Tahirim-pitaovana
Fizarana 5, Andro 3: Matio 21:17–22:14


Fizarana 5: Andro 3

Matio 21:17–22:14

Fampidirana

Rehefa avy nijanona tao Betania i Jesoa dia niverina tao amin’ny tempoly. Nanozona aviavy iray Izy teny an-dalana. Nanatona Azy tao amin’ny tempoly ireo mpitarika ny Jiosy ka nanontany Azy momba ny fahefany. Nibedy azy ireo sy nampianatra fanoharana maro Izy izay mampiseho ireo voka-dratsin’ny fandavana na ny fanekena Azy sy ny filazantsarany.

Matio 21:17–32

Nanozona aviavy iray Izy ary nibedy ireo mpitarika ny Jiosy.

Indraindray ny safako, ireo endrika fialam-boly, ireo zavatra, ary na ny fiainan’ny olona aza dia tsy tsara araka ny fisehon’izany.

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nahafantaranao fa tsy tsara araka ny fisehony ny zavatra iray.

Ny Matio 21 dia ahitana tantara iray momba ny fotoana izay nahitan’i Jesoa zavatra iray izay tsy tsara araka ny fisehony. Rehefa manohy mandalina ity toko ity ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mitarika anao hiaina araka ny fahamarinana bebe kokoa.

Rehefa avy niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema i Jesoa ka nanadio ny tempoly dia nijanona tao Betania Izy, izay tanàna kely teo akaikin’i Jerosalema Vakio ny Matio 21:18–22, ka tadiavo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ny ampitso rehefa nandeha avy tany Betania niverina tany amin’ny tempolin’i Jerosalema Izy.

sampana aviavy miaraka amin’ny ravina

Ny ravina eo amin’ny hazo aviavy raha ny marina dia maneho fa mamokatra ilay hazo. Tamin’ny lohataona (rehefa nahita hazo aviavy izay tsy nisy voany ny Mpamonjy), dia mamokatra aviavy mialoha ny hazo aviavy amin’ny ankapobeny. Raha toa ka tsy izany no mitranga dia tsy hamokatra voa velively mandritra ny taona izany. Nanana ny endriky ny hazo mamokatra voa ilay hazo voafariparitra ato anatin’ity tantara ity, kanefa tsy namokatra voa velively izany.

Anisan’ny antony nanozonan’ny Mpamonjy ilay hazo aviavy ny mba hampianarana ny mpianany momba ny fihatsarambelatsihy sy ireo mpitarika fivavahana tsy marin-toetra teo amin’ny Jiosy. Maro tamin’ireo mpitarika ireo no nampiseho ho mpanaraka an’ Andriamanitra kanefa tsy mamokatra voa, na asa, araka ny fahamarinana akory. Mpihatsaravelatsihy izy ireo.

“Ny teny hoe mpihatsaravelatsihy dia nadika avy tamin’ny teny Grika izay midika hoe ‘mpilalao tantara’ ary milaza ny olona iray izay milaza zavatra mifanohitra amin’ny ataony, na mampitombo ny ampahany amin’izany, na mamitaka ka tsy manao zavatra araka ny fihetsiny. Niampanga [ireo izay mamitaka tamin’ny] fanehoany ivelany ny [fankatoavana ireo didy] ny Tompo kanefa miavona sy tsy mahitsy ny fon’izy ireo” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 68).

Mamaky isika ao amin’ny Matio 21:23–27 fa ny sasany tamin’ireo mpitarika Jiosy ireo dia nanatona ny Mpamonjy tao amin’ny tempoly ka nametra-panontaniana momba ny fahefana izay nanaovany ny fiakarany tamim-pihobiana tao Jerosalema sy nanadiovany ny tempoly. Namaly ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanontaniana azy ireo raha toa ka notendren’ Andriamanitra na notendren’ olona ny batisa (na ny asa fanompoana) nataon’i Jaona Mpanao Batisa. Tsy namaly ny fanontanian’ny Mpamonjy ireo mpitarika ireo noho ny tahotra hiampanga ny tenan’izy ireo na hanafintohina ireo olona izay nanaiky an’i Jaona ho mpaminany. Nilaza ny Mpamonjy fa tsy hamaly ny fanontanian’izy ireo Izy raha toa ka tsy hamaly ny fanontaniany izy ireo, dia nilaza fanoharana telo izay maneho ireo asan’ireo mpitarika Jiosy tsy marin-toetra ireo Izy avy eo.

Mamariparitra ireo fomba samy hafa izay namalian’ny zanaka roalahy ny rain’izy ireo ilay fanoharana voalohany. Vakio ny Matio 21:28–30, ka tadiavo hoe iza amin’ireo zanakalahy no mitovy bebe kokoa amin’ilay hazo aviavy sy ireo mpitarika Jiosy.

Vakio ny Matio 21:31–32, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ireo mpitarika Jiosy tsy marin-toetra tamin’alalan’io fanoharana io. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny mpamory hetra dia mpanangona hetra ary ny vehivavy janga dia mpivaro-tena. Nanambany ireo karazan’olona roa ireo ireo mpitarika Jiosy, ka nihevitra azy ireo ho mpanota.)

Inona no hitovian’ireo mpamory hetra sy vehivavy janga izay nino an’i Jaona Mpanao Batisa amin’ilay zanakalahy voalohany ao amin’ilay fanoharana?

Mianatra isika avy amin’io fanoharana io fa mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy maintsy mankatò ny Raintsika any An-danitra isika ka mibebaka amin’ireo fahotantsika fa tsy milaza na maneho fotsiny fa mankatò Azy.

  1. journal iconVakio ireto trangan-javatra manaraka ireto ary valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ireo fanontaniana roa ireo:

    Milaza amin’ny ray aman-dreniny ny zatovolahy iray fa hanatrika hetsika any am-piangonana izy kanefa mandeha any amin’ny tranon’ny namany raha ny tena marina. Rehefa manodidina ireo mpitarika ny Fiangonana sy ireo mpampianatra izy dia miresaka sy manao zavatra tahaka ny hoe mitandrina ireo didin’ Andriamanitra, kanefa fantany fa mandika didy maro izy rehefa ivelan’ireo fotoana ireo.

    Mifosafosa momba ny ankizivavy maro ao amin’ny kilasiny ny zatovovavy iray sy ireo namany kanefa milaza ho naman’ireo ankizivavy ireo izy rehefa eo izy ireo. Mandeha tsy tapaka any am-piangonana izy ary mandray ny fanasan’ny Tompo, kanefa matetika izy no mandefa hafatra an-tsoratra ahitana fitsikerana ireo izay manodidina azy mandritra ireo fivoriana.

    1. Inona no mety holazainao amin’ireo zatovo ireo mba hanampiana azy ireo hanova ny fitondrantenany?

    2. Ankoatra ireo ohatra ato anatin’ireto trangan-javatra ireto dia inona ireo fomba hafa mety hakana fanahy antsika mba hiseho ho mankatò ny Ray any An-danitra raha tokony ho tena mankatò Azy mihitsy?

Rehefa manohy mandalina ny Matio 21 ianao dia tadiavo ny zavatra azonao atao mba tsy hitovy amin’ilay hazo aviavy izay tsy namokatra voa.

Matio 21:33–22:14

Mampianatra ny fanoharana momba ireo mpiasa tany ratsy fanahy sy ny fanambadian’ny zanakalahin’ny mpanjaka i Jesoa

fehezana voaloboka eo amin’ny hazom-boaloboka

Vakio ny Matio 21:33–41, ary fenoy amin’izay eritreretinao fa asehon’ireo tandinona telo farany izao tabilao manaraka izao. Afaka manampy ny fahafantarana fa ny mpiasa tany dia ireo mpikarakara sy mpiaro izay tompon’andraikitra mijery raha toa ka mamokatra voa ny tanimboaloboka. (Rehefa vitanao izany dia hamarino amin’ny valiny nomena any amin’ny faran’ny lesona ireo valinteninao.)

Ny fanoharana momba ireo mpiasa tany ratsy fanahy

(Matio 21:33–41.)

Tandindona

Heviny

Tompon-trano

Ray any An-danitra

Mpiasa tany

Mpanompo

Ilay Zanakalahin’ny tompon-trano

  1. journal iconFintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay eritreretinao fa asehon’i Jesoa amin’ny alalan’ity fanoharana ity.

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao manaraka izao mikasika ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy momba ireo mpiasa tany ratsy fanahy:

Loholona Bruce R. McConkie

Voafintina ao amin’ny Fanoharana momba ireo mpiasa tany ratsy fanahy ny fifandraisan’[Andriamanitra] amin’ny olombelona hatramin’ny fahariana an’i Adama ka hatramin’ny Fiavian’ny Zanak’ Olona Fanindroany.

“Andriamanitra Izy tenany mihitsy no ilay tompon-trano; ny tany sy ny vahoaka ao aminy no tanimboalobony; ary ireo mpiambina ara-panahy ny olona no ireo mpiasa tany voatendry hiasa ao amin’ilay tanimboaloboka. Ireo izay notoraham-bato, nampijaliana, nenjehina, ary novonoina no ireo mpaminany sy mpahita nirahina mba hitory eo anivon’ny olona; ary ilay Zanakalahy sy Mpandova, novonoina sy noroahina tao amin’ny tanimboaloboka araka ny toromarik’ireo mpiasa tany ratsy fanahy dia i Jesoa mazava ho azy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3[1965–73], 1:593–94).

Nasehon’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ity fanoharana ity fa nandà ireo mpaminanin’ Andriamanitra ny sasany tamin’ireo mpitarika ny Isiraelita nandritra ireo taon-jato maro ary fantany fa nikasa ny hamono Azy ireo mpitarika Jiosy tamin’izay fotoana izay.

Vakio ny Matio 21:43 ka tadiavo hoe iza no omena ny fanjakan’ Andriamanitra (izay midika hoe ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara) rehefa avy mandà izany ireo mpitarika Jiosy.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 21:53 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) dia mamaritra “ny Jentilisa” ho ny firenena izay omena ny fanjakan’ Andriamanitra. Indraindray izy io [ny teny hoe Jentilisa] dia manondro olona izay tsy Isiraelita firazanana, indraindray olona tsy Jiosy firazanana, ary indraindray ireo firenena izay tsy manana ny filazantsara, na dia mety hisy ra Isiraelita ihany aza any anivon’ny vahoaka” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Jentilisa,” scriptures.lds.org). Nanomboka ny fampitana ny fanjakana tamin’ny Jentilisa rehefa noentin’ny Apôstôly voalohany tany amin’ny Jentilisa ny filazantsara taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Izany dia nitohy ao amin’izao andro farany izao tamin’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izay nipetraka tany amin’ny firenena jentilisa.

Anisan’ireo izay nomena ny fanjakan’ Andriamanitra isika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Araka ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 21:43 noho izany dia tompon’andraikitra amin’ny famokarana ny voan’ny fahamarinana isika amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  1. journal iconManaova sarina hazo aviavy misy voa eo aminy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo anarana ny voa tsirairay amin’ny teny izay mamaritra ireo zavatra tsara tokony ataontsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika. Eritrereto ny antony maha-zava-dehibe amintsika ny famokarana izany karazana voa izany. Dia manorata avy eo momba ny fotoana iray izay nahitanao mpikambana iray ato amin’ny Fiangonana izay namokatra iray amin’ireo voan’ny fahamarinana ireo tamin’ny fomba tsy mamitaka.

Ny Matio 21:45–46 dia mamariparitra ny nahatonga ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo ho tezitra rehefa fantatr’izy ireo fa naneho azy ireo ireo mpiasa tany ratsy fanahy tao amin’ilay fanoharana. Tsy nisambotra ny Mpamonjy anefa izy ireo satria natahotra ny fihetsiky ny olona raha toa ka nanao izany.

Mamaky isika ao amin’ny Matio 22:1-10 fa nitantara fanoharana iray ny Mpamonjy ka nampitaha ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara tamin’ny lanonam-pampakaram-bady iray izay nataon’ny mpanjaka iray ho an’ny zanany lahy. Nandà ny ho avy ireo olona izay nasaina voalohany tamin’ilay fanasana (ireo izay maneho ny ankamaroan’ny Jiosy ka anisan’izany ireo mpitarika). Nisafidy ny ho avy sy nankafy ilay lanonana ireo izay nasaina manaraka (izay maneho ireo Jentilisa).

Vakio ny Matio 22:11–14, ka tadiavo ny zavatra nitranga tamin’ilay lanonam-pampakaram-bady.

Nahoana io olona nasaina io no voaroaka tao amin’ilay lanonana?

Nanatontosa fombafomba fahiny ny mpanjaka tamin’ny fanomezana akanjo madio sy mifanaraka amin’ny zava-mitranga mba hanaovana mandritra ilay fampakaram-bady. Nisafidy ny tsy hanao ilay akanjo nomen’ny mpanjaka anefa ity lehilahy ity. Ao amin’ny soratra masina, matetika ny akanjo madio no maneho ny fahamarinana sy ny fahadiovan’ireo izay lasa madio tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 27:19).

Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 22:14 dia manampy fa tsy ny olona rehetra tao amin’ilay lanonana no hanao ny akanjo fanao rehefa misy fampakaram-bady. Amin’ny teny hafa dia tsy ny olona rehetra izay manaiky ny Mpamonjy sy manaiky ny fanasany mba ho anisan’ny fanjakana no hiomana sy ho mendrika ny hitoetra mandrakizay miaraka Aminy sy ny Ray any An-danitra. Ity fanoharana ity dia milaza ireo olona izay tsy mbola niditra ho mpikamban’ny Fiangonana—ny fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany—sy ireo olona izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana kanefa tsy nanomana ny tenany araka ny tokony ho izy ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra.

Saintsaino ny zavatra ataonao amin’izao fotoana izao mba hanekena ny fanasan’ny Ray any An-danitra mba handray ireo fitahiana rehetra avy amin’ny filazantsara. Afaka manampy anao hiomana handray ireo fitahiana rehetra ireo ny fampiharana ny zavatra nianaranao tato anatin’ity lesona ity.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Matio 21:17–22:14 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

  • Valiny ho an’ny tabilao momba ny “Fanoharana momba ireo mpiasa tany ratsy fanahy”: Ireo mpiasa tany dia maneho ireo mpitarika Jiosy tsy marin-toetra, ireo mpanompo dia maneho ireo mpaminanin’ Andriamanitra, ary ny zanakalahin’ny tompon-trano dia maneho an’i Jesoa Kristy.