Fizarana 8: Andro 3
Marka 9:1-29
Fampidirana
Teo amin’ny enim-bolana teo talohan’ny fanomboana Azy, dia niova tarehy i Jesoa (hita tamin’ny endriny feno voninahitra) raha teny an-tendrombohitra Izy sy i Petera, i Jakoba, ary i Jaona. Nampianatra ireo mpianatra ireo Izy tamin’izany fa i Jaona Mpanao Batisa dia Elia, na mpaminany iray izay manomana ny lalana ho an’ ny Mesia. Rehefa tafaverina teo amin’ireo mpianany sasany i Jesoa, dia nisy lehilahy nitalaho taminy mba handroaka ny fanahy ratsy tao amin’ny zanany. Dia nandroaka ilay fanahy ratsy i Jesoa ary nampianatra ny mpianany mikasika ny ilàna ny vavaka sy ny fifadian-kanina.
Marka 9:1-13
Niova tarehy i Jesoa, ary nampianatra an’i Petera sy i Jakoba, ary i Jaona mikasika an’i Elià
Jereo hoe mahavita paompy na matory dia miarina mampihenjana kibo mihoatra ny firy ianao ao anatin’ny iray minitra. Raketo eto ny vokatra azonao: ____________________
Nahoana ny olona iray no te hampitombo ny tanjany ara-batana?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no mety hampitoviana ny tanjaka ara-batana amin’ny tanjaka ara-panahy na ny finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Inona avy ireo toe-javatra vitsivitsy izay mety ilanao hanatanjahana ny finoanao an’i Jesoa Kristy?
-
Eo am-pandalinanao ny Marka 9:1-29, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka hanampy anao hampatanjaka ny finoanao?
Ny Marka 9:1–13 dia mirakitra ny tantara momba ny fiovan-tarehin’i Jesoa teo anatrehan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona teo an-tendrombohitra sy ny fisehoan’ i Mosesy sy Elià (Elia) tao, izay nianaranao nandritra ny lesona tao amin’ny Matio 17. Nampianatra ireo Apôstôly ireo koa i Jesoa fa i Jaona Mpanao Batisa dia nanatanteraka ny anjara asan’izany Elià izany araka ny faminaniana. Ny “Elià” dia anarana omena ireo izay manomana ny lalan’ny Mesia.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa mikasika ny ny valinteny nasetrin’i Jesoa ny fanontanian’ny Apôstôly hoe, “Lazain’ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.” (Marka 9:11).
“ Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona.
“Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia sady nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy. [Ary nanoratra ny momba ahy izy kanefa tsy nandray azy izy ireo]. Tena Elià marina ity” ( Dikantenin’ i Joseph Smith, Marka 9:10-11 .
Iza moa i Elià? Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny anjara asan’i Elià tao amin’ny famerenana amin’ny laoniny:
“Misy fanambarana telo samihafa izay manambara fa i Elià dia olona telo samihafa. Inona no azontsika tsoahina amin’izany?
“… Anjely mpanatanteraka iraka maro avy any amin’ny lapam-boninahitra no nirahina hanolotra fanalahidy sy fahefana, ary hanokana ny fotoampitatanan’izy ireo sy ny voninahiny amin’ny olombelona ety an-tany indray. Farafahakeliny dia ireto manaraka ireto no tonga: Môrônia, Jaona Mpanao Batisa, Petera, Jakoba, ary Jaona, Mosesy,Elia, Elià,Gabriela, Rafaely, ary Mikaela. (F&F 13; 110; 128:19–21.) Koa satria hita mazava tsara fa tsy nisy iraka na iray aza izay nitondra ny zioga rehetran’ny famerenana amin’ny laoniny, fa ny tsirairay avy kosa dia tonga niaraka tamin’ny fanafiana hery manokana avy any ambony, dia lasa mazava fa ny Elià dia olona samy hafa. Io fomba fiteny io dia tsy maintsy takatra hoe anarana sy fiantsoana ho an’ireo izay manana asa ny hanolotra ireo fanalahidy sy fahefana amin’ny olona amin’ity fotoampitantanana farany ity [jereo ny Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 (1954-56), 1: 170-74]” (Mormon Doctrine, ed. faha 2 [1966], 221).
Marka 9:14-29
Nandroaka fanahy ratsy avy tao amin’ny zanakalahin’ilay lehilahy i Jesoa
Vakio ny Marka 9:14-18 mba hikarohana hoe inona ny zava-nitranga rehefa niverina avy teny an-tendrombohitra nankany amin’ireo mpianany sasany i Jesoa.
Ny zanakalahin’ilay lehilahy dia azon’ny fanahy ratsy, izay nahatonga tsy fahaizana miteny, tsy faharenesana, ary olana hafa (jereo ny Marka 9:17-18, 22-25). Alaivo sary an-tsaina hoe ianao ilay raim-pianakaviana. Raha tsy nahasitrana ny zanakao lahy ny mpianatry ny Mpamonjy dia inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny finoanao ny Mpamonjy sy ny heriny?
Vakio ny Marka 9:19-22, ary alaivo sary an-tsaina ny fahatsapana mety ho nananan’ity raim-pianakaviana ity raha niresaka tamin’ny Mpamonjy izy.
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome fomba fijery fanampiny mikasika ny fahatsapan’ilay raim-pianakaviana sy ny fitalahoany: “Rehefa tsy nanana fanantenana hafa intsony ity raim-pianakaviana ity, dia naneho ny finoana nananany izy ka nitalaho tamin’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao hoe: Raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay’ [Marka 9:22; nampiana soramandry]. Sarotra ho ahy ny hamaky ireo teny ireo ka tsy hitomany. Ilay solon’anarana hoe izahay dia mazava fa niniana nampiasaina. Raha ny marina, dia milaza ity lehilahy ity hoe: ‘Mitalaho daholo izahay mianakavy. Tsy misy fijanonany mihitsy ny fahasahirananay. Reraka izahay. Sasatry ny mianjera ao anaty rano ny zanakay. Mianjera anaty afo izy. Toa tandindomi-doza hatrany izy ary tsy afa-tahotra mihitsy izahay. Tsy mahita olon-kafa azo hitodihana izahay. Afaka manampy anay ve Ianao? Ho velom-pankasitrahana izahay na inona na inona mitranga eo—sombim-pitahiana kely, fanantenana kely fotsiny, fanamaivanana kely ny en-tamavesatra zakain’ny renin’ity zaza ity isan’andro eo amin’ny fiainany’” (“Tompo ô, mino aho,” Ensign na Liahona, mey 2013, 93).
Vakio ny Marka 9:23 mba hikarohana hoe inona ny nampianarin’ny Mpamonjy ilay raim-pianakaviana.
Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ao amin’ny andininy 23 izay mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Raha mino an’i Jesoa Kristy isika, dia ho azontsika tanterahina ny zava-drehetra. (Mariho fa “ny zava-drehetra“ dia mifandraika amin’ireo fitahiana mendrika izay mifanaraka amin’ny tanjona sy ny fotoan’ny Ray any An-danitra.)
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny finoana io fitsipika io ny olona iray miatrika zava-tsarotra izay toa tsy hay resena?
Vakio ny Marka 9:24 mba hikarohana ny teny navalin’ilay raim-pianakaviana an’ ilay fitsipika izay nampianarin’ny Mpamonjy. Jereo ireo ampahany roa amin’ny valintenin’ilay raim-pianakaviana.
Vakio ny ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Holland ity, izay nampianatra ny zavatra ampianarin’ilay teny nambaran’ilay raim-pianakaviana mikasika ny zavatra azontsika atao amin’ny fotoan’ny “tsy finoana,” na ny fotoan’ny fisalasalana na ny tahotra: “Rehefa teo anatrehan’ny fanamby tokony hanehoana finoana, dia nanamarina ny tanjany aloha ilay raim-pianakaviana, avy eo vao niaiky ny tsy fahatanterahany. Ny fanambarany voalohany dia marina ary tsy nisy fisalasalana: ‘Tompo ô, Mino Aho’ Te hiteny amin’ireo rehetra izay maniry hanana finoana bebe kokoa aho hoe tsarovy io lehilahy io! Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. Ao anatin’ilay fitomboana izay tsy maintsy holalovantsika rehetra mandritra ny fiainana an-tany dia mbola hitranga amintsika ny zavatra mitovy hevitra ara-panahy amin’ny aretin’io zazalahy io na ny fahorian’ity raim-pianakaviana ity. Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (“Tompo ô, mino aho,” 94).
Diniho ny tapany faharoa amin’ny valintenin’ilay raim-pianakaviana: “Vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako aho” (Marka 9:24). Saintsaino izay azonao atao amin’ny fotoan’ny tsy finoana, na ny ahiahy,na ny tahotra.
Vakio ny Marka 9:25–27 mba hikarohana izay nataon’ny Mpamonjy ho valin’ny fitalahoan’ilay raim-pianakaviana.
Ny fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’io tantara io dia hoe rehefa mifikitra amin’ izay inoantsika isika ka mikatsaka ny fanampian’ny Tompo dia hanampy antsika mba hampatanjaka ny finoantsika Izy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na izy roa:
-
Hivereno ireo toe-javatra izay nataonao lisitra tao amin’ny asa nampanaovina 1 tao amin’ny lesona androany. Ahoana no ahafahana mampiasa io fitsipika io amin’ireo toe-javatra ireo?
-
Oviana ianao, na ny olona iray fantatrao, no nahazo ny fanampian’ny Tompo tao anatin’ny fotoan’ny tsy finoana, na ny ahiahy, na ny tahotra tamin’ny fifikirana tamin’ny finoana sy ny fikatsahana Azy?
-
Miezaha mampihatra io fitsipika io ao anatin’ny fotoan’ny tsy finoana, na ny ahiahy, na ny tahotra izay hatrehinao. Afaka mizara io fitsipika io amin’ny fianakavianao koa ianao na amin’ny namana izay mety miaina olana.
Tsarovy fa io raim-pianakaviana io dia nitondra ny zanany lahy tany amin’ireo mpianatr’i Jesoa sasan-tsasany mba hositranina. Alaivo sary an-tsainao hoe iray tamin’ireo mpianatra ireo ianao. Inona no mety ho neritreretinao na tsapanao rehefa tsy nahavita nandroaka ilay fanahy ratsy tao amin’ilay zazalahy?
Vakio ny Marka 9:28 mba hikarohana ny fanontaniana napetraky ny mpianatra tamin’i Jesoa.
Ao amin’ny Marka 9:19 i Jesoa dia namaritra ny vahoaka ho toy ny “taranaka tsy mino.” Io fibedesana io dia mety niantefa ihany koa tamin’ireo mpianany izay nanatrika teo. Ny teny hoe tsy mino dia entina ilazana tsy fananana finoana an’i Jesoa Kristy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ilaina amin’ireo fitahian’ny fisoronana mba hahomby.
Vakio ny Marka 9:29 mba hikarohana ny valinenin’ny Mpamonjy tamin’ny fanontanian’ny mpianany.
Mianatra isika avy amin’io andininy io fa afaka mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina. Soraty ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny andininy 29 io fitsipika io.
Ity teny nambara manaraka ity dia manampy antsika ahatakatra ireo toe-javatra samihafa izay azo ampiharana ity fahamarinana ity: “Mampianatra ity tantara [ momba an’i Jesoa nandroaka fanahy ratsy avy ao amin’ny zanakalahin’ny lehilahy iray] ity fa ny vavaka sy ny fifadian-kanina dia afaka manome tanjaka fanampiny ho an’ireo izay manome sy mandray ireo fitahiana avy amin’ny fisoronana. Azo ampiharina amin’ny ezaka ataonao manokana hiaina ny filazantsara koa izany tantara izany. Raha toa ianao ka manana fahalemena na fahotana izay manahirana anao ny mandresy azy dia mety mila mifady hanina sy mivavaka ianao mba hahazoana ilay fanampiana na ny famelan-keloka nirianao. Tahaka ilay demony noroahin’i Kristy dia mety ho ilay karazany tsy ho resy raha tsy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina ilay zava-manahirana anao” (Ancrés dans la foi: A Gospel Reference [2004], 67).
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra ny zavatra niainana iray izay nahatsapanao na ny olona iray fantatrao fitombom-pinoana tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina. Ahoana no fomba nanampian’ny vavaka sy ny fifadian-kanina anao handray ireo fitahiana marina katsahinao?
Eritrereto ny fomba mety ilan’ny finoanao fanatanjahana. Manomana fotoana iray ahafahanao mikatsaka ny hampitombo ny finoanao amin’ny alalan’ny vavaka sy fifadian-kanina. Azonao atao ny manorata ny drafitrao amin’ny taratasy iray manokana ary hametraka izany amin’ny toerana izay ahafahan’ilay izy mampahatsiahy anao ny tanjonao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Marka 9:1-29 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: