Fizarana 13: Andro 2
Jaona 3
Fampidirana
Indray alina dia nanatona an’i Jesoa ny Fariseo iray antsoina hoe Nikodemosy ka niresaka taminy. Nampianatra an’i Nikodemosy i Jesoa fa tsy maintsy ateraka indray ny olona rehetra mba hahafahany miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Taty aoriana dia nanazava tamin’ireo mpianany i Jaona Mpanao Batisa fa ny andraikiny dia ny hanomana ny lalan’ i Jesoa Kristy.
Jaona 3:1–21
Nampianatra fahamarinana ara-panahy an’i Nikodemosy i Jesoa.
Alaivo sary an-tsaina hoe raha miresaka momba ny fivavahana amin’ny namana sasany ianao indray andro dia miteny ny iray amin’izy ireo hoe: “Rehefa mijanona ho olona tsara fotsiny aho dia afaka mankany an-danitra.” Eritrereto ny fomba hamalianao ny namanao.
Rehefa mandalina ny Jaona 3 ianao dia tadiavo ireo zavatra izay nampianarin’i Jesoa fa tsy maintsy ataontsika mba hidirana ny fanjakan’ Andriamanitra.
Nandeha tany Jerosalema mba hankalaza ny Paska i Jesoa rehefa nanakaiky ny fiandohan’ny asa fanompoany. Olona maro tao Jerosalema no nino an’i Jesoa rehefa nahita ireo fahagagana notanterahiny izy ireo (jereo ny Jaona 2:23–25).
Vakio ny Jaona 3:1-2, ka tadiavo hoe iza no tonga namangy ny Mpamonjy raha tao Jerosalema Izy.
I Jesoa miresaka amin’i Nikodemosy
Amin’ny maha-“mpanapaka ny Jiosy” azy (Jaona 3:1), dia mpikambana tao amin’ny Sinendriona i Nikodemosy. Ny Sinendriona dia filankevitra mpitantana izay nahitana Fariseo sy Sadoseo izay nitantana ny maro tamin’ireo raharaha ara-panjakana sy ara-pivavahan’ny vahoaka Jiosy.
Inona araka ny eritreritrareo ny mety ho antony nitsidihan’i Nikodemosy an’i Jesoa tamin’ny alina?
Ny fahafantaran’i Nikodemosy fa “mpampianatra avy amin’ Andriamanitra” i Jesoa (Jaona 3:2) dia milaza fa te hianatra avy amin’i Jesoa izy.
Vakio ny Jaona 3:3-5, ka tadiavo izay nampianarin’ny Mpamonjy an’i Nikodemosy. (Ny Jaona 3:5 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hanampiana anao hahita izany amin’ny hoavy.)
Nampianatra an’i Nikodemosy i Jesoa fa mila ateraka indray ny olona rehetra. Inona no noheverin’i Nikodemosy fa tian’ny Mpamonjy nolazaina tamin’ilay andian-teny hoe “ateraka indray” (Jaona 3:3)?
Hazavao fa ny hoe ateraka indray dia midika hoe “ny fananana ny Fanahin’ny Tompo dia mahatonga fiovana mahery vaika ao am-pon’ny olona, hany ka tsy manam-paniriana intsony ny hanao ratsy izy fa maniry kosa ny hikatsaka ny zavatr’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Ateraka indray, Aterak’ Andriamanitra,” scriptures.lds.org; jereo ny Môsià 5:2; 27:25–26).
Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra hoe: “Ny hoe ateraka indray dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansy” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 95).
Azonao atao ny manisy marika ireo zavatra roa ao amin’ny Jaona 3:5 izay nampianarin’i Jesoa fa ilaina mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
Ny ateraky ny rano dia midika hoe atao batisa, ary ny ateraky ny Fanahy dia midika hoe mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Fenoy izao fahamarinana manaraka izao araka izay nianaranao tao amin’ny Jaona 3:5: teraka indray ara-panahy sy hahazo ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy. Soraty ao amin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Jaona 3:5 izany fahamarinana izany.
Ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe: “Ny fitondrantena tsara tsy miaraka amin’ireo ôrdônansin’ny Filazantsara dia tsy hanavotra na hanandratra ny olombelona na oviana na oviana; manan-danja ireo fanekempihavanana sy ireo ôrdônansy” (“The Only True Church,” Ensign, Nôv. 1985, 82).
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteny iray ho an’ny namana izay milaza fa ampy hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny mijanona ho olona tsara fotsiny ihany. Tadidio ny hampiasa ny zavatra nolazain’i Jesoa ao amin’ny Jaona 3:5 ao anatin’ny valinteninao.
Mamaky isika ao amin’ny Jaona 3:6–12 fa rehefa avy nampianatra an’i Nikodemosy i Jesoa fa tsy maintsy ateraka ara-panahy ny olona rehetra dia nanontany an’i Jesoa ny fomba ahafahan’ny olona iray ho teraka indray i Nikodemosy. Novalian’i Jesoa tamin’ny fanontaniana hoe ahoana no maha-mpitarika ny olona ara-pivavahana an’i Nikodemosy kanefa tsy nahatakatra ny zavatra izay nampianariny.
Vakio ny Jaona 3:13-15, ka tadiavo ny fomba namalian’i Jesoa ny fanontanian’i Nikodemosy mikasika ny fomba ahafahana ho ateraka indray. Jereo ao amin’ny Jaona 3:13 fa nijoro ho vavolombelona momba ny Tenany ho ny Zanak’ Andriamanitra izay nidina avy tany an-danitra i Jesoa.
Nampianatra an’i Nikodemosy i Jesoa ao amin’ny Jaona 3:13 fa tsy misy afaka miakatra any an-danitra amin’ny alalan’ny ezaka ataon’izy ireo manokana. I Kristy no ilay hany afaka miakatra any an-danitra amin’ny alalan’ny tenany manokana.
Nandritra ny fotoana nampirenireny an’i Mosesy sy ny zanak’Isiraely tany an-tany foana, dia nandefa menarana afo, na misy poizina ny Tompo vokatry ny fahotan’ny Isiraelita tamin’ Andriamanitra. Voapoizina ny Isirelita rehefa nokakerin’ireo menarana. Nandidy an’i Mosesy mba hanamboatra menarana varahina izay mitovy tamin’ireo menarana afo ny Tompo ka hametraka izany teo ambony tsatokazo lava. Nampanantena Izy fa ny Isiraelita izay hijery ilay menarana teo amin’ilay tsatokazo dia ho sitrana. (Jereo ny Nomery 21:4–9.)
Inona no mampitovy ny zavatra niainan’i Mosesy tamin’izy nanandratra ilay menarana varahina amin’ny zavatra ho ataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olona rehetra ?
Jereo ny fitahiana voalaza ao amin’ny Jaona 3:15 izay tonga amin’ireo izay mijery ny Mpamonjy.
Nampianatra an’i Nikodemosy i Jesoa fa ny olona rehetra dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Nampianatra fotopampianarana manan-danja iray momba ny Ray any An-danitra an’i Nikodemosy koa ny Mpamonjy. Vakio ny Jaona 3:16–17, ka tadiavo ny fotopampianarana iray izay azontsika ianarana momba ny Ray any An-danitra.
Ny Jaona 3:16–17 dia mampianatra fa tia ny zanany tokoa ny Ray any An-danitra ka naniraka ny Zanany Lahitokana Izy mba hijaly noho ny fahotan’izy ireo.
Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny fandefasana an’i Jesoa Kristy, Zanany eto an-tany ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika tsirairay avy ny fandefasany.
Eo am-pamakianao izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia saintsaino izay tsapanao rehefa fantatrao fa tena tia anao ny Ray any An-danitra: “Tsy misy porofo lehibe mihoatra noho izay voalazan’ny Apôstôly Jaona izay manamarina ny hery tsy manam-petra sy ny mahatonga lafatra ny fitiavan’ Andriamanitra hoe: ‘Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy Tokana’ (Jaona 3:16). … Eritrereto ny fijalijalian’ny Raintsika any An-danitra nandefa ny Zanakalahiny hiaritra fijaliana tsy takatry ny saina noho ny fahotantsika. Izany no porofo lehibe maneho ny fitiavany antsika tsirairay avy!” (“Fitiavana sy lalàna,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 26).
-
Vakio ny Jaona 3:16 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:3, ka tadiavo izay azontsika ianarana momba ny fitiavan’ny Ray sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy. Dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ny fahatsapanao rehefa mahafantatra fa tena tian’ny Ray any An-danitra tokoa ianao ka naniraka ny Zanany Lahitokana mba hijaly sy ho faty ho anao Izy.
Ny fitsipika iray fanampiny izay azontsika ianarana avy amin’ny Jaona 3:16–17 dia hoe raha mino an’i Jesoa Kristy isika, ka anisan’izany ny fibebahantsika amin’ny fahotantsika sy ny fankatoavantsika ny teniny, dia afaka hanana fiainana tsy manam-petra amin’ny alalan’ny Sorompanavotany isika.
-
Avereno jerena ireo fahamarinana notanisaina tato anatin’ity lesona ity izay nampianarin’i Jesoa an’i Nikodemosy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana ireo. Avy eo dia soraty izao fehezanteny manaraka izao: Haneho ny finoako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny … Fenoy izany fehezanteny izany amin’ny alalan’ny fanoratana ny zavatra ho ataonao mba hanehoana ny finoanao an’i Jesoa Kristy.
Soratra masina fehezina—Jaona 3:5
-
Ny andalan-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Jaona 3:5 dia mampianatra fotopampianarana manan-danja iray izay ilain’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Hanampy anao hizara izany amin’ny hafa mandritra ny androm-piainanao ny fanaovana tsianjery izany. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ilay andinin-tsoratra masina manontolo. Averimbereno tanisaina ilay andinin-tsoratra masina ary fafao ny teny vitsivitsy isaky ny mamerina mitanisa izany ianao. Ataovy izany mandra-pahavitanao manao tsianjery izany. Azonao atao ny mitanisa izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray mba ahazoana antoka fa hainao izany.
Jaona 3:22–36
Nampianatra i Jaona Mpanao Batisa fa i Jesoa no Kristy
Raha azo atao dia fenoy rano ny vera na fitoeran-javatra mangarahara iray ary ampio tete iray na roa amin’ny fandokoana sakafo ilay rano. Jereo ny fiparitahan’ilay loko manerana ilay fitoeran-javatra. Eritrereto ny fomba ahafahana mampitaha ilay fandokoana sakafo amin’ny fitaomantsika ny hafa.
Vakio ireto teny manaraka ireto izay nolazain’ny Filoha David O. McKay, ka tadiavo izay azonao ianarana momba ny fitaomana anananao eo amin’ny fiainan’ny hafa:
“Ny olona rehetra izay miaina eto amin’ity izao tontolo izao ity dia samy manana fitaomana, na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Tsy izay lazainy fotsiny ihany izany, tsy izay ataony fotsiny ihany. Fa izy tenany mihitsy” (Enseignements des présidents de l’Eglise: David O. McKay [2003], 227).
“Manana hery mitaona lehibe tokoa ny teny sy ny asantsika eto amin’ity tontolo ity. Manova tsikelikely ny fiainan’ny tontolo iray manontolo ianao amin’ny fotoana rehetra iainanao” (Enseignements: David O. McKay, 227).
Araka ny voarakitra ao amin’ny Jaona 3:22–26, dia nanana ahiahy ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa. Nilaza tamin’i Jaona izy ireo fa nanao batisa i Jesoa ary “nandray ny olona rehetra izay nanatona Azy Izy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 3:27). Natahotra izy ireo fa nanaraka an’i Jesoa ny olona maro raha toa ka tokony nanaraka an’i Jaona Mpanao Batisa.
Vakio ny Jaona 3:27-30, ka tadiavo ny fomba namariparitan’i Jaona Mpanao Batisa tamim-panetrentena ny anjara asany manoloana an’i Jesoa Kristy.
Tao amin’ny fifanahafana nataon’i Jaona Mpanao Batisa, ny mpampakatra dia maneho an’i Jesoa, ny ampakarina dia afaka maneho ireo izay manatona an’i Kristy, ary ny sakaizan’ny mpampakatra dia maneho an’i Jaona Mpanao Batisa. Inona no takatr’i Jaona Mpanao Batisa mikasika ny anjara asany manoloana an’i Jesoa Kristy? Inona no karazana fitaomana nananan’ny tenin’i Jaona teo aminao araka ny eritreritrao raha toa ka anisan’ireo mpianatr’i Jaona ianao?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Jaona Mpanao Batisa ny hoe afaka mitaona ny hafa hanao ny tsara isika amin’ny alalan’ny fitarihana azy ireo ho any amin’i Jesoa Kristy.
Nahoana no manan-danja ny ampiasantsika ny fitaomanana ananantsika mba hitarihana ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy?
-
Mieritrereta olona iray izay hitanao fa nitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo toetra ananan’izany olona izany izay nandray anjara tamin’ny fahafahany nitaona ny hafa hitia sy hanaiky ny Mpamonjy.
Saintsaino ireo fomba izay ahafahanao mitarika ny hafa ho any amin’ny Mpamonjy. Afaka mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina ianao amin’ireo ezaka ataonao mba hanaovana izany.
Nanambara i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Jaona 3:31–36 fa nirahin’ Andriamanitra i Jesoa ary ireo rehetra izay mino Azy dia afaka mahazo ny fiainana maharitra mandrakizay.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Jaona 3 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: