Fizarana 28: Andro 1
Hebreo 5–6
Fampidirana
Nampianatra i Paoly Apôstôly fa ireo izay mandray ny fisoronana dia tsy maintsy voantson’ Andriamanitra ary “notononin’ Andriamanitra hoe Mpisoronabe ‘araka ny fanaon’i Melkizedeka’” (Hebreo 5:10) i Jesoa Kristy. Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanana zotom-po, finoana, faharetana ary fanantenana amin’ny fahazoana ireo fampanantenan’ Andriamanitra i Paoly.
Hebreo 5
Mampianatra i Paoly fa ireo izay mandray ny fisoronana dia tsy maintsy voantson’ Andriamanitra
Alaivo sary an-tsaina ny olona fantatrao izay manoratra ny hoe Mpitsabo eo amin’ny taratasy iray ary mametaka izany eo amin’ny lobany. Na dia mitondra famantarana maneho ilay asa izy dia inona no ahiahy mety hanananao raha toa manandrana manao fandidiana anao io olona io taorian’ny loza nitranga nahazo anao? Inona no ahiahy mety hanananao raha mitondra ny famantarana hoe Manampahefana mpampihatra lalàna izy ary manandrana manasazy anao noho ny fanaovana zavatra tsy mety?
Nahoana no hampisalasala anao ny hahatoky io olona io amin’ny fanaovana zavatra mifandraika amin’ireo asa nalainy ho an’ny tenany?
Na dia mitondra famantarana araka ny tokony ho izy aza io olona io dia tsy manana ny fahefana ilaina sy ny fahaizana mba hanatanterahana ireo asa ireo izy. Toy ny fanorenan’ny fiaraha-monina fomba mba hahazoana fahefana hanatanterahana andraikitra voafaritra dia nanorina fomba iray mba hahazoana ny fahefany mba hanatanterahana ireo andraikitra ao amin’ny Fiangonany Andriamanitra. Eo am-pandalinanao ny Hebreo 5 dia tadiavo ny lamina izay napetrak’ Andriamanitra mba hahazoana ny fahefany.
Ny Apôstôly Paoly dia namariparitra ny Mpamonjy ho “Mpisoronabe lehibe” (Hebreo 4:14). Vakio ny Hebreo 5:1–3 mba hitadiavana izay nampianarin’i Paoly momba ny anjara asan’ny mpisorona avo teo anivon’ny Isiraelita teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy.
“Teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy, ny filoha mpiahy ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana Aharôna dia nantsoina hoe mpisorona avo. Nifandovana ilay anjara fanompoana ary tonga tamin’ny alalan’ny lahimatoa tao amin’ny fianakavian’i Aharôna, i Aharôna tenany mihitsy no mpisorona avo voalohany tao amin’ny lamina araka an’i Aharôna.” Mazàna ny mpisorona avo no manompo mandra-pahafatiny, fa taty aoriana dia nandrobaka an’io antso io ny olon-dratsy. “Notendrena tsy araka ny tokony ho izy ny mpisorona avo ary nesorina araka ny fahafinaretan’i Heroda sy ny Romana. Nosahanin’ny lehilahy niisa 28 samy hafa ilay anjara fanaompoana teo anelanelan’ny 37 talohan’i J.K. sy 68 taorian’i J.K. 68” (Bible Dictionary, “High priest”).
Vakio ny Hebreo 5:4, mba hitadiavana ny fomba nisafidianana ny mpisorona avo.
Mba hahatakarana ny fomba “[n]antsoin’ Andriamanitra” (Hebreo 5:4) an’i Aharôna dia vakio ny Eksodosy 28:1, izay rakitsoratra ahitana ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’i Mosesy tany amin’ny Tendrombohitra Sinay.
Diniho hoe nahoana no manan-danja ny nanambaran’ Andriamanitra ny antson’i Aharôna tamin’i Mosesy fa tsy tamin’i Aharôna tenany na tamin’ny olona hafa. Mpaminany i Mosesy ary noho izany dia nahazo lalana handray izany karazana fanambarana izany ary hitantana ny fampiasana ny fisoronana eto ambonin’ny tany.
Mianatra avy amin’ny torolalan’i Paoly ao amin’ny Hebreo 5:4, isika fa ireo izay voatendry amin’ny fisoronana dia tsy maintsy voantson’ Andriamanitra avy amin’ny fanambarana amin’ny alalan’ireo mpanompony nomem-pahefana. Ankehitriny ato amin’ny Fiangonana, ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo lalana dia manao tafa sy dinika amin’ireo izay haroso ao amin’ny fisoronana ary mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fahavononana sy ny fahamendrehan’ilay olona amin’ny fandrosoana azy ao amin’ny fisoronana.
Inona no ifandraisan’io fahamarinana io amin’ny lamina arahina amin’ny fiantsoana olona mba handray anjara toerana hafa ato amin’ny Fiangonana?
Vakio ny Fanekem-pinoana 1:5, mba hitadiavana hoe amin’ny fomba ahoana ilay fahamarinana hita teo aloha tao amin’ny Hebreo 5:4 sy ny hoe “[n]antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’i Arona” no hita taratra ao amin’izay nosoratan’ny Mpaminany Joseph Smith. Mariho fa ny faminaniana dia milaza ny fanambarana.
Araka ny fanekem-pinoana fahadimy, ankoatra ny hoe “voantson’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny faminaniana,” inona koa no tsy maintsy mitranga mba hahafahan’ny olona iray mahazo lalana “mitory sy manatanteraka ny ôrdônansin’ny Filazantsara”?
Ny Testamenta Taloha sy Vaovao dia samy mirakitra fa ireo mpaminany, mpihazona ny fisoronana ary mpampianatra ny filazantsara dia nandray ny antson’izy ireo tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana nataon’ny mpihazona fisoronana nahazo lalana (jereo ny Nomery 27:18–23; Asan’ny Apostoly 6:5–6; 13:2–3; 1 Timoty 4:14).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:
-
Amin’ny fomba ahoana ny lamina amin’ny fiantsoana olona ho amin’ny anjara toerana ato amin’ny Fiangonana ankehitriny no hita taratra amin’ny lamina izay naorina tao amin’ny soratra masina?
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny fahefan’ny fisoronana dia tsy afaka raisina raha tsy amin’ny alalan’io fomba io ihany?
-
Vakio ny Hebreo 5:5–6 dia tadiavo hoe iza no nanome ny Mpamonjy ny fahefany.
Araka ireo andininy ireo dia ny Ray any An-danitra no nanome ny fisoronana an’i Jesoa Kristy, Zanany. Izy dia natao ho “Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’i Melkizedeka” (Hebreo 5:6).
Amin’ny maha-anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka azy, ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo dia “manondro an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpisorona Avo lehibe Azy. Mpisorona avo koa i Adama mbamin’ireo patriarika rehetra. Ankehitriny dia mpisorona avo miahy telo no miforona ho Fiadidian’ny Fiangonana ary miahy an’ireo mpihazona ny fisoronana rehetra sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Atokana ho mpisorona avo ny lehilahy mendrika hafa araka ny maha-mety izany manerana ny Fiangonana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpisorona avo,” scriptures.lds.org).
Vakio ny Hebreo 5:7–10 dia hevero ny hanisy marika ao amin’ny andininy 9 ny hoe lasa inona i Jesoa Kristy. Ny andininy 7–8 dia milaza an’i Melkizedeka, izay mpaminany sy mpanjaka niaina tamin’ny vaninandron’i Abrahama.
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ireo andininy ireo dia “samy manondro an’i Melkizedeka sy i Kristy, satria i Melkizedeka dia tandindon’i Kristy ary ny asa fanompoan’io mpaminany io dia naneho sy nanambara ny an’ny Tompontsika” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:157).
-
Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Amin’ny fomba ahoana i Jesoa Kristy no “loharanon’ny famonjena mandrakizay” (Hebreo 5:9) ho an’izay rehetra manaraka Azy?
Araka ny voarakitra ao amin’ny Hebreo 5:11–14 dia naneho ny faniriana mba hampianatra misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity i Paoly nefa nilaza izy fa tsy ampy fahatakarana ara-panahy sy fahamatorana mba hahatakarana fampianarana lalindalina kokoa ireo olona.
Hebreo 6
Namporisihina ireo Olomasina mba hanana zotom-po, finoana, faharetana ary fanantenana amin’ny fahazoana ireo fampanantenan’ Andriamanitra
Nampanantena fitahiana toy ny fiadanana, ny fahasambarana, ny famelan-keloka, ny valim-bavaka, ny fitahiana tafiditra ao amin’ny tsodranon’ny patriarika, ny fitsanganana amin’ny maty ary ny fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany Andriamanitra. Ny sasantsasany amin’ireo fitahiana ireo dia miankina amin’ny safidy ataontsika.
Inona no fitahiana iray izay andrandrainao?
Araka ny voarakitra ao amin’ny Hebreo 6, dia namporisika ireo Olomasina mba tsy hilavo lefona amin’ny fiezahana mba hahazo ireo fitahiana nampanantenan’ny Tompo i Paoly. Eo am-pamakianao an’io toko io dia karohy ireo fahamarinana izay afaka manampy anao handray ireo fitahiana izay nampanantenan’ Andriamanitra.
Vakio ny Hebreo 6:1–3 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina mba hiasan’izy ireo. Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Hebreo 6:1 dia milaza hoe, “Koa sady tsy avelantsika ireo fitsipiky ny fotopampianaran’i Kristy” (soramandry nampiana). Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Hebreo 6:3 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) dia milaza hoe, “Ary hanohy hatrany amin’ny tanteraka isika raha avelan’ Andriamanitra.”
Ny hoe tanteraka dia midika hoe matotra ara-panahy sy feno (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tanteraka,” scriptures.lds.org). Vakiantsika ao amin’ny Hebreo 6:1–2 fa ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara voalohany dia mandrafitra ny fototra izay tokony hiorenantsika eo am-piasantsika mba ho lasa tanteraka na matotra ara-panahy.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Hebreo 6:4–8, dia namariparitra ireo izay antsoina hoe zanakin’ny fahaverezana i Paoly—ireo izay manana fahalalana feno sy tanteraka fa i Jesoa no Kristy ary mivadika amin’io fahamarinana io avy eo ka lasa fahavalon’ Andriamanitra. Nampitahain’i Paoly tamin’ireo Olomasina izay niantefan’ity epistily ity, izay niasa tamin’ny anaran’i Kristy ireo olona ireo (jereo ny Hebreo 6:9–10).
Vakio ny Hebreo 6:11–15, mba hitadiavana ny zavatra namporisihan’i Paoly mba hataon’ireo Olomasina eo am-piasan’izy ireo amin’ny fandovana ireo fitahiana nampanantenan’ Andriamanitra. Mety manampy ny mahafantatra fa ilay andian-teny hoe “haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana” ao amin’ny andininy 11 dia milaza ny hoe mazoto mandra-pandraisantsika ireo fitahiana nampanantenan’ Andriamanitra.
Namariparitra an’i Abrahama ho ohatra amin’ny fahazotoana, finoana, sy faharetana amin’ny fikatsahana ireo fitahiana nampanantenan’ Andriamanitra i Paoly. 75 taona i Abrahama tamin’ny fotoana nampanantenan’ Andriamanitra azy ny hahazoany taranaka, ary niandry 25 taona tamim-pinoana izy talohan’ny nahatanteraka io fampanentenana io tamin’ny alalan’ny nahaterahan’i Isaka. Mianatra avy amin’i Paoly isika fa amin’ny alalan’ny fahazotoana hatramin’ny farany, ny finoana an’i Jesoa Kristy, ary ny faharetana dia afaka mandova ireo fitahiana izay nampanantenan’ Andriamanitra isika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana araka ny eritreritrao ny fahazotoana, ny finoana an’i Jesoa Kristy, ary ny faharetana no manan-danja eo am-pikatsahantsika ny fandraisana ireo fitahiana izay nampanantenan’ Andriamanitra?
-
Oviana ianao no nandray fitahiana nampanantenaina iray tamin’ny alalan’ny fahazotoana, ny finoana an’i Jesoa Kristy, ary ny faharetana?
-
Araka ny voarakitra ao amin’ny Hebreo 6:16–18, dia nampianatra i Paoly fa hitandrina ny fampanantenana nomeny Andriamanitra ary tsy mandainga mihitsy Izy. Noho izany dia afaka manana fanantenana an’ireo fampanantenany isika ary mahazo antoka ny amin’ny fahatanterahan’izy ireny.
Vakio ny Hebreo 6:19–20 dia tadiavo hoe miantraika amin’ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ny fanantenantsika an’ireo fampanantenan’ Andriamanitra.
Fahamarinana anankiray azontsika fantarina ao amin’ny Hebreo 6:19 ny hoe ny fanantenantsika an’ireo fampanantenan’ Andriamanitra dia vatofantsika ho an’ny fanahintsika. Ny fanantenana dia “fiandrandrana amim-pahatokiana sy faniriana ireo fitahiana nampanantenain’ny fahamarinana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina “Fanantenana,” scriptures.lds.org).
-
Manaova sarina vatofantsika ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Diniho hoe inona no ataon’ny vatofantsika ho an’ny sambo. Soraty ny momba ny naha-vatofantsika ara-panahy ho anao ny fanantenanao an’ireo fampanantenan’ Andriamanitra.
Saintsaino ny fomba hahafahanao mikolokolo misimisy kokoa ny fahazotoana, ny finoana, ny faharetana, ary ny fanantenana. Azonao atao ny manoratra ireo fahatsapana azonao ao amin’ny diarinao manokana.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Hebreo 5–6 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: