Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny 3 Jaona


Fampahafantarana ny 3 Jaona

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ao amin’ity epistily fohy ity, i Jaona Apôstôly dia nisaotra an’i Gaio, mpikamban’ny Fiangonana mahatoky nandritra ny fotoan’ny fikomiana nanoherana ireo mpitarika ny Fiangonana. Ny fampianaran’i Jaona dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny apôstazia izay nitranga tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny Testamenta Vaovao ary afaka mitaona anao hijanona ho mahatoky amin’ireo mpitarika ny Fiangonana na dia eo aza ny fanenjehana.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Namaritra ny tenany ho “loholona” ny mpanoratra (3 Jaona 1:1) ary heverina ho i Jaona Apôstôly araka ny lovan-tsofina.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Tsy fantatra mazava hoe oviana ary taiza no nanoratana ny 3 Jaona. Raha toa ka marina ny lovan-tsofina mikasika ny fitoeran’i Jaona naharitra tao Efesosy, dia mety ho nanoratra ity epistily ity avy tao teo anelanelan’ny taona 70 sy 100 taorian’i J.K izy.

Ho an’iza no nanoratana izany ary nahoana?

Ny Epistily fahatelon’i Jaona dia nosoratana ho an’i Gaio, izay mpikamban’ny Fiangonana mahatoky nahazo dera tamin’i Jaona noho ny nanehoany fanolorantena tsy misy tambiny ho an’i Kristy tamin’ny nanomezany trano fivantananana ho an’ireo mpanompon’ Andriamanitra izay nandehandeha (jereo ny 3 Jaona 1:5–8).

Nampitandrina an’i Gaio momba ny olona iray antsoina hoe Diotrefa izay mety ho efa nitana anjara toeran’ny maha-mpitarika ny Fiangonana teo an-toerana ihany koa i Jaona. I Diotrefa dia tsy nihambahamba nanohitra an’i Jaona Apôstôly sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ary nandrara ireo mpikamban’ny Fiangonana teo an-toerana izay te-handray azy ireo mandritra ny fivorian’ny Fiangonana mihitsy aza (jereo ny 3 Jaona 1:9–10). Nankahery an’i Gaio mba hanohy ny tsara i Jaona ary niteny fa nanantena ny hahita faingana an’i Gaio izy (jereo ny 3 Jaona 1:11–14).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Hitantsika ao amin’ny 3 Jaona ny ahiahin’i Jaona momba ny fitaomana ananan’ireo mpikomy ao amin’ny Fiangonana. Hitantsika ihany koa ny fitiavany ny hafa sy ny fifaliana tsapany ho an’ireo izay nisafidy ny fiainana feno fankatoavana (jereo ny 3 Jaona 1:4).

Topimaso

3 Jaona. Nidera an’i Gaio tamin’ny fahatokiany i Jaona ary nampitandrina azy momba ny mpitarika iray izay nanohitra an’i Jaona sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana.