Fizarana 18: Andro 1
Asan’ny Apostoly 6–7
Fampidirana
Nanokana mpianatra fito ireo Apôstôly mba hanampy amin’ny asan’ny Tompo. Nanatanteraka fahagagana maro i Stefana, izay iray tamin’ireo voafidy. Niampanga azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra ny Jiosy sasany ka nitondra azy teo anatrehan’ny Synedriona, ary niova tarehy izy tany mba hampisehoana fa nankasitraka azy Andriamanitra. Rehefa avy niteny mafy an’ireo Jiosy noho ny fandavan’izy ireo ny Mpamonjy i Stefana dia nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Noroahina avy tao amin’ilay tanàna izy avy eo ary notoraham-bato ho faty.
Asan’ny Apostoly 6:1–8
Mpianatra miisa fito no voafidy hanampy ireo Apôstôly amin’ny asa
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 6:1–8 ianao dia mitadiava olana iray manokana izay natrehin’ireo mpitarika ny Fiangonana tany am-boalohany.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:1–2 hitadiavana ny olana nentin’ireo Helenista teo amin’ireo Apôstôly.
“Satria nitombo haingana ny Fiangonana dia tsy afaka nikarakara ny zavatra nilain’ireo mpikambana rehetra intsony ireo Apôstôly. Ny ‘Helenista,’ izay Kristianina Jiosy niteny Grika, dia nahatsapa fa tsy noraharahiana ny mpitondratenan’izy ireo ka nimonomonona tamin’ny ‘Hebreo,’ izay Palestiniana niova fo ho Kristiana Jiosy” izy ireo (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny fampianaran’ny Fiangonana, 2014], 288).
Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:3–6 hitadiavana ny fomba namahan’ny Apôstôly ilay olana mikasika ny fikarakarana ny zavatra nilain’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, kanefa tsy nanakana azy ireo tamin’ny andraikiny hitondra ny filazantsara amin’ny “firenena rehetra” amin’ny maha-Apôstôly azy (Matio 28:19).
Nampianatra ny andraikitr’ireo lehilahy fito ireo ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe: “Ny asa nanendrena azy ireo dia mahakasika ny raharaha ara-nofo izay, raha ny tokony ho izy, dia sahanin’ny Fisoronana Aharôna, ka mamela ireo apôstôly ho afaka mandray an-tanana ireo raharaha sarotra hafa ao amin’ny fanompoana Melkizedeka izay sahaniny” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 2:65).
Inona avy ireo toetra nasaina notadivain’ireo vahoaka tamin’ny fifidianana ireo izay hanampy?
Inona no mampitovy io dingana io amin’izay ataon’ny Tompo ankehitriny ao amin’ny Fiangonany mba hahazoana antoka fa mahazo izay ilainy ny mpikambana?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe: Mpikambana mendrika ao amin’ny Fiangonana no antsoina hanampy amin’ny fanompoana ny hafa.
-
Manome andraikitra manokana ny isam-batan’olona ireo antso ato am-piangonana mba hanompo amin’ny fanomezana izay ilain’ny hafa. Saintsaino ny fiantraikan’ny fahamendrehan’ny olona tsirairay amin’ny fahafahany manompo amin’ny fanomezana izay ilain’ny hafa. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ny zavatra iray niainanao niaraka tamin’ny olona iray izay nanompo anao na olona hafa tamin’ny alalan’ny fanompoana tamim-pahamendrehana tao amin’ny antso iray. Lazao izay eritreritra na fahatsapana fankasitrahana anananao noho io asa fanompoana io.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:7–8 hitadiavana ireo vokatra tsara azo avy tamin’ny fiantsoana ireto mpianatra mendrika miisa fito ireto mba hanompo amin’ny fanomezana izay nilain’ny hafa.
Asan’ny Apostoly 6:9–7:53
Nentina teo anatrehan’ny Synedriona i Stefana ka nijoro ho vavolombelona fa nandà ny Mesia izy ireo
Efa nandà olona iray izay niezaka nanampy anao ve ianao na efa nolavin’ny olona iray ve ianao rehefa niezaka nanampy azy? Nanao ahoana ny fihetsik’ilay olona izay niezaka nanampy sy ny fihetsik’ilay olona izay nandà ilay fanampiana?
Nahoana isika indraindray no tsy manaiky ny fanampian’ny hafa? Eritrereto ireo vokatra mety ho tonga avy amin’ny fandavana ny fanampian’ny hafa amin’ireto toe-javatra manaraka ireto: mamita enti-mody, mahandro sakafo, mamaha olana goavana iray amin’ny fiainantsika, ary manapa-kevitra na handeha hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno na tsia.
Ny fomba iray izay nomen’ny Ray any An-danitra hanampiana antsika dia amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 6:9–7:53 ianao dia tadiavo ireo vokatry ny fandavana ny Fanahy Masina.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:9 dia olona maro izay tsy nino an’i Jesoa Kristy no nifamaly tamin’i Stefana rehefa nampianatra ny filazantsara izy. Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:10–11 hitadiavana ny zavatra nataon’ireo lehilahy ireo rehefa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny fanahin’ny fampianaran’i Stefana izy ireo. (Ilay hoe nomeny vava ao amin’ny andininy 11 dia midika hoe mamitaka.)
Ny Asan’ny Apotoly 6:12–14 dia milaza fa nentina teo anatrehan’ny filankevi-pitondrana Jiosy (ny Synedriona) i Stefana ary nisy vavolombelona mandainga niampanga azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra, izay midika hoe miteny amin’ny fomba feno fankahalana an’Andriamanitra na amin’ny “zavatra izay masina amin’Andriamanitra, toy ny tempoliny na ny lalàny na ny mpaminaniny” (Bible Dictionary, “Blasphemy”). Tamin’ny raharahan’i Stefana ny Synedriona dia niampanga azy tsy ara-drariny ho niteny ratsy ny tempoly sy ny lalàn’i Mosesy (jereo ny Asan’ny Apostoly 6:13–14). Ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona dia sady tsy nanaiky no nanohitra an’i Stefana ka nikatsaka ny hamono azy tamin’ny farany.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:15 hitadiavana ny zavatra tsy mahazatra hita teny amin’ny endrik’i Stefana ivelany rehefa nijoro teo anoloan’ny filankevitra izy.
Niova tarehy teo anatrehan’ny filankevitra i Stefana. Ny hoe fiovan-tarehy dia “Toe-tenan’ ireo olona izay novana vetivety ny endriny sy ny tenany—izany hoe nakarina amin’ ny haavo ara-panahy ambony kokoa—mba hahafahany mahatanty ny fanatrehana sy ny voninahitr’ ireo olon’ ny lanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiovan-tarehy,” scriptures.lds.org). Io fiovan-tarehy masina io no fomba iray nanehoan’Andriamanitra tamin’ny olona fa nankasitrahany i Stefana sy ny hafatra nomeny (jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 2:67)
Ny Asan’ny Apostoly 7:1–50 dia manazava fa ho valin’ireo fiampangana natao taminy dia nitantara ny sasany tamin’ny tantaran’ny Isiraely i Stefana, indrindra fa ny fandavana niverimberina nataon’ny Isiraelita tamin’i Mosesy sy ny lalàna izay nomen’ny Tompo ny vahoaka tao an-tendrombohitra Sinay. Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:37 hitadiavana ny hoe iza no nambaran’i Mosesy tamin’ny alalan’ny faminaniana fa ho ren’ny zanak’i Isiraely indray andro any.
I Jesoa Kristy ilay “mpaminany” resahina ao amin’io andininy io.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:51–53 hitadiavana ny fomba nampitahan’i Stefana an’ireo mpitarika Jiosy tamin’ny androny sy ireo Isiraelita fahiny izay nofariparitany. Ny hoe “mafy hatoka” sy “tsy voafora fo” dia entina ilazana ny avonavona sy ny fo feno haratsiam-panahy izay feno fahotana nananan’ireo Jiosy.
Ny Asan’ny Apostoly 7:52 dia milaza fa i Stefana dia niampanga an’ireo mpitarika Jiosy ho nandà an’ “Ilay Marina,” dia ny Mpamonjy.
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe ny fanoherana ny Fanahy Masina dia mety hitarika amin’ny fandavana ny Mpamonjy sy ny Mpaminaniny.
Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinan’ny teniny sy ny tenin’ireo mpaminaniny. Noho izany, ny fanoherana ny Fanahy Masina dia hampihena ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona iray sy ny fahavononany hanaraka ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny.
Eritrereto ny fomba mety hahatonga ny olona iray ho azon’ny fakam-panahy hanohitra ny Fanahy Masina amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:
-
Misafidy fialam-boly sy haino aman-jery
-
Misafidy raha hanaraka ny torohevitr’ireo mpaminany momba ny fampiarahana
-
Manapa-kevitra raha hampihatra ireo fitsipiky ny fibebahana izay efa nampianarin’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny
-
Saintsaino ny fanekenao manokana ny bitsiky ny Fanahy Masina. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nitarihan’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina anao handray fanapahan-kevitra tsara na ny nitarihan’izany anao hanaiky ireo mpaminany sy ny fampianarany. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba handraisana tsara ny fitaoman’ny Fanahy Masina.
Saintsaino ny zavatra iray izay azonao atao amin’ny herinandro ho avy mba hanasana amim-pahavitrihana ny fitaoman’ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fiainanao. Soraty amin’ny taratasy iray ny tanjonao sy ny fomba hanatanterahanao izany tanjona izany.
Asan’ny Apostoly 7:54–60
Notoraham-bato ho faty i Stefana
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka hanampo ny hiaina fahoriana ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy?
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 7:54–60 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao rehefa miaina fahoriana ianao.
Rehefa avy niteny mafy ireo mpitarika Jiosy ratsy fanahy i Stefana dia namaly tamin-katezerana izy ireo. Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:54–56 hitadiavana ny zavatra niainan’i Stefana nandritra ny fanenjehan’izy ireo. Hevitra iray fonosin’ny andian-teny hoe “nihidy vazana taminy izy” (Asan’ny Apostoly 7:54) ny hoe feno hatezerana mafy tamin’i Stefana izy ireo ka naniry azy ho faty.
Inona no fotopampianarana fototra momba ny Andriamanitra izay azontsika ianarana avy amin’ny tantara momba ny fahitan’i Stefana?
Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy i Stefana.
Azonao soratana eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 7:55–56 ity fotopampianarana manaraka ity: Olona telo miavaka tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 7:57–60 mba hitadiavana ny zavatra nataon’ny vahoaka tamin’i Stefana.
Inona no nanaitra anao tamin’ny vavaka nataon’i Stefana?
Nofaritan’i Lioka tamin’ny andian-teny hoe “nodi-mandry [izy]” ny fahafatesana nampivarahontsana nahazo an’i Stefana (Asan’ny Apostoly 7:60). Io fomba fiteny io dia mety entina ilazana ny fitsaharan’ny fanahin’ny olo-marina iray amin’ireo fahoriana eto amin’ny fiainana an-tany sy ny fiadanana izay hiampitan’ny olona toy izany avy amin’ity fiainana ity mankany amin’ny fiainana manaraka (jereo ny F&F 42:46).
Saintsaino ny zavatra niainan’i Stefana rehefa niatrika ny Synedriona sy talohan’ny nitondrana azy ka novonoina.
Ahoana no nankaherezan’Andriamanitra an’i Stefana tao anatin’ny zavatra niainany niaraka tamin’ireo mpitarika Jiosy?
Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao izao fitsipika izao: Raha mijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy isika mandritra ireo fotoam-pahoriana, dia .
Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Tompo miaraka amintsika rehefa miatrika fahoriana isika? Na dia namoy ny ainy aza i Stefana, dia inona no azony?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ho an’i Stefana dia anisan’ny fijanonana ho mahatoky ny fahafoizana ny ainy. Mety tsy ho angatahina hanao fahafoizana toy izany isika amin’izao fotoana izao, kanefa inona avy ny fahafoizana mety hotakiana amintsika?
-
Inona no inoanao fa ho azonao rehefa mahatoky amin’ny Tompo ianao mandritra ny fotoam-pahoriana sy rehefa manao ireo fahafoizana izay tokony hataonao?
-
Inona no efa azonao?
-
Amin’ny ankapobeny i Stefana no heverina ho Kristianina maty maritiora voalohany. Ankoatra izany dia azo raisina ho tandindon’i Kristy izy: Samy nijoro teo anatrehan’ny filankevitra iray izy sy ny Mpamonjy mba hotsaraina, samy nanambara ny fahamarinana izy ireo rehefa niatrika ireo fahavalony, samy nanome ny ainy ho an’ny fahamarinana izy ireo, ary samy nilaza zavatra mitovitovy mihitsy aza izy ireo rehefa teo andalam-pahafatesana (jereo ny Lioka 23:33–34, 46; Asan’ny Apostoly 7:59–60).
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 6–7 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: