Tahirim-pitaovana
Fizarana 10, Andro 2: Luke 6:1–7:18


Fizarana°10: Andro 2

Luke 6:1–7:18

Fampidirana

Nampianatra ny maha manan-danja ny fanaovana soa amin’ny hafa i Jesoa, na amin’ny andro Sabata aza. Rehefa avy nivavaka nandritra ny alina Izy dia niantso ireo Apôstôly Roambinifolo ka nampianatra azy ireo niaraka tamin’ny olona maro avy eo. Nanasitrana mpanompon’ny kapiteny iray koa Izy ary nanangana tamin’ny maty ny zanakalahin’ny mpitondratena iray.

Lioka°6

Nanasitrana tamin’ny Sabata i Jesoa, nifidy ireo Apôstôly Roambinifolo ary nampianatra ny vahoaka

Alaivo sary an-tsaina hoe maheno filazana mikasika ny tetik’asa fanompoana ho an’ny fianakaviana izay monina eo akaikinao ianao mandritra ireo fivoriana ao am-piangonana ny alahady. Taorian’ilay filazana dia nandre tampoka ireto valin-teny manaraka ireto ianao:

  • “ Niaina zavatra maro io fianakaviana io tato ho ato. Faly aho ny hanampy azy ireo amin’ny fomba rehetra izay vitako.”

  • “Fa tokony hisy fialana hetaheta nefa aorian’izany, satria raha tsy misy dia tsy ho any aho.”

  • “ Tena tsy te ho any aho, saingy mila fanampiana aho amin’ny herinandro manaraka amin’ilay tetik’asa izay karakaraiko, noho izany dia tokony hanampy aho izao.”

  • “Mandeha aho, raha mandeha ny namako.”

  1. sary famantarana ny diarySoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masinany zavatra aroson’ireo valinteny teo aloha ireo mikasika ny antony hanompoan’ny olona.

Eritrereto ireo fotoana nanananao nanompoanao ny hafa sy ny fahatsapana nanananao mikasika ny asa fanompoana. Eo am-pandalinanao ny Lioka 6–7, dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka hanampy anao hanao asa fanompoana amin’ny fomba manan-danja kokoa.

Raha mbola tany Galilia tamin’ny fiandohan’ny asa fanompoany i Jesoa dia nanasitrana lehilahy iray maty tanana tamin’ny Sabata Izy (jereo ny Lioka 6:6-10), nivavaka nandritra ny alina, ary niantso ireo Apôstôly Roambinifolo (jereo ny Lioka 6:12–13). Nanomboka nampianatra azy ireo sy ireo “vahoaka betsaka” (Lioka 6:17) Izy taorian’izany mikasika ny fomba hahazoana ireo valisoa avy any an-danitra. Io toriteny ao amin’ny Lioka 6 io matetika dia antsoina hoe ilay toriteny teny an-tany lemaka izay tena mitovy amin’ny toriteny teo an-tendrombohitra Matio 5–7. “Misy fomba fijery isankarazany mahakasika ny hoe mitovy ihany sa samy hafa ilay Toriteny teo an-tendrombohitra noraketin’i Matio sy ilay Toriteny tao an-tany lemaka izay noraketin’i Lioka. Na izany aza, ny filaharana araka ny vanim-potoana sy ny sahan-kevitry ny rakitsoratr’i Lioka dia toa manondro fa io toriteny io ihany no voarakitra ao amin’ny Lioka 6 sy ny Matio 5–7” (New Testament Studetn Manual [Church Educational System manual,2014], 152-53; jereokoa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Toriteny teo an-tendrombohitra”; Harmony of the Gospels). (Fanamarihana: Maro amin’ny sahan-kevitra ao amin’ny Lioka 6 no noresahina rehefa nandalina ny Matio 5–7; 10:1-4; sy ny Marka 3:1-6 ianao.)

Vakio ny Lioka 6:19 mba hikarohana ny zavatra nataon’i Jesoa ho an’ny vahoaka talohan’ny nanombohany nampianatra azy ireo.

Avy eo dia vakio ny Lioka 6:31 mba hikarohana ireo torohevitra nomen’i Jesoa ny mpianany.

Misy fiantraikany amin’ny fomba hitondranao ny olona amin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana fa tokony hitondra ny hafa araka izay tiantsika hitondrana antsika isika?

Vakio ny Lioka 6:32–35 mba hikarohana ny torohevitra fanampiny nomen’i Jesoa ny mpianany mikasika ny fitiavana sy fanompoana ny hafa. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny andininy 35 ny zavatra tokony andrandraintsika rehefa manao soa amin’ny hafa isika. Jereo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay manao soa amin’ny hafa kanefa tsy miandry na inona na inona ho tambiny.

Ny fitsipika iray azontsika hianarana avy amin’ireo andininy ireo dia ny hoe rehefa manao soa amin’ny hafa isika kanefa tsy miandry na inona na inona ho tambiny dia ho lehibe ny valisoantsika ary ho lasa zanaky ny Avo Indrindra isika.

Jereo ilay andianteny hoe “Ary ho zanaky ny Avo Indrindra hianareo” (andininy 35). Na dia zanak’ Andriamanitra avokoa aza isika rehetra, dia ireo izay manao soa amin’ny hafa toy ny nataon’i Kristy no mahatratra ny fahafahany ho tonga andriamanitra amin’ny alalan’ny fahatongavana tahaka ny Raintsika any An-danitra. Eritrereto hoe manampy ny olona iray ho lasa tahaka an’i Kristy bebe kokoa amin’ny fomba ahoana ny fanompoana ny hafa kanefa tsy miandry tambiny.

Vakio ny Lioka 6:36–38 mba hikarohana ireo ohatra nomen’i Jesoa ny amin’ireo fomba izay ahafahantsika manao soa amin’ny hafa. Jereo fa i Jesoa dia nampanantena fa ireo olona maneho famindram-po amin’ny hafa, izay mitsahatra amin’ny fitsarana tsy ara-drariny ny hafa, ary mamela malalaka dia handray ny famindram-pon’ Andriamanitra.

Efa nanandrana nanisy zavatra maro mihoatra izay tokony ho tafiditra ao anatin’ny baoritra na valizy iray ve ianao? Ao amin’ny Lioka 6:38, ny famaritana ny habetsahan’ny zavatra ho azontsika noho ny soa nataontsika dia ahitana ireo andian-teny hoe “fatra tsara, sady ahintsana no afatratra ka mihoatra.” Ahoana no hamaritan’ireo andian-teny ireo ny fomba hanomezan’ny Ray any An-danitra valisoa antsika rehefa manome ny hafa isika?

Ny fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ny Lioka 6:38 dia ny hoe rehefa malala-tanana amin’ny hafa isika dia halala-tanana bebe kokoa amintsika ny Ray any An-danitra. Soraty eo akaikin’ny andininy 38 io fitsipika io.

  1. sary famantarana ny diaryEritrereto ireo fomba ahafahantsika ho malala-tanana amin’ny fanomezana ho an’ny hafa. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nanome tamin-kalalahan-tanana ho an’ny hafa?

    2. Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao na ny olona iray izay fantatrao noho ny fanomezana tamin-kalalahan-tanana?

    3. Inona no hataonao mba hahatonga anao ho malala-tanana bebe kokoa amin’ny hafa?

Fomba iray ahafahanao ho malala-tanana bebe kokoa amin’ny hafa ny fanajana ny lalànan’ny fifadian-kanina amin’ny alalan’ny fanomezana fanatitra amin’ny fifadian-kanina rehefa mifady hanina ianao. Ny ray aman-dreninao dia mety efa mandoa fanatitra amin’ny fifadian-kanina ho an’ny fianakavianao, fa raha afaka ianao dia mandray anjara ihany koa. Rehefa mikatsaka ny ho malala-tanana bebe kokoa amin’ny hafa ianao dia mangataha ny fanampian’ny Tompo mba hanompoanao toy izay ho ataony.

Lioka 7:1–10

Nanasitrana ny mpanompon’ilay kapiteny i Jesoa

Ao amin’ny Lioka 7:1 isika dia mianatra fa rehefa avy nampianatra ny vahoaka i Jesoa dia niditra tao Kapernaomy Izy. Vakio ny Lioka 7:2–5 mba hikarohana ny olona nangataka ny fanampian’i Jesoa taorian’ny nahenoany fa niditra ny tanàna Izy.

sisa tavela tamin’ireo trano taloha

Sisa tavela tamin’ny synagogan’ny Kapernaomy izay tokony ho tamin’ny taon-jato fah-efatra na fahadimy taorian’i J.K.

Ny kapiteny iray dia manamboninahitra miaramila Romana izay mibaiko andia-miaramila 50 hatramin’ny 100. Ireo Jiosy dia nankahala ny kapiteny tamin’ny ankapobeny satria izy ireo dia maneho ny hery ara-pôlitika sy ara-miaramilan’ny Romana teo amin’izy ireo sy ny taniny. Fa ity kapiteny ity nefa dia tsara fanahy tamin’ireo Jiosy.

Vakio ny Lioka 7:6–10, ka saintsaino ny fomba nanehoan’ilay kapiteny finoana lehibe an’i Jesoa Kristy sy ny fomba namaliana soa ny finoany.

Mianatra isika avy amin’io tantara io fa afaka manampy hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eo akaikin’ny Lioka 7:10.

Lioka 7:11–18

Natsangan’i Jesoa tamin’ny maty ny zanakalahin’ny mpitondratena iray

Ny ampitson’ny andro nanasitranan’i Jesoa ny mpanompon’ilay kapiteny, dia nanao fahagagana iray hafa Izy. Vakio ny Lioka 7:11–12 mba hikarohana izay nifanena tamin’i Jesoa sy ny mpianany rehefa nanakaiky ny tanàna iray antsoina hoe Naina izy ireo.

I Jesoa sy ilay lehilahy mifono lamba fotsy

Araka ny ao amin’ny andininy 12, dia nahoana no tena nampivarahontsana indrindra an’io vehivavy io ny fahafatesan’io zatovolahy io?

Tsy hoe maty fotsiny ihany ny zanaka lahitokan’io vehivavy io fa maty ihany koa ny vadiny teo aloha. Ankoatra ireo fahoriana lehibe izay tsy maintsy hoe tsapany dia mety ho tsy nanana olona nanampy azy ara-bola izy.

Vakio ny Lioka 7:13–15 mba hikarohana ny zavara nataon’ny Mpamonjy rehefa nahita ny fahorian’ilay vehivavy Izy. Ny tranovorona dia ilay takelaka na rafi-kazo iray izay nametrahana ny nofo mangatsiaka.

Araka ny voalazan’ny andininy 13, dia nahoana i Jesoa no nanasitrana ny zanakalahin’io vehivavy io? Jereo fa ilay mpitondratena dia tsy nangataka Azy hanasitrana ny zanany lahy, fa nofantariny ny zavatra nilainy dia nampiany izy hanatanteraka izany. Manan-danja ihany koa ny mahatakatra fa tsy hoe nitsangana tamin’ny maty io lehilahy io. Ho faty indray izy indray andro any. I Jesoa Kristy no olona nitsangana tamin’ny maty voalohany.

sary famantarana ny horonan-tsaryRaha misy, dia jereo ny horonan-tsary “The Widow of Nain” (2:22) avy ao amin’ny The Life of Jesus Christ Bible Videos, ao amin’ny LDS.org mba hikarohana ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy ilay vehivavy na dia tsy nangataka ny fanampiany aza izy.

Eritrereto ny fahatsapana izay mety nanananao raha ianao no teo amin’ny toeran’ity mpitondratena ity ka nahita ny Mpamonjy nanangana tamin’maty ny zanakao lahy.

Mianatra ity fitsipika manaraka ity isika avy amin’io tantara io: Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ny hafa sy ny fanomezana ny filàn’izy ireo izay tsy nolazainy tamintsika.

Ahoana no ahafahantsika mamantatra ny filàn’ny hafa rehefa tsy nizara izany tamintsika izy?

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Filoha Thomas S. Monson

“Tantara vitsivitsy tamin’ny asa fanompoana nataon’ny Mpampianatra no manohana ahy bebe kokoa noho ny ohatry ny fangorahana nasehony tamin’ilay mpitondratena nidonam-pahoriana tao Naina. …

“Lehibe tokoa ny hery, ny fitiavana, ary ny fangorahana nasehon’ny Mpampianatra antsika! Isika koa dia afaka ny hitahy rehefa manaraka ny ohatra mendri-kaja nomeny ihany. Maro be ireo fahafahana hanao izany. Mila maso mahita ireo sahirana sy sofina hihaino ny fitalahoana manginan’ny fo torotoro isika. Eny, ary fanahy feno fangorahana, mba hahafahantsika mifandray tsy mifanatri-maso na mifampiresaka fotsiny ihany fa amin’ny fomba mihajan’ny Mpamonjy, dia amin’ny fo mifandray mihitsy” (“Meeting Life’s Challenges,” Ensign, nôv.1993,71).

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao na ny fianakavianao no nahazo fangorahana na fanompoana avy amin’ny hafa na dia tsy nangataka izany tamin’izy ireo aza?

Vakio ny Lioka 7:16–18 mba hikarohana ny fihetsiky ny olona tamin’ny fahagagana nananganana ny zanakalahin’ilay mpitondratena.

Antony iray mety ho nahatonga ny olona nanambara fa “ Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika“ (Lioka 7:16) ny hoe satria nisy fitoviana teo amin’ny fanasitranana ilay zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina sy ireo fotoana nananganan’i Elia sy i Elisa izay mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha ireo zanakalahin’olona maro (jereo ny 1 Mpanjaka 17:17–24; 2 Mpanjaka 4:17–22, 32–33).

Amin’ny tonom-bavakao manokana amin’ity herinandro ity, dia angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahita sy hanao asa amin’ireo bitsika izay azonao mba hanomezana ireo zavatra ilain’ny hafa kanefa tsy nolazainy. Eritrereto ihany koa ireo fomba ahafahanao manompo amin-kalalahan-tanana kanefa tsy miandry tambiny.

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Lioka 6:1–7:18 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: