Tahirim-pitaovana
Fizarana 3, Andro 4: Matio 13:1–23


Fizarana 3: Andro 4

Matio 13:1–23

Fampidirana

Rehefa tany Galilia ny Mpamonjy dia nanatona Azy ny olona marobe. Nampianatra ny vahoaka tamin’ny fampiasana fanoharana Izy, nanomboka tamin’ilay fanoharana momba ilay mpamafy.

Matio 13:1-17

Nampianatra ny fanoharana momba ilay mpamafy ny Mpamonjy

Mieritrereta zaridaina na zava-maniry iray ao anaty tavim-boninkazo. Inona avy ireo toetoetry ny tany mamokatra? Inona avy ireo toetoetry ny tany izay tsy mamokatra?

Mamaky isika ao amin’ny Matio 13:1-23 fa nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ny fon’ny olona ireo karazana tany. Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao anio dia eritrereto ny karazana tany izay mifanaraka indrindra amin’ny toetoetry ny fonao amin’izao fotoana izao.

Vakio ny Matio 13:1-3, ary tadiavo ny fomba nampianaran’i Jesoa ny valalabemandry tao Galilia.

Ahoana no fomba nampianaran’i Jesoa ny valalabemandry?

Inona no atao hoe fanoharana? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanoharana.”)

Ny fanoharana dia “tantara tsotra enti-maneho sy mampianatra fahamarinana na fitsipika ara-panahy. Ny fanoharana dia mifototra amin’ ny fampitahana fahamarinana iray amin’ny zavatra na fitrangan-javatra fahita an-davanandro” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanoharana,” scriptures.lds.org).

Araka ny Matio 13:3 dia momba ny inona ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy?

Ny hoe mamafy dia midika hoe manaparitaka na mamboly voa. Vakio ny Matio 13:4-9, ary tadiavo ireo karazana tany efatra izay nilatsahan’ny voa nafafin’ilay mpamafy voa.

vorona miaraka amin’ny voa, tsimoka eny anivon’ny vato, voly eny anivon’ny ahi-dratsy, voly

Inona ireo karazana tany izay nilatsahan’ny voa nafafin’ilay mpamafy voa?

  1. journal iconManaova sary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay maneho ireo karazana tany efatra. Rehefa mianatra momba ny fanazavana ilay fanoharana ianao dia asio anarana ireo sary nataonao.

  • Ny amoron-dalana dia lalan-kely eo akaikin’ny tanimboly, ary lasa mihamafy izany rehefa mandeha eo amin’izany olona. Ny hamafisan’ny moron-dalana dia manakana ny voa tsy hamaka ao anatin’ny tany.

  • Ny tany marivo ambony vatolampy dia toerana vatovatoina rakotra tany manify eo amboniny. Na dia afaka mamolavola faka manify aza ireo voa dia manakana ireo faka tsy ho lalim-paka ny vato izay ao ambanin’ilay tany.

  • Ny tany misy tsilo dia tany mamokatra, saingy manalokaloka ireo voly ny tsilo ka tsy manome hazavana sy rano ary ireo sakafo ilain’izany.

  • Ny tany tsara dia tany mamokatra izay manana halalina ampy ho an’ny faka salama.

Raketin’ny Matio 13:10–11 fa nanontany ny Mpamonjy ireo mpianany ny amin’ny antony nampianarany tamin’ny alalan’ny fanoharana. Nohazavainy fa ireo fanoharana dia nanambara ireo mistery na fahamarinana momba ny fanjakan’ny lanitra amin’ireo izay vonona ny handray izany, raha toa ka manafina ireny amin’ireo izay tsy vonona ara-panahy kosa izany (jereo ny New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 45).

Vakio ny Matio 13:14–15, ka tadiavo izay nanakana ny olona tsy hahatakatra ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy.

Inona no nolazain’i Jesoa fa nanakana ny olona tsy hahita na handre na hahatakatra ireo fampianarana nampianariny?

Mpaminany Joseph Smith

Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny fiampangana izay teo amin’ireo valalabemandry izay tsy nandray izay nolazainy dia noho ny tsy fahavononan’izy ireo hijery amin’ny masony, sy hihaino amin’ny sofiny; tsy noho ny hoe tsy afaka, sy tsy nanana tombontsoa hahita sy handre izy ireo, fa noho ny fon’izy ireo feno fahotana sy fahavetavetana.” Nampianatra ihany koa izy hoe: “Ny tena antony tsy nahazoan’ny valalabemandry, na izao tontolo izao, fanazavana momba ireo fanoharana nataony, araka ny voalazan’ny Mpamonjy dia noho ny tsy finoana” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 296, 298).

Ny andian-teny hoe “efa adala ny fon’izao olona izao” ao amin’ny andininy 15 dia midika hoe nanjary mafy sy tsy miraharaha ny fon’ny olona. Araka ny andininy 15, inona ireo fitahiana izay mety hariantsika raha toa ka manamafy ny fontsika isika?

Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa raha toa ka manamafy ny fontsika isika dia tsy hahatakatra ny tenin’ Andriamanitra avy eo na tsy hiova fo ao amin’ny Tompo ka tsy ho sitrana. Soraty eo akaikin’ny sarina moron-dalana nataonao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany fitsipika izany.

Eritrereto ny dikan’ny hoe miova fo ao amin’ny Tompo ka sitrana.

Rehefa miova fo ianao dia manjary novaina sy nodiovina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany ka lasa mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ny finoanao sy ny fonao ary ny fiainanao ary nohafahana tamin’ny vesatry ny ota ianao.

Nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany ao amin’ny Matio13:16–17 fa sambatra izy ireo nanana maso mahita sy sofina mandre.

Matio 13:18–23

Manome ny fanazavana momba ny fanoharana momba ny mpamafy voa ny Mpamonjy?

Jereo indray ny sarina tany amoron-dalana nataonao. Vakio ny Matio 13:18–19, ka tadiavo izay nampitahain’ny Mpamonjy tamin’ny voa sy ny moron-dalana ary ireo vorona izay voalaza ao amin’ny Matio 13:4. Dia asio anarana ny sary nataonao araka ny fanazavan’ny Mpamonjy. Ao amin’ny andininy 19, ny andian-teny hoe “tsy mahalala” dia mety milaza ny vokatry ny fo nohamafisina; ary ny “ilay ratsy” dia afaka maneho an’i Satana sy ireo mpanompony.

Saintsaino ny fomba mety hanampian’ny fampianarana momba ny moron-dalana nataon’ny Mpamonjy anao hahatakatra bebe kokoa ilay fitsipika hoe raha toa ka manamafy ny fontsika isika dia tsy hahatakatra ny tenin’ Andriamanitra avy eo na tsy hiova fo ao amin’ny Tompo ka tsy ho sitrana.

Jereo ilay sarina tany marivo ambony vatolampy nataonao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Vakio ny Matio 13:20–21 sy ny Lioka 8:13, ka tadiavo ny fanazavana nomen’ny Mpamonjy momba ireo toerana marivo ambony vatolampy. Ny teny hoe malaky ao amin’ny andininy 20 dia midika hoe avy hatrany na tsy ela.

Nampianatra i Jesoa ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ireo voly izay naniry teo amin’ireo toerana marivo ambony vatolampy dia maneho ireo izay manana fijoroana ho vavolombelona tsy lalim-paka tsara. Asio anarana hoe Fijoroana ho vavolombelona tsy lalim-paka tsara ny sarina voly teny amin’ny toerana marivo ambony vatolampy izay nataonao.

Araka ny Matio 13:20–21 sy ny Lioka 8:13 dia maneho inona ny hafanan’ny masoandro? Soraty eo ambonin’ilay sarina voly izay manana faka marivo izay asehon’ny hafanan’ny masoandro.

Soraty eo akaikin’ny sarina tany marivo ambony vatolampy nataonao izao fitsipika manaraka izao: Raha tsy miezaka mampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika dia tsy hanana ny tanjaka ilaina mba hiaretana ireo fahoriana sy fanenjehana ary fakam-panahy.

Jereo ilay sarina tany misy tsilo nataonao. Vakio ny Matio 13:22, ka tadiavo izay asehon’ireo tsilo. Asio anarana araka izay asehon’ireo tsilo ny sary nataonao.

Inona ny sasany amin’ireo ohatra momba ny fiahiahiana izao fiainana izao izay mety “mangeja ny teny”?

Ny fiainana araka izao tontolo izao, ny lolom-po, ary ireo fialam-boly ara-nofo dia ohatra vitsivitsy amin’ireo fiahiahiana izay mety “mangeja ny teny” ka hanaisotra antsika ho lavitra an’ Andriamanitra. Soraty eo akaikin’ny sarina tany misy tsilo izay nataonao izao fitsipika manaraka izao: Afaka mangeja ny finoantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny tenin’ Andriamanitra ireo fiahiahiana izao fiainana izao.

Jereo ny sarina tany tsara izay nataonao. Vakio ny Matio 13:23

Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy antsika hahatakatra fa naharitra ireo voly teo amin’ny tany tsara. Mariho ihany koa fa ireo voly ireo koa dia notanihan’ny masoandro (izay maneho ny fahoriana sy ny fanenjehana ary ny fakam-panahy) tahaka ireo voly voagejan’ny tsilo. Saintsaino ny fomba hamintinanao izay asehon’ny tany tsara, ary asio anarana ny sary nataonao.

paoma marobe eo ambony hazo

Araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny Matio 13:15 dia mety haneho inona ilay voankazo voalaza ao amin’ny andininy 23?

Ianarantsika avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy momba ny tany tsara ny fitsipika manao hoe rehefa mandray ny tenin’ Andriamanitra sy mahatakatra izany ary miaritra ireo fahoriana sy fanenjehana ary fakam-panahy isika dia hanjary ho miova fo ao amin’ny Mpamonjy. Soraty eto akaikin’ny sarina tany tsara nataonao izany fitsipika izany.

Vakio ireto trangan-javatra manaraka ireto. Asio tsipika avy eo amin’ny karazana tany tsirairay mankeo amin’ilay trangan-javatra izay maneho indrindra ny fitsipika nampianarina sy asehon’izany tany izany ao amin’ny fanoharana momba ilay mpamafy voa.

  1. Moron-dalana

Tia mandeha any am-piangonana isaky ny Alahady ny zatovovavy iray taloha. Rehefa nihalehibe anefa izy dia nanomboka nitsikera azy noho ny fitsipika niainany ny sasany tamin’ireo namany. Nanomboka nandika ny sasany tamin’ireo didy izy. Tsy nahazo aina intsony izy tany am-piangonana ary tsy nanam-paniriana ny handeha ho any intsony.

  1. Tany marivo ambony vatolampy

Manatrika fotoam-bavaka ny zatovovavy iray ka mivavaka mangina mba hahafahany mandray ireo bitsiky ny Fanahy Masina. Rehefa mahazo bitsika izy dia manao asa araka izany. Mahatsapa ho akaikin’ny Tompo izy ary feno fankasitrahana ny amin’ireo fomba nanentanana ny fanahiny mba handresena ny fakam-panahy.

  1. Tany misy tsilo

Manatrika tsy tapaka ny fotoam-bavaka ny zatovolahy iray, saingy zara raha mandray anjara sy manokatra ny fony amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Namaky fampahalalana tao amin’ireo tranokala izay mifanditra amin’ireo fotopampianarana manan-danja ao amin’ny Fiangonana izy, ary manontany tena raha toa ka mbola mino ny fahamarinan’ny filazantsara.

  1. Tany tsara

Mandany ny ankamaroan’ny fotoany amin’ny fianarana ny zatovolahy iray mba hanekena azy ao amin’ny oniversite fanta-daza iray. Sahirana miasa izy rehefa tsy mianatra. Milaza amin’ny tenany izy fa tsy manana fotoana hamakiana ny soratra masina, na hivavahana, na handehanana any am-piangonana.

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa afaka miova sy mivoatra ny fo, tahaka ny tany.

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no azo atao mba hanaovana ny tany iray, na hitazonana izany ho toerana iray hitomboan’ny voly salama sy mamokatra be?

    2. Ahoana no hahafahantsika mampitovy ny fivoaran’ny tany tsirairay amin’ny zavatra azontsika atao mba hanovana ny fontsika ho mora mandray bebe kokoa ny tenin’ Andriamanitra?

    3. Nanampy anao hanjary hiova fo bebe kokoa ao amin’ny Mpamonjy tamin’ny fomba ahoana ny fikatsahana handray sy hahatakatra ny tenin’ Andriamanitra?

Saintsaino hoe iza amin’ireo tany ireo no maneho bebe kokoa ny toetoetry ny fonao amin’izao fotoana izao.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjona iray izay hataonao mba handraisana sy hahatakarana bebe kokoa ny tenin’ Andriamanitra sy hiaretana ireo fahoriana sy fanenjehana ary fakam-panahy.

  2. journal iconSoraty ao anatin’ny diarin’ny soratra masinao eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 13:1–23 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: