Fampahafantarana ny 1 Timoty
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Mamaky isika ao amin’ny 1 Timoty fa i Paoly dia nanome torohevitra an’i Timoty, izay mpitarika ny Fiangonana tany Efesosy, mba haka antoka fa fotopampianarana tsy misy kilema no nampianarina ka tsy hamela ny fampianaran-diso malaza hampivily amin’ny fampianaran’ny filazantsara. Nampianariny momba ny anjara fanompoan’ny eveka sy ny diakona i Timoty ary noresahiny ireo zavatra takina ho an’ireo izay manompo ao amin’ireo toerana ireo. Nolazain’i Paoly indray ny fankasitrahany lehibe noho ny famindrampo izay noraisiny avy tamin’i Jesoa Kristy rehefa niova fo izy. Ny fandalinana ny 1 Timoty dia afaka mampitombo ny fahafantaranao ny maha-manan-danja ny fampianarana fotopampianarana tsy misy kilema ao amin’ny Fiangonana. Afaka mampiorim-paka ny fankasitrahanao ny famindrampon’ny Mpamonjy sy ny anjara asa manan-danja ananan’ireo eveka sy mpitarika ato amin’ny Fiangonana ihany koa ianao.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Paoly no nanoratra ny 1 Timoty (jereo ny 1 Timoty 1:1).
Oviana ary taiza no nanoratana izany?
Ny Epistilin’i Paoly Voalohany ho an’i Timoty dia nosoratana tokony teo anelanelan’ny taona 64 sy 65 taorian’i J.K. , angamba rehefa tany Makedonia i Paoly (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly,” scriptures.lds.org; 1 Timoty 1:3). Mialoha ny nanoratany ity epistily ity, i Paoly dia navotsotra avy tamin’ny fampidirana am-ponja (sazy an-trano) azy nandritra ny roa taona tany Roma ary mety ho nandeha lavidavitra, nitsidika ireo faritra izay nanorenany ireo sampan’ny Fiangonana teo aloha izy (jereo ny Bible Dictionary ao amin’ny soratra masina amin’ny teny anglisy amin’ny OAF “Pauline Epistles”).
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
Nosaratan’i Paoly ity epistily ity ho an’i Timoty, izay nanompo niaraka tamin’i Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:1–3). Taorian’ny asa fitoriana nataon’izy ireo dia nanohy ho misiônera sy mpitarika mahatoky tao amin’ny Fiangonana i Timoty (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:22; Filipiana 2:19) ary anisan’ireo mpiara-miasa atokisan’i Paoly indrindra (jereo ny 1 Korintiana 4:17). Niantso an’i Timoty hoe “tena [zanany] amin’ny finoana” i Paoly (1 Timoty 1:2). Jentilisa grika ny rain’i Timoty, saingy nanana reny sy renibe Jiosy izay olo-marina izay nampianatra azy sy nanampy azy hianatra ny soratra masina izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:1; 2 Timoty 1:5; 3:15).
Mpitarika ny Fiangonana tao Efesosy i Timoty tamin’ny fotoana nanoratana ity epistily ity (jereo ny 1 Timoty 1:3). Tsapan’i Paoly fa nisy mpikambana sasany niahiahy ny fahafahan’i Timoty mitondra satria tanora izy (jereo ny 1 Timoty 4:12). Nikasa hamangy an’i Timoty mivantana i Paoly, fa tsy azony antoka anefa raha toa afaka hanao izany izy (jereo ny 1 Timoty 3:14; 4:13). Nanoratra ity epistily ity ho an’i Timoty i Paoly mba hanampiana ilay mpitarika tanora ao amin’ny Fiangonana hahatakatra bebe kokoa ireo adidiny.
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ireo taratasin’i Paoly izay fantatra amin’ny hoe 1 Timoty sy 2 Timoty ary Titosy dia matetika antsoina hoe ireo epistilin’ny mpitandrina satria izy ireo dia mirakitra ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo mpitandrina na mpitarika ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Bible Dictionary, “Pauline Epistles”). Ny hoe mpitandrina dia midika hoe mpiandry ondry.
Nanome toromarika hanampiana an’i Timoty hamantatra ireo izay mendrika ho antsoina ho eveka na diakona i Paoly (jereo ny 1 Timoty 3). Ny toromarika nomeny dia mampisongadina ny andraikitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fikarakarana ny zavatra ilain’ireo mpikambana na ara-batana na ara-panahy (jereo ny 1 Timoty 5). Noresahan’i Paoly ihany koa ny hevi-diso mahazatra momba ny asesitizma—ny finoana fa azo tratrarina amin’ny alalan’ny fandavan-tena amin’ny fomba hentitra ny fanana toe-panahy lehibe kokoa. Ohatra, nampitandrina i Paoly fa ny mpikambana sasany dia hihemotra ka hanindraindra ny finoana fa tokony raràna ny fanambadiana (jereo ny 1 Timoty 4:1–3). Mba hanoherana izany sy ireo fitaoman-dratsy ary ireo fampianarana hafa naparitak’ireo mpikambana nihemotra dia nanoro lalana i Paoly ny mba hampianarana fotopampianarana tsy misy kilema (jereo ny 1 Timoty 1:3–4, 10; 4:1–6, 13, 16).
Topimaso
1 Timoty 1. Nampitandrina mikasika ireo fampianaran-diso i Paoly. Manome voninahitra an’ i Jesoa Kristy Tompo, izay nanolotra famindrampo lehibe mba hamonjy azy izy. Niantso ny tenany ho ilay “lohany” (1 Timoty 1:15), na ilay mpanota ratsy indrindra i Paoly, raha nilaza momba ny nanenjehany ireo Kristiana talohan’ny fiovampony. Nanome antoka i Paoly fa ny famindrampon’i Kristy dia hanampy azy ireo ihany koa.
1 Timoty 2–3. Nampianatra mikasika ny filàna ny vavaka sy ny fitsaohana araka ny tokony ho izy i Paoly. Nampianatra izy fa i Jesoa Kristy no nanao sorona hisolo ny olona rehetra ary Izy no Mpanelanelana antsika amin’ny Ray. Nampianatra ireo lehilahy sy vehivavy ny amin’ny tokony ho fitondran-tena mandritra ny fitsaohana izy. Nitanisa ireo fepetra takiana mba ho eveka sy diakona izy. Nanazava izy fa ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia ny fiambanian’i Jesoa Kristy sy ny fiainany tonga lafatra tety an-tany ary ny Fiakarany tamim-boninahitra tany an-danitra.
1 Timoty 4. Nampitandrina an’i Timoty i Paoly fa ny olona sasany dia ho voafitaky ny fampianaran-diso mikasika ny fanambadiana sy ny fombafomba ara-tsakafo. Niresaka mikasika ny maha-manan-danja ny fanambadiana sy ny fandraisana ireo zavatra noharian’ Andriamanitra amim-pisaorana izy. Nampianatra an’i Timoty ny amin’ny fomba hiatrehana ireo fampianaran-diso amin’ny androny sy ireo hafa izay hitranga tsy ho ela izy.
1 Timoty 5–6. Nanome toromarika an’i Timoty mba hanampy azy hanompo ireo zokiolona, tanora, mpitondratena, loholona ary andevo i Paoly. Nilazalaza momba ireo fampianaran-diso izy. Nampitandrina izy fa “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Timoty 6:10) ary mampianatra an’i Timoty mikasika ny fomba hahafahan’ireo Olomasina mahazo fiainana mandrakizay izy.