Fizarana 21: Andro 4
1 Korintiana 3–6
Fampidirana
Nohazavain’i Paoly Apôstôly tamin’ny Olomasina tany Korinto ny anjara asan’ny misiônera amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Nampianariny fa ny fivoriam-bavaka dia toerana izay afahafahan’ny Fanahy mitoetra ka namporisika azy ireo izy mba tsy hieritreritra hoe misy olona sasany tsara kokoa noho ny hafa. Ankoatra izany, dia nampitandreman’i Paoly izy ireo mba tsy hamelany ny olon-dratsy hitaona azy ireo. Nampitandremany ihany koa izy ireo mba hiala amin’ireo filôzôfia sy fanao tsy mendrika izay fahita matetika tao Korinto.
1 Korintiana 3
Nohazavain’i Paoly ny anjara asan’ny misiônera sy ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra
Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray misoratra anarana ho ao amin’ny kilasy fianarana matematika efa lasa lavitra, toy ny fanaovana kajy, kanefa tsy nanaraka ny fampianarana fiomanana toy ny fanisana tsotra.
Diniho hoe hanao ahoana ny fahombiazan’ilay namanao ao amin’ilay kilasy fianarana matematika efa lasa lavitra. Nahoana no ilaina ny mahatakatra ireo hevitra fototra momba ny taranja iray alohan’ny ahafahanao mifehy ny hevitra lalindalina kokoa?
Vakio ny 1 Korintiana 3:1–3 dia tadiavo ny fifanahafana izay nampiasain’i Paoly Apôstôly mba hanehoana amin’ireo Olomasina tao Korinto fa tsy mbola vonona izy ireo ho amin’ny fahamarinan’ny filazantsara fanampiny. Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe ronono sy hena ao amin’ny 1 Korintiana 3:2.
Inona no tian’ilay andian-teny hoe “zaza ao amin’i Kristy” lazaina ao amin’ny 1 Korintiana 3:1 momba ny fahamatorana ara-panahin’ireo Olomasina Korintiana?
Tadidio fa ireo Olomasina tany Korinto dia tsy niray hina ary ny sasany tamin’izy ireo dia nampiditra ny finoana sy fombafomban’ny mpanompo sampy (tsy avy amin’ Andriamanitra) tao amin’ny fanarahany ny filazantsara. Nanomboka nizarazara ho vondrona ihany koa izy ireo vokatry ny tsy fitovian’ny fandraisan’izy ireo ny fotopampianaran’ny Fiangonana, ary nanohana ny fomba fijeriny tamin’ny findramana ny tenin’ny mpitarika ny Fiangonana fanta-daza izy ireo (jereo ny 1 Korintiana 1:10–16; 3:4).
Vakio ny 1 Korintiana 3:5–8 dia tadiavo ny fifanahafana izay nampiasain’i Paoly mba hanampiana ireo Olomasina hahatakatra ny anjara asan’ireo misiônera izay nitondra ny filazantsara ho ao Korinto.
-
Ataovy sary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay fifanahafana nataon’i Paoly ary soraty hoe inona araka ny eritreritrao no nezahin’i Paoly hampianarina ireo Olomasina Korintiana tamin’izany fifanahafana izany.
Jereo ao amin’ny 1 Korintiana 3:6–7 hoe iza no nahatonga ny fiovana tao amin’ny fon’ny olona izay nitondra ho amin’ny fiovam-po. Azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo fa raha toa isika afaka manampy ny hafa hianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina kosa no hiovan’ny olona fo.
Saintsaino hoe nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatakatra fa ny herin’ Andriamanitra fa tsy ny antsika no manova fo?
Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana 3:9–23 fa i Paoly dia namporisika ireo Olomasina tao Korinto mba hanorina ny fototry ny finoan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy sy hamela ny Fanahy hitoetra ao amin’ny Fiangonana. Nanoro hevitra ireo Olomasina ihany koa i Paoly mba tsy hiantehitra amin’ny fahendren’izao tontolo izao satria izany dia “fahadalana” (1 Korintiana 3:19) raha oharina amin’ny fahendren’ Andriamanitra.
1 Korintiana 4
Notenenin’i Paoly ny Olomasina tany Korinto mba tsy hieritreritra hoe misy olona tsaratsara kokoa noho ny hafa
Avy amin’ny torohevitra nomen’i Paoly izay voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 4:1–3, dia hita fa ny mpikamban’ny Fiangonana tany Korinto sasany dia nitsara ny fahazain’i Paoly mitory ny filazantsara sy mitarika ny Fiangonana. Mety ho nisalasala izy ireo ny amin’ny fitsarana nataony na mety ho nieritreritra izy ireo fa ho tsaratsara kokoa ny zava-bita raha olona hafa no nanao izany.
Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 4:3–5, i Paoly dia nampianatra fa ny Tompo no ho mpitsara azy sy “hampiharihary ny zavatra takona” ary “hampiseho ny fikasan’ny fo” (1 Korintiana 4:5). Azontsika ianarana avy amin’izany fa na eo aza ny fitsaran’ny hafa antsika, ny Tompo no hitsara antsika amim-pahamarinana satria mahafantatra ny zavatra rehetra Izy, anisan’izany ny eritreritra sy fikasan’ny fontsika.
Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana 4:6–21 fa i Paoly dia niteny ireo Olomasina tao Korinto mba tsy ho velom-piderana ny mpitarika ny Fiangonana iray kanefa mpitarika ny Fiangonana hafa no nisahirana. Nolazainy azy ireo ihany koa fa ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy dia nantsoina mba hijaly noho ny faharatsian’izao tontolo izao. Izao tontolo izao dia mitsara ny Apôstôly sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana hoe “adala” (1 Korintiana 4:10) noho izy ireo mikatsaka ny hanaraka an’i Kristy. Avy eo i Paoly dia nampianatra fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tarihina amin’ny herin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.
1 Korintiana 5
Nampitandrina ireo Olomasina i Paoly mba tsy handraisana eo anivon’izy ireo ny olona izay misafidy an-tsitrapo ny hanota
Ataovy sary an-tsaina hoe manana loviabe iray feno voankazo mbola tsara ianao ary misy voankazo iray lò miaraka aminy ao.
Inona no hitranga raha avelanao hijanona ao amin’ilay loviabe feno voankazo ilay voankazo lò?
Mety ho inona no asehon’ilay voankazo lò eo amin’ny fiainantsika?
Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 5 ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hanatsara ny fihetsikao manoloana ireo fitaoman-dratsy eo amin’ny fiainanao.
Vakio ny 1 Korintiana 5:1–2 dia tadiavo ny fahotana iray izay tsy nandraisan’ny Olomasina Korintiana fepetra hanoherana azy.
Ny fijangajangana dia entina milaza ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Hita fa nisy mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto nanao fahalotoam-pitondrantena niaraka tamin’ny vadin-drainy.
Ny andian-teny hoe “hesorina tsy ho ao aminareo” ao amin’ny 1 Korintiana 5:2 dia midika fa ny mpanota dia tokony hoesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mandinika zavatra maro amim-pahamalinana alohan’ny hanesorana ny olona iray tsy ho mpikambana na alohan’ny hampiharana sazy hafa ao amin’ny Fiangonana. Ankoatra ny fandinihana ny halehiben’ilay fandikan-dalàna, dia dinihin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ihany koa ny tanjon’ny sazy ao amin’ny Fiangonana: ny hanampy olona iray mba hibebaka sy hiaro ireo izay ho voa noho ny zavatra atao na ny finoan’ny olona iray ary ny hiaro ny fampianaran’ny Fiangonana mba tsy ho voaloto (jereo ny “Church Discipline,” mormonnewsroom.org/article/church-discipline).
Vakio ny 1 Korintiana 5:6–7 dia tadiavo ny fifanahafana izay nampiasain’i Paoly Apôstôly mba hanazavana ny antony ilana ny fanalana an’io olona io tsy ho mpikamban’ny Fiangonana.
Ny masirasira kely na leviora dia mahatonga ny mofo hitombo. Mahatonga ny mofo ho simba na lò ihany koa izy io. Ny vongana mofo amboarina dia maneho ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ahoana no hamintinanao ny hevitr’io fifanahafana io?
Mianatra ity fahamarinana manaraka ity isika avy amin’io fifanahafan’i Paoly io: Raha misafidy ny hiara-hiasa akaiky amin’ireo izay manao fahotana isika, dia afaka ny ho voatariky ny faharatsian’izy ireo.
Vakio ny 1 Korintiana 5:9–11 dia tadiavo hoe inona no torohevitra nomen’i Paoly ireo Olomasina Korintiana mba hanampiana azy ireo hampihatra ny fitsipika ampianarina ao amin’ny andininy 6.
Diniho hoe inona no ifandraisan’ny fampianaran’i Paoly amin’ilay loviabe iray feno voankazo izay misy voankazo iray lò miaraka aminy ao.
Mba hahatakarana bebe kokoa ny torohevitr’i Paoly ny tsy hiarahana amin’ny mpijangajanga na ny hafa izay tsy manaiky ny hibebaka amin’ny fahotany, dia vakio ity teny nambara manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Aza miaraka amin’ny mpijangajanga—tsy satria akory hoe tsara loatra ianareo raha ho azy ireny, araka ny nosoratan’i [C. S.] Lewis, fa satria kosa tsy mbola ampy ny fahatsaranareo. Tsarovy fa ny toe-javatra ratsy dia afaka manimba rehefa ela ny ela na dia ny olona tsara aza” (“The Stern but Sweet Seventh Commandment,” New Era, Jona 1979, 42).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo ohatra vitsivitsy izay maneho toe-javatra ratsy izay mety hanimba ny olona rehefa ela ny ela hany ka hampandefitra ny fenitra arahiny izy ary hanaiky ny fitondran-tena feno fahotana?
Tokony hikatsaka ny hanampy sy hamporisika ny olona izay manana olana amin’ny fahotana isika kanefa tsy mampandefitra ny fenitra arahintsika. Diniho amim-bavaka ny zavatra azonao atao mba hitarihana ny hafa ho amin’ny tsara kanefa tsy mampandefitra ny fenitra arahinao.
Ianarantsika ao amin’ny 1 Korintiana 5:12–13 fa ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manana andraikitra hitsara ireo izay manao fandikan-dalàna mihoa-papana sy hanala azy ireo tsy ho mpikambana intsony raha ilaina izany.
1 Korintiana 6
Mampianatra ireo Olomasina mikasika ny firaisan-kina sy ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena i Paoly
Nalaza ho maloto fitondran-tena i Korinto taloha, ary maro ireo Korintiana izay nanaparitaka ny fiheverana hoe natao hahazoana fahafinaretana ny vatantsika. Nampianatra ny Olomasina Korintiana i Paoly Apôstôly ao amin’ny 1 Korintiana 6:13–17, fa ny vatantsika dia nohariana mba hanatanterahana ny tanjon’ny Tompo, fa tsy hanaovana fahotana ara-pitondrantena na hoe hahazoana fahafinaretana ara-nofo fotsiny, toy ny sakafo. Ireo izay miditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia lasa iray amin’i Kristy amin’ny maha-“mpikambana” ara-panahy azy ireo amin’ny vatantenany. Ny fahalotoana ara-pitondrantena dia tsy afaka miaraka amin’ny fifandraisana ara-panahy amin’i Jesoa Kristy.
Vakio ny 1 Korintiana 6:18–20 dia tadiavo hoe inona no nampianarin’i Paoly momba ny vatantsika. (Ny 1 Korintiana 6:19–20 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hanampy anao hitady ny misy izany amin’ny hoavy.)
-
Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:
-
Fintino ny fahamarinana izay nampianarin’i Paoly tao amin’ny 1 Korintiana 6:19.
-
Hazavao hoe tokony hampiova ny fomba hitondrantsika ny vatantsika sy ny vatan’ny hafa amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa tempolin’ Andriamanitra ny vatantsika.
-
Fintino ny fahamarinana izay nampianarin’i Paoly tao amin’ny 1 Korintiana 6:20.
-
Nampianatra i Paoly Apôstôly fa ny vatantsika dia tempolin’ Andriamanitra.
Saintsaino hoe afaka manampy anao hijanona ho madio rehefa voahodidin’ny faharatsiana amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ireo fahamarinana momba ny vatantsika ireo.
Soratra Masina Fehezina—1 Korintiana 6:19–20
-
Mba hanampiana anao hahay tsianjery io soratra masina fehezina io, dia avereno ireo andalana etsy ambany, ary tampeno taratasy ny ampahany rehefa manomboka zatra amin’ireo teny ianao. Tohizo hatrany ny famerimberenana ilay andininy mandra-pahaizanao azy tsianjery. Avereno tanisaina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao iray ilay andininy ary asaivo manao sonia ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izy.
[19] Ahoana ary?
Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny
Fanahy Masina, Izay ao anatinareo
sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra?
ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo.
[20] Fa olom-boavidy hianareo,
koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ny tenanareo,
sy amin’ny fanahinareo,
izay an’ Andriamanitra.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandaliana ny 1 Korintiana 3–6s ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: