Tahirim-pitaovana
Fizarana 29, Andro 1: Jakoba 2–3


Fizarana 29: Andro 1

Jakoba 2–3

Fampidirana

Namporisika ireo Olomasina mba hanolo-tanana ny olona ampahoriana i Jakoba Apôstôly ary nampianatra izy fa ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia tsy mitia kokoa ny manan-karena noho ny mahantra. Nampianatra ihany koa izy ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny asa, ary nampianatra ireo Olomasina ny maha-zava-dehibe ny mifehy ny teny ambara izy. Nampitahainy ny fahendren’izao tontolo izao sy ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra.

Jakoba 2:1–13

Mampianatra ireo mpanara-dia an’i Kristy i Jakoba mba tsy hizaha tavan’olona ka hitia ireo manan-karena kokoa

Eritrereto ny fotoana iray izay nahitanao olona iray voakarakara tsara kokoa satria nalaza, na nanana akanjo nanara-damaody, na avy tamina fianakaviana manan-karena na manam-pahefana na koa noho ny antony kisendrasendra hafa.

  1. journal iconManorata fohy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny zavatra niainanao ary lazalazao ny fahatsapana nanananao momba izany. Valio ihany koa izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana ny olona no mizaha tavan’olona indraindray.

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jakoba 2:1 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, scriptures.lds.org ), dia tadiavo ny zavatra nosoratan’i Jakoba momba ny “fizahan-tavan’olona.” Ny manao “fizahan-tavan’olona” dia midika fa manova ny fitondrana ny olona iray na vondrona iray mihoatra ny hafa noho ny toe-piainan’izy ireo na ny toetoetran’izy ireo.

Vakio ny Jakoba 2:2-4, ary jereo ny ohatra nomen’i Jakoba izay maneho toe-javatra tsy tokony hizahan’ny Olomasina ny tavan’ny olona iray mihoatra noho ny iray hafa.

Mieritrereta toe-javatra amin’izao androntsika izao izay ahitana fa ratsy ny fitondran’ny olona ireo hafa noho ny toe-javatra misy azy ireo na ny toetoetran’izy ireo.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 2:5-7, dia nibedy ireo Olomasina izay nanao tsinontsinona ny mahantra i Jakoba. Nampahatsiahy azy ireo izy fa nisafidy ny mahantra izay nanan-karena tao amin’ny finoana Andriamanitra ary ny mpanan-karena no efa nampijaly ny mahantra sy niteny ratsy ny Tompo.

Vakio ny Jakoba 2:8, dia tadiavo izay zavatra nampahatsiahivin’i Jakoba an’ireo Olomasina mba hataon’izy ireo izay hanampy azy ireo hanafoana ny fizahan-tavan’olona.

Nahoana araka ny hevitrao io didy io no nantsoina hoe “didy ambony indrindra” (Jakoba 2:8)?

Nampianatra momba io fampianarana avy amin’ny Jakoba io ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary nampihatra izany tamin’ny fanatitra amin’ny fifadiankanina:

Filoha Marion G. Romney

“Tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. Napetraky ny Mpamonjy faharoa aorian’ny fitiavana an’ Andriamanitra irery ihany io lalàna io [jereo ny Matio 22:37, 39]. …

“Amin’ny fandoavantsika ny fanatitra amin’ny fifadiankanina, dia tokony hanao izany am-pieritreretana ny lalàna ambony indrindra isika. …

“Ny fikarakarana ny mahantra sy ireo manan-kilema ary ireo izay mila ny fanampiantsika dia tanjona fototra sy tena zavatra takiana amin’ny fanatanterahana ilay lalàna ambony indrindran’ny fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika” (“The Royal Law of Love,” Ensign, Mey 1978, 95).

Farano ity fitsipika manaraka ity izay avy amin’ny zavatra nampianarin’i Jakoba ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Ireo mpanara-dia mahatokin’i Jesoa Kristy dia .

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io fitsipika io. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana ny Mpamonjy no ohatra maneho ny fitiavana ny hafa na manao ahoana na manao ahoana ny toe-piainan’izy ireo?

    2. Iza no olona fantatrao fa miezaka ny mitia ny olon-drehetra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-piainan’izy ireo? Inona no ataon’io olona io mba hampisehoana fa tia ny olon-drehetra izy na manao ahoana na manao ahoana ny toe-piainan’izy ireo?

Diniho ny fomba fitondranao ny hafa. Tadiavo izay hahafahanao manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fitiavana ny hafa na manao ahoana ny toe-piainan’izy ireo.

Ataovy sary an-tsaina hoe rehefa nandre ny fampianaran’i Jakoba momba ny fitiavana ny olon-drehetra ianao dia maheno olona iray milaza fa tsy dia olana loatra raha toa isika manindrahindra ny olona sasany kanefa ratsy ny fitondrantsika ny hafa. Milaza koa io olona io fa misy zavatra ratsy lavitra mbola azontsika atao.

Vakio ny Jakoba 2:9–10, ary tadiavo hoe nahoana no olana manan-danja ny tsy fitiavana ny olon-drehetra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-piainan’izy ireo.

Maro ireo didy, ary ny tsy fanarahana ny iray amin’ireny didy ireny dia midika fa nandika ny lalàn’ Andriamanitra isika, lasa maloto, ka tsy afaka ny hitoetra miaraka amin’ Andriamanitra. Tahaka ny hoe lasa “meloka amin’izy rehetra” isika (Jakoba 2:10) satria mitovy ihany ny vokany: ny fisarahana amin’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 10:21).

Azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Raha toa isika manao fahotana na dia iray aza, dia lasa meloka eo anatrehan’ Andriamanitra.

Na dia mahatonga antsika ho maloto aza ny tsy fankatoavantsika, dia mbola afaka manana fanantenana isika. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra ny fomba ahafahantsika hiverina ho madio indray:

Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny famindrampon’ Andriamanitra no fanantenana lehibe sy tsy manam-petra ho antsika.

“Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’ny drafitry ny famindrampo hanefa ny fitakian’ny fahamarinana [jereo ny Almà 42:15] ‘ary mitondra fitaovana ho an’ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ny fibebahana’ [Almà 34:15].

“Ny fahotantsika, na dia tahaka ny jaky aza dia afaka ho tonga fotsy tahaka ny oram-panala [jereo ny Isaia 1:18]. Satria ny Mpamonjy malalantsika dia ‘nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra’ [1 Timoty 2:6], dia atolotra antsika ny fidirana mankao amin’ny fanjakany mandrakizay [jereo ny 2 Petera 1:11].

“Misokatra ilay vavahady!” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo ,” Ensign na Liahona, mey 2015, 108).

Inona no mila ataontsika mba hahatonga antsika ho lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy hany ka afaka ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ny Tompo isika?

Ny dingana handalovana amin’ny fandresena ny fahalementsika sy ny fahatongavantsika ho madio sy tsisy pentina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tanterahina amin’ny fiezahana ho tsaratsara kely kokoa isan’andro. Ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy dia tokony ho zavatra katsahintsika mandritra ny fiainantsika manontolo.

Ny Jakoba 2:11 dia ahitana ohatra iray maneho ny fampianaran’i Jakoba ao amin’ny andininy 10, ary manantitrantitra fa ny fandikana ny lalan’ Andriamanitra iray dia mahatonga antsika ho mpanota. Ao amin’ny Jakoba 2:12–13 izy dia mamporisika ireo mpino mba ho be indrafo amin’ny fitondran’izy ireo ny olona satria izy ireo raha tsisy indrafo amin’ny fitondrany ny olona, dia tsisy indrafo ihany koa no hitsarana azy ireo.

Jakoba 2:14–26

Mampianatra momba ny anjara asan’ny finoana sy ny asa amin’ny famonjena antsika i Jakoba.

Mampiasa ny teny hoe finoana ny olona mba hilazana zavatra samy hafa. Ny sasany mety hampiasa izany mba hilazana fa mino zavatra iray izy, raha toa ny hafa mety hampiasa izany mba hilazana zavatra atao. Ianarantsika ao amin’ny Jakoba 2:14–26 ny fomba nanitsian’i Jakoba ny hevi-diso iray momba ny finoana.

Vakio ny Jakoba 2:14, dia tadiavo ny zavatra nanontanian’i Jakoba ireo Olomasina momba ny finoana.

Ao amin’ity sahan-kevitra ity dia hafa ny nampiasan’i Jakoba Apôstôly ny teny hoe asa mihoatra amin’ny nampiasan’i Paoly Apôstôly azy. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Paoly Apôstôly, dia ireo asan’ny lalàn’i Mosesy no noresahiny. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Jakoba, dia ireo asa fanolorantena na asan’ny fahamarinana no noresahiny.

Vakio ny Jakoba 2:17–18, dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jakoba momba ny finoana. (Ny Jakoba 2:17–18 dia andini-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahitanao izany mora foana amin’ny manaraka.)

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny andian-teny hoe “ny finoana raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (andininy 17)?

Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa ny tena finoana an’i Jesoa Kristy dia miseho amin’ny asa feno fahamarinana ataontsika.

Eritrereto ny zavatra nataonao nandritra ny herinandro lasa teo. Moa ve maro tamin’ireo zavatra nataonao no maneho fa tena manana finoana an’i Jesoa Kristy ianao? Ho mora amin’ny olona iray hafa ve ny mahita fa tena manana finoana an’i Jesoa Kristy ianao?

scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Jakoba 2:17–18

  1. journal iconAverimbereno vakiana ny Jakoba 2:17 ary avy eo andramo atao tsianjery izany. Ataovy toy izany ny Jakoba 2:18. Tsapao ny fahaizanao amin’ny fanoratana ireo andininy roa ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina araka ny fitadidianao azy.

Jakoba 3

Nampianatra ireo Olomasina ny maha-manan-danja ny fifehezana ny teny ambara i Jakoba.

dentifrice

Ataovy sary an-tsaina hoe mamoaka ny dentifrice rehetra avy ao amin’ny fasiana azy ianao. Izao kosa dia ataovy sary an-tsaina hoe mamerina mampiditra ny dentifrice rehetra ho ao amin’ny fasiana azy ianao.

Fomba ahoana no mety hampitovy io dentifrice io amin’ny teny lazaintsika?

Efa nilaza zavatra ve ianao izay nanenenanao ny nilaza azy taty aoriana? Eo am-pandalinanao ny Jakoba 3:1-12, dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy amin’ny fitarihana anao hisafidy ny teny izay tokony hoteneninao.

Vakio ny Jakoba 3:2–4 sy ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Jakoba 3:5, dia tadiavo ny famariparitan’i Jakoba ireo izay tsy manafintohina ny hafa amin’ny teny ambarany.

Mariho ao amin’ny andininy 2 fa i Jakoba dia nampianatra fa ny “tsy mba tafintohina amin’ny teny,” na amin’ny zavatra lazaintsika, dia milaza fahaizana mifehy tena iray. Ilay andian-teny hoe “tafintohina amin’ny zavatra maro isika” ao amin’ny andininy 2 dia midika fa tafintohina na manao fahadisoana avokoa isika rehetra, ary ilay teny hoe lela ao amin’ny andininy 5 dia milaza ny teny ambarantsika.

sary, kofehy amin’ny vavan’ny soavaly
sary, sambo kely misy familiana

Ny lamboridy (Jakoba 3:3) dia vy kely apetraka eo am-bavan’ny soavaly. Ny lamboridy dia mifandray amin’ny kofehy ka mamela ny mpitaingina mba hitarika ny soavaly. Ny familiana (Jakoba 3:4) dia milaza ilay familiana ny sambo ary manampy ny olona iray hamily na hampitodika ny sambo.

Araka ny voalazan’i Jakoba dia inona no ifandraisan’ny lamboridin’ny soavaly sy ny familiana ny sambo?

Amin’ny fomba ahoana ny fampitahan’i Jakoba an’ireo zavatra ireo amin’ny lela, na ny teny ambarantsika no manampy antsika hahatakatra ny herin’ny tenintsika?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe ny fianarana mifehy ny zavatra lazaintsika dia mety hanana fiantraikany lehibe amin’ny fiainantsika.

Amin’ny fomba ahoana ny zavatra iray izay toa bitika tahaka ny fianarana mifehy izay tenenintsika no manana fiantraikany goavana eo amin’ny fiainantsika?

Vakio ilay fehezanteny farany ao amin’ny Jakoba 3:5 ary koa ao amin’ny Jakoba 3:6 dia tadiavo ny zavatra hafa izay nampitahan’i Jakoba amin’ny teny ambarantsika. Ilay teny hoe antontan-kazo ao amin’ny andininy 5 dia manondro ala (jereo ny Jakoba 3:5).

Eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana ny fiainantsika no mety “arehitry ny afo” (Jakoba 3:6), na tandindomin-doza noho ny fampiasantsika teny tsy feno fahendrena. Amin’ny fomba ahoana ny fanaovana fanovana kely amin’izay tenenintsika no misy fiantraikany tena tsara amin’ny fiainantsika? Ahoana no hahafahan’izany fanovana izany hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny hafa?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 3:8 dia nampitandrina i Jakoba fa ny lela tsy voafolaka, na ny teny ambara tsy voafolaka dia toy ny poizina mahafaty. Amin’izao andron’ny fifaneraserana elektrônika sy ny tambazotra ifaneraserana izao dia tandremo fa ny teny ambara feno poizina na feno haratsiam-panahy dia afaka miparitaka haingana, manimba fiainana, ary afaka voatahiry hatrany ao anatin’ny tontolo elektrônika.

Vakio ny Jakoba 3:7–12 ary tadiavo hoe nampitahain’i Jakoba tamin’inona koa ny teny izay lazaintsika.

Mianatra avy amin’ny Jakoba 3:9–10 isika fa ireo mpanara-dia an’ Andriamanitra dia miezaka hatrany ny hampiasa ny teniny ho an’ny tanjona feno fahamarinana, fa tsy hanaparitahana ny ratsy.

Rehefa avy nindrana ny voalaza ao Jakoba 3:2–10 ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny tokony sy ny tsy tokony hampiasantsika ny tenintsika izy:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Mazava ho azy fa tsy nilaza akory i Jakoba fa hoe ratsy foana ny lelantsika, na ny zavatra rehetra lazaintsika dia ‘feno ody mahafaty.’ Saingy nilaza mazava izy fa misy zavatra lazaintsika sasantsasany farafaharatsiny izay mety hanimba, na ho poizina mihitsy aza—ary fanambarana mampitahotra ihany izany ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany iray! Ilay feo izay mijoro ho vavolombelona lalina, sy manolotra vavaka amin-kafanam-po ary mihira ny hiran’i Ziona dia mety izay manakiana, mitsikera, manala baraka sy manompa ary mandratra sy manimba ny fanahin’ny tena sy ny an’ny hafa rehefa manao izany. …

“Noho izany ry rahalahy sy anabavy, mandritra ity fikatsahana maharitra mandrakizay mba hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy antsika ity dia enga anie isika mba hiezaka ny ho lehilahy sy vehivavy ‘lavorary’ [jereo ny Jakoba 3:2] farafaharatsiny amin’ity fomba iray ity amin’izao fotoana izao—mba tsy hanafintohina amin’ny teny, na raha lazaina amin’ny fomba tsaratsara kokoa, dia mba hiteny amin’ny fiteny vaovao, ny fitenin’ny anjely. Ny teny lazaintsika toa ireo asa ataontsika dia tokony ho feno finoana sy fanantenana ary fiantrana, izay fitsipika Kristianina telo lehibe tena ilain’izao tontolo izao mafy mihitsy amin’izao fotoana izaoandraikitra telo manan-danja iantsorohan’ny Kristianina izay tena ilaina mafy eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ny fampiasana teny toy izany eo ambany fitarihan’ny Fanahy, dia afaka mamafa ny ranomaso, manasitrana ny fo, mampivoatra ny fiainana, mampiverina ny fanantenana ary mampibahana ny fahatokian-tena” (“The Tongue of Angels,” Ensign na Liahona, mey 2007, 16, 18).

Diniho ireo zavatra sasantsasany izay azonao atao mba ho “tanteraka” (Jakoba 3:2) kokoa eo amin’ny fifidianana ny zavatra teneninao.

“Ny fomba fifandraisanao amin’ny hafa dia tokony hahitana taratra ny maha-ianao anao amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Ny fiteny madio sy mitory faharanitan-tsaina dia porofon’ny saina mazava sy tsara. Ny fiteny izay manandratra sy mankahery ary mandoka ny hafa dia manasa ny Fanahy hiaraka aminao” (Jeunes soyez forts [kiboky, 2011], 20).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nampatanjahana na nankaherezina noho ny teny nolazain’ny olona iray hafa?

    2. Ahoana no efa notahiana anao rehefa nanandrana ny hampatanjaka na hankahery ny hafa amin’ny teny ambaranao ianao?

Soraty eo amin’ny taratasy iray hafa ny tanjona iray momba ny zavatra ho ataonao mba hamehezana tsaratsara kokoa ny teny ambaranao ary mba hampiasanao ny fiteninao ho amin’ny tanjona feno fahamarinana. Alaivo antoka ny hampihatra izay soratanao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakoba 3:13–18 dia nampitahain’i Jakoba tamin’ny “fahendrena izay avy any ambony” (andininy 17), na ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao. Ny fahendren’izao tontolo izao dia mitarika any amin’ny “fialonana” (andininy 16); ny “fifampiandaniana” (andininy 14), na ny fifandirana; ary ny “fikorontanana” (andininy 16), raha ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra kosa dia “madio” sy “be famindrampo” (andininy 17).

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jakoba 2–3 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty) aho.

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: