Fizarana 32: Andro 2
Apokalypsy 14–16
Fampidirana
Tao anatin’ny fahitana iray, i Jaona Apôstôly dia nahita anjely iray tonga tety an-tany ka namerina tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany. Naheno feo avy any an-danitra ihany koa izy izay mamariparitra ireo fitahiana izay ho azon’ireo izay maty tamim-pahatokiana ny Tompo. Nahita ny fanangonana ireo olo-marina sy ny fanangonana ireo ratsy fanahy amin’ny andro farany i Jaona ary ny fitsaran’ Andriamanitra izay niraraka tamin’ireo ratsy fanahy.
Apokalypsy 14
Nahita ny famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny sy ny fanangonana ny olo-marina sy ny ratsy fanahy i Jaona
Misy ny olona sasantsasany izay manontany tena hoe afaka mahatsapana fiadanana ve eto amin’ity izao tontolo izao izay feno faharatsiana, sy loza, ary herisetra ity. Eritrereto ny zavatra mety ho teneninao amin’ireo olona ireo.
Eo am-pandalinanao ny Apokalypsy 14–16, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mitondra fiadanana ho anao na dia miaina ao anaty tontolo feno faharatsiana, sy loza, ary herisetra aza ianao.
Mamaky isika ao amin’ny Apokalypsy 14:1–13 fa i Jaona dia nahita fahitana momba ny andro farany, na izao andro iainantsika izao. Tao amin’ny fahitany dia nahita ireo antambo izay ho avy amin’ireo ratsy fanahy izy. Nahita ihany koa ny zavatra izay hitondra fiadanana ho an’ny olo-marina amin’ny izao andro iainantsika izao izy.
Vakio ny Apokalypsy 14:1–5 dia tadiavo hoe iza no hitan’i Jaona fa niara-nijoro tamin’ny Mpamonjy “eo amin’ny tendrombohitra Ziona” (Apokalypsy 14:1), na Ziona.
Mety ho tsaroanao ny nianatra fa ireo 144 000 izay voalaza ao amin’ny andininy 1 dia tsy iza fa ireo mpisorona avo ao amin’ny foko roa ambin’ny folon’Isiraely avy amin’ny firenena rehetra ary ireo izay voatendry mba hitondra ny olona “ao amin’ny fiangonan’ny Lahimatoa” (F&F 77:11; jereo ny Apokalypsy 7:4–8). Ilay fehezanteny hoe “tsy voaloto tamin’ny vehivavy” (Apokalypsy 14:4) dia midika hoe izy ireo dia madio fitondrantena. Ao amin’ny Apokalypsy 14:5, ny andian-teny hoe “ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany” dia midika hoe ho mari-toetra sy tso-po izy ireo ary ilay andian-teny hoe “tsy manan-tsiny” dia midika fa izy ireo dia ho madio amin’ny fahotana.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy ireo mpisorona avo 144.000 hitondra ny filazantsara mankany amin’ny hafa ny hoe madio fitondrantena, sy marina, ary madio amin’ny fahotana?
Nandritra ny fahitan’i Jaona ny andro farany, dia nahita anjely telo hafa izy. Vakio ny Apokalypsy 17:18 dia tadiavo ny zavatra izay nananan’ilay anjely voalohany.
Rehefa avy nindrana ny Apokalypsy 14:6 ny Filoha Gordon B.Hinckley, dia nanao izao fanambarana izao izy: “Io anjely io dia efa tonga. Ny anarany dia i Môrônia” (“Stay the Course–Keep the Faith,” Ensign, nôv. 1995, 70).
Niseho voalohany tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia ka nilaza taminy fa manana asa manan-danja hampanaovina azy Andriamanitra. (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29–35). Araka ny Joseph Smith–Tantara 1:34, dia inona no zavatra izay notenenin’i Môrônia an’i Joseph Smith, teo ambany fitarihan’ Andriamanitra, momba izay hanampy hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara maharitra mandrakizay teto an-tany?
Ny fahafantarana ny anjara asan’i Môrônia tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia mety hanampy anao hahatakatra ny antony hametrahana ny sarivongany eo an-tampon’ny ankamaroan’ireo tempolintsika.
Ilay anjely voafariparitra ao amin’ny Apokalypsy 14:6 dia afaka maneho ihany koa ny fitambaran’ireo iraka avy any an-danitra maro, anisan’izany i Môrônia, izay nanampy tamin’ny famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny amin’ny andro farany (jereo Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky 3. [1965–73], 3:529–31; jereo ihany koa ny F&F 13; 110:11-16; 128:20–21).
Vakio ny Apokalypsy 14:7 dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’ilay anjely. Ny andian-teny hoe “fa tonga ny andro fitsarany” dia milaza ny fotoana izay hitsaran’ny Mpamonjy ny olona rehetra eto ambonin’ny tany. Ny fitsarany dia sady hitranga amin’ny Fiaviany Fanindroany ho hitranga amin’ny Fitsarana Farany.
Mianatra isika avy amin’ny fahitan’i Jaona ilay anjely fa ny antony iray namerenan’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny hanomanana ny mponin’ny tany ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.
Amin’ny fomba ahoana avy no hanomanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona ho amin’ny Fiaviany Fanindroany?
Nitondra fiadanana ho anao tamin’ny fomba ahoana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na dia miaina ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana sy tabataba aza ianao?
Vakio ny Apokalypsy 14:8–11 dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’ilay anjely faharoa sy fahatelo.
Nampianatra i Jaona fa i Babylona, na ny faharatsiana, dia hisy manerana ny firenena rehetra. Anisan’ny hevitr’ilay andian-teny hoe “Rava! rava Babylona lehibe!” (Apokalypsy 14:8) dia hoe ho avy ilay andro izay hitsaharan’ny faharatsiana eto ambonin’ny tany.
Saintsaino ny fomba hahafahan’ny fahahafantarana fa hitsahatra ny faharatsiana eto ambonin’ny tany mitondra fiadanana ho anao.
Nanazava ny zavatra hiainan’ireo izay ratsy fanahy aorian’ny fahafatesan’izy ireo ny Mpaminany Joseph Smith:
“Ilay fahoriam-ben’ireo fanahy izay mankany amin’ny tontolon’ny fanahy, izay toerana halehan’izy ireo aorian’ny fahafatesana, dia ny mahafantatra fa tsy manana ny voninahitra izay hankamamian’ny hafa sy mety ho nankamamiany izy ireo, ary izy ireo ihany no mpiampanga ny tenany”(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007],224).
“Ny olona iray no mpampijaly sy mpiampanga ny tenany. Izany no nahatonga ilay teny hoe: dia hanana ny anjarany ao amin’ny farihy mirehitra sy ny solifara izy ireo [jereo ny Apokalypsy 21:8]. Ny fijaliana noho ny fahadisoam-panantenana ao an-tsain’ny olona iray dia faran’izay ratsy toy ny farihy mirehitra sy ny solifara (Teachings: Joseph Smith,224).
Rehefa avy nianatra momba ny zavatra izay hiainan’ireo ratsy fanahy aorian’ny fahafatesana i Jaona dia nahare feo avy any an-danitra izay namariparitra ny zavatra izay hiainan’ny olo-marina aorian’ny fahafatesana izy.
Vakio ny Apokalypsy 14:12–13 dia tadiavo ny zavatra hiainan’ireo olo-marina aorian’ny fahafatesana.
Ny hoe “hitsahatra amin’ny asa[ntsika] rehetra” (andininy 13) aorian’ny fahafatesana dia midika hoe tsy hovesaran’ny fahasahiranana, ny fiahiahiana, ary ny alahelo intsony (jereo ny Almà 40:12).
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Apokalypsy 14:12–13 ny hoe raha miaina amim-pahamarinana isika, dia ho voatahy amin’ny asantsika ary hitsahatra amin’ny asantsika aorian’ny fahafatesana. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Apokalypsy 14:12–13.
-
Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io fitsipika io mitondra fiadanana ho anao eny fa na dia miaina ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana aza ianao. Manorata teny fampaherezana ho an’ny namana iray izay mety ho manontany tena raha toa ka manan-danja ny miaina araka ny fahamarinana sady voahodidina faharatsiana.
Mamaky isika ao amin’ny Apokalypsy 14:14–20 fa nahita fijinjana roa i Jaona tao amin’ny fahitany. Hitany fa nandritra ny fijinjana voalohany, ny olo-marina dia havahana amin’ny ratsy fanahy (jereo ny Apokalypsy 14:14–16) ary mandritra ny fijinjana faharoa ny ratsy fanahy dia hangonina ary ho fongorana tanteraka (jereo ny Apokalypsy 14:17–20).
Apokalypsy 15–16
Nahita ny olo-marina tao amin’ny fanjakana selestialy ary ireo loza fito amin’ny andro farany i Jaona
Ny Apokalypsy 15:2–4 dia mirakitra ny famariparitana fanampiny nataon’i Jaona momba ny mety ho toetoetran’ireo izay maharesy an’i Satana ka voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny sisa tavela amin’ny Apokalypsy 15–16 dia mirakitra ny famariparitany ireo loza fito izay hampihovotrovitra ny ratsy fanahy amin’ny andro farany. Ireo famaizana ireo dia hialoha ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.
Tao amin’ny fahitan’i Jaona, ny loza tsirairay dia maneho anjely mandraraka zavatra avy ao amin’ny “lovia” iray na lovia jobo iray “feno ny fahatezeran’ Andriamanitra” (Apokalypsy 15:7). Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka avy ao amin’ny Apokalypsy 16 ireto dia tadiavo ireo loza fito. Manorata famariparitana fohy momba ny loza tsirairay eo akaikin’ny laharana mifanaraka amin’izany ato amin’ity tabilao manaraka ity:
|
| |
|
| |
|
| |
|
| |
|
| |
|
| |
|
|
Vakio ny Apokalypsy 16:15 dia tadiavo ireo zavatra azontsika atao mba ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Ilay andian-teny hoe “miaro ny fitafiny, fandrao mandeha mitanjaka izy” (Apokalypsy 16:15) dia milaza ny fahavonona ara-panahy. Ireo izay “[miaro ny] fitafiny ” sy vonona ara-panahy dia hitafy ny akanjon’ny fahamarinana izay homena ireo rehetra mendrika ny hiara-honina amin’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana seelstialy (jereo ny Apokalypsy 3:3–5; 7:13–17).
Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Apokalypsy 16:15: Raha miambina sy vonona ara-panahy isika, dia ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Manan-danja ny mahatsiaro fa ny Tompo dia tia ny olony ary hitsinjo azy ireo amin’ny andro farany, eny fa na dia ao anatin’ny fandringanana mahatsiravina sy ady lehibe aza. Mila miambina sy vonona ara-panahy isika mba hahafahantsika mahazo ny fiarovan’ny Tompo sy ny fitahiany. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny Hara-magedona voalaza ao amin’ny Apokalypsy 16:16 ianao, dia jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ny teny iditra hoe “Hara-magedona”
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Apokalypsy 14–16 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: