Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Hebreo


Fampahafantarana ny Hebreo

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny epistilin’i Paoly ho an’ny Hebreo dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahambonian’i Jesoa Kristy. Lehibe kokoa noho ny anjely Izy ary manana anarana tsara kokoa sy antso ambony kokoa. Mpanompon’ Andriamanitra ny anjely, fa i Jesoa Kristy dia Zanany Lahy. Mampianatra ihany koa ity boky ity fa i Jesoa Kristy dia lehibe noho i Mosesy ary ny asa fanompoana nataony dia nitondra fanekempihavanana vaovao ambony kokoa noho ilay fanekempihavanana fahiny teo ambany lalàn’i Mosesy. Amin’ny maha-Ilay Mpisorona Avo Lehibe Azy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia lehibe noho ny fisoronana izay nohazonin’ireo mpisorona avo teo ambany lalàn’i Mosesy ny fisoronana izay hazoniny.

Raha toa ka feno andinin-tsoratra milaza ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny Fiakarany tany an-danitra ny soratra masina, ny Hebreo kosa dia manantitrantitra ny asan’ilay Mpanavotra eo amin’ny fiainan’ireo rehetra izay mitodika any Aminy amim-pankatoavana sy amim-pinoana. Ny fandalinana ny bokin’ny Hebreo dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana ary manentana ny fanahinao hiaina amin’ny fananana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny ankamaroan’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaiky an’i Paoly ho ny mpanoratra ny Hebreo (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly”). Na izany aza anefa dia ao ireo olona izay manontany tena raha toa ka i Paoly no nanoratra io epistily io satria tsy mitovy amin’ireo taratasiny hafa ny fomba nanoratana izany sy ny fiteny nampiasaina. Iombonan’ny besinimaro hevitra fa na dia tsy an’i Paoly aza ireo teny nampiasaina dia azy ireo hevitra satria mifanaraka amin’ireo izay hita ao amin’ireo taratasiny hafa ireo fotopampianarana ao amin’ny Hebreo. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza fa an’ny Apôstôly Paoly ny teny nambara nalaina tao amin’ny Hebreo (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 105). Noho ireo tanjona nanaovana ity boky torolalana ity dia ekentsika ho i Paoly no nanoratra izany.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Tsy fantatsika ny toerana nanoratana ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo. Tsy fantantsika ihany koa ny fotoana tena nanoratana izany. Na izany aza, ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana dia mino fa izy ity dia nosoratana tany ho any amin’ny taona 60–62 taorian’i J.K., niarakaraka tamin’ ny fotoana nanoratan’i Paoly ireo taratasiny ho an’ny Filipiana, Kolosiana, Efesiana, ary Filemona (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Epistilin’i Paoly ,” scriptures.lds.org).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Nanoratra ny Epistily ho an’ny Hebreo i Paoly mba hamporisihana ireo Jiosy mpikamban’ny Fiangonana mba hihazona ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy fa tsy hiverina amin’ny fomban’izy ireo teo aloha (jereo ny Hebreo 10:32–38). Teo ambanin’ ny fitambesaran’ny fahoriana isan-karazany dia maro tamin’ireo Kristianina Jiosy ireo no hita niala tamin’ny Fiangonana ary niverina tamin’ny fomba fivavahana Jiosy tany amin’ny Synagoôa izay tsy nisy mpanenjika (jereo ny Hebreo 10:25, 38–39). Naniry ny hampiseho tamin’ireo Kristianina Jiosy ireo i Paoly fa ny lalàn’i Mosesy mihitsy no nanondro an’ i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ho tena loharanon’ny famonjena.

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Ny Hebreo dia toriteny fanampiny izay mamerimberina ireo soratra masina sy fomba fanaon’i Isiraely fa tsy dia tena epistily loatra. Io no lahateny lava indrindra ao amin’ny soratra masina mikasika ny antony sy fomba maha-lehibe an’i Jesoa Kristy amin’ny zavatra rehetra.

Ny Hebreo dia mampianatra fa i Jesoa Kristy dia lehibe noho ny lalàna satria Izy no nanome ny lalàna. Ny Hebreo ihany koa dia mampianatra fa ny mpaminany dia mandray hery amin’ny alalan’ny finoana Azy, fa Izy no ilay Mpisorona Avo Lehibe izay nanatanterahana ireo sorona tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, fa Izy dia lehibe noho ny anjely, ary amin’ny alalan’ny sorompanavotany no ahafahantsika mandray ny famelana ny fahotana.

Ny bokin’i Hebreo dia iray amin’ireo toerana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly izay ahafahantsika mamaky momba ny mpaminany Melkizedeka (jereo ny Hebreo 7:1–4) sy ny fisoronana nampitondrana ny anarany (jereo ny Hebreo 5:5–6, 10; 6:20; 7:11–17). Ny Hebreo dia mampianatra fa ny Fisoronana Melkizedeka dia lehibe noho ny Fisoronana Aharôna, ary ny Hebreo dia maneho fa ny famonjena dia tsy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy na ao amin’ireo ôrdônansy notanterahin’ireo mpisoron’i Levy, fa ao amin’i Jesoa Kristy sy ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Hebreo 7:5–28). Ny Hebreo 11:1–12:4 dia manolotra lahateny miavaka momba ny finoana ary mampianatra ny fomba ahafahan’ny tsirairay mahatoky an’i Jesoa Kristy. 

Topimaso

Hebreo 1–6. I Jesoa Kristy dia mitovy endrika amin’ny Ray. Lehibe noho ny anjely sy ny mpaminany rehetra teo alohany Izy, ka anisan’izany i Mosesy. Ireo Zanak’Isiraely izay nentina niala tao Egypta dia tsy tafiditra tao amin’ny fitsaharan’ny Tompo satria nanamafy ny fony tamin’i Jesoa Kristy sy i Mosesy mpanompony izy ireo. Amin’ny maha-Mpisorona Avo Lehibe Azy dia lehibe noho ireo mpisorona avo rehetra tamin’ny andron’i Mosesy i Jesoa. Lasa tonga lafatra tamin’ny alalan’ny fijaliany i Kristy. Afaka miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo isika ary “handroso ho amin’ny tanteraka” amin’ny alalan’ireo fotopampianarana sy ôrdônansin’ny filazantsara (Hebreo 6:1).

Hebreo 7–13. Ny Fisoronana Melkizedeka no mitantana ny filazantsara ary lehibe noho ny Fisoronana Aharôna izany. Ny tabernakely sy ireo ôrdônansin’ny lalàn’i Mosesy dia manambara mialoha ny asa fanompoan’i Kristy. Nanatanteraka ny lalàn’i Mosesy tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany i Jesoa Kristy, ka amin’ny alalan’izany no ahafahantsika mahazo famonjena sy famelana ny fahotantsika. Tamin’ny alalan’ny finoana dia nanatanteraka asa sy fahagagana marina ireo mpaminany sy ireo lehilahy sy vehivavy hafa.