Fizarana 11: Andro 2
Lioka 13–15
Fampidirana
I Jesoa dia nampianatra mikasika ny fibebahana sy ny fanjakan’ Andriamanitra, ary nanasitrana tamin’ny andro Sabata. Nampiasa fanoharana ihany koa Izy mba hampianarana mikasika ny fanetrentena sy ny zavatra takina amin’ny maha-mpianatra. Ireo Fariseo sy mpanora-dalàna dia nitaraina mikasika ny fiarahan’ny Mpamonjy tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota. Namaly tamin’ny fampianarana ny fanoharana momba ny ondry very, sy ilay farantsa kely very ary ny zanaka adala ny Mpamonjy.
Lioka 13:1–14, 14
Nanasitrana tamin’ny andro Sabata i Jesoa ary nampianatra mikasika ny fanetren-tena sy ny fikarakarana ireo izay sahirana
Alaivo sary an-tsaina hoe mipetraka misakafo miaraka amin’ny namana vitsivitsy ianao, ary mahatsikaritra mpianatra iray manao akanjo ratsiratsy mipetraka irery izy ireo. Manao fanamarihana henjana mikasika ny endrik’ilay mpianatra ivelany ny olona iray ao anatin’ny vondrona misy anao ary maro tamin’ ireo namanao no nihomehy.
Inona avy ireo fihetsika azonao naseho tao anatin’io toe-javatra io?
Eo am-pandalinanao ny Lioka 13–14, dia tadiavo ireo zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fifaneraserana amin’ ny olona izay sahirana noho isika.
Ny aviavy
© Jose Ramiro Laguna/Shutterstock.com
Vkikntsika ao amin’ny Lioka 13 fa ny Mpamonjy dia nitantara fanoharana mikasika ny aviavy izay hotapahina raha tsy mamoa. Ity fanoharana ity dia niantefa mivantana tany amin’ ireo Jiosy izay tokony namoa voa tsara,ary mampianatra izany fa ho very isika raha tsy mibebaka. Nanasitrana vehivavy iray tamin’ny andro Sabata i Jesoa. Nampitovy ny fanjakan’ Andriamanitra tamin’ny voantsinapy Izy izay naniry ka tonga hazo lehibe, ary nampianatra momba ireo izay hiditra ny fanjankany Izy. Nitomany ihany koa Izy ny amin’ny faharavan’i Jerosalema izay efa ho avy.
Vakintsikaao amin’ny Lioka 14:1–6 fa nasaina hisakafo tao amin’ny tranon’ny iray tamin’ireo loholona Fariseo tamin’ny andro Sabata ny Mpamonjy. Talohan’ny sakafo dia nanasitrana lehilahy iray nararin’ny fananirano—aretina iray izay mahatonga ny vatan’olona hivonto amin’ny rano.
Vakio ny Lioka 13:15–16 sy ny Lioka 14:5-6 mba hikarohana ireo valinteny nomen’ny Mpamonjy ny Fariseo izay nanameloka Azy ho nandika ny Sabata tamin’ny fanasitranany ilay vehivavy sy ilay lehilahy.
Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay ohatra nomen’ny Mpamonjy mikasika ny fanajana ny andro Sabata sy ny fitandremana izany ho masina? Ny lesona iray azo tsoahina dia ny hoe i Jesoa dia naneho fitondran-tena marina tamin’ny andro Sabata tamin’ny alalan’ny fanomezany izay nilain’ny hafa. Izany dia mifanohitra amin’ny fanomezan’ireo Fariseo rariny ny ’fanampiana biby fa tsy olona amin’ny andro Sabata. Eritrereto ireo zavatra ataonao amin’ny andro Sabata. Inona no azonao atao amin’ny andro Sabata mba hitovianao bebe kokoa amin’ i Jesoa?
Ny Lioka 14:7–10 dia mirakitra fanoharana iray izay nampiasain’ny Mpamonjy mba hampianarana fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara mikasika ny zavatra mampifandray fanetrentena amin’ny fisandratana faratampony. Ireo “fitoerana aloha“ (Lioka 14:7) dia ireo toerana manankaja. I Jesoa dia nahatsikaritra ny fomba fikatsahan’ireo olona nasaina ny toerana manankaja ho azy ireo manokana tamin’ny fipetrahana teo akaikin’ny mpampiantrano.
Vakio ny Lioka 14:11 mba hikarohana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fanetrentena. Ny teny hoe ahetry dia midika hoe entina any amin’ny toerana ambany kokoa.
Vakio ny Lioka 14:12–14 mba hikarohana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’ilay Fariseo izay nanasa azy hisakafo. Nahoana ny olona tahaka io Fariseo io no mety manasa ireo namany sy ny mpanankarena na ny mpifanolobodirindrina manana ny maha izy amin’ny fiarahamisakafo?
Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, ireo kilemaina (maratra), mandringa, na jamba dia matetika no sahirana ara-pivelomana sady nahantra noho ny ny fahasembanana izay nahazo azy ireo. Ny sasany tamin’ireo Fariseo dia nanambany ireny olona ireny. Inona avy ireo antony sasany mety mahatonga ny olona amin’izao fotoana izao hanambany ny hafa?
Ity manaraka ity dia fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo: Raha miezaka manampy ireo olona sahirana kokoa noho isika isika hamaly soa antsika ny Tompo.
Ankoatra ny famaliana soa antsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty dia hitahy antsika koa ny Tompo eto amin’ity fiainana ity rehefa miezaka ny hanampy ireo olona izay sahirana kokoa noho isika isika (jereo ny Matio 6:4).
-
Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto asa atao manaraka ireto na izy roa:
-
Manorata mikasika ny fotoana iray izay nitahiana anao na olona iray fantatrao rehefa nihezaka ny hanampy ny hafa izay sahirana kokoa ianao. (Ny hoe “sahirana kokoa” dia mety ilazana toe-javatra hafa ankoatra ny hoe tsy manana zavatra ara-materialy. Izany ohatra dia mety ilazana olona izay irery na mety tsy manana namana mihitsy.)
-
Saintsaino ireo fomba azonao hanampiana ireo izay sahirana noho ianao ary manorata tanjona mba hanompoana azy ireo.
-
Lioka 14:15–35
I Jesoa dia nanome ny fanoharana mikasika ny fanasana lehibe ary nampianatra mikasika ny zavatra takina amin’ny maha-mpianatra
Inona ireo zavatra sasany mety angatahina mba hafointsika na avelantsika amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika?
Inona ireo fialan-tsiny izay mety ho ampiasain’ny olona mba tsy hanaovana ireo fahafoizantena ireo?
Rehefa avy nanome torohevitra ilay Fariseo ny Mpamonjy mba hanasa ireo olona sahirana tamin’ny fiaraha-misakafodia nisy olona iray tao amin’ilay efitrano nilaza taminy hoe, “Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra “ (Lioka 14:15). Ho valin’io teny nambara io dia nanome fanoharana mikasika ny fanasana lehibe ny Mpamonjy.
Vakio ny Lioka 14:16–24 mba hikarohana ny fanasana azon’ireo olona tao amin’ilay fanoharana ary koa ireo fialan-tsiny nataon’ireo izay nandà ny fanasana.
I Jesoa dia niresaka tamin’ny Jiosy izay naneho fihetsika tahaka ny an’ireo olona tao amin’ilay fanoharana izay voasa voalohany tamin’ilay fanasana lehibe. Inona no mampitovy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fanasana lehibe? Inona ireo fialan-tsiny izay nataon’ireo olona izay nandà ny fanasana ho any amin’ilay fanasana lehibe? Inona no ampahafantarin’ireo fialan-tsiny ireo mikasika ny laharam-pahamehan’ireo olona ireo?
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io ny hoe raha mametraka laharam-pahamehana hafa ho manan-danja noho ny Tompo sy ny filazantsarany isika dia ho very ireo fitahiana izay tokony ho azontsika.
Jereo ilay lisitra nosoratanao, izay ahitana ireo zavatra izay mety angatahina mba hafoinao na avelanao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao. Inona ireo fitahiana mety tsy azonao raha tsy vonona ny hanao ireo fahafoizantena ireo ianao? Efa nieritreritra ve ianao hoe nanao sorona zavatra iray kanefa taty aoriana nahatsikaritra fa ireo fitahiana noraisinao dia lehibe noho ilay zavatra izay noeritreretinao fa nataonao sorona?
Rehefa avy nampianatra ity fanoharana ity ny Mpamonjy dia niresaka tamin’ny vahoaka maro be mikasika ny zavatra takiny amin’ny mpianany. Vakio ny Lioka 14:25–27 mba hikarohana ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony hananan’ireo mpianany fahavononana mba hatao.
“Ao amin’ny sahan-kevitry ny Lioka 14:26, ny teny Grika nadika hoe ‘mankahala’ dia midika hoe ‘tsy dia tia’ na ‘tsy dia manome lanja.’ Ny Mpamonjy dia tsy nanafoana ilay didy hoe ‘manajà ny rainao sy ny reninao’ akory (Eksôdôsy 20:12); fa nampianatra mikasika ny laharam-pahamehana Izy. Ho an’ny mpianatra iray, ny fahafoizan-tena ho an’ny fianakaviana dia tokony ho aorian’ny fahafoizan-tena ho an’i Jesoa Kristy” (New Testament Student Manual [Church Educational System manual, 2014], 165; jereo koa ny Matio 10:37).
Ny teny hoe hazo fijaliana ao amin’ny Lioka 14:27 dia entina ilazana ny fanomboana ary maneho ny fahavononana hahafoy. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy antsika ahatakatra fa ny “mitondra ny hazo fijaliana[n’ny tena]” (Lioka 14:27) dia midika hoe “mandà amin’ny [tena] ny toetra tsy araka an’Andriamanitra rehetra mbamin’ny filan-dratsin’izao tontolo izao rehetra ary ny mitandrina ny didi[n’ny Tompo]” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:26 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]).
Ireo andininy ireo dia mampianatra antsika fa ny mpiantr’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy vonona ny hahafoy ny zavatra rehetra mba hanara-dia Azy. Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana ity eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Lioka 14:25–27.
Rehefa avy nampianatra mikasika ny zavatra tokony hananan’ny mpianany hatao i Jesoa dia hoy Izy: “Koa ahoreno ao am-ponareo izao, fa ianareo dia hanao ny zavatra izay hampianariko anareo, sy handidiako anareo” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 14:28 ). Ny teny hoe manorina eto dia midika hoe manapa-kevitra amin’ny fomba tena matotra. Ny fitsipika iray izay azontsika hianarana avy amin’io andininy io dia ny hoe Rehefa tapa-kevitra ao am-pontsika ny hanao izay ampianarin’i Jesoa Kristy sy ny andidiany antsika isika dia lasa mpianany.
Saintsaino ny fomba hahatratrarantsika tanjona iray amin’ny maha-mpianatra antsika izay tena hananantsika fanapahan-kevitra matotra ao am-pontsika ny hanao izay zavatra ampianarin’i Jesoa Kristy sy andidiany antsika.
Rehefa avy nampianatra ireo fitsipika mikasika ny maha-mpianatra ireo ny Mpamonjy dia nanome fifanahafanaroa. Vakio ny Lioka 14:28–30 sy ny Lioka 14:31–33, mba handinihina ny zavatra asehon’ireo fifanahafana anankiroa ireo.
Tilikambo iray ao an-tananan’i Nazareta ao Isiraely tahaka ilay tilikambo resahina ao amin’ny Lioka 14:28–30
Tian’ny Mpamonjy ireo mpanara-dia Azy mba handinika tsara raha toa izy ireo ka vonona ny hamoy izay rehetra mety hotakiana amin’izy ireo mba hahafahany mijanona ho mpianany foana hatramin’ny farany ( jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 14:31). Asio marika ny Lioka 14:33, izay manome famintinana tsotra momba ny fampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ity toko ity.
-
Eritrereto izay sarany mety efainao na ny zavatra takina aminao mba ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo. Saintsaino ireo fitahiana avy amin’ny fiainana ny filazantsara sy ny fanomezana ny fiainana mandrakizay. Inona ireo fanapahan-kevitra azonao atao amin’izao fotoana izao izay hanampy anao hametraka ny Tompo ambonin’ireo laharam-pahamehana hafa eo amin’ny fiainanao? Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity ary ampidiro ao ny tanjona vitsivitsy izay afaka hanampy anao ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa.
Lioka 15
Nizara ny fanoharana momba ny ondry very sy ilay farantsa kely very ary ny zanaka adala i Jesoa.
Ilay Ondry nania
Ilay farantsakely very
Ilay zanaka adala
Mieritrereta fotoana iray izay nahitanao zavatra manan-danja izay very teo aloha. Inona no tsapanao?
Mieritrereta olona iray fantatrao izay mety “very“ ara-panahy. Mety ho olona iray izay mbola tsy nandray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izany na tsy miaina araka ny fampianaran’ny filazantsara amin’izao fotoana izao.
Eo ampandalinanao ny Lioka 15, dia tadiavo ireo fahamarinana mikasika ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba ireo izay very ara-panahy sy ny andraikitra ananantsika amin’izy ireo.
Vakio ny Lioka 15:1–2 mba hikarohana ny zavatra nitarainan’ireo Fariseo.
Mba hamaliana ny fitarainan’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia nizara fanoharana telo ny Mpamonjy: ny iray mikasika ny ondry, ny iray mikasika ny farantsa kelyary ny iray mikasika ny zanakalahy. Ireo fanoharana ireo dia natao mba hanome fanantenana ireo mpanota ary hamaizana sy hanamelohana ny fiatsaram-belatsihy ary ny fanamarinan-tenan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Eo am-pandalinanao ireo fanoharana ireo, dia mifantoha amin’ny antony nahalasa very ny zavatra resahina ao amin’ny fanoharana tsirairay sy ny fomba hanitana izany.
Vakio ny fanoharana tsirairay mba hitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ao amin’ny tsanganana havia ao amin’ity tabilao manaraka ity. Soraty eo amin’ny toerana malalaka natokana ho an’izany ny valinteninao.
|
Fanoharana mikasika ny ondry very, ny farantsakely ary ilay zanakalahy. | |||
|---|---|---|---|
|
Fanontaniana |
Lioka 15:3–7 |
Lioka 15:8–10 |
Lioka15:11–32 (ao amin’ny andininy faha 16 ny teny hoe satriny midika hoe “nahafaly azy”) |
|
Inona no very? | |||
|
Nahoana izany no very? | |||
|
Ahoana no nahitana an’izany? | |||
|
Inona avy ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny fihetsik’ilay olona rehefa hita ilay izy? | |||
“[Nahatazana azy ny rainy], … ka nihazakazaka, … sady nanoroka azy” (Lioka 15:20).
Jereo fa ilay ondry dia lasa very noho ny fanarahany ny zavatra fanaony mahazatra eo amin’ny fiainana, ilay farantsa dia very noho ny tsy firaharahiana sy ny tsy fitandreman’ny tompony, ary ilay zanaka adala (nandanilany foana na tsy nitandrina) dia very noho ny fikomian’ny tenany manokana.
Inona araka ny hevitrao ny andraikitsika amin’ireo izay very, na ahoana na ahoana no nahavery azy ireo?
Jereo ireo andian-teny izay mamaritra ireo fihetsika naseho rehefa hita ilay biby, na ilay zavatra, na ilay olona. Tsarovy fa iray amin’ny tanjona nanaovana ireo fanoharana ireo ny hanafay ireo Fariseo mpanamarina ny tenany sy ireo mpanora-dalàna izay nimonomonona mikasika ireo mpamory hetra sy ireo mpanota izay noresahan’i Jesoa. Rehefa nilaza i Jesoa fa hisy fifaliana lehibe any an-danitra “noho ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka … noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo, izay tsy misy tokony hibebahany” (Lioka 15:7), dia nampianatra Izy fa mbola misy fifaliana bebe kokoa any an-danitra noho ny amin’ny mpanota iray mibebaka raha ampitahaina amin’ireo Fariseo sy ny mpanora-dalàna sivy amby sivifolo mpanamarin-tena izay nihevitra tao anatin’ny avonavony fa tsy nila nibebaka.
Raha miainga amin’ireo valintenin’ireo izay nahita ny zavatra very dia ahoana no hamenoanao izao fanambarana manaraka izao: Rehefa manampy ny hafa hanana faniriana ny hibebaka isika , dia mahatsapa .
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ny karazan-javatra azonao atao mba hanampiana olona iray izay very ara-panahy mba hanana faniriana ny hibebaka sy hanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra?
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Lioka 13–15 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: