana an’ i Lazarosy tamin’ny Maty i Jesoa ka nampiseho ny heriny handresena ny fahafatesana. Niditra tao Jerosalema tamim-boninahitra Izy. Nandritra ny Fanasana Farany dia nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesoa Kristy ka nampianatra azy ireo mba hifankatia.
Jaona 14–16. Nanome toromarika ny mpianany i Jesoa momba ny fifandraisan’ny fitiavana sy ny fankatoavana. Nampanantena Izy fa handefa ny Mpampionona (ny Fanahy Masina) sy hanompo mivantana ny mpianany. Nambarany fa Izy no Tena Voaloboka ary nandresy izao tontolo izao Izy.
Jaona 17–19. Nanao ny Vavaka Fanalalanana ho an’ireo mpianany sy ireo izay mino ny toritenin’izy ireo i Jesoa. Nisy namadika izy, nosamborina, notsaraina ary nomelohina. Maty Izy ary nalevina rehefa avy nijaly teo ambony hazofijaliana.
Jaona 20–21. Niseho tamin’i Maria Magdalena teo amin’ny Sahan’ny Fasana i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty ary avy eo tamin’ny sasany tamin’ireo mpianany tany Jerosalema. Niseho tamin’ny fito tamin’ireo mpianatra tao amin’ny Ranomasin’i Galilia Izy ary nandidy an’i Petera hitarika ireo mpianatra amin’ny fanompoana ny hafa.