Fizarana 23 Andro 2
1 Korintiana 15:30–16:24
Fampidirana
Nanohy nampianatra ny Olomasina tany Korinto momba ny Fitsanganana amin’ny maty i Paoly Apôstôly. Mifaly amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana izy. Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto ihany koa i Paoly mba hanolotra fanomezana malala-tanana ho an’ireo Olomasina sahirana izay nonina tany Jerosalema.
1 Korintiana 15:30–52
Nampiantra momba ny Fitsanganana amin’ny maty i Paoly
Moa ve ianao efa nieritreritra momba ny hoe ho nanao ahoana ny fahasamihafan’ny fiainanao raha tsy nino ny fiainana aorian’ny fahafatesana ianao? Misafidy ny hiaina amin’ny fomba ahoana ny olona raha toa izy ireo tsy mino hoe mbola ho velona indray aorian’ny fahafatesany?
Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana 15:1–29 fa nahitsin’i Paoly ilay finoan-diso nananan’ny Olomasina Korintiana sasany hoe tsy hisy ny fitsanganana amin’ny maty. Vakiantsika ao amin’ny 1 Korintiana 15:30–34 fa nasain’i Paoly nandinika ireo Olomasina hoe nahoana ny olona iray mino an’i Jesoa Kristy no hiaritra fanenjehana sy vonona hamoy ny ainy raha toy tsy nisy ny fitsanganana amin’ny maty. Nampitandrina ireo Olomasina koa izy mba tsy ho voafitaky ny fihetsiky ny olona izay milaza hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” (1 Korintiana 15:32), izay maneho ilay finoan-diso hoe azontsika atao izay tiantsika satria tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana, ka noho izany, tsy misy ny fitsaran’ Andriamanitra.
Koa satria tena misy ny Fitsanganana amin’ny maty, nahoana no mampidi-doza ny manaiky izany fihetsika izany?
Rehefa mandalina ny ambin’ny 1 Korintiana 15 ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra ny fomba hahafahan’ny fanana fahalalana momba ny Fitsanganana amin’ny maty miantraika amin’ireo safidy ataonao amin’ny fiainana an-tany.
Vakio ny 1 Korintiana 15:35 dia tadiavo ireo fanontaniana izay mety ananan’ny olona momba ny Fitsanganana amin’ny maty.
Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana 15:36–38 fa i Paoly dia nanampy tamin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo amin’ny fampiasany ny voa mba hanehoana ny vatana mety maty, izay—aorian’ny fahafatesana sy ny fandevenana ambanin’ny tany—dia hivoaka amin’ny Fitsanganana amin’ny maty.
Diniho hoe ahoana no hilazalazanao ny fahasamihafan’ny habetsaky ny fahazavana izay vokarin’ny masoandro raha oharina amin’ny habetsaky ny hazavana avy amin’ny volana. Manao ahoana ny fahazavan’ny volana raha oharina amin’ny fahazavan’ny kintana?
Vakio ny 1 Korintiana 15:39–42 dia tadiavo ny fomba nampiasain’i Paoly ny fahazavan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana mba hanazavana ny fahasamihafan’ireo vatana mitsangana amin’ny maty. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 15:40 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina scriptures.lds.org). Eto amin’ity sahan-kevitra ity, ny teny hoe voninahitra dia afaka manondro ny fahazavana, toetra manjelanjelatra na famirapiratana. (Marihina fa ny 1 Korintiana 15:40–42 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahitanao izany amin’ny manaraka.)
Ny fahamarinana iray izay ampianarin’i Paoly Apôstôly ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia hoe misy ambaratonga telo samy hafa ho an’ny vatana nitsangana tamin’ny maty. Azo ambara koa hoe ny vatana nitsangana tamin’ny maty sasany dia hanana famirapiratana bebe kokoa sy hanjelanjelatra kokoa noho ny hafa.
Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith dia tadiavo ny fomba maha-samy hafa an’ireo voninahitra isan-karazany. (Rehefa niresaka momba ny “vatana selestialy” ny Filoha Smith, dia ireo izay nahazo ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy no tiany holazaina [jereo ny F&F 131:1–4].)
“Amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia hisy karazana vatana samy hafa; tsy hitovy daholo izy rehetra. Ny vatana izay raisin’ny olona iray no hamaritra ny toerana hisy azy avy eo. Hisy vatana selestialy, vatana terestrialy ary vatana telestialy. …
“… Ny sasany hahazo vatana selestialy miaraka amin’ny herin’ny fisandratana faratampony rehetra sy ny fitomboana mandrakizay. Ireo vatana ireo dia hamirapiratra tahaka ny masoandro tahaka ny Mpamonjy. … Ireo izay miditra ao amin’ny fanjakana terestrialy dia hanana vatana terestrialy, ary tsy hampirapiratra tahaka ny masoandro izy ireo, kanefa hanana voninahitra lehibe kokoa noho ny vatan’ireo izay manana ny voninahitra telestialy” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, boky 3 [1954–56], 2:286–87).
Marihina fa nanazava ny Filoha Smith hoe ny voninahitry ny vatana izay azontsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty no hamaritra ny fanjakana izay hiainantsika.
Ny “herin’ny fisandratana faratampony” izay resahin’ny Filoha Smith dia ahitana ny fahafahana miaina ny karazana fiainanana iainan’ Andriamanitra, ary ny “fitomboana mandrakizay” dia ny fahafahana manohy manan-janaka any amin’ny mandrakizay. Ireo fitahiana ireo dia ireo nisandratra ao amin’ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy ihany no afaka mahazo azy (jereo ny F&F 131:1–4; 132:19–20).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:21–22 dia tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana vatana selestialy rehefa mitsangana amin’ny maty. Ny hoe “afaka mandray ny lalànan’ny fanjakana selestialy” (andininy 22) dia midika hoe mandray ireo ôrdônansy rehetra ary manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana rehetra ilaina mba hidirana ao amin’ny fanjakana selestialy.
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe afaka manova ny safidy ataon’ny olona amin’ny fiainana an-tany amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana ny momba ny voninahitra sy ny fitahiana izay natao ho an’ny olona nitsangana tamin’ny maty ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy irery ihany.
Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 15:42–52, i Paoly dia nanazava misimisy kokoa ny ho endriky ny vatana nitsangana tamin’ny maty. Ny niantsoany ny vatana mety maty dia ny hoe “araka ny fomban’aina” (andininy 44, 46) sy mety lò, ary ny niantsoany ny vatana nitsangana tamin’ny maty dia hoe “araka ny fombam-panahy” (andininy 44, 46) sy “tsy ho lò intsony” (andininy 52).
Soratra Masina Fehezina—1 Korintiana 15:40–42
-
Ampianarao ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao ny zavatra nianaranao mikasika ny fahasamihafan’ireo vatana nitsangana tamin’ny maty. Ampiasao ny andinin-tsoratra masina fehezina (1 Korintiana 15:40–42) rehefa mampianatra ianao. Rehefa avy mampianatra ianao, dia asaivo mizara izay azony anampiana ny zavatra nampianarinao ilay olona nampianarinao. Zarao amin’ilay olona nampianarinao ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay nianaranao avy tamin’ny zavatra niainanao.
1 Korintiana 15:53–58
Nifaly amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana i Paoly
Ataovy ao anaty faribolana izay tianao hiainana amin’ireto manaraka ireto:
|
Aretina |
Hanoanana |
Fanaintainana |
|
Tsy misy aretina |
Tsy misy hanoanana |
Tsy misy fanaintainana |
Vakio ny 1 Korintiana 15:53 dia tadiavo ny fotopampianarana nampianarin’i Paoly momba ny toetry ny vatantsika rehefa mitsangana amin’ny maty isika.
Mianatra isika avy amin’io andinin-tsoratra masina io fa hitsangana amin’ny maty amin’ny toetra tsy mety lò sy tsy mety maty isika. Ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty dia tsy mety ho lò, izany hoe tsy ho faty mihitsy na harary, na harofy na hanaintaina. Izany fahalalana izany dia manampy antsika hahatakatra fa ny ahiahintsika momba ny fahafatesana dia afaka ny ho “levona” (1 Korintiana 15:54) ao amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty feno voninahitra.
Eritrereto ny fotoana iray izay nahavoatsindron’ny bibikely anao na ny olona fantatrao. Inona no karazana fanindronana mankarary indrindra araka ny hevitrao?
Vakio ny 1 Korintiana 15:54–55 dia tadiavo hoe inona no nolazain’i Paoly hoe tsy manana fanindronana intsony.
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafatesana ara-batana “manindrona,” na toy ny hoe mandresy antsika?
Fomba ahoana no nahatonga ny fahafatesana ho “noresena ka levona” (1 Korintiana 15:54) amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe ny fahafatesana ara-batana dia tsy mandresy antsika noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.
Vakio ny 1 Korintiana 15:56 dia tadiavo hoe inona no fanindronana izay afaka mbola mijanona rehefa maty isika.
Vakio ny 1 Korintiana 15:57–58 dia tadiavo hoe inona no nampianarin’i Paoly fa afaka manaisotra ny fanindronan’ny fahafatesana.
Ny fandresen’i Jesoa Kristy dia ny Sorompanavotana nataony, amin’ny alalan’io no nandreseny ny ota sy ny fahafatesana ara-batana. Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 58, inona no anasan’i Paoly ireo mpamaky mba hataony noho ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 15:56–58 ity manaraka ity: Raha mafy sy maharitra amin’ny fiainana ny filazantsara isika, dia esorina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fanindronan’ny fahafatesana izay azo avy amin’ny ota.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no dikan’ny hoe mafy sy maharitra amin’ny fiainana ny filazantsara?
-
Inona no anjara asan’ny fibebahana ao amin’ny hoe mafy sy maharitra?
-
-
Vakiantsika ao amin’ny 1 Korintiana 15:30–58 ireo fampianaran’i Paoly Apôstôly momba ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fanohanan-kevitra nentiny nanohitra ny filosofian’ireo izay nampianatra hoe tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty. Nino izy ireo fa afaka manao izay tiantsika isika satria “rahampitso dia ho faty” (1 Korintiana 15:32), ary satria nino izy ireo fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty, dia nino izy fa tsy hisy ny fitsarana. Ampiasao ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity mba hanazavana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe nahoana no diso io filôzôfia io.
Diniho ny zavatra hataonao mba hiainana am-pahamarinana kokoa amin’izay ny fanindronan’ny fahafatesana dia afaka ho esorina ary afaka ny hahazo fitsanganana amin’ny maty feno voninahitra ianao amin’ny hoavy. Manorata tanjona iray mikasika ny zavatra azonao atao mba ho mafy sy maharitra amin’ny fiainana ny filazantsara. Azonao atao ny mizara ny zavatra nosoratanao amin’ny olona izay eritreretinao hoe hahazo tombontsoa amin’ny fihainoana ny fijoroanao ho vavolombelona.
1 Korintiana 16
Nametraka lamina mba hanangonana fanampiana ho an’ireo mahantra any Jerosalema i Paoly
Vakiantsika ao amin’ny 1 Korintiana 16:1–24 fa nanome torolalana ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba hanampy amin’ny fikarakarana ny mahantra izay nipetraka tany Jerosalema, mba “[hitoetra] tsara amin’ny finoana” (andininy 13), ary hanao ny zavatra rehetra “amin’ny fiantrana” (andininy 14).
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny 1 Korintiana 15:30–16:24 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty)
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: