Fizarana 12: Andro 2
Lioka 22
Fampidirana
Rehefa nadiva hifarana ny asa fanompoan’i Jesoa tety an-tany dia nanorina ny fanasan’ny Tompo izy, sy nampianatra ireo mpianany mba hifanompo, ary nandidy an’i Petera mba hampatanjaka ireo rahalahiny. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia nanomboka tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Nosamborina sy notsaraina teo anatrehan’i Kaifa izy. Rehefa notsaraina ny Mpamonjy dia nandà tsy nahalala azy i Petera.
Lioka 22:1–38
Nanorina ny fanasan’ny Tompo sy nanome toromarika ho an’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy
Alaivo sary an-tsaina hoe ianao sy ny olona iray ao amin’ny fianakavianao dia mipetraka eo amin’ny tany ao an-tranonareo. Te-hitsangana ilay olona ao amin’ny fianakaviana ka nangataka ny fanampianao. Ahoana no fomba tsaratsara kokoa azonao hanampiana azy raha toa mijanona mipetraka amin’ny tany ianao? Inona no mety hiova raha toa ka ianao no mitsangana voalohany?
Io fanoharana io dia afaka hanampy anao hahatakatra ny zavatra azontsika atao hanampiana ny hafa mba ho lasa tsaratsara kokoa ara-panahy.
Eo am-pandalinanao ny Lioka 22 dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao hahafantatra ny fomba entina hanampiana ny hafa mba hijoro ara-panahy.
Ianarantsika ao amin’ny Lioka 22:1–30 fa rehefa nadiva hifarana ny fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany dia nihaona tamin’ny Apôstôliny ny Mpamonjy mba hankalaza ny Paska. Nandritra izany fotoana izany, dia nanambara izy fa ny iray amin’izy ireo dia hamadika Azy, nanorina ny fanasan’ny Tompo izy ary nandidy ny hanaovana izany ho fahatsiarovana Azy, ary nampianatra azy ireo koa Izy fa ireo izay manompo ny hafa no lehibe indrindra amin’ny rehetra. Nandidy ny Apôstôliny koa ny Mpamonjy ny hanohy hiara-hiasa Aminy ary nampanantena azy ireo fa indray andro any dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy ireo ary hitsara ny foko roa ambin’ny folon’i Isiraely.
Vakio ny Lioka 22:31–32 mba hikarohana ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa irian’i Satana.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manome ity fanazavana manaraka ity mikasika ny andininy 31: “Ary hoy ny Tompo, Ry Simona, ry Simona, indro Satana efa nilofo hitady anao, mba hahafahany mikororoka toy ny vary ny zanaky ny fanjakana” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 22:31). Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia te hamandrika an’i Petera i Satana mba hahafahany mamandrika mora foana ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana.
“Ny vary dia voasivana amin’ny fanasarahana ny voam-bary amin’ny akofa. Ilay voany manan-danja dia tehirizina raha toa kosa ka ariana ireo akofa. Raha manaiky ho azon’ny fakam-panahy ireo Olomasina ary mandray anjara amin’ny otan’izao tontolo izao dia ho very ny mampiavaka azy ireo ary ho lasa toy ny akofa”(New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 183). Ao amin’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy, ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Petera sy ireo hafa dia mety ho toy ny voam-bary izay tian’i Satana hosarahina amin’izy ireo.
Mitanisà zavatra iray na roa nianaranao mikasika an’i Petera izay maneho fa efa nanana fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy:
Asio marika ao amin’ny Lioka 22:32 ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa mbola nilain’i Petera niainana talohan’ny hanatanjahany ireo rahalahiny.
Ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara dia midika fa ny olona iray dia nandray ny “fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona ara-panahy omen’ny Fanahy Masina” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fijoroana ho vavolombelona,” scriptures.lds.org). Ny fiovam-po ho an’ny filazantsara dia midika hoe “manova ny finoana, ny fo ary ny fiainana mba hanaiky sy hankato ny sitrapon’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovam-po, niova fo,” scriptures.lds.org).
Araka ny zavatra nolazain’ny Tompo an’i Petera ao amin’ny Lioka 22:32, dia afaka mahita izao fahamarinana manaraka izao isika: Rehefa miova fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia afaka mampatanjaka ny hafa.
-
Rehefa miova fo isika dia mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ny finoana sy ny asantsika ary afaka manampy na mampatanjaka ny hafa isika. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no ifandraisan’ity fitsipika ity amin’ilay fanoharana momba ny fanampiana olona iray hijoro?
-
Inona araka ny eritreritrao no hanampy ny olona iray hiova fo bebe kokoa amin’ny filazantsara?
-
Vakio ny Lioka 22:33–34 mba hikarohana ny fomba namalian’i Petera ny fananaran’ny Mpamonjy sy ny zavatra naminanian’ny Mpamonjy fa ho ataon’i Petera. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Voarakitra ao amin’ny Matio 26 ny antsipiriany bebe kokoa mikasika io tantara io. Vakio ny Matio 26:35 mba hikarohana ny zavatra nolazain’i Petera tamin’ny Mpamonjy taorian’ny nahenoany ilay faminaniana.
Lioka 22:39–53
Nijaly tao Getsemane ny Mpamonjy, nivoa-drà ary nivadihan’i Jodasy
Taorian’ny Paska dia nandeha tany amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa sy ny Apôstôliny. Vakio ny Lioka 22:39–43 mba hikarohana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy tao. Azonao atao ny manisy marika ny ao amin’ny andininy 43 ny olona izay nampahery Azy.
Isika dia mianatra avy amin’io tantara io fa rehefa maniry ny hankato ny Ray any An-danitra isika dia hanampy antsika Izy hanana tanjaka hanao ny sitrapony.
Inona avy ireo fomba sasany izay mety hampaherezan’ny Ray any An-danitra antsika?
Saintsaino ny fotoana iray izay nahatsapanao fa nampaherezin’ny Ray any An-danitra ianao rehefa nikatsaka ny hanao ny sitrapony.
Ny fitantaran’i Lioka ny fijalian’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia ahitana antsipiriany manan-danja izay tsy ao anatin’ny fitantaran’i Matio sy i Marka. Vakio ny Lioka 22:24 mba hikarohana ny namaritan’i Lioka ny fijalian’ny Mpamonjy tao. Asio marika ireo teny izay mampianatra izao fahamarinana manaraka izao: Nivoa-dra be dia be ny mason-koditr’i Jesoa Kristy rehefa nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane Izy.
Namariparitra ny fijaliany manokana tao anatin’ny fanambarana nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Mpamonjy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18 mba hikarohana ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ny fijaliany. Vakio koa Môsià 3:7. Soraty ho soratra masina mifandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18 sy ny Môsià 3:7 ka ataovy ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Lioka 22:44.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no tonga ao an’eritreritrao noho ny fahalalana fa nijaly mafy ho anao i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no hampatanjahan’ny fahalalana io fahamarinana io ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny fitiavan’ny Mpamonjy anao?
-
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao fampianarana manaraka izao mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy:
“Tsy mahafantatra isika, tsy afaka milaza isika, ary tsy misy sain’olombelona afaka mahatakatra ny tena lanjan’ny zavatra nataon’i Kristy tao Getsemane.
“Fantatsika fa nivoa-drà be ny mason-kodiny tsirairay rehefa nisotro hatramin’ny farany ilay kapoaka mangidy izay natolotry ny Ray Azy Izy.
“Fantatsika fa nijaly Izy, na ara-batana na ara-panahy, mihoatra noho izay azon’ny olombelona zakaina, afa-tsy ny fahafatesana.
“Fantatsika fa amin’ny fomba izay tsy dia takatry ny saintsika loatra, ny fijaliany dia nanome fahafaham-po ny fitakian’ny fahamarinana, nanafaka ny fanahy mibebaka tamin’ny fahoriana sy ny sazin’ny fahotana ary nahatonga ny famindram-po afaka mihatra amin’ireo izay mino ny anarany masina.
“Fantatsika fa niankohoka tamin’ny tany Izy rehefa nampangovitra azy ireo fanaintainana sy fangirifiriana avy amin’ilay enta-mavesatra tsy misy fiafarana, hany ka naniry ny tsy hisotro amin’ilay kapoaka mangidy Izy.
“Fantatsika fa nisy anjely tonga avy tany amin’ny toerana feno voninahitra mba hankahery Azy tao anatin’ny fitsapana nihatra Taminy ary dia maminavina isika fa i Mikaela ilay tsitoha izany izay lavo voalohany mba hisian’ny olona.
“Raha ny tombatombana azontsika atao, ireo fangirifiriana tsy manam-piafarana ireo—izany fijaliana tsy manan-tsahala izany—dia mbola nitohy nandritra ny adiny telo na efatra teo” (“The Purifying Power of Gethsemane,” Ensign, mey 1985, 9).
Nampahafantarina antsika ao amin’ny Lioka 22:45–48 fa taorian’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane dia nivadika taminy i Jodasy Iskariota.
Vakio ny Lioka 22:49–51 mba hikarohana ny nataon’i Petera (jereo ny Jaona 18:10) rehefa tonga hisambotra an’i Jesoa ireo lohan’ny mpisorona sy ny hafa. Asio marika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho an’ny mpanompon’ilay mpisoronabe.
Nampahafantarina antsika ao amin’ny Lioka 22:52–53 fa ny Mpamonjy dia nanontany hoe nahoana ireo lohan’ny mpisorona sy ireo hafa no nisambotra Azy nandritra ny alina fa tsy nandritra ny andro raha mbola tao amin’ny tempoly Izy.
Lioka 22:54–71
Notsaraina teo anoloan’ny Synedriona i Jesoa, ary nandà ho tsy nahafantatra Azy i Petera
Mampahafantatra antsika ny ao amin’ny Lioka 22:54 fa i Petera dia nanaraka ny Mpamonjy rehefa nentina tany amin’ny tranon’ny mpisoronabe Izy mba hotsaraina.
-
Sorito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Eo am-pamakianao ireo andalan-tsoratra masina tsirairay dia karohy ny olona niresaka tamin’i Petera sy ny zavatra nolazain’i Petera nandritra ny fitsarana ny Mpamonjy. Soraty eo amin’ny tsanganana mifandraika amin’izany ny valinteninao. (Fanamarihana: Ireo filazantsara efatra dia mitahiry avokoa ny fitantarana ny fandavan’i Petera an’i Jesoa saingy ao amin’ny bokin’i Jaona kosa no ahitana ny antsipiriany betsaka indrindra amin’izany.)
|
Toko sy andininy |
Iza no niresaka tamin’i Petera? |
Inona no nolazain’i Petera? |
|---|---|---|
|
Jaona 18:15–17 | ||
|
Jaona 18:18, 25 | ||
|
Jaona 6:26–27 |
Rehefa vitanao ny mameno ilay tabilao, dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no nandà ho tsy nahalala an’i Jesoa tamin’ny tsirairay tamin’ireo olona ireo i Petera?
Vakio ny Lioka 22:61–62 mba hikarohana ny zava-nitranga taorian’ny nandavan’i Petera fa tsy nahalala ny Mpamonjy izy.
Alaivo sary an-tsaina hoe teo amin’ny toeran’i Petera ianao taorian’ny fandavany an’i Jesoa in-telo? Inona no eritreritra na fahatsapana heverinao fa mety ho nanananao rehefa nijery anao ny Mpamonjy? Nahoana ianao no ho nanana fahatsapana toy izany?
Nampianatra izao manaraka izao mikasika an’i Petera ny Loholona Bruce R. McConkie:
“I Petera no ohatra efa hatry ny ela izay maneho ny fomba fiasan’ny herin’ny fiovam-po amin’ireo fanahy mora mandray. Nandritra ny asa fanompoana nataon’ny Tompontsika teto an-tany dia nanana fijoroana ho vavolombelona, izay avy amin’ny Fanahy, i Petera mahakasika ny maha-Andriamanitra an’i Kristy sy ny amin’ny drafitra lehiben’ny famonjena izay tao amin’i Kristy. Hoy izy, ‘Ianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona,’ rehefa nampitenenin’ny Fanahy Masina izy. (Mat. 16:13–19.) Raha nihemotra ireo hafa, i Petera kosa dia nijoro niaraka tamin’ny fananany toky tamin’ny maha-apôstôly azy hoe ‘Mino isika ary mahatoky fa ianao no Kristy , ilay zanak’ Andriamanitra velona.’ (Jaona 6:69.) Nahafantatra i Petera ary ny fahalalana nananany dia tonga tamin’ny fanambarana.
“Saingy tsy niova fo i Petera, satria tsy tonga olom-baovao nateraky ny Fanahy Masina izy. Fa Izy kosa, fotoana ela taorian’ny nahazoan’i Petera fijoroana ho vavolombelona, ary tamin’ilay alina nisamborana an’i Jesoa, dia nilaza tamin’i Petera hoe: ‘Ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.’ (Lioka 22:32.) Avy hatrany tTaorian’izay avy hatrany, na dia teo aza ny fijoroana ho vavolombelona nananany dia nandà ho tsy nahafantatra an’i Kristy i Petera. (Lioka 22:54–62.) Taorian’ny fanomboana, dia nandeha nanjono i Petera, izay nantsoin’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty ho amin’ny asa fanompoana indray. (Jaona 21:1–17.) Ary farany, tamin’ny andron’ny pentekôsta dia noraisina ilay fanafiana hery ara-panahy avy any ambony izay nampanantenaina. Lasa olona nateraky ny Fanahy Masina i Petera sy ireo mpianatra mahatoky. Niova fo tanteraka izy ireo ary ny zava-bitan’izy ireo vokatr’izany dia maneho ny fahamafisana orin’ny fiovam-pon’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 3; 4.)” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 162-63).
Mianatra isika ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa taorian’ny nandraisan’i Petera ny fanomezana ny Fanahy Masina dia lasa niova fo tanteraka sy nandany androny sisa tamin’ny naha-mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy azy izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:13–17; 5:25–29).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Petera?
-
Iza no olona fantatrao fa toy ny tena niova fo marina amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Inona ny zavatra nataon’io olona io mba hanehoana fa niova fo izy?
-
Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanamafisana ny fiovam-ponao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manaova zavatra araka ny fahatsapana izay voarainao.
Mampahafantatra antsika ny ao amin’ny Lioka 22:63–71 fa noesoina sy nokapohin’ireo lohan’ny mpisorona ny Mpamonjy .
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 22 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: