Fizarana 20: Andro 2
Asan’ny Apostoly 23–28
Fampidirana
Taorian’ny nisamborana azy tao Jerosalema dia nentina tany Kaisaria i Paoly, izay niarovany tena tamin’ireo fiampangana diso teo anatrehan’ny mpitarika Romana maro. Nitantara indray ny fiovam-pony izy ary nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa nandeha tany Roma i Paoly tamin’ny naha-gadra azy, dia rendrika teo amin’ny nosy iray ny sambo nitondra azy, ka tsy naninona izy tao amin’io nosy io rehefa avy nokaikerin’ny menarana iray misy poizina ary nanasitrana olona maro izay narary. Nentina tany Roma ihany i Paoly tamin’ny farany. Rehefa tonga tany izy dia nohidiana tao anatin’ny trano iray mba ho gadra nandritra ny roa taona ary nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.
Asan’ny Apostoly 23–26
Nenjehina sy nogadraina ary notsaraina teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa i Paoly
Inona avy ireo fitahiana efa azonao noho ny fanarahana ny didin’Andriamanitra sy ny fampianarany?
Inona no mety hitarika ny olona iray hiala amin’Andriamanitra ka hijanona tsy hiaina mifanaraka amin’ny didiny sy ny fampianarany?
Saintsaino ny mety ho vokany rehefa miala sy manalavitra an’Andriamanitra ny olona.
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 23–26 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay hanampy anao rehefa mahatsapa ho manalavitra an’Andriamanitra sy ireo fitahiana avy Aminy ianao.
Tsarovy fa nosamborina teo ivelan’ny tempoly tao Jerosalema i Paoly ary nentina teo anatrehan’ireo mpitarika Jiosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 21:30–33; 22:23–30). Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23–25 isika dia mianatra mikasika ny fihaonany tamin’ireo mpitarika Jiosy ary mianatra fa nogadraina i Paoly. Tamin’i Paoly tao an-tranomaizina dia tonga nankahery sy nanome toky azy ny Tompo (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:11). Nandefa azy tany Kaisaria ilay kapiteny Romana nisambotra azy mba hanakanana ireo andiana Jiosy tsy hamono azy. Tao i Paoly no nilaza ny maha-tsy manan-tsiny azy teo anatrehan’i Feliksa, ilay mpanapaka Romana. Na dia resy lahatra ny amin’ny maha-tsy manan-tsiny an’i Paoly aza i Feliksa dia mbola nanidy azy tao anatin’ny trano iray ihany mba ho gadra nandritra ny roa taona. Nandimby an’i Feliksa i Festosy ho mpanapaka Romana tao Jodia, ary namangy an’i Festosy ny Mpanjaka Heroda Agripa, izay nanapaka tamin’ny faritra avaratra atsinan’ny ranomasin’i Galilia ka naniry ny hahafantatra ny momba an’i Paoly. Nentina teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa i Paoly avy eo.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:4–11 hitadiavana ny fomba nanoritsoritan’i Paoly ny lasany tamin’ny Mpanjaka Agripa.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 26:12–16 dia nitantara indray ny fahitany ny Mpamonjy teo amin’ny lalana ho any Damaskosy izy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:16–18 hitadiavana ny asa nanirahan’ny Tompo an’i Paoly. Ny teny hoe lova araka ny ampiasaina ao amin’ny andininy 18 dia milaza ny fahazoana miditra ao amin’ny fanjakana selestialin’Andriamanitra.
Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona araka ny eritreritrao no manampy hampisokatra ny maso ara-panahin’ny olona iray? Inona no afaka manampy ny olona iray hiala amin’ny haizina ka hitodika any amin’ny fahazavana sy ireo didy ary ireo fitahian’Andriamanitra?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:19–23 hitadiavana ny zavatra nolazain’i Paoly fa nampianariny ny Jiosy sy ny Jentilisa fa tsy maintsy nataon’izy ireo mba hahazoana ireo fitahiana voalaza ao amin’ny andininy 18.
Araka ny voalazan’ny andininy 20 dia inona no nampianarin’i Paoly ny Jiosy sy ny Jentilisa mba ho ataony?
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe raha mibebaka isika ka mitodika amin’Andriamanitra dia afaka handresy ny herin’i Satana eo amin’ny fiainantsika sy hahazo ny famelana ny fahotantsika ary ho mendrika ny fanjakana selestialy. Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Asan’ny Apostoly 26:18–20 io fahamarinana io.
Mba hanampiana anao hahatakatra io fitsipika io dia vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
“Rehefa manota isika dia manalavitra an’Andriamanitra. Rehefa mibebaka isika dia miverina mitodika indray any amin’Andriamanitra.
“Ilay fanasana hibebaka dia mahalana no hoe feo famaizana fa antso feno fitiavana mihitsy aza izany mba hihodina sy ‘hiverina hitodika’ any amin’Andriamanitra [jereo ny Helamàna 7:17]. Izany dia antson’ilay Ray be fitiavana sy ilay Zanany Lahitokana ho antsika mba hivoatra lavitra kokoa, hanakatra fomba fiainana ambony kokoa sy hiova ary hahatsapa fifaliana avy amin’ny fitandremana ny didy ” (“Mibebaha … mba hahazoako manasitrana anareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 40).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao tamin’i Paoly sy ny Loholona Andersen, dia inona no afaka ho tratrantsika rehefa mibebaka sy miverina any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika?
Rehefa manohy mandalina ny Asan’ny Apostoly 26 ianao dia tadiavo ny zavatra nanakana an ’i Festosy sy ny Mpanjaka Agripa tsy hibebaka sy hiverina amin’Andiamanitra ary ho lasa niova fo ho an’i Jesoa Kristy.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 26:24–29 hitadiavana ny fihetsika nasehon’i Festosy sy ny Mpanjaka Agripa tamin’ny fampianaran’i Paoly sy ny fijoroana ho vavolombelona nataony momba ny Mpamonjy. Soraty ao amin’ilay tabilao etsy ambany ireo andian-teny izay manoritsoritra ny fihetsika nasehon’izy ireo tamin’ny fampianaran’i Paoly.
|
Fihetsika manoloana ny fampianaran’i Paoly | |
|---|---|
|
Festosy |
Mpanjaka Agripa |
Jereo fa tsy nino ny fampianaran’i Paoly i Festosy. Ny Mpanjaka Agripa dia nino ny tenin’ireo mpaminany saingy tsy nety nanolo-tena ny ho tonga Kristianina izy.
I Paoly teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Festosy sy ny Mpanjaka Agripa ny hoe mba ho lasa miova fo ho an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy misafidy ny hino sy hanaolo-tena tanteraka ny hiaina ny filazantsara isika.
Vakio izao tantara manaraka notantarain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao, mba hitadiavana ny zavatra nampianariny momba ny fanolorantena:
“Nisy mpirahalahy roa mbola kely nitsangana teo amin’ny tampon’ny hantsana kely iray izay eo ambonin’ny rano manjelanjelatry ny farihy miloko manga iray. Toerana fanta-daza amin’ny fitsorahana anaty rano izany ary matetika ireo mpirahalahy ireo no miresaka hoe hitsoraka eo—zavatra izay efa hitan’izy ireo nataon’ny hafa.
“Na dia samy te-hitsoraka aza izy ireo, dia samy tsy nisy te handeha voalohany. Tsy dia avo manao ahoana ilay hantsana kanefa dia toa nitombo ny halalin’izany ho an’ireto zatovolahikely roa ireto arakaraka ny niondrehan’izy ireo teo mba hitsoraka—ary dia nihena faingana ny risi-pon’izy ireo.
“Nony farany dia nametraka ny tongony iray teo amoron’ilay hantsana ny iray tamin’ireo mpirahalahy ka nanomboka nandroso namindra tsimoramora. Tamin’izay fotoana izay dia nibitsibitsika ilay rahalahiny hoe: ‘Tokony hiandry amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka angamba isika.’
“Kanefa ny risim-pon’ilay rahalahy voalohany, dia efa nanosika azy handroso. ‘O ry rahalahiko a!’ hoy izy namaly, ‘Efa nanolo-tena aho!’
“Nitsoraka tany anaty rano izy ary nipoitra haingana niaraka tamin’ny hiakam-pandresena. Nanaraka avy hatrany ilay rahalahy faharoa. Taorian’izay izy ireo dia samy nihomehy ny zavatra farany nolazain’ilay zazalahy voalohany talohan’ny nitsorahany tao anaty rano manao hoe: ‘O ry rahalahiko a!, efa nanolo-tena Aho’
“Ny fanoloran-tena dia somary mitovy amin’ny fitsorahana anaty rano. Na ianao manolo-tena na tsia. Na ianao mandroso na ianao tsy mihetsika eo amin’ny toerana misy anao. Tsy misy ny eo antenantenany. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia tsy maintsy manontany tena isika manao hoe: ‘Hitsoraka ve aho sa hijanona eto amorony? Handroso ve aho sa hitsapa fotsiny ny hafanan’ny rano amin’ny rantsantongotro?’ …
“Ireo izay manolo-tena amin’ny ampahany fotsiny dia mety tsy afaka ny hanantena afa-tsy ny handray amin’ny ampahany fotsiny ireo fitahiana avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny hafaliana, ary ny fiadanana. Ny varavaran’ny lanitra dia hisokatra amin’ny ampahany fotsiny ho azy ireo. …
“Amin’ny lafiny iray isika tsirairay dia mijoro eo amin’ny toerana iray handraisana fanapahan-kevitra eo anoloan’ny rano. Mivavaka aho mba hanana finoana isika, handroso hatrany, sy hiatrika amim-paharisihana ny tahotra sy ny fanahiantsika, ary hilaza amin’ny tenantsika hoe: ‘Efa nanolo-tena aho!’” (“Brother, I’m Committed,” Ensign, Jolay 2011, 4–5).
Araka ny voalazan’ny Filoha Uchtdorf dia nahoana no manan-danja ny manolo-tena tanteraka fa tsy “manolo-tena amin’ny ampahany” mba hiaina ny filazantsara?
-
Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto asa atao ireto na izy roa miaraka:
-
Soraty ny hoe tamin’ny fomba ahoana ny fanoloran-tenanao hiaina didy na fitsipiky ny filazantsara iray no afaka nanampy anao hanamafy orina ny fiovam-ponao ho an’i Jesoa Kristy.
-
Ataovy lisitra ireo didy na fitsipiky ny filazantsara izay tsapanao fa hanoloranao tena tanteraka mba hiainana. Eritrereto izay fitsipiky ny filazantsara tsapanao fa toa hanoloranao tena “ihany” mba hiainana fa tsy hanoloranao ny tenanao “rehetra” (Asan’ny Apostoly 26:29). Manorata tanjona iray momba ny zavatra azonao atao mba hampitomboana ny fahatakaranao sy ny fanoloran-tenanao ho amin’ny iray amin’ireo fitsipika ireo.
-
Mivavaha mba hahazo fanampiana ianao rehefa miezaka ny ho lasa tena miova fo marina ho an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fiainana tanteraka ny filazantsarany.
Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 26:30–32 isika dia mamaky fa hitan’i Festosy sy ny Mpanjaka Agripa fa tsy meloka i Paoly ka te hanafaka azy izy ireo, saingy noho i Paoly nangataka ny handraisan’i Kaisara ny raharaha momba azy dia voatery nandefa azy tany Roma izy ireo.
Asan’ny Apostoly 27–28
Nentina tany Roma i Paoly, ary nampianatra sy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy tany
Nantsoin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe “tadio ara-panahy” ireo fanamby sy fitsapana eo amin’ny fiainana (jereo ny “Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 18–21).
Saintsaino ireo ohatra amin’ny fitsapana na olana izay azo ampitahaina amin’ny tadio eo amin’ny fiainan’ny olona iray.
Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 27–28 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay afaka manampy anao haharitra amim-pahatokiana ireo tadio ara-panahy izay atrehinao.
Ny Asan’ny Apostoly 27 dia mitantara ny fomba nitondrana an’i Paoly tany Roma tamin’ny sambo nandritra ireo volan’ny ririnina. Efa ho simba ilay sambo nandritra ny tafio-drivotra iray, ary i Paoly sy izay rehetra tao amin’ilay sambo dia rendrika tao amin’ny nosin’i Melita na Malta (jereo ny sarintany 13 “Ny dia fitoriana nataon’ny Apostoly Paoly,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina,”).
-
Vakio ny Asan’ny Apostoly 28;1–10 sy ny Asan’ny Apostoly 28:16–24 hitadiavana ny zavatra niainan’i Paoly tao amin’ilay nosy sy tany Roma. Manaova sary iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ary manorata lohatenina gazety iray izay mamintina ireo tranga voasoritra ao amin’ny tsirairay amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.
Eritrereto ireo fitsapana niainan’i Paoly izay voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23–28: nogadraina tamin’ny fomba tsy rariny izy, rendrika ny sambo nitondra azy, nokaikerin’ny bibilava, ary nentina tany Roma ka nohidiana toy ny gadra tao anatin’ny trano iray.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 28:30–31 hitadiavana ny zavatra azon’i Paoly natao tany Roma na dia teo aza ny nanidiana azy toy ny gadra tao anatina trano.
Inona no nataon’i Paoly ka naneho fa mbola nijanona ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy na dia teo aza ny fitsapana niainany?
Inona ny zavatra tsara azo avy amin’ny fitsapana niainan’i Paoly teny ambonin’ny ranomasina sy rehefa rendrika ary rehefa nogadraina tany Roma?
Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Paoly ny hoe rehefa mahatoky isika dia afaka ny hanampy antsika hamadika ny fitsapana ho fitahiana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa Andriamanitra.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo ohatra sasany amin’ireo fomba ahafahan’Andriamanitra manampy ny olona hanova ny fitsapana ho fitahiana ho an’ny tenany manokana sy ho an’ny hafa?
-
Oviana Andriamanitra no efa nanampy anao na ny olona iray izay fantatrao nanova ny fitsapana ho fitahiana ho an’ny tenanao manokana na ho an’ny hafa?
-
Misafidiana ny hanaraka ny ohatr’i Paoly ka hijanona ho mahatoky rehefa mandalo fitsapana mba hahafahan’Andriamanitra manampy anao hanova ireo fitsapana ireo ho fitahiana ho an’ny tenanao manokana na ny hafa.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Asan’ny Apostoly 23–28 ka nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: