Fizarana 27: Andro 4
Hebreo 1–4
Fampidirana
Nampianatra ireo Olomasina Hebreo, na ireo Kristianina Jiosy mikasika ny tena toetran’i Jesoa Kristy i Paoly Apôstôly. Nampianatra azy ireo ihany koa momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ireo fitahiana sasantsasany izay tonga noho ny Sorompanavotana izy. Nizara ny zavatra niainan’ireo Isiraelita fahiny izay nirenireny tany an’efitra i Paoly mba hampianarana ireo Olomasina ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mba hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.
Hebreo 1
Mampianatra momba ny toetran’i Jesoa Kristy i Paoly
Vakio ireto toe-javatra mety hitranga manaraka ireto:
-
Ny zatovovavy iray dia leo antsoina hoe zaza “hendry” satria tsy mandray anjara amin’ireo zavatra ataon’ny namany sasantsasany miaraka amin’izy ireo izy. Mieritreritra ny hanagoragora ireo fenitra arahiny izy amin’izay eken’ny namany.
-
Mahatsapa ny zatovolahy iray izay mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno fa sarotra lavitra noho ny niheverany azy ny asa fitoriana, ka mieritreritra ny hody any an-trano izy.
Inona no hitovizan’ireo toe-javatra mety hitranga ireo? Inona ireo antony sasany izay mahatonga ny olona hieritreritra ny hilavo lefona amin’ny fiezahana hanao ny zavatra fantatr’izy ireo fa mety?
Nanoratra ny epistiliny ho an’ny Hebreo tamin’ny fotoana izay tsy nanatrehan’ireo Jiosy (na Hebreo) niova fo sasany ireo fivoriam-piangonana noho ny fanenjehana sy ny karazana fanerena hafa i Paoly Apôstôly. Niverina tamin’ny efa nahazatra azy ireo, ary noho izany tamin’ny fomba fivavahana Jiosy nentim-paharazana tsy misy mpanenjika, izay tsy nahitana ny finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo (jereo ny Hebreo 10:25, 38–39). Nanoratra ity epistily ity mba hamporisihana ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo hijanona ho mahatoky amin’i Jesoa Kristy i Paoly.
Eo am-pandalinanao ity epistily ho an’ny Hebreo ity dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hijanona ho mahatoky amin’i Kristy rehefa mahatsapa fa mila hilavo lefona ianao.
Vakio ny Hebreo 1:1–3, 10, dia karohy ireo fotopampianarana momba ny Mpamonjy izay nampianarin’i Paoly tamin’ireo Olomasina Jiosy.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fotopampianarana momba an’i Jesoa Kristy izay hitanao ao amin’ny Hebreo 1:1–3, 10. Ohatra, avy amin’ireo andininy 2 sy 10 dia afaka mamantatra izao fotopampianarana manaraka izao ianao: I Jesoa Kristy no nahary ny lanitra sy ny tany. Rehefa mandinika tsara ianao dia hahita fa ireo andininy ireo dia mampianatra fotopampianarana manan-danja fanampiny hafa maromaro momba ny Mpamonjy.
Mariho ilay andian-teny hoe “endriky ny tenany indrindra” ao amin’ny Hebreo 1:3. Io andian-teny io dia midika fa i Jesoa Kristy dia mitovy amin’ny Ray any An-danitra ary hitovizan’ Izy ireo ny toetra maha-Andriamanitra. Ilay andian-teny hoe “mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny” ao amin’io andininy io ihany dia midika fa manana ny hery rehetra i Jesoa Kristy.
Diniho hoe fahamarinana inona amin’ireo hitanao tao amin’ny Hebreo 1:1–3, 10 no mety hanampy anao raha toa alaim-panahy hivadika amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra ianao.
Ny lohahevitra anankiray hita matetika ao amin’ny Hebreo dia ny maha-ambony an’i Jesoa Kristy. Ohatra, ao amin’ny Hebreo 1:4–14 dia nampiseho i Paoly fa lehibe kokoa noho ireo anjely ny Mpamonjy. Ao amin’ireo toko hafa manaraka dia mbola nanohy ny fanehoana ny maha-tsara tanteraka sy ny maha-ambony an’i Kristy izy.
Nahoana no manampy ny olona iray izay mitolona amin’ny fijanonana ho mahatoky Amin’i Kristy ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy dia lehibe noho ny zava-drehetra?
Tohizo ny fikarohana momba ity lohahevitra ity rehefa mandalina ny ambin’ny taratasin’i Paoly ho an’i Hebreo ianao.
Hebreo 2
Mampianatra i Paoly fa i Jesoa Kristy no Tompon’ny famonjena antsika
Eritrereto ny fomba fisafidianana kapiteny na mpitarika iray ho an’ny ekipa na vondrona izay mety andraisanao anjara (ohatra, atletisma, ady hevitra, tantara an-tsehatra, na fikambanana ao am-pianarana). Inona avy ireo toetra tadiavinao rehefa misafidy kapiteny na mpitarika iray?
Ao amin’ny Hebreo 2, ny Apôstôly Paoly dia nanazava misimisy kokoa momba ny toetra sy ny maha-izy azy an’i Jesoa Kristy tamin’ireo niova fo Jiosy mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny antony tokony hanohizan’izy ireo ny fanarahana Azy. Vakio ny Hebreo 2:10, dia tadiavo izay nampianarin’i Paoly fa maha-kapiteny an’i Jesoa Kristy.
Avy amin’io andininy io dia afaka mianatra isika fa i Jesoa Kristy no Kapitenin’ny famonjena antsika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Amin’ny fomba ahoana i Jesoa Kristy no Kapitenin’ny famonjena antsika?
Vakio ny Hebreo 2:8–9, 14–18 sady tadiavo ireo andian-teny manoritsoritra ny antony mahatonga ny Mpamonjy hahafeno ny fepetra takina amin’ny Kapitenin’ny famonjena antsika. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.
Ao amin’ny Hebreo 2:9, ny fampianaran’i Paoly fa i Jesoa Kristy dia “natao ambany kely noho ny anjely” dia milaza ny niambanian’ny Mpamonjy avy tamin’ny seza fiandrianany tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba hiaina eto an-tany ary ny fijaliana sy ny fahafatesana, izay “nidinany ho ambanin’ny zava-drehetra” (F&F 88:6). Ilay andian-teny hoe “manana nofo aman-drà” ao amin’ny Hebreo 2:14 dia midika hoe mety maty. Ilay andian-teny hoe “mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona” ao amin’ny Hebreo 2:17 dia midika fa i Kristy dia afaka nanao sorompanavotana ho an’ny fahotantsika.
Araka ny andininy 9, dia inona no nataon’i Jesoa ho an’ny olona rehetra? Araka ny andininy 14, nandresy inona Izy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany?
Mariho fa tsy nilaza ny Mpamonjy ho TKapitenin’ny famonjena antsika fotsiny i Paoly fa niantso Azy “ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky” (Hebreo 2:17) ihany koa. Nampitovian’i Paoly tamin’ny mpisorona avo Jiosy i Jesoa Kristy satria ireo mpisorona avo dia noraisina ho mpanelanelana ny olona amin’ Andriamanitra.
Araka ny Hebreo 2:18, dia nahoana ny Mpamonjy no afaka mamonjy (mankahery na manampy) antsika?
Vakio ny Hebreo 4:14–16 sady mitadiava hevi-baovao fanampiny izay nolazain’i Paoly momba ny maha-mpisorona avo mamindra fo sy mahatoky an’ny Mpamonjy.
Avy amin’ny Hebreo 2:17–18 sy 4:14–16, dia afaka mamantatra izao fahamarinana manaraka izao isika: Mahatakatra tanteraka ny fiainantsika sy afaka manampy antsika amin’ny fotoana ilàna izany i Jesoa Kristy satria nijaly sy nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra Izy. (Jereo ihany koa ny Almà 7:11–13.)
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tsapanao momba ny hoe amin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana hita tao amin’ny Hebreo 2 no afaka manampy anao hatoky tena bebe kokoa amin’ny fanapahan-kevitra hanaraka an’i Jesoa Kristy, ho mpitarika anao.
Hebreo 3–4
Mampianatra momba ny fomba hidirantsika ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo i Paoly
Inona ny zavatra iray izay tsapanao fa manahiran-tsaina anao na manome fanahiana anao indraindray? Eritrereto ny fomba hahafahanao mahita fiadanana sy fitsaharana amin’izany zavatra izany ary ireo loharanon-korontana sy fanahiana hafa.
Nandritra ny vaninandron’i Paoly dia nenjehina noho ny fiainan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo Olomasina Jiosy. Araka ny voarakitra ao amin’ny Hebreo 3–4, dia nilaza mikasika ny zava-nitranga iray tao amin’ny Testamenta Taloha i Paoly mba hampianarana ireo Olomasina momba ny fomba hahitana fitsaharana mandritra ity fiainana ity sy ny fiainan-koavy.
Fahiny, taorian’ny nanafahana azy ireo hiala an’i Egypta dia niteraka ny fahatezeran’ny Tompo noho ny tsy fankatoavan’izy ireo ny zanak’ Isiraely. Vokatr’izany dia tsy nahazo lalana hiditra tao amin’ny fitsaharan’ny Tompo izy ireo (jereo ny Nomery 14; Jakoba 1:7–8; Almà 12:33–37; 13:6, 12–13, 28–29).
Azonao atao ny manisy marika ny andian-teny hoe “ny fitsaharako” ao amin’ny Hebreo 3:11.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24, sady tadiavo ny zavatra ampianarin’io andinin-tsoratra masina io momba ny fitsaharan’ny Tompo.
Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ireo tena olomasina dia miditra ao amin’ilay fitsaharan’ny Tompo dieny mbola eto amin’ity fiainana ity, ary amin’ny alalan’ny fitoerany ao amin’ny fahamarinana no hitohizan’izy ireo ao amin’izany toetra voatahy izany mandra-pialan’izy ireo sasatra miaraka amin’ny Tompo any an-danitra. … Ny fitsaharan’ny Tompo, raha ho an’ireo olona mety maty dia ny mahazo fahatakarana lavorary ny fahamasinan’ny asa lehibe atao amin’ny andro farany. … Ny fitsaharan’ny Tompo, any amin’ny mandrakizay, dia ny handovana ny fiainana mandrakizay, ny ahazoana ny fahafenoan’ny voninahitry ny Tompo” (Mormon Doctrine, edisiôna faharoa [1966], 633).
Vakio ny Hebreo 4:1 dia karohy ny zavatra nampanahy an’i Paoly fa tsy ho vitan’ny mpikambana sasany.
Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Hebreo 3:7–8, 12–15, 18–19; 4:2–3, 6–7, 11. Vakio ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Hebreo 4:3 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Eo am-pamakianao an’ireo andian-tsoratra masina ireo dia tadiavo ny zavatra naverimberin’i Paoly momba ny fomba hahafahantsika miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.
Mariho ilay andian-teny manao hoe “aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 3:8, 15; 4:7). Io andian-teny io dia midika fa tsy tokony hataontsika mikatona amin’ny fahamarinana sy ny fanentanam-panahy ny fontsika; tokony hanana fo misokatra sy vonona ary mankatò an’ Andriamanitra sy ireo didiny isika.
Afaka mianatra avy amin’ireo fampianaran’i Paoly isika fa raha mijanona ho mahatoky ny Mpamonjy sy tsy manamafy ny fontsika isika dia hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.
Amin’ny fomba ahoana avy ny misafidy ny mino ny Mpamonjy sy ny manokatra hatrany ny fontsika amin’ny sitrapo sy drafitr’ Andriamanitra no manampy antsika hijanona ho mahatoky ny Tompo? Eritrereto ny olona iray fantatrao izay ohatra tsara maneho an’ity fitsipika ity. Inona no zavatra voafaritra tsara ataon’ity olona ity izay manampy azy hijanona ho mahatoky?
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra ho ataonao mba hijanonana ho mahatoky an’i Jesoa Kristy sy hanananao fo misokatra Aminy hatrany.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Hebreo 1—4 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: