Fizarana 21: Andro 1
Romana 8–11
Fampidirana
Nampianatra momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fahaterahana indray ara-panahy sy ny fanekena ny sitrapon’ny Ray any An-danitra i Paoly Apôstôly. Nampianatra izy momba ny fandavan’i Isiraely ny fanekempihavanan’ Andriamanitra izay natao tamin’i Abrahama sy ny taranany. Nampianarin’i Paoly fa ny vahoaka voafidin’ Andriamanitra dia voafaritra bebe kokoa amin’ny fijanonan’izy ireo ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana mihoatra noho ny amin’ny firazanany, ary nampianatra momba ny fitondrana ny filazantsara any amin’ny Jentilisa izy.
Romana 8
Milazalaza momba ny fitahiana azo amin’ny hoe nateraka indray ara-panahy i Paoly
Moa ve ianao mahafantatra olona iray izay nandova zavatra lafo vidy be na sarobidy avy amin’olona iray hafa? Ohatra, indraindray ny ray aman-dreny na renibe sy raibe dia hanome zavatra sarobidy ho an’ny zanany na zafikeliny.
Raha afaka mandova ny fananan’olona iray ianao, inona no fananana hofidianao, ary nahoana no tianao ny hahazoana izany?
Eritrereto ireo fitahiana izay ho azonao raha toa ianao mandova izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ny Romana 8:1–18 ianao, dia tadiavo ny zavatra tokony hataontsika mba hahatonga antsika ho mpandova ny zavatra rehetra ananan’ny Ray any An-danitra.
Vakio ny Romana 8:1, 5–7, 13 dia tadiavo hoe inona no nampianarin’i Paoly Apôstôly momba ny fandehanana “araka ny nofo,” na ny fanekena ny fironana voajanahary hanota, sy momba ny fandehanana “araka ny fanahy.”
Nampianatra fihetsika roa mifanohitra i Paoly ao amin’ireo andiny ireo: ny hoe “fihevitry ny nofo” sy ny hoe “fihevitry ny fanahy” (Romana 8:6). Ny hoe fihevitry ny nofo dia ny miraharaha ny fahafinaretana sy ny fankamamiana ara-nofo, ary ny fitsiriritan’ny vatana. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe fihevitry ny fanahy?
Ny andian-teny hoe “amonoanareo ny asan’ny tena” (Romana 8:13) dia midika hoe mifehy tena na miala amin’ny fahalemena sy ny fakampanahy ary ny fahotana izay mikasika ny vatantsika mety maty (jereo ny Romana 8:13, fanamarihana eo ambanin’ny pejy b (ao amin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy an’ny OAF); Môsià 3:19). Mianatra isika avy amin’io andinin-tsoratra masina io fa raha manaraka ny fitaoman’ny Fanahy isika, dia afaka mandresy ny fironana hanota.
Vakio ny Romana 8:14–17 dia tadiavo hoe inona no niantsoan’i Paoly ireo izay manaraka ny Fanahy. Ny teny hoe zanaka ao amin’ny andininy 14 dia midika hoe ny zanakalahy sy ny zanakavavy (jereo ny F&F 25:1).
Amin’ny dikany mihoatra ny iray no ilazan’ny soratra masina antsika hoe “zanak’ Andriamanitra” (Romana 8:16). Voalohany, ny olombelona rehetra dia zanaka malala ara-panahy an’ny Ray any An-danitra ara-bakiteny. Faharoa, isika dia nateraka indray ho zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifandraisana ara-panekempihavanana amin’i Jesoa Kristy rehefa mibebaka sy atao batisa ary mandray ny Fanahy Masina.
Fahita matetika tao amin’ny tontolon’ny Romana ny fananganan-janaka, ary tokony ho hevitra mahazatra ny mpamaky ny epistilin’i Paoly izany. Ny olona iray izay nanangana zanaka iray araka ny lalàna dia manome ho an’izany zanaka izany ny zo sy ny tombontsoa rehetra izay tokony ho azon’ny zanaka nateraka. Noho izany isika rehefa mandray “ny Fanahin’ny zanaka natsangana” (Romana 8:15) amin’ny alalan’ny fidirana ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara, dia lasa zanak’ Andriamanitra isika sy “mpiray lova amin’i Kristy” (Romana 8:17).
Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Benjamina Mpanjaka dia nampianatra ihany koa ny fomba ahafahantsika ho tonga “zanak’i Kristy” (jereo ny Môsià 5:5–10).
Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe i Jesoa Kristy dia “lasa Raintsika … satria Izy no nanome antsika fiainana, fiainana mandrakizay, tamin’ny alalan’ny sorompanavotana izay nataony ho antsika.” Nanazava izy hoe: “Lasa zanaka, zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataontsika dia ny hankatò Azy” (Doctrines du Salut noraketin’i Bruce R. Mc Conkie, boky miisa 3 [1954–56], 1:29).
Vakio indray ny Romana 8:17. Ny mpiray lova dia olona izay mandray lova mitovy amin’ny mpandova hafa.
Raha efa zanaky ny Ray any An-danitra isika, nahoana isika no tsy mahazo avy hatrany lova mitovy amin’ny an’i Jesoa Kristy? Nahoana no ilaina ny lasa zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy?
Nanazava ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hoe: “Isika dia mpandova ny ray aman-drenintsika any an-danitra avokoa. ‘Zanak’ Andriamanitra isika,’ hoy ny Apôstôly Paoly nampianatra, ‘ary raha zanaka dia mpandova eny sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa’ (Romana 8:16–17). Midika izany araka ny lazaina amintsika ao amin’ny Testamenta Vaovao fa ‘mpandova … ny fiainana mandrakizay isika’ (Titosy 3:7) raha manatona ny Ray isika dia tokony ‘handova ny zava-drehetra’ (Apokalypsy 21:7)—izay rehetra ananany—hevitra iray izay sarotra takarina ho an’ny saintsika olombelona mety maty. Saingy farafaharatsiny dia azontsika takarina fa ny fahatratrarana io anjara farany io any amin’ny mandrakizay dia tsy ho azontsika tanterahana raha tsy manaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika isika izay nampianatra hoe tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako’ (Jaona 14:6)” (“Ireo mpanara-dia an’i Kristy,” Ensign, mey 2013, 98).
Raha ny fahamendrehantsika no jerena, dia tsy hahazo na inona na inona isika satria samy efa nanota isika rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra (jereo ny Romana 3:23). Na izany aza, rehefa natsangan’i Jesoa Kristy isika, dia resy ireo tsy fahatanterahantsika amin’ny alalan’ny fianany sy ny sorompanavotany tonga lafatra. Araka izany, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana ataontsika sy ny fankatoavantsika an’i Jesoa Kristy, dia lasa mpiray lova isika ka dia “miara-miaritra amin’i [Jesoa Kristy]” (Romana 8:17). Tsy midika izany hoe isika dia miaritra ny zavatra niaretan’ny Mpamonjy izay tafiditra amin’ny sorompanavotana nataony. Midika kosa izany fa miara-miaritra Aminy isika amin’ny fanarahana Azy sy amin’ny fahafoizana ny zavatr’izao tontolo izao, amin’ny fankatoavana ny didy ary amin’ny faharetana amim-pahatokiana ny fifanoherana.
Ianarantsika ao amin’ny Romana 8:14–18 fa raha zanaka mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana isika, dia afaka ny ho tonga mpiray lova amin’i Jesoa Kristy amin’ny zavatra rehetra ananan’ny Ray any An-danitra.
-
Manaova tabilao misy tsanganana telo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ka ny voalohany asio lohateny hoe Zavatra takina, ny tsanganana eo afovoany asio hoe Fifanoherana, ary ny tsanganana fahatelo asio hoe: Lova. Avy eo dia ataovy izao manaraka izao:
-
Tanisao ao amin’ilay tsanganana hoe “Zavatra takina” ny didy na fitsipika efatra na dimy izay tokony hiainantsika mba handraisana antsika ho zanak’ Andriamanitra mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana.
-
Tanisao ao amin’ilay tsanganana hoe “Fifanoherana” ny ohatra vitsivitsy maneho fifanoherana izay mety hiainantsika rehefa miezaka ny hiaina amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra mahatoky antsika ao amin’ny fanekempihavanana isika.
-
Tanisao ao amin’ilay tsanganana hoe “Lova” ireo fitahiana izay azontsika lovaina avy amin’ny Ray any An-danitra raha toa isika miezaka ny miaina amin’ny maha-zanany mahatoky antsika ao amin’ny fanekempihavanana.
-
Jereo ny zavatra notanisainao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ary ampitahao ireo fitahiana azo amin’ny maha-mpiray lova amin’i Kristy anao sy ireo zavatra takina mba hataonao ary ny fifanoherana izay mety handalovanao. Inona no holazainao ny olona iray izay manontany hoe tsy mahafaty antoka ve ny mijanona ho mahatoky amin’ny didin’ny Tompo?
Vakio ny Romana 8:18 dia tadiavo hoe inona no nolazain’i Paoly momba ny fomba itovizan’ny fahafoizan-tena ataontsika amin’ny lova azontsika avy amin’ny Ray any An-danitra.
Voarakitra ao amin’ny Romana 8:19–30 fa i Paoly dia nampianatra hoe manampy antsika amin’ny fahalementsika ny Fanahy ary nantsoina tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy ireo zanak’ Andriamanitra. (Ao amin’ny Romana 8:29–30 ny teny hoe notendrena dia midika hoe voatendry mialoha na nantsoina. Handalina bebe kokoa momba ny fampianaran’i Paoly Apôstôly momba ny fanendrena mialoha ianao ao amin’ny Efesiana.)
Vakio ny Romana 8:28, 31–39 dia tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly momba ny fitiavan’ Andriamanitra izay misy ifandraisany amin’ny fifanoherana sy ny olana ary ny fotoan-tsarotry ny fiainana an-tany. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny manan-danja aminao.
Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 8:31 dia manao hoe: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra [haharesy] antsika?” (Dikantenin’i Joseph Smith, Romana 8:31 ).
Ahitana ireto manaraka ireto ny fahamarinana vitsivitsy azontsika fantarina ao amin’ireo andininy ireo: Raha tia an’ Andriamanitra isika, dia hiara-miasa ny zava-drehetra ho tombontsoantsika. Afaka ny handresy ny olana sy fotoan-tsarotra rehetra amin’ny fiainana ety an-tany isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy misy afaka manasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra, izay miseho amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
-
Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na maromaro amin’ireto asa atao manaraka ireto:
-
Eritrereto ireo olana sy fotoan-tsarotra izay niainanao, avy eo manorata zavatra roa voalaza ao amin’ny Romana 8:28, 31–39 izay nanaitra anao ary hazavao hoe nahoana.
-
Lazalazao hoe ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra nandritra ny olanao.
-
Manorata fomba vitsivitsy ahafahanao maneho ny fitiavanao an’ Andriamanitra. Mametraha tanjona hanaovanao asa momba ny zavatra nosoratanao, ary matokia fa ny zavatra rehetra dia hiara-hiasa hahasoa anao.
-
Romana 9–11
Nampianatra momba ny fandavan’i Isiraely ny fanekempihavananan’ Andriamanitra sy momba ny fitondrana ny filazantsara ho any amin’ny Jentilisa i Paoly
Araka ny voarakitra ao amin’ny Romana 9–11, ny teny nampiasain’i Paoly dia hoe Isiraely sy Isiraelita fa tsy hoe Jiosy. Tamin’ny vanin’andron’ny Testamenta Taloha, dia nofidian’ Andriamanitra ny taranak’i Jakoba, na Isiraely, mba ho anisan’ny fanekempihavanany miaraka amin’i Abrahama (jereo ny Romana 9:4–5). Io fanekempihavanana io dia ahitana ireo fitahiana toy ny tany, fahefan’ny fisoronana ary ny andraikitra hitahy ny olona manerana izao tontolo izao amin’ny filazantsara, izay mahatonga ny fiainana mandrakizay ho azo tanterahina.
Vakio ny Romana 9:6, 8 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny olona ao amin’ny mpianakavin’Isiraely.
Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly ambara amin’ny hoe “tsy izay rehetra avy amin’ny Isiraely no Isiraely” (Romana 9:6)?
Ny Jiosy sasany dia tsy nahatakatra hoe tsy ny olona rehetra teraka tao amin’ny mpianakavin’i Isiraely no mendrika ny ho isan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra miaraka amin’i Isiraely. Nahatoky tanaty hadisoana izy ireo fa ny firazanany dia nanome azy ireo avy hatrany ny fitahian’ ny fanekempihavanana.
Vakio ny Romana 10:8–13, mba hitadiavana hoe fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray; na Isiraelita izy na tsia, ho tonga isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.
Ao amin’ireo andininy ireo, ny teny Grika nadika hoe manaiky dia midika hoe fankatoavana na fanekempihavanana, ary ny teny Grika nadika hoe mino dia midika hoe fanoloran-tena feno fahatokiana. Izany fahatokiana lalina ny Mpamonjy izany dia mitondra ny olona haneho ny fanekeny Azy amin’ny fomba izay napetrany. Tafiditra ao amin’izany fomba izany ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra sy ny fibebahana ary ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsara, izay ahitana ny batisa sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina.
Araka ny fampianaran’i Paoly, raha manaiky sy mankatò an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany isika, dia afaka ny handray ireo fitahian’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ka ho voavonjy.
-
Misy olona sasany nampiasa ny Romana 10:9, 13 mba hilazana fa ny hany tokony ataontsika mba ho voavonjy dia maneho am-bava ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe afaka manampy anao hamaly izany filazan-diso izany amin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana noresahina tao amin’ity lesona ity.
Vakiantsika ao amin’ny ambin’ny Romana 10–11, fa i Paoly dia nampianatra hoe ny mandre ny tenin’ Andriamanitra dia ilaina mba hampitomboana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Nanazava bebe kokoa izy momba ny fandavan’ny Isiraelita ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka nampiasa fifanahafana momba ny fanaovana grefy ny rantsana avy amin’ilay hazon’oliva dia ho ao amin’ilay hazon’oliva voakolokolo mba hanehoana ny fananganana ny Jentilisa ho ao amin’ny mpianakavin’Isiraely (jereo ny Jakôba 5). Nampianatra ihany koa izy fa ny filazantsara dia homena indray ho an’ny Jiosy.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Romana 8–11 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: