Tahirim-pitaovana
Fizarana 23, Andro 4: 2 Korintiana 4–7


Fizarana 23: Andro 4

2 Korintiana 4–7

Fampidirana

Nampianatra i Paoly Apôstôly fa ny fitsapana sy ny fijaliana amin’izao fiainana izao dia mandalo sy kely raha oharina amin’ny fitahian’ny mandrakizay. Nampianatra ireo Olomasina tao Korinto ihany koa izy momba ny Fitsarana ary nijoro ho vavolombelona fa nataon’i Jesoa Kristy ho azo tanterahina ny fampihavanana antsika amin’ Andriamanitra. Rehefa nanohy niaro ny fitondran-tenany izy amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy, dia nanoro hevitra ireo Olomasina izy mba hampisaraka ny tenan’izy ireo amin’ny tsy fahamarinana rehetra sy hifaly fa niaina alahelo araka an’ Andriamanitra sy nibebaka izy ireo.

2 Korintiana 4

Nijoro ho vavolombelona i Paoly fa na dia manana fijaliana aza izy, dia tsy matahotra na sahiran-tsaina

lehilahy manosika lehilahy iray hafa

Toa maneho inona ity sary ity? Inona no mety ho eritreretin’ilay olona atosika momba ilay olona izay manosika azy?

Rehefa jerena lavitra kokoa io sary io dia hita fa ilay lehilahy dia manosika ilay lehilahy iray hafa hiala tsy ho eo amin’ny lalana misy fiara manatona.

lehilahy manosika lehilahy iray hafa avy amin’ny lalana misy fiara manatona

Manova ny fitsaranao ny zavatra nasehon’ilay sary voalohany amin’ny fomba ahoana ny fijerena ilay toe-javatra amin’ny sahan-kevitra na fomba fijery midadasika kokoa?

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 4, i Paoly Apôstôly dia nanoratra ho an’ireo Olomasina tao Korinto mba hanampiana azy ireo hijery ny fahoriany amin’ny sahan-kevitra midadasika kokoa. Rehefa mandalina ity toko ity ianao, dia diniho ny fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina momba ny fahorian’izy ireo.

Vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 4:1–7 ny fomba nanomezan’i Paoly toky an’ireo Olomasina fa nitory ny filazantsara tamim-pahamarinana tanteraka tamin’izy ireo izy. Nampianatra izy fa i Satana, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao” (2 Korintiana 4:4), dia manao izay tsy haneken’ny olona ny filazantsara. Nampitaha ny tenany sy ireo mpiara-mitory aminy amin’ny vilany tany izay misy “rakitra” an’ny “fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra” (2 Korintiana 4:6–7).

Vakio ny 2 Korintiana 4:8–9 dia tadiavo hoe ahoana no nilazalazan’i Paoly ireo olana amin’ny asa fitoriana ataony.

Nahoana araka ny eriteritrao i Paoly no afaka nijanona ho velombolo hatrany kanefa izy niatrika ireo olana ireo?

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Korintiana 4:11–14, i Paoly dia nampianatra fa na dia misy olona sasany aza hamoy ny ainy ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mandritra ny fotoana mandalo fotsiny ihany ny fahafatesan’izy ireo.

Vakio ny 2 Korintiana 4:14–16 dia tadiavo ny zavatra fantatr’i Paoly ka nanampy azy hiatrika ireo fitsapana sy fanenjahana.

Ny andian-teny hoe “fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny” (2 Korintiana 4:16) dia midika fa na dia ho faty ara-batana aza i Paoly sy ireo namany, ny fanahin’izy ireo dia nampahatanjahana isan’andro .

Vakio ny 2 Korintiana 4:17–18 dia tadiavo ny fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ny fitsapana sy ny fijaliana.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe ny fitsapana sy fijaliana atrehantsika amin’ity fiainana ity dia kely raha oharina amin’ny fitahiana sy fivoarana mandrakizay izay azo raha miharitra azy ireny amim-pahatokiana isika.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ny mahita ny fijaliantsika amin’ny sahan-kevitra midadasiky ny drafitry ny Ray any An-danitra?

    2. Oviana no nahitanao olona iray izay nitoetra ho matanjaka nandritra ny sedra niainany satria izy dia nahita ireo fijaliana tamin’ny sahan-kevitra midadasiky ny drafitry ny Ray any An-danitra?

2 Korintiana 5

Nampianatra ny Olomasina momba ny Fitsarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Paoly.

Aforeto roa ny ravin-taratasy iray. Sokafy ilay taratasy. Soraty eo amin’ny tapany iray amin’ilay taratasy ny anaranao, ary soraty hoe Ray any An-danitra eo amin’ny tapany iray hafa. Rehefa tonga tety an-tany isika, dia niala tsy ho eo anatrehan’ny Ray any An-danitra. Rovito hizara roa ilay taratasy, ary saraho ireo tapany roa. Diniho ny fomba anehoan’ilay taratasy rovitra ny zavatra nitranga rehefa niala tsy ho eo anatrehan’ny Ray any An-danitra isika ka tonga etỳ an-tany mba hiaina ny fiainana an-tany. Vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 5 ny mikasika ny fahamarinana nozarain’i Paoly izay afaka manampy antsika hahatakatra ny zavatra tokony hataontsika mba hiverenana eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.

Vakio ny 2 Korintiana 5:6–10 dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy antsika hibanjina hatrany ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ao amin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.

Fahamarinana roa azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ireto manaraka ireto: Satria isika nosarahina tamin’ Andriamanitra amin’ny fiainana an-tany, dia mila mandeha am-pinoana isika fa tsy amin’ny fahitana. Isika tsirairay dia hotsarain’i Jesoa Kristy araka ny zavatra nataontsika ety an-tany.

Eritrereto ny dikan’izany hoe “mandeha amin’ny finoana, fa tsy fahitana” (2 Korintiana 5:7). Iza no olona fantatrao hoe mandeha amin’ny finoana, fa tsy fahitana?

Diniho hoe inona no tokony ataonao eo amin’ny fiainanao mba hiezahana ny ho “ankasitrahan’ny [Tompo]” (2 Korintiana 5:9).

Vakio ny 2 Korintiana 5:15–16 dia tadiavony zavatra ataon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy noho ny Sorompanavotana. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, 2 Korintiana 5:16 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina scriptures.lds.org). Ny andian-teny hoe “tsy miaina intsony araka ny nofo” dia midika hoe mamela ny fiainan’izao tontolo izao.

Soraty eo amin’ilay antsasaka taratasy misy ny anaranao ny zavatra nianaranao momba ny fomba tokony hiainan’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny 2 Korintiana 5:17–19 dia tadiavo ny fomba ahafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy antsika hiverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ao amin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.

Soraty eny amin’ilay antsasaka taratasy misy soratra hoe “Ray any An-danitra” ity fahamarinana manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ho tonga olom-baovao isika ka ampihavanina amin’ Andriamanitra.

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe lasa “olom-baovao” (2 Korintiana 5:17)?

Avereno akambana indray ireo antsasaka taratasy roa. Ny hoe ampihavanina amin’ Andriamanitra dia midika hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny hovaina sy diovina isika, izany hoe lasa olom-baovao isika, hany ka afaka miverina miaina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.

Vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 5:20–21 fa ny nilazan’i Paoly ny tenany sy ireo izay nampianatra niaraka taminy dia hoe “iraka solon’i Kristy,” ary nanentana ireo Olomasina izy mba hihavana amin’ Andriamanitra.

2 Korintiana 6

Milazalaza ny toetran’ireo mpanompon’ Andriamanitra i Paoly ary nanoro hevitra ireo Olomasina mba hivoaka hiala amin’ireo ratsy fanahy

Efa nisy nihomehy sy nitsikera ve ianao rehefa niezaka ny hanompo na hanampy olona iray hafa? Vakintsika ao amin’ny 2 Korintiana 6:1–13 ny fomba namporisihan’i Paoly ireo Olomasina mba ho lasa mpanompon’ Andriamanitra sy hanam-paharetana ary hitandrina ny tsy hanafintohina, na dia amin’ny fotoana hanaovan’ny olona haratsiam-panahy aza.

Ianarantsika ao amin’ny 2 Korintiana 6:14–18 fa i Paoly dia nampianatra ireo Olomasina momba ny fitahiana azo amin’ny fialana amin’ny faharatsiana.

Fenoy ity tabilao manaraka ity amin’ny alalan’ny famakiana ny 2 Korintiana 6:14–18 sy amin’ny alalan’ny fitanisana ny torohevitra nomen’i Paoly sy ny fitahiana mifanaraka amin’izany:

Torohevitra ho an’ireo Olomasina

Fampanantenana avy amin’nyTompo

Ao amin’ny 2 Korintiana 6:15 ny teny hoe ifanarahana dia midika hoe afaka miaraka, ny teny hoe beliala dia midika hoe faharatsiana (jereo ny Bible Dictionary, “Belial”), ary ny hoe tsy mino dia milaza olona tsy mino an’ Andriamanitra na olona mino andriamani-kafa. Ho an’ireo Kristiana taloha, ireo izay tsy Kristiana dia tsy mpino.

Ny andian-teny hoe “misaraha” sy hoe “aza manendry izay zavatra tsy madio” (andininy 17) dia fampitandremana mba hiala amin’ireo mpanompo sampy sy ireo fombafomba dison’izy ireo ary mbola mihatra amintsika ihany koa izany amin’izao androntsika izao. “Nampitaha ireo Olomasina Korintiana tamin’ny ‘tempolin’ Andriamanitra velona’ i Paoly (2 Korintiana 6:16). Avy eo dia namporisihany izy ireo mba tsy hifandray amin’ny mpanompo sampy na mandray anjara amin’ny fombafomba ‘maloto’ ataon’izy ireo (jereo ny Isaia 52:11). Mamerina ny fampanantenana natao tamin’ny vahoakan’ Andriamanitra taloha i Paoly amin’ireo fampianarany ireo—hoe raha ‘mivoaka eo amin’ny’ ratsy izy ireo, dia hitoetra eo anivony sy ho lasa Andriamaniny Andriamanitra (2 Korintiana 6:17; jereo koa ny … Jeremia 32:38; sy ny Ezekiela 11:19–20)” (Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [boky torolalana an’ny Departemanta Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 402). Nampitandrina manokana ny mpikambana i Paoly mba hiala amin’ny fivavahan-diso, fanompoan-tsampy, sy ny fombafomba diso, tahaka ny nampianaran’ny Testamenta Taloha ny olona mba hivavaka amin’ Andriamanitra sy ho lasa vahoaka nofinidiny, ary mandà ny andrimanitra hafa rehetra.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny 2 Korintiana 6:14–18 ny hoe rehefa mivoaka miala amin’ny fombafomba diso sy zavatra maloto isika, dia handray antsika ny Tompo. (Io fitsipika io dia tsy midika hoe tsy mahalala fomba amin’ny olona hafa finoana isika na mandà ny hiara-miasa amin’izy ireny.)

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’izao androntsika izao, midika inona amintsika ny hoe misaraka amin’ny fombafomba diso sy zavatra maloto? (Jereo ny F&F 1:15–16.)

    2. Oviana ianao no nahatsiaro ho voatahy noho ny fialanao tamin’ny toe-javatra iray izay mety ho nanalavitra anao amin’ny Tompo?

2 Korintiana 7

Nahafaly an’i Paoly ny fibebahana marin’ireo Olomasina

Ao amin’ny 2 Korintiana 7 i Paoly Apôstôly dia nanazava fa rehefa nijaly noho ny fahoriana mafy tany Makedonia izy sy ireo misiônera namany, dia nitondra teny avy tany Korinto i Titosy izay nitondra fifaliana sy fampiononana ho an’i Paoly. Nandefa epistily tany Korinto i Paoly talohan’izay ary niantso ny sasany tamin’ireo Olomasina mba hibebaka, ary nolazain’i Titosy azy ny navalin’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Vakio ny 2 Korintiana 7:8–10 dia tadiavo hoe ahoana no navalin’ireo Olomasina tany Korinto ny taratasin’i Paoly.

Nahoana i Paoly no faly fa nahatsapa alahelo ireo Olomasina noho ny taratasiny?

Diniho hoe ny alahelo tsapanao noho ny fahotanao ve alahelo araka an’ Andriamanitra izay “miasa fibebahana ho famonjena,” sa “alahelo araka an’izao tontolo izao” (2 Korintiana 7:10), izay midika hoe manenina ianao fa tratra na voatery hiatrika ny vokatry ny zavatra ratsy vitanao.

Vakio ny 2 Korintiana 7:11 dia tadiavo ireo karazana fiovana izay nataon’ireo Olomasina teo amin’ny fiainany satria nanampy azy ireo hibebaka ny alahelony araka an’ Andriamanitra.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 2 Korintiana 4–7 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty)

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: