Tahirim-pitaovana
Fizarana 15, Andro 3: Jaona 13:


Fizarana 15: Andro 3

Jaona 13

Fampidirana

Rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska i Jesoa dia nanasa ny tongotr’ireo Apôstôliny Izy ary nanondro an’i Jodasy ho mpamadika Azy, sy nanome “didy vaovao” ho an’ny Apôstôliny (Jaona 13:34). Nandritra ny herinandro farany tao anatin’ny asa fanompoany teto an-tany dia naompan’i Jesoa tamin’ny fankatoavana sy ny asa fanompoana ary ny fitiavana ny fampianarany—toetra izay mamaritra ny fiainany sy tokony hamaritra ny fiainantsika amin’ny maha-mpianany antsika.

Jaona 13:1–17

Manasa ny tongotr’ireo Apôstôliny i Jesoa

tsipika fandrefesana ny fahasambarana

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Aiza no hametrahanao ny tenanao eo amin’io tsipika io?

  • Te ho sambatra kokoa noho ny amin’izao fotoana izao ve ianao?

  • Afaka mieritreritra olona iray tianao ampiana mba ho tonga faly kokoa ve ianao?

Rehefa mandalina ny Jaona 13 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay mampianatra ny zavatra azontsika atao mba ho sambatra kokoa.

Rehefa avy niakatra tamim-pihobiana tao Jerosalema i Jesoa dia nankalaza ny Paska niaraka amin’ny Apôstôliny Izy. Ny Jaona 13:1–3 dia mitantara fa rehefa niara-nihinana ny sakafo hariva (ny Sakafo Farany) tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa dia fantany fa ho faty afaka fotoana fohy Izy ka hiverina any amin’ny Rainy any An-danitra ny fanahiny.

 I Jesoa manasa ny tongotr’ireo Apôstôly

Vakio ny Jaona 13:4-5, ary tadiavo ny zavatra nataon’i Jesoa rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska Izy sy ireo Apôstôliny. Ny andian-teny hoe “nametraka ny lambany” ao amin’ny Jaona 13:4 dia midika fa nanala akanjo ivelany i Jesoa. Tahaka ny olona iray manala palitao amin’izao androntsika izao izany.

“Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia nanao kapa ny olona, tamin’ny ankapobeny dia nandeha tamin’ny lalan-tany izay niangonan’ireo loto avy amin’ny biby, ary indraindray ihany vao afaka nampiasa rano fandroana. Lasa naloto be ny tongotr’izy ireo, ka ny nanasa tongotr’olona hafa dia mety ho tena asa naharikoriko. … Io fomba fandraisana io mazàna dia nataon’ireo mpanompo ambany toerana indrindra” (Testamenta Vaovao: Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 242).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha teo ianao tamin’ny fotoana nanasan’i Jesoa ny tongotr’ireo Apôstôliny dia toy ny ahoana no mety ho fihetsikao raha nanomboka nanasa ny tongotrao i Jesoa?

    2. Inona no ampahafantarin’ny fanasana ny tongotr’ireo Apôstôliny mikasika ny toetran’i Jesoa?

Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 13:8, (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) ka tadiavo izay nolazain’i Petera rehefa nanomboka nanasa ny tongony ny Mpamonjy.

Vakio avy eo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 13:9-10 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), ka tadiavo izay navalin’i Petera ny zavatra nolazain’ny Tompo azy.

Inona no ianarantsika mikasika an’i Petera avy amin’ny valinteniny tamin’ny zavatra nolazain’ny Tompo taminy ao amin’ny Jaona 13:9?

Tamin’ny alalan’ny fanasana ny tongotr’ireo Apôstôliny, dia tsy nanatanteraka fotsiny ihany asa fanompoana tena tsara ny Mpamonjy, fa nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy ihany koa Izy ary nampiorina ôrdônansy masina iray mba hanampiana ireo mpanara-dia Azy mahatoky hadio tsy hanam-pahotana. Io ôrdônansy io dia naverina tamin’ny laoniny amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny F&F 88:74–75, 137–41).

Vakio ny Jaona 13:11, ka tadiavo ny antony nilazan’i Jesoa fa “tsy madio avokoa” ireo Apôstôly.

Niresaka momba an’i Jodasy Iskariota izay hamadika Azy tsy ho ela Izy.

Vakio ny Jaona 13:12–17, ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôliny rehefa avy nanasa ny tongotr’izy ireo Izy. Asio marika ireo andian-teny izay mamariparitra ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ka nanasany ireo Apôstôliny mba ho arahan’izy ireo.

Araka ny fampanantenan’ny Mpamonjy tamin’ny Apôstôliny izay voarakitra ao amin’ny Jaona 13:17, dia inona ny fitahiana ho azontsika rehefa manaraka ny ohatra nasehony isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa? Valio ity fanontaniana ity amin’ny alalan’ny famenoana izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa dia ____________________.

  1. journal iconVitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra izao manaraka izao:

    1. Valio izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no ho sambatra kokoa isika raha manompo ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy?

    2. Manorata momba ny zavatra izay nahafaly anao kokoa satria nanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ianao tamin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Loholona M. Russell Ballard

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ka tadiavo ny zavatra izay nolazainy fa azontsika atao mba hahita fotoana hahafahana manompo ny hafa: “[Mangataha] amin’ny Ray any An-danitra amin’ny vavaka ataonao isa-maraina isan’andro ny hitarika anao hamantatra fotoana iray hahafahanao hanompo ny iray amin’ireo zanany sarobidy. Ary avy eo dia mandehana amin’ny fonao feno finoana sy fitiavana mandritra ny andro hitady olona azo ampiana. … Raha manao izay ianao, dia hitombo ny fahatsapanao ara-panahy, ary hahita fotoana hahafahana manompo izay noheverinao fa tsy vitanao mihitsy teo aloha ianao” (“Mazoto mirotsaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 31).

Soraty eo amin’ny taratasy iray ny teny nataon’ny Loholona Ballard ka apetraho amin’ny toerana izay afaka hampahatsiahy anao hangataka fahafahana hanompo ny hafa izany. Azonao atao ny mirakitra ao anatin’ny diary fandalinana soratra masina ny fomba namaliana ny vavaka nataonao rehefa nampihatra ny torohevitry ny Loholona Ballard ianao.

Jaona 13:18–30

Nanondro ny mpamadika Azy i Jesoa

Araka ny Jaona 13:18–30, rehefa avy nampianatra ireo Apôstôliny i Jesoa fa ho faly izy ireo raha manompo ny hafa dia nilaza izy fa hamadika Azy ny iray tamin’izy ireo. Rehefa nanontany ny Mpamonjy i Jaona hoe iza no hamadika Azy dia nilaza taminy i Jesoa fa “ilay … homeko [sombi-mofo kely] lemako no izy” (Jaona 13:26), dia nomeny an’i Jodasy Iskariota izany.

Jaona 13:31–38

Nampianatra ny mpianany hifankatia i Jesoa

Efa nisy olona ve niampanga anao hoe tsy Kristianina, na tena mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy, satria mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao? Izany dia mety ho noho ny finoana miavaka sasany izay ananantsika noho ny Famerenana amin’ny laoniny, tahaka ny finoantsika ny Bokin’i Môrmôna sy ny hoe olona samy hafa misaraka ireo mpikambana ao amin’ny Andriamanitra. Ahoana no nasetrinao izany? (Na, raha tsy mbola niaina izany toe-javatra izany ianao, dia inona ho havalinao ny olona izay nilaza taminao fa tsy Kristianina ianao?)

Vakio ny Jaona 13:34–35, ka tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa fa hanampy ny hafa hahafantatra fa mpianatr’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly. Asio marika ao amin’ny Jaona 13:34 ny didy nomen’i Jesoa an’ireo Apôstôliny.

Jereo fa ny Jaona 13:35 dia milaza fa ho fantatry ny hafa fa mpianatr’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly raha mifankatia tahaka ny itiavan’i Jesoa azy ireo. Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa rehefa mifankatia tahaka ny itiavan’i Jesoa Kristy antsika isika dia ho fantatry ny hafa fa mpianany.

  1. journal iconAraka ny zavatra izay nianaranao nandritra ity taona ity mikasika an’i Jesoa Kristy, dia tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba dimy nampisehoany fa tia ny olona Izy.

Vakio izao tantara manaraka izao izay notantarain’ny Loholona Paul E. Koelliker ao amin’ny Fitopololahy, ka tadiavo ny fomba nanarahan’ireo misiônera nofariparitana ato anatin’ity tantara ity ny torohevitry ny Tompo mba hifankatia:

Loholona Paul E. Koelliker

“Nandondona tao amin’ny trano iray ny misiônera vao herotrerony roa, izay nanantena fa hahita olona handray ny hafatr’izy ireo. Nisokatra ny varavarana, ary lehilahy goavana iray no nandray azy ireo tamin’ny feo somary nitrerona hoe: ‘Ohatra ny efa nolazaiko anie ianareo tsy handondona ny varavarako intsony e! Efa nampitandrina anareo aho taloha fa raha mbola miverina ianareo, dia hivadika toe-javatra ratsy izany. Mandehana mandeha any amin’izay.’ Nakatony haingana ny varavarana.

“Raha nandao ilay trano ireo elder, dia napetrak’ilay misiônera efa manana traikefa bebe kokoa teo an-tsorok’ilay misiônera vao tonga vao haingana ny sandriny mba hankahery sy handrisika azy. Tsy fantatr’izy ireo akory hoe nitazana teo am-baravarankely ilay lehilahy mba hahazo antoka fa azon’ireto misiônera ireto tsara ny hafatra nomeny. Izy dia tena nanantena ny hahita azy ireo hihomehy sy hihanihany tamin’ilay valinteny feno tsy fahalalam-pomba rehefa nanandrana ny hamangy azy izy ireo. Kanefa rehefa hitany ny fifanehoana hatsaram-panahy nisy teo amin’ireto misiônera roa ireto dia tonga nihanalefaka ny fony. Novohany indray ny varavarana ary nangataka ireto misiônera roa ireto izy hiverina ary hizara aminy ny hafatr’izy ireo.

“… Ity fitsipiky ny fifankatiavana sy ny fampivelarana ny fahafahantsika mifantoka amin’i Kristy ity eo amin’ny fomba fisainantsika, sy fomba firesatsika, ary amin’ny zavatra ataontsika dia zava-dehibe ao anatin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Kristy” (“Tena tia antsika tokoa Izy,” Ensign na Liahona, mey 2012, 17).

  1. journal iconVakio ny tonon’ilay hira hoe “Aimez vos frères” (Cantiques, no. 200), ka eritrereto ny olona fantatrao izay tena mora fantatra hoe mpianatr’i Jesoa Kristy noho ny fitiavana hasehony ny hafa. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ampisehoan’io olona io ny fitiavany ny hafa sy ireo fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony. Manorata ihany koa tanjona iray mikasika ny zavatra hataonao mba hitiavana ny hafa tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy azy ireo.

Araka ny Jaona13:36–38 , rehefa avy nanambara i Petera fa hamoy ny ainy ho an’i Jesoa Kristy izy dia nilaza tamin’i Petera i Jesoa fa handà Azy intelo izy raha tsy mbola maneno akory ny akoho.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Jaona 13 aho ary nahatontosa ity lesona ity ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: