Tahirim-pitaovana
Fizarana 16, Andro 1: Jaona 16


Fizarana 16: Andro 1

Jaona 16

Fampidirana

Taorian’ny sakafon’ny Paska dia nanohy nampianatra ireo mpianany i Jesoa Kristy. Nilaza tamin’izy ireo Izy fa ho any amin’ny Rainy afaka fotoana fohy ary ny Fanahy Masina, na ny Mpananatra, dia ho avy hitarika azy ireo ho amin’ny marina rehetra. Naminany momba ny fahafatesany sy ny Fitsanganany amin’ny maty i Jesoa ary nanambara fa nandresy izao tontolo izao Izy.

Jaona 16:1–15

Mampianatra mikasika ny anjara asan’ny Fanahy Masina i Jesoa

Alaivo sary an-tsaina hoe mandeha voalohany amin’ny toerana mahafinaritra kanefa tsy azo itokiana ianao. Namana akaiky sy manana traikefa ny mpitarika anao. Rehefa tonga amin’ny toerana sarotra iray mandritra ilay dia ianao ka mitodika dia hitanao fa lasa ilay namanao ary irery sy very ianao. Inona avy ireo ahiahy sy fahatsapana mety hanananao ao anatin’ny toe-javatra mitranga tahaka izany?

Efa nanana ahiahy sy fahatsapana mitovy amin’izany ve ianao nandritra ny fotoan-tsarotra sy naha-irery anao teo amin’ny fiainanao? Rehefa mandalina ny Jaona 16 ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manampy anao hahafantatra ny fomba ahitana fitarihana sy fiadanana rehefa mila izany ianao.

Rehefa avy niaraka tamin’ny mpianany saika ho efa telo taona i Jesoa Kristy dia nolazainy tamin’izy ireo fa tsy maintsy mandeha Izy (jereo ny Jaona 14:28). Mianatra isika ao amin’ny Jaona 16:1–4 fa rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa dia nilaza tamin’izy ireo Izy fa ho avy ny andro izay hankahalan’ny olona azy ireo ary ireo olona ireo dia hino fa nanompo an’ Andriamanitra izy ireo tamin’ny alalan’ny famonoany ireo mpianatra.

Vakio ny Jaona 16:5-6, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianany sy ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika izany.

Vakio ny Jaona 16:7, ka tadiavo hoe iza no nampanantenain’i Jesoa fa hohirahiny rehefa lasa Izy.

Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe: “Raha mbola niaraka mivantana tamin’ny mpianatra i Jesoa dia tsy nilaina feno ny hananan’izy ireo ny Fanahy ho namana mandrakariva tahaka ny hilan’izy ireo izany taorian’ny nandehanan’i Jesoa” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 753).

Ao amin’ny Jaona 16:8–12 dia nanazava i Jesoa fa iray amin’ireo anjara asan’ny Fanahy Masina ny “mampiaiky izao tontolo izao ny fahotana” (Jaona 16:8). Vakio ny Jaona 16:13, ka tadiavo ireo anjara asa hafa izay hotanterahin’ny Mpananatra eo amin’ny fiainan’ireo mpianatra rehefa nandao azy ireo i Jesoa.

Raha nanao fanamarihana momba ny Jaona 16:9–11 ny Loholona McConkie dia nanazava hoe: “Andinin-tsoratra masina sarotra ireo izay nomena antsika tamin’ny endriny natambatra sy nofintinina mba hahasarotra ny fanazavana izany. Ny toa hevitr’izany dia hoe: ‘Rehefa mahazo ny Fanahy ho namana ianao, ka mahatonga anao miteny izay ambarany aminao izany, dia handresy lahatra izao tontolo izao hiaiky ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana ny fampianaranao avy eo. Horesena lahatra hiaiky ny fahotana izao tontolo izao noho ny fandavana ahy, noho ny tsy finoana ny fijoroana ho vavolombelona nentanin’ny Fanahy anananareo fa Izaho no Zanakalahin’ Andriamanitra izay ahatongavan’ny famonjena. Horesena lahatra hiaiky izy ireo noho ny fandavana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny fahamarinako—noho ny fiheverana fa mpiteny ratsy sy mpamitaka ary mpisandoka Aho—nefa raha ny marina dia nandeha tany amin’ny Raiko Aho, izay zavatra tsy azoko natao raha tsy marina sy mety avokoa ny asako. Horesena lahatra izy ireo hiaiky ny fitsarana diso amin’ny fandavana ny fijoroana ho vavolombelona anananareo izay manohitra ireo fivavahana misy, sy amin’ny fisafidianana ny hanaraka an’i Satana kosa, ilay mpanjakan’ity izao tontolo izao ity, izay hotsaraina sy ho hita fa tsy nahafeno ny fepetra mihitsy miaraka amin’ireo fotokeviny ara-pivavahana.’” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:754).

Ahoana no hahazoan’ireo mpianatra tombontsoa avy amin’ny fitarihana sy ny torohevitra izay omen’ny Fanahy Masina?

Inona no fahamarinana momba ny Fanahy Masina izay azontsika ianarana avy amin’ny Jaona 16:13?

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fomba sasany hitarihan’ny Fanahy Masina antsika amin’ny fahamarinana?

    2. Amin’ny fomba ahoana no mety hampisehoan’ny Fanahy Masina antsika ireo zavatra ho avy?

Afaka manome antoka, fanantenana, fahitana, fampitandremana ary fitarihana ho an’ny hoavintsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Loholona Dallin H. Oaks

Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ka tadiavo ny fomba ahafahanao manasa ny Fanahy Masina hitarika anao eo amin’ny fiainanao: “Ahoana no fomba handraisantsika ny Fanahy Masina ho mpitarika antsika? Tsy maintsy mibebaka amin’ireo fahotantsika isika isan-kerinandro ka manavao ireo fanekempihavananantsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amin’ny tanana madio sy fo madio, araka ny nandidiana antsika (jereo ny F&F 59:8–9, 12). Izany fomba izany ihany no hahafahantsika mahazo ny fampanantenan’ Andriamanitra fa ‘hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika]’ isika (F&F 20:77). Izany Fanahy izany dia ny Fanahy Masina, izay ny hampianatra antsika, sy hitarika antsika amin’ny marina, ary hijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka no asa nanirahana azy (jereo ny Jaona 14:26; Jaona 15:26; Jaona 16:13; 3 Nefia 11:32, 36)” (“Be Not Deceived,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 46).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nitarika anao ho amin’ny marina na nampiseho anao ireo zavatra ho avy?

    2. Ahoana no nahalalanao fa ny Fanahy Masina no nitarika anao?

Eritrereto ireo safidy izay mety hataonao mba hanasana ny Fanahy Masina ho mpitarika anao. Miezaha miaina amin’ny fomba izay manasa ny fitaoamany mitarika eo amin’ny fiainanao.

Nampianatra i Jesoa Kristy ao amin’ny Jaona 16:13 fa ny Fanahy Masina dia “tsy hiteny ho Azy …, fa izay ho reny dia holazainy avokoa.” Vakio ny Jaona 16:14–15, ka tadiavo hoe ny hafatra avy amin’iza no holazain’ny Fanahy Masina amintsika.

Fenoy avy amin’ny zavatra izay nianaranao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izao fotopampianarana manaraka izao: Ny Fanahy Masina dia mampahafantatra ireo fahamarinana sy fampianarana avy amin’ny .

Nahoana no manampy ny mahafantatra fa rehefa miresaka amintsika ny Fanahy Masina dia miteny ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Izy?

“Ny fifandraisa[n’ny Fanahy Masina] amin’ny fanahinao dia mitondra zavatra azo antoka bebe kokoa noho izay mety ho fifandraisana hafa voarainao amin’ny alalan’ireo retsipamantaranao ara-boajanahary” (Miorim-paka amin’ny finoana [2004], 82). Izany dia midika fa ny Fanahy Masina no mpitarika manan-danja indrindra ho antsika amin’ny fianarana ny fahamarinana. Manan-danja kokoa noho ny porofo amin’ny fizika, na ny hevitry ny hafa, na ny hevitr’izao tontolo izao ny fitaomany. Ireo mpianatry ny Mpamonjy dia nila nianatra niantehitra tamin’ny Fanahy Masina ho mpitarika azy ireo rehefa tsy teo intsony ny Tompo, tahaka antsika izay mila miantehitra amin’ny Fanahy Masina amin’izao fotoana izao.

Jaona 16:16–33

Miresaka ny fahafatesany sy ny Fitsanganany amin’ny maty ny Mpamonjy ary milaza fa nandresy izao tontolo izao Izy

Mieritrereta fotoana iray izay tsy maintsy nanaovanao veloma ny olona iray tao amin’ny fianakaviana na ny namana iray mandritra ny fe-potoana iray lavalava na tsy fantatra. Inona no nolazainao mba hifankaherezanareo rehefa nifanao veloma?

Vakio ny Jaona 16:16, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianany ka mety nampahery azy ireo rehefa nieritreritra ny fandehanan’i Jesoa izy ireo.

Mamaky isika ao amin’ny Jaona 16:17–19 fa tsy nahatakatra ny zavatra tian’i Jesoa holazaina ireo mpianatra rehefa nilaza i Jesoa fa handeha kanefa hahita Azy indray izy ireo.

Vakio ny Jaona 16:20–22, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa ho tsapan’ireo mpianany rehefa lasa Izy ary ny zavatra ho tsapan’izy ireo rehefa mahita Azy indray. Mety hanampy ny mahafantatra fa ilay andian-teny hoe “vehivavy … miteraka” ao amin’ny andininy 21 dia entina ilazana vehivavy iray bevohoka izay mihetsi-jaza mialoha ny hahazoany zanaka.

Araka ny voalazan’io andininy io dia inona no ho tsapan’ireo mpianatra rehefa nandeha i Jesoa? Inona no nampanantenainy fa ho tsapan’izy ireo rehefa hahita Azy indray izy ireo?

Fantatr’i Jesoa fa hahita Azy indray ireo mpianany taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty. Na dia ho lehibe aza ny alahelon’izy ireo noho ny fahafatesany dia haharitra ny fifaliana tsapan’izy ireo aorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Mamaky isika ao amin’ny Jaona 16:23–32 fa nampianatra ireo mpianany hivavaka mivantana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anarany (an’i Jesoa Kristy) i Jesoa (jereo ny Jaona 16:23) ary nanome toky azy ireo ny amin’ny fitiavan’ny Ray azy ireo sy Izy. Nanome toky azy ireo indray Izy fa hovaliana ny vavaka ataon’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra.

Vakio ny Jaona 16:33, ka tadiavo ireo teny sy andian-teny nampiasain’ny Mpamonjy mba hampaherezana ireo mpianany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Nahoana isika no afaka hanana fifaliana sy fiadanana na dia ao anatin’ny tontolo feno fahoriana sy fahafatesana aza?

Afaka mianatra isika avy amin’ny Jaona 16:33 fa satria nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy dia afaka matoky sy manana fiadanana isika. Araka ny eritreritrareo dia inona no dikan’ny hoe nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy?

Amin’ny maha-Zanaka Lahitokan’ny Ray Azy dia niaina fiainana tsy nisy fahotana i Jesoa Kristy ary nandresy ireo fakam-panahy rehetra teto amin’izao tontolo izao. Niaritra ireo fanaintainana sy fahoriana rehetra ihany koa Izy ary nanao sorona noho ny fahotan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Tamin’ny alalan’ny fiainany, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty no nandreseny ireo zavatra rehetra nanakana antsika tsy hadio, hahita fiadanana, ary hiara-hiaina indray amin’ny Raintsika any An-danitra sy ireo olon-tiantsika.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hanampiana anao hatoky sy hanana fiadanana amin’ny alalan’ny fahafantarana fa nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy?

Vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson, ka tadiavo ny antony ahafahantsika hifaly na dia eo aza ireo fitsapana sy zava-tsarotra eto amin’ity tontolo ity:

Filoha Thomas S. Monson

“Ndeha isika hifaly am-piadanana eo am-panatrehana ny fiainantsika. Tia sy miahy antsika ny Tompo, na dia miaina ao anatin’ny fotoana mahory tsy mitsaha-mitombo aza isika. Miaraka amintsika foana Izy rehefa manao ny tsara isika. Hanampy antsika amin’ny fotoam-pahasahiranana Izy. … Afaka ho rakotry ny fifaliana koa ny fiainantsika rehefa manaraka ny fampianarana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.

“Nanome toky ny Tompo hoe ‘Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao’ [Jaona 16:33]. Endrey ny fifaliana goavana tokony hoentin’izany fahalalana izany ho antsika. Niaina ho antsika Izy ary maty ho antsika. Nanonitra ny saran’ny otantsika Izy. Ndeha isika haka tahaka ny ohatra nasehony. Ndeha isika haneho fankasitrahana lehibe Aminy amin’ny alalan’ny fanekena ny sorona nataony ary miaina fiainana izay mendrika ny hahatonga antsika hiverina sy hiaina hiaraka Aminy indray andro any” (“Homba anao hatrany anie ny Ray,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 111).

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Oviana no nanampy anao hatoky sy hanana fiadanana ny fahafantarana fa nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy?

Katsaho ny ho matoky sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa manao izany ianao dia hahatsapa ny fiadanana sy ny fanantenana izay afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Tompo sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Jaona 16 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: