Fizarana 5: Andro 4
Matio 22:15–46
Fampidirana
Rehefa nanohy nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesoa dia niezaka ny hamandrika Azy tamin’ny fametrahana fanontaniana sarotra Taminy ireo Fariseo sy ireo Sadoseo. Namaly ny fanontanian’izy ireo tamim-pahombiazana Izy ary nilaza tamin’izy ireo mba hankatò ireo lalàn’ny tany sy hitandrina ireo didy roa lehibe.
Matio 22:15-22
Niezaka ny hamandrika ny Mpamonjy ny Fariseo tamin’ny fanontaniana Azy raha toa ka ara-dalàna ny mandoa hetra.
Inona avy ireo lalàna manan-danja ao amin’ny governemanta izay naorina ao amin’ny fiarahamonina misy anao? Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja izy ireo?
Rehefa mandalina ny Matio 22:15–22 ianao dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy momba ny fankatoavana ireo lalàn’ny tany.
Tadidio fa nampianatra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny Mpamonjy nandritra ny herinandro farany teo amin’ny fiainany. Vakio ny Matio 22:15, ka tadiavo izay nezahin’ireo Fariseo natao tamin’ny Mpamonjy. Ny hoe “hamandrika Azy amin’ny teniny” dia midika fa niezaka ny hamandrika ny Mpamonjy ny Fariseo mba hitenenany zavatra mba tsy hinoana Azy.
Vakio ny Matio 22:16–17, ka tadiavo ny fomba niezahan’ny Fariseo hamandrihany ny Mpamonjy. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe hetra ao amin’ny andininy 17 dia ny vola hetra, ary i Kaisara dia ny mpanjakan’ny Fanjakana Romana, izay nanapaka teo amin’ny Isiraely tamin’izany fotoana izany.
Mety ho fandrika ilay fanontaniana napetraky ny Fariseo satria raha niteny Izy fa tsara ny mandoa hetra amin’ny Fanjakana Romana dia hihevitra Azy ho mpanohana an’i Roma sy tsy manaja ny vahoakany ny Jiosy. Raha toa ka niteny tamin’izy ireo ny Mpamonjy fa tsy ara-dalàna ny mandoa hetra, dia afaka miampanga Azy ho mpamadika ny Fariseo ka hitondra Azy eo anatrehan’ireo manampahefana Romana.
Vola madinika Romana iray misy ny sarin’i Kaisara
Vakio ny Matio 22:18–21, ka tadiavo ny fomba namalian’ny Mpamonjy ny fanontanian’ny Fariseo.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny hevitrao no valinteny lafatra ho an’ny fanontanian’ny Fariseo ny valintenin’ny Mpamonjy?
Ny andian-teny hoe “aloavy amin’i Kaisara ary izay an’i Kaisara” ao amin’ny andininy 21 dia milaza ny adidintsika amin’ny fankatoavana ireo lalàn’ny tany, toy ny fandoavana hetra.
Mianatra izao fahamarinana manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Manantena antsika ho olom-pirenena vanona sy hankatò ny lalàn’ny tany ny Tompo.
Nahoana no zava-dehibe ho antsika, amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, ny ho olom-pirenena vanona sy mankatò ireo lalàn’ny tany? (Jereo ny Fanekempinoana 1:12.) Nahoana ny Tompo no manantena antsika ho olom-pirenena sy mpikamban’ny Fiangonana vanona ary hankatò ireo lalàn’ny tany sy ireo lalàny?
Vakio ny Matio 22:22, ka tadiavo ny fihetsika nasehon’ireo Fariseo tamin’ny valintenin’ny Mpamonjy.
Matio 22:23–34
Nampianatra ny Sadoseo momba ny fanambadiana sy ny Fitsanganana amin’ny maty ny Mpamonjy
Ankoatra ny Fariseo dia niezaka ny hamandrika ny Mpamonjy tamin’ny teniny koa ireo Sadoseo rehefa nampianatra tao amin’ny tempoly Izy. Vakio ny Matio 22:23–28, ka tadiavo ny fomba niezahan’ny Sadoseo hamandrihana ny Mpamonjy. Mariho fa ny Sadoseo dia nino fa “tsy misy ny fitsanganan’ny maty” (andininy 23).
Ahoana no hamintinanao ny fanontaniana napetraky ny Sadoseo tamin’ny Mpamonjy?
Nataon’ny Sadoseo fanahy iniana ny fampiaharana amin’ny fomba diso ny fombafomba iray tao amin’ny Testamenta Taloha izay natao mba hamelomana ireo mpitondra tena (jereo ny Deoteronomia 25:5–6) Saika hanindraindra be loatra izany fombafomba izany izy ireo mba handisoana ny fotopampianaran’ny Fitsanganana amin’ny maty.
Vakio ny Matio 22:29–30, ka tadiavo ny valintenin’ny Mpamonjy tamin’ny fanontanian’ny Sadoseo. Jereo izay nolazain’i Jesoa fa tsy afaka mitranga mandritra ny Fitsanganana amin’ny maty, na amin’ny fotoan’ny Fitsanganana amin’ny maty.
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome fanazavana momba ny Matio 22:29–30 tao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena:
“[I Jesoa Kristy] dia tsy mandà fa mametra ny hevitra ninoan’ny besinimaro fa hisy hampaka-bady na avoaka hampakarina any an-danitra. Milaza Izy fa raha mbola mikasika ‘azy ireo’ (ny Sadoseo), fa raha mbola mikasika ‘azy ireo’ (ny taranak’izao tontolo izao), dia tsy hisy ary tsy hitohy any amin’ny fitsanganana amin’ny maty ny rafitry ny fianakaviana. …
“‘Noho izany, rehefa ivelan’izao tontolo izao izy ireo [ireo izay tsy afaka hiaina, na tsy miaina, na tsy afaka miaina ny lalàn’ny fanambadiana mandrakizay] dia tsy hampaka-bady na avoaka hampakarina.’
“Izany hoe tsy hisy hampaka-bady na avoaka hampakarina any an-danitra ho an’ireo izay noresahin’i Jesoa; ho an’ireo izay tsy mino akory ny fitsanganana amin’ny maty, mamela irery ireo fahamarinan’ny famonjena hafa rehetra; ho an’ireo izay tsy marin-toetra sy tsy araka an’ Andriamanitra; ho an’ireo izany miaina araka izao tontolo izao; ho an’ny olona rehetra izay tsy misafidy ny hibebaka. Ireo rehetra ireo dia tsy hahazo ny fahafenoan’ny valisoa aorian’izao” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 1:606).
Nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo fahamarinana manan-danja maro mikasika ny fanambadiana mandrakizay. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–17, ka tadiavo ny zavatra nambaran’ny Mpaminany momba ny fanambadiana ao amin’ireo andininy ireo.
Iza no nolazain’ny Tompo fa “tsy hampaka-bady na avoaka hampakarina” (F&F 132:16) any amin’ny Fitsanganana amin’ny maty?
Ny tsy manambady “amin’ny alalako na amin’ny alalan’ny teniko” (F&F 132:15) dia midika fa ny olona iray dia tsy nofehezina tany amin’ny tempoly tamin’ny vadiny tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.
Mianatra isika avy amin’ny Matio 22:30 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:15–17, fa ireo izay tsy nofehezina tamin’ny vadiny tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana na tamin’ny alalan’ny ôrdônansy isoloan-tena any amin’ny tempoly dia tsy ho mpivady any amin’ny tontolo ho avy.
Vakio ny Matio 22:31–33, ka tadiavo ireo fahamarinana hafa nampianarin’ny Mpamonjy tamin’ny Sadoseo mikasika ny Fitsangana amin’ny maty. Asio mariko izay nolazain’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 32 ka maneho fa tena misy ny Fitsanganana amin’ny maty.
Inona no nasetrin’ny vahoaka rehefa nandre ny Mpamonjy nampianatra ireo fotopampianarana ireo izy ireo?
Matio 22:34–40
Nampianatra mikasika ny didy roa lehibe ny Mpamonjy
-
Manorata didin’ny Tompo betsaka araka izay azonao eritreretina ao anatin’ny iray minitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.
Ny raby Jiosy sasany dia nino fa nisy lalàna na didy 613 ao amin’ny lalàn’i Mosesy. Vakio ny Matio 22:34–36, ka tadiavo ny fanontaniana napetraky ny iray tamin’ireo Fariseo tamin’i Jesoa mikasika ireo didy ireo. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao izany fanontaniana izany.
Aza mbola mijery ny valintenin’ny Mpamonjy fa asio faribolana ny didy iray ao amin’ny lisitra nosoratanao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay didy eritreretinao fa “lehibe indrindra,” na manan-danja indrindra.
Vakio ny Matio 22:37–40, ka tadiavo ny fomba namalian’ny Mpamonjy ny fanontanian’ilay Fariseo. (Soratra masina fehezina nyMatio 22:36–39. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)
Ny toromariky ny Tompo mba “hitia ny namanao” dia milaza ny fomba hitondrantsika ny hafa.
Nahoana no heverina ho ireo didy lehibe indrindra ireo didy roa ireo araka ny eritreritrareo?
Ilay andian-teny hoe “izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany” (Matio 22:40) dia midika fa ireo didy rehetra izay nambaran’ Andriamanitra tao amin’ny lalàn’i Mosesy sy tamin’ny alalan’ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha dia natao mba hanampiana ny olona hampiseho ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra, na ny fitiavan’izy ireo ny namany, na izy roa ireo.
Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Raha tena tia an’ Andriamanitra sy tia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika dia hiezaka ny hitandrina ireo didin’ Andriamanitra rehetra.
Jereo ilay lisitr’ireo didy nosoratanao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Asio kintana eo akaikin’ireo didy izay mampiseho ny fitiavana an’ Andriamanitra ary efajoro eo akaikin’ireo didy izay mampiseho ny fitiavana ireo namantsika. (Sady azo asiana kintana no asiana efajoro ny didy sasany.)
Saintsaino ny fotoana iray izay nisafidiananao mba hankatò didy iray manokana mba hampisehoana ny fitiavanao an’ Andriamanitra na ny olona iray hafa.
Mieritrereta didy iray izay azonao ankatoavina amim-pahatokiana kokoa mba hampisehoana ny fitiavanao ny Ray any An-danitra na ny olona iray hafa. Mametraha tanjona mba hankatò amim-pahatokiana kokoa izany didy izany.
Soratra masina fehezina—Matio 22:36–39
Ho an’ny soratra masina fehezina tsirairay dia tokony ho afaka ny hamantatra ny sahan-kevitra sy ny fotopampianarana na fitsipika ary ny fomba hampiharana ilay fahamarinana eo amin’ny fiainanao ianao. (Jereo ny loharano ahitana ireo soratra masina fehezina izay hita ao amin’ny LDS.org mba hahitana loharano amin’ny fandalinana.)
Ao amin’ny Matio 22:36–39, ny sahan-kevitra dia ny valintenin’i Jesoa Kristy tamin’ny Fariseo iray izay nanontany hoe inona no didy lehibe indrindra. Fotopampianarana na fitsipika iray nampianarina ao anatin’izany andalan-tsoratra masika izany ny hoe ireo didy roa lehibe indrindra dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namantsika. Diniho fa voalaza ao amin’ny andininy 37 hoe “tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” (nampiana soratra misompirana). Ho fampiharana izany soratra masina fehezina izany dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no ahafahanao mampiseho ny fitiavanao an’ Andriamanitra amin’ny fonao sy amin’ny fanahinao ary amin’ny sainao rehetra? Ahoana no ahafahanao mampiseho ny fitiavanao ireo zanak’ Andriamanitra?
-
Saintsaino ny dikan’ny hoe mitia an’ Andriamanitra amin’ny fonao manontolo. Dia saintsaino avy eo ny dikan’ny hoe mitia Azy amin’ny fanahinao manontolo? Dia eritrereto avy eo ny fomba hitiavanao Azy amin’ny sainao manontolo? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao mikasika ireo hevitra telo ireo.
Matio 10:41-46
Nanontany ny Fariseo izay hevitr’izy ireo ny amin’ i Kristy i Jesoa
Rehefa avy namaly tamim-pahombiazana ireo fanontanian’ny Fariseo sy ny Sadoseo ny Mpamonjy dia nametraka fanontaniana sasantsasany tamin’ireo Fariseo. Vakio ny Matio 22:41–42, ka tadiavo izay nanontanian’ny Mpamonjy tamin’ireo Fariseo.
Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona ireo fanontaniana izay napetrak’i Jesoa Kristy tamin’ireo Fariseo? Inona no fihetsika nasetrin’ny Fariseo izany?
Fantatry ny ankamaroan’ny Jiosy fa ho taranaky ny Mpanjaka Davida i Kristy, na ny Mesia. Nino ny Fariseo fa ny Mesia dia hambara ôfisialy fa mpanjakan’i Isiraely ka hosatrohina satroboninahitra ary hanampy ireo Jiosy handresy an’i Roma ka hahazo ny fahafahan’izy ireo, tahaka ny nataon’ny Mpanjaka Davida teo aloha. Mamaky isika ao amin’ny Matio 22:43–46 fa nampianarin’i Jesoa tamin’ny Fariseo fa araka ny soratra masin’izy ireo ihany dia mihoatra noho ny hoe zanak’i Davida fotsiny i Kristy—Zanak’ Andriamanitra koa Izy. Nitanisa ny Salamo 110:1 tamin’ny Fariseo i Jesoa rehefa nanazava izany (jereo ny Matio 22:44).
Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie hoe: “Mety hisy fanontaniana ve mikasika ny fomba nanazavan’i Jesoa ireo teny ao amin’ny Salamo? Milaza Izy fa izany dia midika hoe: ‘Ny Ray niteny tamin’ny Zanaka, Elohima niteny tamin’i Jehovah hoe: mipetraha eto an-tanana ankavanako, ambara-pahatanteraky ny asa fanompoanao eto ambonin’ny tany; dia hasandratro ho amin’ny voninahitra mandrakizay sy fisandratana miaraka amiko ianao, izay hanohizanao mitoetra eto an-tanana ankavanako.’ Mahagaga ve fa izany fitantarana nentanim-panahy izany dia mamarana ny resaka amin’ny filazany manao hoe: ‘Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin’izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.’ (Mat. 22:41–46)” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 102).
-
Saintsaino hoe ahoana no hamalianao ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’iza moa Izy? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Matio 22:15–26 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: